FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/2 p. 21-23
  • Ny anabatista sy “ny mariky ny teny mahasoa”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny anabatista sy “ny mariky ny teny mahasoa”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Voaorina ‘ny marika’
  • Ireo fampianarany voalohany
  • Ny fiheverany an’izao tontolo izao
  • Ny fanenjehana — sy ny nanaraka izany
  • ‘Ny marika’ amin’izao andro izao
  • Iza Ireo Anabatista?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Ampiharo Hatrany Izay Nianaranareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ataovy Fomba Fiainanao ny Fampianarana Mahasoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mifikira Amin’ny Fahamarinana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/2 p. 21-23

Ny anabatista sy “ny mariky ny teny mahasoa”

NANAMBARA ny apostoly Paoly fa aorian’ny fahafatesany dia hisy kristiana mpivadi-pinoana, azo ampitahaina amin’ny “amboadia masiaka”, hitsofoka eo amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ka hitady “hitaona ny mpianatra hanaraka azy”. Ahoana no hanaovany izany? Hampiditra lovantsofina sy fampianaran-diso ao izy ireo mba hanolanana ny fahamarinana ao amin’ny Soratra masina. — Asa. 20:29, 30; 1 Timoty 4:1.

Noho izany antony izany no nanaovan’i Paoly izao fananarana izao ho an’i Timoty tanora: “Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema [mahasoa, MN ], izay efa renao tamiko. Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.” Inona moa izany “mariky ny teny mahasoa” izany? — 2 Timoty 1:13, 14.

Voaorina ‘ny marika’

Ny boky rehetra ao amin’ny Soratra grika kristiana dia nosoratana nandritra ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana. Na dia nanana mpanoratra samy hafa aza izy ireo, ny fanahy masin’Andriamanitra, ny heriny miasa, dia nanao izay hahatonga izany hifandrindra, tsy amin’izy samy izy ihany, fa amin’ny Soratra hebreo, tranainy kokoa ihany koa. Araka izany, dia naorina ny ‘marika’ mafy amin’ny fampianarana araka ny Baiboly, izay tokony harahin’ny kristiana toy ny nanarahany an’i Kristy, ilay ‘marika’. — 1 Petera 2:21; Jaona 16:12, 13.

Nandritra ireo taonjaton’ny fahamaizinana ara-panahy nanaraka ny nahafatesan’ny apostoly, inona no nitranga tamin’ny “mariky ny teny mahasoa”? Mpino tso-po maro be no nanandrana nitady izany indray, na dia nilaina aza ny mbola hiandrasana hatratỳ amin’ny “andro farany” mba hahitana fiverenana amin’ny laoniny feno (Daniela 12:4). Indraindray dia feo mitokana, indraindray dia antokon’olom-bitsy no nitady ‘ny marika’.

Toa anisan’ireny olom-bitsy ireny ny Vaudoisa. Nahitana tamin’izany tany Frantsa, tany Italia sy tany amin’ny faritra hafa any Eoropa tamin’ny taonjato faha-12 ka hatramin’ny faha-14. Tatỳ aoriana, dia teraka avy tamin’io fihetsiketsehana io ny anabatista. Iza moa izy ireo ary inona avy no zavatra inoany?

Ireo fampianarany voalohany

Tany Zurich, any Soisa, no nanomboka nihanalaza ny anabatista, tany amin’ny 1525. Avy ao amin’io tanàna io, dia niely haingana tany amin’ny faritra maro be any Eoropa ireo zavatra ninoany. Tena nitondra fanovana vitsivitsy tokoa ny Fanitsiana teo am-piandohan’ny taonjato faha-16, nefa teo imason’ny anabatista dia tsy lasa lavitra loatra izany.

Noho ny finiavany hiverina amin’ny fampianarana kristiana tamin’ny taonjato I, dia betsaka kokoa ny zavatra nolaviny tamin’ny fampianarana katolika noho ny nataon’i Luther mbamin’ny mpanao fanitsiana hafa. Ohatra, notohanan’ny anabatista fa olon-dehibe ihany no afaka nanolo-tena ho an’i Kristy. Noho izany, koa satria izy ireo nanao batisa olon-dehibe, na dia ireo efa natao batisa fony vao teraka aza, dia nomena azy ireo ny anarana hoe “anabatista”, izay ny dikany dia hoe “mpanao batisa fanindroany”. — Matio 28:19; Asa. 2:41; 8:12; 10:44-48.

“Amin’ny anabatista, ny tena Fiangonana dia fikambanan’ny mpino”, hoy ny novakina tamin’ny soratr’i R. Smithson tao amin’ny bokiny hoe Ny anabatista — Ny nentiny ho an’ny lovantsika protestanta (anglisy). Tamin’ny naha-izany azy, izy ireo dia nihevi-tena ho fikambanan’ny mpino teo anivon’ny fitambaran’olona niaraka, ary tamin’ny voalohany izy ireo dia tsy nanana mpitondra fivavahana nahazo fampiofanana manokana na nandray karama. Sahala amin’ireo mpianatr’i Jesosy, izy ireny dia mpitory mpitety faritany izay nandeha isan-tanàna sy vohitra ary niresaka tamin’ny olona teny an-tsena, tany amin’ireo trano fivarotana sy tany amin’ireo tokantrano. — Matio 9:35; 10:5-7, 11-13; Lioka 10:1-3.

