Aoka halamintsika indray ny zavatra eo amin’Andriamanitra sy isika
“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala.” — ISAIA 1:18.
1, 2. a) Inona no hoeritreretinao raha nilaza toy izao taminao ny olona iray: ‘Avia, aoka isika hifanazava.’ b) Nahoana moa isika no tsy tokony hanantena ny ho afaka hifanakalo hevitra amin’Andriamanitra?
METY ho nanana fifandraisana nihenjana tamin’ny olona iray ianao noho ny tsy fifanarahana tamin’ny lasa; inona anefa no hataonao raha milaza aminao io olona io hoe: ‘Avia, aoka hifanazava isika.’ Mety ho fanasana hifanakalo hevitra izany, amin’ny fahavononana handefitra. Mety hilaza ny fihetseham-pony ny tsirairay avy ary hiaiky fa manana anjara andraikitra amin’ny fahadisoana natao na ny tsy fahazoan-dresaka.
2 Heverinao ve anefa fa mety hilaza aminao toy izany amin’izany heviny izany ny Mpamorona: ‘Avia, aoka hifanazava isika’, raha raisina ny fitenenana nandikan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany ny Isaia 1:18? Tsy izany velively. Tsy misy na dia iray monja aza amintsika afaka manantena ny ‘hifanakalo hevitra’ (TOB) amin’i Jehovah, toy ny hoe tokony hiaiky fahadisoana Andriamanitra na afaka hanaraka ambokony. Noho izany, inona no tokony hataontsika, araka ny Isaia 1:18, raha tiantsika ny hihavana amin’Andriamanitra?
3. Inona moa no hevitra voalohan’ny teny hebreo adika indraindray amin’ny hoe ‘mifanazava’ ao amin’ny Isaia 1:18?
3 Ny teny hebreo nadika hoe ‘mifanazava’ dia manana heviny indrindra hoe “manapa-kevitra, mitsara, manaporofo”. Misy fifandraisana amin’ny fitsarana izany ary lasa lavidavitra kokoa noho ny fifanazavana fotsiny eo amin’ny olona roa. Mahafaoka fanapahan-kevitra tokony hatao izanya (Genesisy 31:37, 42; Joba 9:33; Salamo 50:21; Isaia 2:4). Ny Fandinihana ireo teny ao amin’ny Testamenta Taloha (anglisy) nataon’i Wilson dia manolotra izao filazana hevi-teny manaraka izao: “Marina; manjohy hevitra, manaporofo izay ara-drariny sy marina.” Raha ny marina, dia nanome izao didy izao Andriamanitra: “Avia ary hifandahatra [handamina indray ny zavatra eo amintsika, MN ] isika.”
4-6. Iza moa Isaia, ary oviana izy no mpaminany?
4 Nampiasa an’Isaia mpaminany i Jehovah Andriamanitra mba hampitana io hafatra mahery io. Iza moa Isaia, ary nahoana ny hafatra nentiny no nety tamin’ny androny? Ambonin’izany, ahoana no azontsika andraisan-tsoa avy amin’izany?
5 Ny hevitra ny amin’ny hoe “mpaminany” angamba dia mampahatsiahy ao amin’ny sasany amin’izao andro izao, hevitra ny amin’ny mpampijaly tena tanora iray izay ny hafatra nentiny dia nanome sary diso ny amin’ny zavatra tena misy. Ny hafa hieritreritra ny amin’ny anti-dahy hafahafa iray variana mitsara ny mpiara-belona aminy. Raha ny marina, Isaia dia lehilahy nahay nandanjalanja sy nanan-tsaina nampiasain’i Jehovah Andriamanitra mba hanoratra ny boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany.
6 Nonina tany Joda “Isaia, zanak’i Amoza” ary, nandritra ny 40 taona mahery, dia niasa tamim-paharisihana ho an’i Jehovah izy “tamin’ny andron’i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ny Joda”. Naneho fanetren-tena izy tamin’ny tsy fanomezana fanazavana betsaka ny amin’ny tenany. Lazain’ny lovantsofina ho anisan’ny havan’ny mpanjakan’ny Joda izy. Fantatsika amin’ny fomba azo antoka fa nanambady izy ary niteraka roa. Taty aoriana, dia maty angamba ny vadiny ka nanambady fanindroany izy ary niteraka lahy hafa iray nantsoina ara-paminaniana hoe Imanoela. — Isaia 1:1; 7:3, 14; 8:3, 18.
