Vahoaka manara-dia an’i Jesosy
“Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? tsy iray ihany va no dianay?” — 2 KORINTIANA 12:18.
1. Nahoana, amin’ny ankapobeny, no tsy sarotra ny mahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah?
NY TALEN’NY sekoly fanabeazana fototra iray (any Etazonia) dia nanambara hoe: “Mahalala fomba sy maotina ary mpianatra tsara izy ireo. Tsy ahitana izany mihitsy ao amin’ny fihetsiketsehana hafa.” Iza no tiany horesahina? Zanaka Vavolombelon’i Jehovah ao an-tsekoliny. Olona maro tokoa no nahamarika fa ny Vavolombelona sy ireo zanany dia manana zavatra sasany iombonana eo amin’izy samy izy. Rehefa nandeha ny taona dia vao mainka niharihary kokoa fa tafaray amin’ny finoany sy ny fitondrantenany izy ireo. Noho izany dia tsy sarotra ny mahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah.
2. Toetra inona no mampiavaka ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany, ary inona no nolazain’i Paoly momba izany?
2 Eo amin’izao tontolo izao voazarazara iainantsika, dia tsy fahita matetika ny firaisana mampifamatotra ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa tsy hoe tsy azo hazavaina izany fisehoan-javatra izany: moa ve ny Vavolombelona rehetra tsy miezaka manara-dia an’i Jesosy (1 Petera 2:21)? Ny firaisana toy izany dia efa nampiavaka ny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany. Hoy Paoly indray andro tamin’ireo kristiana tao Korinto: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” (1 Korintiana 1:10). Teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra dia nanome torohevitra koa ilay apostoly, ny amin’ny tokony hatao, rehefa tsy maniry hitandro ny firaisana kristiana ny olona sasany. — Jereo Romana 16:17; 2 Tesaloniana 3:6.
3, 4. Ahoana no nampisehoan’i Paoly ny firaisan-tsaina nisy teo aminy sy Titosy, ary inona no fototr’izany firaisan-tsaina izany?
3 Tany amin’ny taona 55 tany, dia naniraka an’i Titosy ho any Korinto i Paoly, mba hanampiany ny kongregasiona hanangona ireo fanomezana ho an’ny kristiana tany Jodia izay tra-pahoriana, ary angamba koa hijery raha narahiny ireo torohevitra nosoratany ho an’ny kristiana izy, dia notsahivin’i Paoly taminy ny fitsidihan’i Titosy vao haingana sady nametraka izao fanontaniana izao taminy izy: “Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? tsy iray ihany va no dianay?” (2 Korintiana 12:18). Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe mandeha amin’ny “fanahy iray ihany” sy ‘dia iray ihany’?
4 Tamin’izany dia te-hilaza ilay apostoly fa izy sy Titosy dia niara-niasa tao anatin’ny firaisan-tsaina. Indraindray i Titosy dia niaraka tamin’i Paoly tany amin’ireo dia nataony, ary tsy misy isalasalana fa nianatra ny zavatra betsaka noho ny aminy izy. Kanefa, ny firaisan-tsaina nisy teo amin’ireo lehilahy roa ireo dia nanana fototra mafy orina kokoa: samy nanana fifandraisana tsara tamin’i Jehovah izy ireo sady nanara-dia an’i Kristy; eny, Titosy dia nanahaka an’i Paoly tahaka ny nanahafan’i Paoly an’i Kristy (Lioka 6:40; 1 Korintiana 11:1). Noho izany, dia nandeha tamin’ny fanahin’i Jesosy sy nanaraka ny diany ireo mpianatra roa ireo.
5. Inona no ara-dalàna ny mahita azy eo amin’ny olona izay, ho fanahafana an’i Paoly sy Titosy, dia mandeha ao amin’ny “fanahy iray ihany” sy “dia iray ihany” amin’izao andro izao?