Ny anabatista dia tompon’andraikitra mivantana teo anatrehan’Andriamanitra, nanana fahafahana tamin’izay nataony, ary tsy maintsy nampiseho ny finoany tamin’ny asa, sady nanaiky anefa fa tsy avy amin’ny asa fotsiny ny famonjena. Raha nisy nandika ny finoana, dia azo natao ny nandroaka azy tsy ho ao amin’ny kongregasiona. Tatỳ aoriana, dia tsy noraisina indray izy raha tsy nisy porofon’ny tena fibebahana. — 1 Korintiana 5:11-13; jereo 2 Korintiana 12:21.

Ny fiheverany an’izao tontolo izao

Fantatry ny anabatista tsara fa tsy azony natao ny nanitsy an’izao tontolo izao. Na dia niray dina tamin’ny Fanjakana aza ny Eglizy nanomboka tamin’i Constantin emperora romana tamin’ny taonjato faha-4 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia tsy tokony hotsoahina avy amin’izany, araka ny hevitr’izy ireo, fa hoe tonga kristiana ny Fanjakana. Avy amin’ny tenin’i Jesosy, dia notadidian’izy ireo fa nanana adidy ny kristiana ‘tsy ho naman’izao tontolo izao’, na dia mety hiteraka fanenjehana ho azy aza izany. — Jaona 17:15, 16; 18:36.

Rehefa tsy nanohitra ny fieritreretany kristiana ireo tombontsoa tsy ara-pivavahana, dia niaiky ny anabatista fa nanana zo hitaky fanajana sy fankatoavana avy amin’izy ireo ny Fanjakana. Tsy nety nitsabaka tamin’ny politika anefa ny anabatista, tsy nety nanao raharaha ofisialy na raharahan’ny mpitsara na nanao fianianana. Nolaviny izay rehetra nety ho karazan-kerisetra sy fanerena, ary tsy nandray anjara mihitsy tamin’ny ady na ny raharaha miaramila izy ireny. — Marka 12:17; Asa. 5:29; Romana 13:1-7; 2 Korintiana 10:3, 4.

Tamin’ny ankapobeny, ny anabatista dia nanana fiainana tsotra sy nilamina, notarihin’ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ambony, ary tena tsy nandevozin’ny fananana sy ny faniriana ara-nofo izy ireny. Noho ny fitiavana izay nampiray azy ireny, dia matetika izy ireny no nanorina vohitra, saingy ny ankamaroany dia tsy nanaiky ny fotopoto-pitsipi-piainan’ny fitambaran’olona miara-miaina. Niankina tamin’ny hoe naha-fananan’Andriamanitra ny rehetra anefa izy ireny ka vonona foana ny hampiasa ireo fananany ara-nofo mba hahasoa ny mahantra. — Asa. 2:42-45.

Noho ny fianarana tamim-pitandremana ny Baiboly, indrindra fa ny Soratra grika kristiana, ny anabatista sasany dia nanda ny fampianarana ny amin’ny Trinite, ny Andriamanitra misy persona telo; manaporofo izany ny sasantsasany amin’ny zavatra nosoratan’izy ireo. Mandrakariva no tsotra dia tsotra ny fanompoam-pivavahan’izy ireo ary nanome toerana manokana ho an’ny Sakafon’ny Tompo. Nihevitra io fanaovan-javatra io ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy izy ireo ka nanohitra tamin’izany ireo fiheverana nahazatra katolika, loteriana sy kalvinista. “Ho azy ireny, hoy ny nosoratan’i R. Smithson, dia izany no fanaovan-javatra malaza indrindra azon’ny kristiana iray andraisana anjara, dia fanaovan-javatra nanavaozan’ilay mpino ny filatsahany hanolotra tsy misy fepetra ny fiainany ho amin’ny asan’i Kristy.”

Ny fanenjehana — sy ny nanaraka izany

Tsy noraisin’ny olona sahala amin’ireo kristiana voalohany ny anabatista. Sahala amin’izy ireny, ny anabatista dia noheverina ho mpanakorontana ny filaminana voaorina, ho olona izay ‘nampisafotofoto ny tany onenana manontolo’. (Asan’ny apostoly 17:6, MN.) Tany Soisa, ireo manam-pahefana tany Zurich, nifanaraka tamin’i Huldrych Zwingli mpanao fanitsiana, dia nanome tsiny azy ireo indrindra noho ny tsy fetezany hanao batisa zaza vao teraka. Tamin’ny 1527, izy ireo dia nampiseho fahasiahana nanao izay hahafaty an-drano an’i Felix Manz, mpitondra tao amin’ny anabatista, ary nanenjika tamin-kabibiana aoka izany an’ireny olona ireny, hany ka nila hahafoana azy.