7. Nahoana moa no tokony hahaliana antsika ireo faminanian’Isaia?
7 Ny androntsika dia misy fifanahafana amin’ny an’i Isaia. Afaka mahatsapa izany ny tsirairay avy, miaina ao anatin’ny fihenjanana iraisam-pirenena feno isika. Mandrahona na mamely ny ady any amin’ny toerana maro. Ny tompon’andraikitra ara-politika na ara-pivavahana sasany izay mihambo ho manolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra dia manome ohatra, nefa tantarain’ny filazam-baovao tsy tapaka ny zavatra maharikoriko ara-pitondrantena sy ara-bola nidiran’izy ireny. Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ireny olona ireny, indrindra fa ireo anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Inona no miandry azy ireny, dia izy sy ireo izay manaraka azy? Ao amin’ny bokin’Isaia dia ahitana hevitr’Andriamanitra mihatra tanteraka amin’ireny raharaha ankehitriny ireny. Afaka mandray fianarana avy amin’izany koa izay anisantsika rehetra ka miezaka manokana hanompo an’Andriamanitra.
Mpaminanin’ny firenena meloka iray
8. Inona moa no voarakitra ao amin’ny bokin’Isaia, ary ahoana no fomba nanoratana azy?
8 Ny bokin’Isaia dia mampiharihary ny helok’i Joda sy Jerosalema, manome andinindininy ara-tantara ny amin’ny fanafihan’ny fahavalo ary manambara ny loza hahazo ireo firenena eny amin’ny manodidina; hita ao koa ny faminaniana mampahery ny amin’ny fampodiana indray sy ny famonjena ny Isiraely. Voasoratra amin’ny fomba fiteny ara-panoharana sy mahavariana io boky io. Izao no ambaran’i I. Slotki ny amin’izany: “An-tsitrapo no ankasitrahan’ireo mpandinika Baiboly ny famirapiratan’ny fahaizan’Isaia maka sary an-tsaina, ny filazalazany marevaka, ny fahaizany mampiasa fanoharana izay tiany hahery, sy famerimberenam-peo ary tsindrimpeo, mbamin’ny fifandanjana tsara sy ny paikan’ny fehezanteniny.” Aoka hodinihintsika, ohatra, ny toko 1 amin’ny bokin’Isaia.
9. Inona no fantatsika ny amin’ny fotoana nanoratana ny toko 1 amin’ny Isaia sy ny tarehin-javatra nanjaka tamin’izay?
9 Tsy milaza marina ny fotoana nanoratany an’io toko io ilay mpaminany, nefa fantatra fa ny Isaia 6:1-13 dia nosoratana tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia mpanjaka. Noho izany, raha nanoratra ireo toko eo aloha tamin’ny fotoana aloha Isaia, izany dia mety ho fandalinana ny tarehin-javatra nisy tamin’ny andro nanjakan’i Ozia. Tamin’ny ankapobeny, Ozia (829-777 al. fan. ir.) dia “nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah”; noho izany antony izany dia nitondra fanambinana ho an’ny andro nanjakany Andriamanitra. Fantatsika anefa fa tsy nandeha tsara daholo ny zavatra rehetra, satria, talohan’ny namelezan’Andriamanitra an’i Ozia, na Azaria, tamin’ny habokana noho ny nanehoany fieboeboana tamin’ny fanolorana ditin-kazo manitra tao amin’ny tempoly, dia “mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny fitoerana avo ihany ny olona”. (2 Tantara 26:1-5, 16-23; 2 Mpanjaka 15:1-5.) Ny faharatsiana nokobonina tamin’ny andron’i Ozia angamba no nitarika ny fironana mafy hanao ratsy nahameloka ny zafikeliny, dia Ahaza mpanjaka (762-745 al. fan. ir.) Ary angamba izany koa no nolazalazain’Isaia. Kanefa, mbola zava-dehibe kokoa noho ny daty hentitra nanoratana an’io toko 1 io ny antony nanosika an’Andriamanitra hilaza hoe: “Aoka halamintsika ny zavatra eo amintsika.”
