Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Iza marina tokoa moa Jesosy?
TODY tao Betsaida ny sambo nitondra an’i Jesosy sy ireo mpianany. Tao, dia nentina teo amin’i Jesosy ny jamba iray ary niangaviana izy mba hikasika an’io lehilahy io mba hanasitranana azy. Notantanan’i Jesosy izy ary nentiny ho any ivelan’ny vohitra; Avy eo, rehefa nandrora tamin’ny masony izy, dia nanontany azy hoe: “Mahita zavatra va hianao?”
“Mahita ny olona aho: fa toa hazo no fijeriko azy, saingy mamindra.” Dia napetrak’i Jesosy teo amin’ny mason’ilay jamba ny tanany ka nampahiratra ny masony izy, hany ka nahita mazava io. Avy eo, dia nalefany ho any an-tranony izy tamin’ny fandidiana azy mba tsy hiditra tao an-tanàna.
Niainga indray niaraka tamin’ireo mpianany izao i Jesosy mba ho any amin’ny tanànan’i Kaisaria-filipo, tany amin’ny farany avaratra amin’i Palestina. Tao anatin’ny faritra mahafinaritra no nisy an’i Kaisaria, tany amin’ny 350 metatra ambonin’ny ranomasina, ary mba hahatongavana eny, dia tsy maintsy nianika teo amin’ny dimampolo kilaometatra izy ireny. Azo inoana fa naharitra roa andro ny dian’izy ireo.
Teny an-dalana, dia nitokana i Jesosy mba hivavaka. Sivy na folo volana sisa dia ho faty izy, ary velom-panahiana ny amin’ireo mpianany izy. Maro be no efa tsy nanaraka azy intsony. Nisy hafa koa niharihary fa vaka sy diso fanantenana. Nolaviny tokoa ny fitadiavan’ny vahoaka hanao azy ho mpanjaka; afa-tsy izany koa, rehefa nasain’ireo fahavalony nanaporofo ny naha-mpanjaka azy izy, dia tsy nety nanome famantarana avy any an-danitra. Iza moa izy araka ny fiheveran’ireo apostoly? Rehefa nanaraka azy tany amin’ny toerana nivavahany ireo, dia nanontany azy toy izao i Jesosy: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”
Hoy ny navalin’izy ireo azy: “Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ny mpaminany.” Nihevitra tokoa ny olona fa anankiray tamin’ireo lehilahy ireo tafatsangana tamin’ny maty izy!
“Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” hoy ny fanontanian’i Jesosy.
Avy hatrany dia namaly i Petera hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.”
Rehefa avy nanaiky ny valin-tenin’i Petera i Jesosy, dia nilaza hoe: “Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.” Nambarany voalohany fa hanorina kongregasiona izy ka na dia ny fahafatesana aza dia tsy hahatana ho babony ireo anisany, aorian’ny fahavelomany amim-pahatokiana eto an-tany. Avy eo, dia hoy koa izy tamin’i Petera: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”
Ahariharin’i Jesosy eo fa tokony handray tombontsoa manokana i Petera. Tsia, tsy nomena ny toerana voalohany teo amin’ireo apostoly i Petera, ary tsy natao fanorenan’ny kongregasiona. Jesosy no Vatolampy hanorenana ny kongregasionany. Nefa tokony handray fanalahidy telo i Petera, ka toy ny hoe hovohany amin’izany, ho an’ny sokajin’olona sasany, ny fahatsinjovana ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Nampiasa ny fanalahidy voalohany i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nampiseho tamin’ireo Jiosy nibebaka izay tokony hataon’izy ireo mba hahavonjy azy. Nampiasa ny faharoa izy, taoriana kelin’izay, rehefa nanome ho an’ny Samaritana nino ny fahafahana hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Avy eo, tamin’ny 36 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nampiasainy ny fahatelo tamin’ny fanolorana fahatsinjovan-javatra toy izany koa ho an’ny Jentilisa tsy voafora, Kornelio sy ireo sakaizany.
Nanohy ny fiarahany nidinika tamin’ireo apostoliny i Jesosy. Diso fanantenana izy ireo rehefa nilazany fa tsy ho ela dia hijaly sy ho faty any Jerosalema izy. Noho ny tsy fahatakarany fa hatsangana amin’ny maty ho any an-danitra i Jesosy, dia nitondra azy nitokana i Petera: “Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany.” Nihodina anefa i Jesosy ka nilaza hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.”
Miharihary fa nisy hafa koa niara-dia tamin’i Jesosy, ankoatra ny apostoly. Niantso azy ireny àry izy mba hanazavana amin’ny rehetra fa tsy ho mora akory ny ho mpianany: “Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.”
Eny, tokony hanana herim-po sy fitiavana fahafoizan-tena ireo mpianatr’i Jesosy raha tian’izy ireo ny hiseho ho mendrika ny fankasitrahany. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy: “Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina.” Marka 8:22-38; Matio 16:13-28; Lioka 9:18-27.
◆ Nahoana moa i Jesosy no velom-panahiana noho ny amin’ny mpianany?
◆ Iza moa izy araka ny hevitry ny sasany?
◆ Inona avy moa no fanalahidy noraisin’i Petera, ary ahoana no fomba nampiasany izany?
◆ Inona no fananarana azon’i Petera, ary nahoana?