5 Tsy mahagaga àry raha nahita firaisan-tsaina tsy manam-paharoa ny kristiana amin’ny taonjato faha-20, izay mandeha amin’ny “fanahy iray ihany” sy ‘dia iray ihany’ tahaka an’i Paoly sy Titosy. Ny fisaratsarahana manjaka eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana kosa dia mampiseho fa kristiana sandoka ny mpikambana ao aminy, izay tsy manara-dia akory an’ilay Mpitarika ihamboany arahina (Lioka 11:17). Ny fahasamihafana manaitra hita eo amin’ireo kristiana marina sy ireo kristiana amin’ny anarana fotsiny, dia miharihary amin’ny lafiny maro. Hifidy efatra amin’izany isika.
Ny fahamasinan’ny ra
6, 7. a) Ahoana no tokony hiheveran’ireo manara-dia an’i Jesosy ny ra? b) Fahasamihafana inona no misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo olona hafa izay mandà ny hampiidiran-dra ankehitriny?
6 Tany amin’ny taona 49, ny kolejy foibe, izay nitarika ny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany dia nandefa taratasy iray ho an’ny kristiana, namaly ity fanontaniana ity: Tokony hankatò ny Lalàn’i Mosesy ve ny tsy Jiosy nandray ny kristianisma? Izao no nambaran’io taratasy io: “Fa sitraky ny fanahy masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremanareo izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amni’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.” (Asa. 15:28, 29). Mariho fa anisan’ny “zavatra tsy maintsy hotandremana” dia notakina ny hifadiana ny ra. Ireo izay nanara-dia an’i Jesosy àry dia tsy afaka nihinan-dra, na tamin’ny vava izany na tamin’ny fomba hafa rehetra.
7 Eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana misy mpikambana mampiasa ny fampidiran-dra, dia dikaina amin’ny fomba miharihary io fotopoto-pitsipika io. Marina fa tao anatin’izao taona faramparany izao dia nahatsapa ny loza mety hateraky ny fampidiran-dra ny olona sasany, ka nandà an’io fomba fanasitranana io noho ny antony ara-pitsaboana — niforona indrindra izany fisehoan-javatra izany hatramin’ny nahitana fa olona maro voan’ny SIDA no nifindran’izany tamin’ny alalan’ny ra. Fandaminana inona anefa no manohana ny fahamasinan’ny ra ho fanajana ny lalàn’Andriamanitra? Rehefa mandà ny hampidirana ra ny marary iray, inona no heverin’ny mpitsabo avy hatrany? Moa ve izy tsy mirona hilaza hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao’?
8. Ahoana no nitahiana ny vehivavy italiana iray Vavolombelon’i Jehovah noho ny nanajany tamim-pahatapahan-kevitra ny fahamasinan’ny ra?
8 Efa ho valo taona izay, ny vehivavy italiana iray, Antonietta, dia voan’ny aretina mafy. Ambany dia ambany ny isan’ny globilina tamin’ny rany. Noho izany, ireo mpitsabo dia namerimberina nanamafy fa ny fampidiran-dra ihany no mety hahavonjy azy. Teo anoloan’ny fandavany, dia nivondrona ho iray hanohitra azy ny mpitsabo sy ny fianakaviany. Na dia ireo zanany roa lahy kely aza dia nitalaho taminy hoe: “Neny a, raha tia anay tokoa ianao dia mandraisa ra.” Tapa-kevitra ny tsy hivadika hatrany i Antonietta ka, soa ihany fa tsy maty izy. Ratsy dia ratsy anefa ny toe-pahasalamany, hany ka nanambara toy izao ny mpitsabo: “Mahagaga ahy ny mbola maha-velona azy.” Nasaina nanaraka fitsaboana iray, izay azony nekena tamim-pieritreretana madio izy, ary nody haingana ny fahasalamany. Nanambara taminy ny mpitsabo hafa iray tamin’izay hoe: “Sarotra tamiko ny nino izany. Na dia nampidiran-dra nandritra ny andro aza ianao, dia tsy ho salama haingana tahaka izao.” Ankehitriny dia mpitory maharitra mandavantaona i Antonietta, ary ireo zanany roa lahy, izay 12 sy 14 taona, dia nandroso tsara ao amin’ny fahamarinana. Naneho herim-po io vehivavy kristiana io tamin’ny fanajana ny fahamasinan’ny ra. Tamin’izany no nanarahany “zavatra tsy maintsy hotandremana” iray. Ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra izay manara-dia an’i Jesosy, dia mitovy hevitra ny amin’io raharaha io.
Fitondrantena tsara
9. Zavatra “tsy maintsy hotandremana” hafa inona koa no takina amin’ireo olona manara-dia an’i Jesosy, ary inona no mitranga amin’ireo izay tsy manao izany?
9 ‘Mifady (...) ny fijangajangana’, izany dia “zavatra tsy maintsy hotandremana” hafa koa, voalaza tao amin’ny taratasy nalefan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany ho an’ny kristiana. Tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, dia namelabelatra izany hevitra izany i Paoly. Hoy izy: “Fa ny mpijangajanga, sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9, 10). Manampy ny olona izay maniry hanompo an’i Jehovah, mba hiala amin’ireny fanao maloto ireny ny kristiana. Na dia ireo mpikambana amin’ny kongregasiona izay meloka tamin’izany aza, raha miverina sy mibebaka, dia mahazo fanampiana ilainy mba hanadiovana ny tenany (Jakoba 5:13-15). Raha manaram-po amin’ireny fanao maloto ireny kosa ny kristiana iray ka tsy mety mibebaka, dia mendrika ny hampiharana fitsipika araka ny Baiboly tena tsotra izay nolazain’i Paoly teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra hoe: ‘Aza miharoharo intsony aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga (...). Esory aminareo ilay mpanao ratsy’. — 1 Korintiana 5:11, 13.
10, 11. a) Iza no tompon’andraikitra amin’ny fietren’ny fitondrantena tsapa eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary nahoana? b) Amin’ny ahoana izay nitranga tamin’ny lehilahy iray tany Philippines no mampiseho fa manana fari-pitondrantena ambony ny vahoaka Vavolombelon’i Jehovah?
10 Na dia tena mazava tokoa aza izany fampianarana izany, dia miady ao anatin’ny fahaloatoam-pitondrantena ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ny tompon’andraikitra amin’izany tarehin-javatra izany dia ireo mpitondra fivavahana izay, na manatsatso ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, na tsy manana herim-po mba hampanajana izany. Amin’io lafiny io koa, dia manara-dia an’i Jesosy ny vahoaka Vavolombelon’i Jehovah.
11 Aoka hojerentsika izay nitranga tamin’i José, kristiana iray tany Phillipines. Vao 17 taona izy dia efa nanana laza hoe mpiady sy mpiloka. Matetika izy no mamo sady nanana fiainana maloto. Natao an-tranomaizina matetika izy noho ny halatra. Dia nifankahalala tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. “Nanova tanteraka ny fiainako ny fianarana ny Baiboly, hoy ny filazany mihitsy. Tsy nifoka intsony aho, tsy misotro ary nianatra ny nifehy tena aho. Koa satria tsy manana afa-tsy vady tokana intsony aho, dia manana fieritreretana madio aho izao. Ankoatr’izany dia nahazo ny fanajan’ny mpifanolobodirindrina tamiko aho: teo aloha, dia nantsoiny hoe ‘José malaza’ sy hoe ‘José “ectoplasme” aho; izao kosa dia antsoiny hoe ‘José Vavolombelon’i Jehovah’ aho. Ny zanako lahy sy ny zana-drahalahiko dia mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona izay anompoako amin’ny maha-loholona sy mpitory maharitra mandavantaona.” Tahaka ireo kristiana Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro hafa, José dia manara-dia an’i Jesosy amin’ny fitoerana ho madio amin’ny lafiny ara-pitondrantena.
Ny fialanalanana
12. Fitondrantena manao ahoana mampiavaka ny kristiana marina moa no lazalazain’i Jesosy ao amin’ny vavaka voasoratra ao amin’ny toko faha-17 amin’ny Jaona?
12 Nandritra ny takariva farany niarahany tamin’ny mpianany, dia nanao vavaka lava tamin’ny Rainy Jesosy, ka nasehony tao anatin’izany hoe amin’ny heviny hafa inona koa no ‘hanarahan’ny kristiana ny diany’. Hoy izy raha niresaka ny amin’ireo mpianany: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Milaza ireo teny ireo fa ny kristiana dia mialanalana. Tsy mandray anjara amin’ireo ady ara-politika na ataon’ireo firenena izay mampikorontana ny olombelona izy ireo fa miresaka amin’ny mpiara-belona aminy kosa ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hany handamina ireo zava-tsarotra maneran-tany. — Matio 6:9, 10; Jaona 18:36.
13, 14. a) Amin’ny ahoana ny mpikambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no miavaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny raharaha momba ny fialanalanana? b) Soa inona avy no nentin’ny fialanalanana ara-politikan’ny Vavolombelona japone iray ho an’ny fitambaran’ny rahalahiny kristiana?
13 Nohadinoin’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fialanalanana, ka amin’izy ireo dia ny fiaviana ara-pirenena amin’ny ankapobeny no zava-dehibe kokoa noho ny fatorana ara-pivavahana. Ny mpanao gazety iray (Mike Royko) dia nanao fanamarihana fa tamin’ny fotoana rehetra “ny kristiana” dia “tsy nanohitra ny hevitra hoe hanao ady amin’ny kristiana hafa”. Hoy ny nanampiny: “Raha nanohitra izany izy, dia tsy ho nitranga mihitsy ireo ady nahatsiravina indrindra nandrava an’i Eoropa.” Fantatra tsara fa mitoetra ho mialanalana tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny raharaha ara-tsosialy sy ara-politika. Noho izany, dia tsy misy na inona na inona mihitsy manakorontana ny firaisan-tsaina miavaka hitan’ny mpanompon’i Jehovah maneran-tany. — 1 Petera 2:17.
14 Misy vokany tsy ampoizina indraindray ny fialanalanan’ny kristiana marina. Vavolombelon’izany, izay nitranga tany amin’ny provans’i Tsugaru, any avaratr’i Japon, izay andraisana ny fifidianana ho tena zava-dehibe. Noho ny fieritreretany dia tsy nety nandray anjara tamin’ny fampielezan-kevitry ny ben’ny tanàna izay hiala amin’ny raharahany i Toshio izay tale lefitry ny sampan-draharaha momba ny vola tao an-tanànany. Noho izany dia nafindra tao amin’ny sampan-draharaha miadidy ny fanadiovana ny tanàna izy, tamin’ny toerana tsy dia manao ahoana loatra. Herintaona tatỳ aoriana dia nosamborina ilay ben’ny tanàna noho ny fandraisana kolikoly ka voatery niala tamin’ny fanendrena azy. Nofidina tamin’izay ny ben’ny tanàna vaovao, izay, rehefa nandre izay nanjo an’i Toshio, dia namerina azy indray tamin’ny toerana misy andraikitra. Izay fisondrotana izay dia nanjary loharanon-tsoa ho an’ny rahalahy kristian’i Toshio. Inona no antony? Satria, araka ny fanazavany dia sarotra be ny manofa kianja filalaovana ho an’ny fampisehoana hafa ankoatra ny fihaonana ara-panatanjahan-tena. Kanefa, araka ny filazany ihany, “[noho ny toerako vaovao,] Jehovah dia afaka nampiasa ahy mba ho voalamina tao amin’ireny kianja ireny ny fivoriamben’ny distrika telo sy fivoriamben’ny fizaran-tany efatra”. Namarana tamin’ny filazana efatra”. Namarana tamin’ny filazana izao izy: “Raha mitoetra ho tsy mivadika isika, Jehovah dia mampiasa antsika amin’ny fomba izay tsy eritreretintsika akory.”
Ao an-tokantrano
15. Eo amin’ny lafiny ara-pianakaviana, ohatra inona no navelan’i Kristy ho an’ireo izay manara-dia azy?
15 Ny fitondrantena ao an-tokantrano dia manome fahafahana hafa ho an’ny kristiana haneho fa ‘manara-dia an’i Jesosy’ izy ireo. Asehon’ny Soratra masina ny ohatra navelan’i Kristy ho toy ny fianarana raha ny amin’ny fifandraisana tokony hanjaka ao an-tokantrano: “Sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy. Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo, fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no lohan’ny fiangonana (...). Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” — Efesiana 5:21-25.
16, 17. a) Raha ny amin’ny fianakaviana, tarehin-javatra mampalahelo inona no natrehin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? b) Araka izay niseho tamin’ny mpivady breziliana, inona no hany fomba fanatsarana ny fifandraisan’ny mpianakavy?
16 Amin’izao androntsika izao dia tsy manaraka izany torohevitra izany amin’ny ankapobeny ny fivavahana lazaina fa kristiana; izany no mahatonga fianakaviana maro ho voazarazara eo anivony. Ankoatra izany, dia vao mainka mihalehibe ny ady mampifanohitra ny ray aman-dreny amin’ny zanany. “Fandaminana iray mirodana ny fianakaviana” hoy ny fanamarihan’ny profesora iray amin’ny fandinihana ny toe-tsaina, taona vitsivitsy lasa izay. Ny mpandinika ny toe-tsain’ny ankizy sy ny mpanolo-tsaina ara-panambadiana ary ny mpitsabo aretin-tsaina izay manandrana misoroka ny fitrangan’ny fisarahana eo anivon’ny tokantrano, dia tsy mahita afa-tsy fahombiazana kely dia kely. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa, dia miezaka mampihatra ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ary fantatra fa eo amin’izy ireo ny fifandraisan’ny mpianakavy dia tsara kokoa amin’ny ankapobeny.
17 Aoka hotononintsika izay niseho tamin’ny Breziliana iray, Aldemar, izay lietnà tao amin’ny polisy miaramila sady nandalo fotoan-tsarotra tao amin’ny fianakaviany. Nandao azy ny vadiny sady nitady fisarahana. Nanomboka nisotro betsaka izy ary nanandrana namono tena mihitsy aza. Tatỳ aoriana dia niresaka taminy ny amin’ny Baiboly ny mpianakaviny izay Vavolombelon’i Jehovah. Voatarika tamin’izay reny izy, ka nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Satria nitady hampifanaraka ny fiainany amin’ireo fitsipiky ny fialanalanana izay mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nangataka ny hiala tamin’ny tafika. Nomban’ny fanampian’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izay nianarany izy mivady ka nandresy ireo fifanolanana nisy teo aminy. Ankehitriny dia miara-manaraka ny dian’i Jesosy izy ireo, ary miara-manompo an’i Jehovah eo amin’ny laharan’ny mpitory maharitra mandavantaona.
Mankatò noho ny fitiavana
18. a) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no voatahy amin’izao andro izao, eo amin’ny lafiny ara-panahy? b) Fahatanterahana inona no hitan’ny Isaia 2:2-4?
18 Miharihary fa miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah, ary amin’izany no andehanany ao amin’ny fanahy sy manara-dia an’i Kristy Jesosy. Na isam-batan’olona na amin’ny fitambarany, dia mahazo fitahiana ara-panahy avy amin’izany fitondrantena izany izy ireo (Salamo 133:1-3). Koa satria mazava tanteraka fa tahin’Andriamanitra izy ireo, dia olona tso-po maro be no nahatsiaro ho voatosika hanao zavatra mifanaraka amin’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 2:2-4. Nandritra ireo dimy taona farany fotsiny, dia olona 987 828 tamin’izy ireny no nandroso ka tonga hatramin’ny fanolorona ny tenany ho an’Andriamanitra sy natao batisa. Noho ny fitiavany, Jehovah dia nametra ny isan’ny olona izay afaka hanao izany dingana izany alohan’ny hipoahan’ny “fahoriana lehibe”. — Apokalypsy 7:9, 14.