Nanenjika ny anabatista ny protestanta sy ny katolika tany Alemaina. Nisy didin’ny emperora, navoaka tamin’ny 1528, nilaza fa mendrika ny fanamelohana ho faty — tsy misy fitsarana mihitsy — izay rehetra tonga anabatista. Tany Aotrisy, ny fanenjehana dia nanosika ny ankamaroan’ireny mpino ireny handositra tany Moravie, tany Bohême sy tany Pologne, avy eo, tatỳ aoriana kokoa, dia tany Hongrie sy tany Russie.

Rehefa tsy teo intsony ny andrin’ny anabatisma voalohany maro toy izany, dia tsy maintsy hiseho ny mirehitra loatra. Izy ireny tokoa dia nitarika tsy fifandanjana, niteraka fisafotofotoana lehibe izay nahatonga fialana tamin’ireo fotopoto-pitsipika nanan-kery teo am-boalohany. Niharihary tamin’ny fomba mampivarahontsana izany tamin’ny 1534, rehefa nampiasa hery ireny nirehitra loatra ireny ka naka ny tanànan’i Mûnster, tany Westphalie. Tamin’ny taona nanaraka dia azo indray Mûnster tao anatin’ny ra nandriaka sy ny fampijaliana. Tsy nifanaraka tamin’ny tena fampianaran’ny anabatista io fisehoan-javatra io ka nanimba be dia be ny lazan’izy ireo. Ny mpianatra sasany dia nanandrana nanary ny anarana hoe anabatista mba handraisana ny hoe “batista”. Na inona na inona anefa safidin’izy ireo, dia niharam-pahavoazana noho ny fanoherana ihany izy ireo, indrindra fa avy amin’ny Inquisition (Fampijaliana ny tsy nety nanaraka ny fampianarana katolika).

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy antokon’olona anabatista nifindra tany, nitady fahafahana sy filaminana betsaka kokoa. Ahitana amin’izy ireny izao any Amerika Avaratra sy Atsimo ary any Eoropa. Nisy fihetsiketsehana betsaka nahitana soritry ny fampianarany fototra, ankoatra ny hafa dia ny “quakers”, ny batista ankehitriny ary ireo mpirahalahy tany Plymouth. Niray hevitra tamin’ny anabatista ny “quakers” raha ny amin’ny fankahalana ny ady sy ny fiheverana ny amin’ny ‘fahazavana anaty’ mitarika.

Amin’izao andro izao dia avahana ny antokony roa izay niharihary tokoa fa nandray indray ny fanilon’ny anabatista. Ny voalohany dia an’ireo mpirahalahy hioteriana, avy amin’ny anaran’ny mpandamina azy velona tamin’ny taonjato faha-16, dia Jacob Hutter. Izy ireny dia nanorina vohitry ny fitambaran’olona tany Angletera, tany andrefan’i Kanada, tany Paraguay ary, tany Etazonia, tao Dakota Atsimo. Ny menomita no antokony faharoa. Ny anaran’izy ireo dia avy amin’ny Menno Simonsz, lehilahy iray nikely aina mafy mba hikosoka ny fahatsiarovana ratsy navelan’ny raharaha Mûnster tany Pays-Bas. Maty tamin’ny 1561 i Menno Simonsz. Ahitana menonita any Eoropa sy any Amerika Avaratra izay misy menonita “amish” koa.

‘Ny marika’ amin’izao andro izao

Na dia nitady “ny mariky ny teny mahasoa” aza ny anabatista dia tsy afaka nahita izany. Afa-tsy izany koa, dia nanoratra toy izao i K. Latourette. “Raha misionera nahery fo izy ireny tamin’ny voalohany, rehefa nisy ny fanenjehana, dia niforitra izy ary ny nitomboany indrindra dia tamin’ny fiterahana fa tsy tamin’ny fiovana.” (A History of Christianity, “Tantaran’ny kristianisma”). Mbola toy izany ihany amin’izao andro izao ny amin’ireo antokon’olom-bitsy mitondra ny soritry fihetsiketsehana anabatista. Ny fanirian’izy ireny hisaraka hatrany amin’izao tontolo izao sy ny lalany dia nitarika azy hanaraka fomba fitafy hafa, araka ny amporisihan’ny fiainany miaraka maro matetika mitokana.

Tena mety ho hita tokoa àry ve amin’izao andro izao “ny mariky ny teny mahasoa”? Eny, nefa ilàna fotoana sy fitiavana ny fahamarinana izany. Nahoana no tsy manamarina raha araka ny ‘marika’ nambaran’Andriamanitra izay inoanao? Tsy sarotra ny manavaka ny lovantsofina notefen’ny olombelona amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Hahafaly ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny toerana misy anao ny hanampy anao amin’izany, satria ny tenan’izy ireo koa velom-pankasitrahana noho ny fomba nanampiana azy ireo hahatakatra ny hevitry “ny mariky ny teny mahasoa”.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 febroary 1982, pejy faha-11 ka hatramin’ny faha-14.

[Sary, pejy 23]

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manampy olona maro hahatakatra ny hevitry “ny mariky ny teny mahasoa”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara