Ireo sary ara-pivavahana — Ahoana no fiheveranao azy ireny?
TAMIN’NY 1988, ny tanànan’i Canton, any Shina dia niharan’ny tondra-drano lehibe maro. Nanimba ny vokatra ny orana tsy niato. Ireo tantsaha very hevitra dia niangavy an’i Long-wong andriamaniny mba hanao izay hitsaharan’ny orana nivatravatra, kanefa tsy nisy na inona na inona niova. Tezitra noho ny tsy firaikan’ny andriamaniny izy ireo ka nanao ny sariny tao am-ponja nandritra ny dimy andro. Taona vitsivitsy talohan’izay koa dia tsy nihaino ny fivavahan’izy ireo io andriamanitra io rehefa nitalaho taminy ireo mba hamarana ny haintany. Tamin’izay dia nogadrany ilay sary ary navelany tany ivelany, teo amin’ny hafanana mahery.
Tamin’ny 1893, i Sicile koa dia tratran’ny haintany. Tsy nampilatsaka ny orana na ny filaharan’ny mpivavaka, na ny labozia tao amin’ny eglizy, na ny fivavahana natao tamin’ny sary. Tsy nanana faharetana intsony ireo tantsaha ka nanaisotra ny fitafian’ireo sary sasantsasany, nametraka ny hafa hitodika any amin’ny rindrina, ary nandentika mihitsy azy ireny tao anaty rano fisotron’ny biby fiompy aza! Tany Licata, ny “masindahy” Angelo dia nampitanjahina, nogadrana, notenenina ratsy ary norahonana hahantona. Tany Palerme, any Italia, ny “masindahy” Josefa dia navela tao amin’ny zaridaina maina iray mandra-pahatongan’ny orana.
Mahavery hevitra ireo fitrangan-javatra ireo, izay notantarain’i Sir James Frazer tao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Ilay rantsan-kazo volamena. Toa mampiharihary tokoa izany fa na ao anatiny na ao ivelan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mitovy ny fiheverana ireo sary ara-pivavahana. Samy ampiasaina hifandraisana amin’ny “olo-masina” iray na andriamanitra iray izy ireo. Amin’ny iray toy ny amin’ny hafa, dia andramana atosika ireny “olo-masina” na ireny andriamanitra tsy afaka manohitra ireny mba hanao zavatra amin’ny fametrahana azy ireny ao amin’ny toe-javatra ratsy izay mihatra amin’ny mpivavaka aminy.
Kanefa, maro amin’ireo mivavaka amin’ny sary ankehitriny no hihevitra izany ho fitrangan-javatra manokana, na koa mahatsikaiky fotsiny. Hanambara izy ireny fa manaja ireny zavatra ireny nefa kosa tsy mivavaka aminy. Hiaiky aza ny sasany fa manampy azy hivavaka amin’Andriamanitra ny sarivato, ny lakroa ary ny sary miloko ara-pivavahana. Angamba mitovy hevitra aminy ianao. Nefa mipetraka ny fanontaniana hoe: Ahoana no fiheveran’Andriamanitra io fanao io? Misy fahasamihafana ve amin’ny hoe manome voninahitra sy ny hoe mivavaka amin’ny sary? Mety hirakitra loza sasantsasany ve io fanao io?