19. a) Soa azo tsapaina inona avy no azon’ny mpanompon’i Jehovah ifaliana, ary ahoana no azo iheverana ireny soa ireny? b) Antony fototra inona no ankatoavantsika ireo didin’i Jehovah?
19 Araka ny asehon’ny zava-nitranga voalaza teo aloha, ny fitahiana ara-panahy azon’ny vahoakan’Andriamanitra dia hita matetika amin’ny soa azo tsapaina. Araka izany, dia mihena kokoa ny mety hahazoana aretina sasany ho an’ireo olona izay mifady ny paraky sy sigara, izay mitandrina fitsipi-pitondrantena ary manaja ny fahamasinan’ny ra. Ny hoe miaina mifanaraka amin’ny fahamarinana izy ireo dia ahitany soa eo amin’ny lafiny ara-bola, amin’ny fifandraisana amin’ny hafa sy amin’ny lafiny ara-pianakaviana. Ny tsirairay avy amin’ireny soa ireny dia azo heverina ho toy ny fitahian’i Jehovah mampiseho fa mandaitra ny lalàn’Andriamanitra. Kanefa tsy ny fahatsinjovana ny soa toy izany akory no antony lehibe indrindra manosika an’ireny olona ireny hankatò ireo lalàn’i Jehovah. Ny kristiana marina dia mankatò an’Andriamanitra satria tia azy izy ireo, satria izy mendrika ny fanompoam-pivavahana atolony ho azy, ary satria ny hany zavatra mety dia ny manao ny sitrapony (1 Jaona 5:2, 3; Apokalypsy 4:11). Satana kosa dia milaza fa noho ny tombontsoa no anompoan’ny olombelona an’Andriamanitra. — Jereo Joba 1:9-11; 2:4, 5.
20. Ahoana no ampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny taonjato faha-20 fa mandeha amin’ny fanahy mitovy amin’ny an’ireo vavolombelona hebreo telo lahy fahiny izy ireo?
20 Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny taonjato faha-20 dia mandeha amin’ny fanahy mitovy amin’ny an’ireo tanora hebreo telo izay, tamin’ny andron’i Daniela, dia niseho ho vavolombelona nahatoky. Rehefa norahonana ny hatsipy tao anaty lafaoro nisy afo nirehitra izy ireo, dia nilaza hoe: “Indro, Andriamanitra izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô! ary na dia tsy izany aza [izany hoe na dia havelany ho faty aza izahay], aoaka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natanganao dia tsy hivavahanay.” (Daniela 3:17, 18). Na inona na inona vokatry ny fitondrantenany avy hatrany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manohy manaraka akaiky ny dian’i Jesosy, satria fantany fa azo antoka ny fampanantenan’Andriamanitra ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovao. Eny, na inona na inona mety hiseho, io vahoaka miray saina io dia hanohy handeha ao amin’ny “fanahy iray ihany” sy “dia iray ihany”.
Hazavao...
◻ Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miray saina.
◻ Amin’ny endriny inona avy no iavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny kristiana anarana.
◻ Antony lehibe inona indrindra no anompoan’ny kristiana marina an’i Jehovah.
◻ Ahoana no fiheveran’ny mpanompon’Andriamanitra ireo soa azo avy amin’ny fankatoavana an’i Jehovah.
[Sary, pejy 16]
Rehefa mandà ny fampidiran-dra ny marary iray, dia heverina ho Vavolombelon’i Jehovah izy amin’ny ankapobeny.
[Sary, pejy 18]
Olona maro nilaza tena ho kristiana no tsy nanohitra ny hevitra hoe hanao ady amin’ny “kristiana” hafa, ary izany dia narahin’ny fitsofan-dranon’ny klerjy.