10. Inona no tarehin-javatra nanjaka tany Joda, indrindra fa teo amin’ireo lehibe, tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka?
10 Nanambara tamim-pahatsorana toy izao Isaia: “Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’i Jehovah izy, efa nanamavo ny Iray Masin’ny Isiraely, efa nihodina izy. (...) Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra, hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary.” (Isaia 1:4-6). Ireo 16 taona naharetan’ny fanjakan’i Ahaza dia voamariky ny fanompoan-tsampy tsy nisy henatra. Ahaza dia nandoro “ny zanany (...) [ho sorona] tamin’ny afo, araka ny fahavetavetan’ny jentilisa (...). Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon’ny havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra”. (2 Tantara 28:1-4; 2 Mpanjaka 16:3, 4.) Ny tsy rariny, ny fandraisana kolikoly sy ny fahalotoam-pitondrantena dia zavatra fahita teo amin’ireo mpanapaka, izay ho tsara toerana kokoa raha tany Sodoma fahizay (Isaia 1:10, 21-23; Genesisy 18:20, 21). Tsy afaka nankasitraka azy ireny mihitsy Andriamanitra. Rehefa nanana mpanapaka toy izany nitarika azy ny vahoaka, tokony ho ao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana izy?
11. Ahoana no tokony handraisana ny Isaia 1:29, 30?
11 Nohazavain’Isaia mpaminany ny toe-javatra nampahonena nisy ny vahoaka tamin’ny fanasiana fitenenana ny amin’ny hazo sy ny zaridaina masina nanoloran’ny Isiraelita ireo sorony ho an’ny sampy sy nandoroany ditin-kazo manitra ho fanomezam-boninahitra ireo andriamanitra sampy. Indray andro any, ireny “hazo mahery” ireny dia ho tonga anton-javatra mahamenatra ho azy ireo (Isaia 1:29, MN; 65:3). Nampihatra ny ohatra ny amin’ny hazo tamin’ireo mpanompo sampy mihitsy Isaia ka nanoratra toy izao: “Fa ho tahaka ny hazo teribinta malazo ravina hianareo, sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.” (Isaia 1:30). “Ho lany ritra” tokoa ireo izay nahafoy an’i Jehovah. Ho tonga toy ny kira (zavatra mirehitra avy amin’ny rongony) izy ireo ary ny sampiny ho toy ny kilalaon’afo — ho may àry izy rehetra. — Isaia 1:28, 31.
12, 13. Inona avy no fifanahafan-javatra voamarika eo amin’ny androntsika sy ny an’i Isaia?
12 Aoka anefa hampitahaintsika amin’ny tarehin-javatra hitan’izao tontolo izao ankehitriny izany toe-javatra izany. Izao no nahariharin’ny gazety tany Etazonia tao anatin’ny iray volana: ny mpilatsaka ho prezidà iray, izay tsara toerana anefa, dia niala noho ny zava-nahatafintohina nipoaka rehefa hita fa nanana fifandraisana tamim-behivavy izy; ny mpitoriteny nalaza iray dia namoy ny raharahany rehefa avy niaiky fa nanitsakitsa-bady ary nampangaina ho mandry amin’ny lehilahy, mifanakalo vady sy nanodinkodim-bola mba hividianana ny fanginan’ny vehivavy tanora iray niharam-pahavoazana noho ny famelezana. (Araka ny revio Time tamin’ny 11 may 1987, nanomboka tamin’ny 1984, dia toa hoe naharay vola tsy toko tsy forohana 4,6 tapitrisa dôlara ho onitra izy”.) Tany Aotrisy, tamin’ny taona lasa, ny “abbé”-n’i Rein dia ‘nesorina tamin’ny andraikiny ary nampangaina ho nandanilany foana 6 tapitrisa dôlara mba hividianana trano kelikely iray momba ny fihazana sy tamin’ny fanasana ny mpianakavin’ny mpanjaka taloha mbamin’ny vehivavy tanora tsy dia ambony kokoa’. Azo inoana fa ho azonao atao ny hanome ohatra hafa ny amin’ny zava-mahatafintohina nahatafiditra olo-nalaza. Araka ny hevitrao, ahoana no fiheveran’Andriamanitra ireny olona ireny?
