Ny fanintonan’ny fahombiazana
ANY NIGÉRIA, ny hafatra momba ny dokam-barotra iray dia manasa ireo mpijery televiziona mba hahazo ‘laza sy fahombiazana’ amin’ny fiborosiana nify amin’ny famotsia-nify iray. Na dia tsy misy olona mihevitra marina tokoa aza fa ny famotsia-nify iray dia mety hitarika mivantana amin’ny fahombiazana, io teny fohy sy manaitra io dia mampiseho fa hain’ny mpanao dokam-barotra ny mampiasa ny fanirian’ny olona ho voahodidin’ny zavatra mifandray amin’ny “fahombiazana”.
Tena voajanahary ny faniriana hahomby sy hahazo ny fanajan’ny hafa. Kanefa, misy lehilahy sy vehivavy mihevitra ho zava-dehibe loatra ny fahombiazany, hany ka misahirana aoka izany izy mba “hanao tsaratsara kokoa noho ny mpifanolobodirindrina”. Mampiseho loza ve ny fihetsika toy izany? Mety hampihatra fanintonana sasany eo aminao ve ny fahombiazana?
Izay manosika ny olona haniry hahomby
Misy olona maniry hanan-karena na inona na inona vidiny. Maro no ‘ta-hampiseho ny fananany’ mba hahazoana laza. — 1 Jaona 2:16, MN.
Mandray anjara tsy azo atao tsirambina ny fianakaviana indraindray amin’io lafiny io. Ao amin’ny tokantrano maro, ny lehilahy manambady dia tsy maintsy mitolona tsy misy farany mba hampitomboana ny vola miditra aminy sy hanatsarana ny toerany eo amin’ny asa, mba hahafahana mampisondrotra ny faritra ara-tsosialin’ny fianakaviany. Etsy an-kilany, ravehivavy dia manokan-tena tanteraka amin’ny asany. Misy ray aman-dreny mitaky amin’ireo zanany vokatra tsy misy fiheverana ny tena izy loatra any am-pianarana. Izany indrindra no mitranga ao amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana izay iheverana mandrakariva fa ny fianarana lasa lavitra no hany fomba hanatsarana ny anjaran’ny tena.
Ny fitambaran’olona dia mety hanandratra koa ny fianarana ambony, ny toerana fanta-daza ary ny fahazoana harena. Mandrakariva ny fahombiazan’ny olona iray dia ampifandraisina amin’ny hareny, satria izany mety hanome azy laza, dera ary fanajana. Araka ny lahatsoratra iray tao amin’ny Daily Times, gazety nizeriana, “ny ankamaroan’ny olona dia tsy manana fanajana na fiheverana loatra an’izay tsy manam-bola, na dia manana toetra tsara miharihary aza izy etsy an-danin’izany.”
Izay mety hitranga
Mety hanome fahafinaretana sasany ireo fahombiazana ara-nofo vitsivitsy ireo, nefa aoka hoheverintsika vetivety ny vidin’izany. “Isan’andro, hoy ny nosoratan’i Achike Okafo, mpanoratra an-gazety, dia fianakaviana maro mafy orina anefa (...) no rava, matetika noho ny raharaha momba ny vola sy ny fividianana. (...) Na dia ireo mpivady afaka mbola miaraka ihany aza dia mahalana no miresaka ireo andraikiny ara-pianakaviana (...) noho izy sahirana loatra mikatsaka ny zavatra ara-nofo ilaina mba hahasoa azy ireo.” Manjary mihoa-pampana haingana io vidiny io raha anampy amin’izany ny zava-manahirana momba ny ankizy tsy voakarakara, izay mandositra na milentika ao amin’ny zavatra mahadomelina sy ny ditra.
Nitarika ny sasany ho tonga tsy marina sy hanana fomba fiaina maloto ara-pitondratena ny fanirian-daza sy ny hetahetam-pahombiazana. Misy vehivavy tanora tonga hatramin’ny fanolorana ny fahamendrehany ho takalon’ny asa iray na ny naoty tsara amin’ny fanadinana. Na dia rehefa vokatry ny fiezahana mendri-kaja aza ny fahombiazana, ny olona miadana indraindray dia tsy maintsy misetra ny fankahalana sy ny fialonan’ireo izay tsy nahomby kokoa sy ny fihatsarambelatsihin’ny “sakaiza” izay mitady hanararaotra ny volany na ny lazany (Mpitoriteny 5:11). Azo atao marina ve ny milaza hoe misy fahombiazana ao amin’ireo toe-piainana ireo?
Tsy toy izany ny hevitry ny mpanoratra hendry ny bokin’ny Mpitoriteny ao amin’ny Baiboly. Rehefa avy nisaintsaina ny amin’ny hareny, ny fahefany, ny lazany tsy nanam-paharoa izy, sy ny amin’ny fahafinaretana noraisiny avy amin’izany, dia tonga tamin’ny famaranan-kevitra fa “zava-poana sy misambo-drivotra” fotsiny ny zava-drehetra. — Mpitoriteny 2:3-11.
Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsinontsinona ny asan’ny olombelona rehetra? Azo atao ve, mifanohitra amin’izany, ny manana asa mahavokatra sady mahita fandanjalanjana mety? Amin’ny fampiharana zava-kendrena inona no miharihary fa ahitam-bokatra indrindra?