Fanontanian’ny mpamaky
■ Moa ve Jesosy nieritreritra an’i Jodasy rehefa nilaza tamin’i Pilato hoe: “Koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa”? — Jaona 19:11.
Toa tsy nanisy firesahana ny amin’i Jodasy na olon-kafa manokana Jesosy tamin’ireo teny ireo. Nisy olona maromaro tompon’andraikitra tamin’ny fisehoan-javatra nitarika ny fisehoan’i Jesosy teo anatrehan’i Pilato ka naha-tandindomin’ny fahafatesana azy.
Mirona hihevitra an’i Jodasy aloha ny tena, satria io apostoly tia vola io dia tonga mpamadika (Jaona 6:64, 71; 12:4-6). Nankany amin’ny lohan’ny mpisorona izay ‘nitady izay hamonoana’ an’i Jesosy izy ka nomen’izy ireo volafotsy telopolo izy mba hanolorany azy aminy (Lioka 22:2-6). Tsy misy isalasalana àry fa nanao fahotana lehibe iray izay nitarika ny famonoana an’i Jesosy i Jodasy.
Tsy Jodasy ihany anefa no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’i Jesosy. Namoron-tsain-dratsy mba hamonoana an’i Jesosy i Kaiafa mpisoronabe (Jaona 11:49, 50). Mitantara i Matio fa taorian’ny nanamelohany an’i Jesosy “ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny Synedriona rehetra” dia niara-nanao zavatra: “Ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’i Jesosy mba hamonoany Azy. Ary rehefa nafatony Izy dia nentiny ka natolony an’i Pilato governora.” (Matio 26:59-65; 27:1, 2). Ankoatra izany, rehefa avy nanambara Pilato fa tsy nanan-tsiny Jesosy, “ny vahoaka” dia nangataka ny hanafahana an’i Barabasy. Raha ny amin’i Jesosy kosa dia niantsoantso izy ireo hoe: “Aoka hohomboana amin’ny hazo fijaliana Izy!” — Matio 27:20-23; Jaona 18:40.
Toa azo heverina àry fa tsy niresaka olona iray manokana i Jesosy rehefa nilaza tamin’i Pilato hoe: “Izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.” (Jaona 19:11). Marina fa ny fahadisoan’i Jodasy “ilay zanaky ny fahaverezana” dia tena navesatra, nefa nanana andraikitra tamin’ny nahafatesan’i Jesosy ny olona maro hafa (Jaona 17:12). Noho izany, tamin’ny andro Pentekosta dia namporisika ny Jiosy mba hibebaka noho ny fahotana lehibe vitany tamin’ny Zanak’Andriamanitra ny apostoly Petera (Asa. 2:36-38). Ireny Jiosy ireny dia anisan’ny firenena iray nanolo-tena ho an’ny Andriamanitr’i Jesosy, dia Jehovah izany. Afaka nahafantatra ireo faminaniana izay nampiseho an’i Jesosy ho toy ny Mesia izy ireo. Ary maro tamin’izy ireo no vavolombelon’ireo fahagagana nataon’i Jesosy. Tsy azo lavina àry fa meloka ny amin’ny fahotana lehibe kokoa noho ny governora tsy jiosy iray, izay nilaza an’i Jesosy ho tsy nanan-tsiny izy ireo. — Jaona 18:38.
■ Inona no tian’i Jehovah holazaina rehefa nanambara tamin’i Ezekiela izy fa hohamafisiny tahaka ny an’ny Jiosy ny tarehiny?
Ezekiela, mpaminanin’Andriamanitra, dia anisan’ireo Jiosy nentina ho babo tany Babylona. Toa nihevitra izy ireo fa hamonjy azy haingana Jehovah, satria nahaforona ny vahoaka voafidiny izy ireo. Tsy nety niaiky izy fa nianjady taminy ny loza satria mendrika ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra izy ireo.
Rehefa niteny tamin’i Ezekiela Jehovah hoe: “Lazao aminy ny teniko”, dia tsy nanankina taminy asa nanirahana mora izy tamin’izany. Mba hampiomanana azy, dia nampitandrina azy tamin’izao teny izao izy: “Tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak’Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.” — Ezekiela 3:4, 7.
Tamin’izay Andriamanitra no nilaza tamin’i Ezekiela hoe: “Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin’ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny. Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy [vatoafo, MN ] aza; ka aza matahotra azy.” — Ezekiela 3:8, 9.
Ny Jiosy tamin’izany fotoana izany dia mafy hatoka sady mpiodina (Ezekiela 2:6). Hahavita ny hampangina na hampitahotra ny mpitondra hafatr’Andriamanitra ve izy ireo? Tsia; Ezekiela, izay nanana ny fanohanan’Andriamanitra, dia tsy hiseho ho malemy kokoa noho izy ireo. Ny vato antsoina hoe vatoafo (silex) dia vato tena mafy, mafy kokoa noho ny tsỳ (acier). Raha azo noharina tamin’ny vatoafo ireo Jiosy mafy hatoka sady tsy niraika, dia torak’izany koa Ezekiela. Ho tahaka ny diamondra mihitsy aza izy, tahaka ilay mineraly mafy indrindra, mafy tokoa ka afaka manoritra ny vatoafo. — Jeremia 17:1, 2.
Aoka tsy hanatsoaka avy amin’izany anefa isika fa ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao dia tokony ho henjana na tsy miraika amin’ny fihetseham-pon’ny hafa, na tsy mangoraka mihitsy aza eo amin’ny fanatanterahany izay heveriny fa rariny. Ny apostoly Petera tokoa dia nanome azy ireny izao famporisihana momba ny fifandraisany amin’ny olona izao: “Miraisa saina hianareo rehetra; ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa.” — 1 Petera 3:8, 9.
Ny fangoraham-po dia anankiray amin’ireo fihetseham-po manetsika antsika rehefa mampita ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona amintsika isika (Matio 9:36-38). Rehefa tsy miraika na mandroaka antsika na manohitra tsotra izao ny asantsika anefa ny olona hitantsika, dia tsy mitsahatra manambara ny hafatra asain’Andriamanitra torina amin’izao androntsika izao ihany isika. Anisan’izany dia ambarantsika fa tsy ho ela izy dia “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tesaloniana 1:6-9.) Tsy tokony hanaiky hampitahorina na hangina isika. Amin’izany heviny izany no mety hahatongavantsika, tahaka an’i Ezekiela ho mafy sahala amin’ny diamondra.