13 Raha ny amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny, ny fivavahana dia mihamizara azy ireny hatrany ho sokajiny roa miavaka tsara. Ny sasany miala aminy satria tofoka na tsy miraika; ohatra, ny telo isan-jato monja amin’ny mponina britanika no manatrika ireo fotoam-pivavahana ao amin’ny Fiangonana anglikana. Mifanohitra amin’izany, dia hitantsika ny firehetana tafahoatra amin’ny fivavahana. Izany fisehoan-javatra mitombo izany dia hita eo amin’ireo Fiangonana karismatika izay mampiasa ny fihetseham-po amin’ny fampanantenana “famonjena”, amin’ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra na amin’ny fanaovana “fanasitranana”. Mirohotra manatona ireo toerana masina ny vahoaka noho ny fanantenana fahagagana. Ny hafa manao asa ho an’ny “finoana” amin’ny fanolorana fanatitra, toy ireo mamindra amin’ny lohalika mivoa-dra mba hahita ny Virijina any Guadalupe, any Meksikô. Izao no azo novakina tao amin’ny gazety mivoaka isan’andro iray: “Na dia mety ho hita miharihary ho fifangaroan’ny kristianisma sy ny fanompoan-tsampy eo imason’ireo tsy anisan’ny fikambanana aza ny fisiany sy ny firehetana amin’ny fanompoana azy, dia azo atao ny milaza fa ny Virijina no endrika malaza indrindra eo amin’ny fivavahana katolika meksikana.”
Ahoana no mety hahazoantsika ny fankasitrahany?
14. Ahoana moa, tamin’ny alalan’Isaia, no nampisehoan’i Jehovah mazava fa tsy ekeny daholo akory izay rehetra milaza ho mivavaka aminy?
14 Jehovah Andriamanitra dia tsy mamela hisy fisalasalana mihitsy ny amin’ny fomba iheverany ireo izay mihambo ho manolotra fanompoam-pivavahana aminy, kanefa ‘tsy mivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’. (Jaona 4:23.) Raha toa ny firenena iray, ny fandaminana ara-pivavahana iray na ny olona iray tsy manao zavatra mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, dia very maina foana ny andaniany hery amin’ny fanaovan-javatra ara-pivavahana. Ohatra, ireo andro firavoravoana sy ireo fanatitra dia anisan’ny fanompoam-pivavahana marina notakina tamin’ny Isiraely fahizay (Levitikosy toko 1-7, 23). Novelabelarin’Isaia anefa ny hevitr’Andriamanitra ny amin’io raharaha io: ireo Jiosy nivadika izay nitandrina ireny didy ireny dia tsy nankasitrahany. Hoy Andriamanitra: “Raha mananty tànana hianareo, dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho.” (Isaia 1:11-15). Tsy misy hafa amin’izany amin’izao andro izao. Tsy fombafomba na fanambarana nianarana tsianjery no tadiavin’Andriamanitra fa vavaka sy fanaovan-javatra mahitsy avy amin’ny fo.
15. Inona no fanantenana omen’ny Isaia 1:18 antsika, ary inona no dikan’ny baiko hoe “avia ary aoka isika handamina indray ny zavatra”?
15 Ny fahalalana an’io fotopoto-pitsipika io dia manome ho an’ny olombelona, fanantenana ny ho afaka hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ahoana izany? Aoka hohenointsika ny fananaran’Isaia: “Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; mitsahara, fa aza manao ratsy; mianara hanao ny tsara, diniho izay rariny.” Tamin’izay fotoana izay Isaia no nampita ny didin’Andriamanitra hoe: “Avia ary hifandahatra [handamina indray ny zavatra eo amintsika, MN ] isika.” Noho izany, Jehovah dia tsy nangataka fifanakalozan-kevitra teo amin’ny mitovy saranga ka hoe ny tsirairay avy dia hiezaka hanao izay hanoloran-kevitra hifanarahana. Fantatr’Andriamanitra izay ara-drariny, na ny atao hoe filaminana. Izao no fitsarana notononiny: ny olombelona no tokony hanao fiovana sy hanaraka ireo fotopoto-pitsipiny marina. Ary toy izany no izy amin’izao andro izao. Azo atao ny miova sy ny mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Na dia izay nanana fitondrantena ratsy dia ratsy aza dia afaka miova. Izao no nosoratan’Isaia: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala.” — Isaia 1:16-18.
16. Inona moa no vokatry ny torohevitra araka ny Baiboly sasany momba ny ratsy teo amin’ny kristiana sasany?
16 Ny sasany anefa mihaino izany torohevitra izany, saingy mirona hihevitra fa mihatra amin’ny hafa izany. Izany no toa nataon’ny Jiosy be dia be tamin’ny andron’Isaia. Raha ny marina, dia tokony handini-tena ny tsirairay avy. Raha toa ny kristiana iray ka meloka ho nanao fahotana lehibe, lainga, fitaka, fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy na hafa, dia zava-dehibe tokoa ny hibebahany sy hanatanterahany asa mifanaraka amin’ny fibebahana (Asan’ny apostoly 26:20). Azo deraina ireo izay ‘nandamina indray ny zavatra teo amin’i Jehovah sy izy’. Nasehon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 jolay 1985 ny fomba handresena kileman-toetra mety hiafina amin’ny manodidina antsika, nefa tsy takona eo imason’Andriamanitra (Matio 6:6; Filipiana 4:13). Izany dia nanipika ny amin’ny lafin-javatra telo indrindra: ny fampidiran-dra izay mety hekentsika mangingina, ny “masturbation” sy ny fanaranam-po amin’ny alkaola. Rehefa avy nandinika io raharaha io ny maro tamin’ny mpamaky dia nanoratra taminay mba hisaotra anay. Niaiky izy ireny fa nanana ireo kileman-toetra ireo taloha; izay novakiny anefa dia nanosika azy ireny hibebaka sy hiova.
17. Na dia tsy manao fahotana lehibe aza isika, ahoana no mety hiharan’ny Isaia 1:18 amintsika ka hanampiany antsika?
17 Mazava ho azy fa ny ankamaroan’ny kristiana izay manao izany fandinihana izany dia tsy nanao fahadisoana ara-pitondrantena lehibe akory; na dia izany aza, ny hafatra nentin’Isaia dia tokony hanosika antsika rehetra handinika ny fontsika. Mety ho tokony handamin-javatra sasany amin’Andriamanitra ve isika? Ny anankiray amin’ireo foto-javatra tena lehibe amin’ny fananaran’Isaia dia nahakasika ireo antony tsara manosika ny fo. Araka izany, dia mety hanontany tena toy izao isika: ‘Avy amin’ny fo ve ny vavaka ataoko?’ Manao izay rehetra azoko atao ve aho mba hahatonga ny asako hifanaraka amin’ny vavaka ataoko? Ny sasany tamin’ireo izay nanontany tena toy izany dia nahatsapa ireo fandrosoana nety ho vitany. Nivavaka tokoa izy ireny mba hahazoana fahalalana betsaka kokoa ny sitrapon’Andriamanitra, kanefa tsy nandany fotoana firy hianarana ny Baiboly sy ireo boky kristiana izy ireny. Ny hafa nivavaka mba handraisana anjara misimisy kokoa amin’ny fanompoana, kanefa nanana fiainana tsy nahatonga azy ireny ho afaka hampihena ny fandaniany, noho izany dia ny fotoana laniny niasana. Mivavaka amin’Andriamanitra ve ianao mba hanampiany anao hanao mpianatra? Raha izany no izy, manao ahoana ny fiasanao mba hahatongavana ho mpampianatra mahita vokatra kokoa? Ampitomboinao amim-pieritreretana tsara ve ny isan’ny fiverenana mitsidika ataonao ary vonona ve ianao ny haka amin’ny fotoananao mba hitarihana tsy tapaka fianarana ny Baiboly? Amin’ny fiezahana hampifanaraka ny fiainanao amin’ny vavaka ataonao, dia asehonao ny fanirianao amim-pahatsorana ny hohenoin’Andriamanitra.
18. Nahoana moa isika no tokony hiahy ny amin’ny handaminana indray ny zavatra eo amin’Andriamanitra sy isika?
18 Ilaina ny hanaovan’ny tsirairay avy amintsika fiezahana mba ‘handaminana indray ny zavatra’ miaraka amin’Andriamanitra Mpamorona, amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainany. Manao izay hieritreretana Isaia amin’ny lafiny io: “Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa ny Isiraely tsy mahalala, ny oloko tsy misaina.” (Isaia 1:3). Tsy misy na dia iray monja aza amintsika haniry ny hanana fahalalana na fankasitrahana latsaka noho ny an’ny omby na ny boriky. Ho mendrika izany anefa isika raha noheverintsika fa tsy mila ny manao fiezahana isika mba hahalalana ny Mpamorona antsika sy ny didiny, ary mba hiainana amim-pahatsorana mifanaraka amin’izay ianarantsika.
19. Inona moa no fanantenana avelan’Isaia ho tsinjon’ireo izay mandamina indray ny zavatra amin’Andriamanitra, ary inona no vidin’io hafatra io ho antsika?
19 Isaia dia nanome ho an’ny Isiraelita antony tokony hiheverana ny zavatra hihatsara, tamin’ny filazana fa afaka niova izy ireny ka ho hita fa madio teo anatrehan’i Jehovah, sahala amin’ny fitafiana jaky izay ho tonga fotsy toy ny volon’ondry na ny orampanala nandrakotra ny tampon’i Hermona (Isaia 1:18; Salamo 51:7; Daniela 7:9; Apokalypsy 19:8). Na dia tsy namaly izany antso izany aza ny Jiosy tamin’ny ankamaroany, ka natolotra ho amin’ny sabatra sy ny fahababoana ny fireneny, dia nisy sisa nahatoky afaka niverina. Afaka hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah koa isika, angamba noho ny fanampian’ny mpiandraikitra tia miasa tsara ao anatin’ny kongregasionan’ireo ‘mpitsara sy mpanolo-tsaina’ feno fitiavana (Isaia 1:20, 24-27; 1 Petera 5:2-4; Galatiana 6:1, 2). Matokia àry, afaka mandamin-javatra ianao eo amin’ny Mpamorona sy ianao. Na raha efa manana ny fankasitrahan’Andriamanitra ianao, dia afaka manamafy ny fatorana mampiray anao aminy. Izany dia tena mendrika ny fiezahana rehetra hataonao amin’io lafiny io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hazavain’i E. Plumptre fa “ny [dikany omen’ny Fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques] dia mahatonga hieritreritra ny amin’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mitovy saranga, kanefa ny teny hebreo kosa dia mahatonga hieritreritra ny amin’ny farateny atao amim-pahefana, toy ny hataon’ny mpitsara iray miteny amin’ny voampanga”.
Famerenana
◻ Milaza inona moa ny baiko ‘hanatona sy handamina indray ny zavatra’ miaraka amin’Andriamanitra?
◻ Amin’ny ahoana moa ny andron’Isaia no sahala amin’ny antsika?
◻ Araka ny filazan’Isaia, ahoana no mety hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra?
◻ Tsy mifandray amin’ny fahotana lehibe, amin’ny lafiny inona avy moa isika no ho afaka ny hila ny handamina indray ny zavatra eo amin’Andriamanitra sy isika?
[Sary, pejy 10]
Ireo fidinana amin’i Hermona rakotry ny orampanala, izay ao atsimo andrefany no ahatazanana ao ambadiky ny lohasaha avon’i Jordana, ireo havoan’i Galilia.
[Sary nahazoan-dalana]
Sary, pejy 10, 31: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 13]
Nilaza Isaia fa ‘ny boriky mahalala ny fihinanam-bilon’ny tompony’. Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’io fanambarana io?