FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/12 p. 3-4
  • Misy ve Satana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy ve Satana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mbola mino izany ihany ny sasany
  • Satana
    Mifohaza!—2013
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Mitandrema tena amin’ny Devoly fahavalonareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/12 p. 3-4

Misy ve Satana?

MINO ve ianao fa misy Satana? Raha izany no izy, dia toa anisan’ny olom-bitsy mihena isa isan’andro ianao. “Teo am-piandohan’ireo taona 80, dia nanjavona ny finoana ny fisian’ny Devoly, afa-tsy teo amin’ireo katolika sy protestanta mpitana ny nentim-paharazana, ny mpino ny fahaizana mahagaga, ny ortodoksa, ny miozilimana — ary mpanao asan’ny maizina sasany.” Io fanambarana io dia notsoahina avy ao amin’ilay boky hoe Méphistophélès: le Diable dans le monde moderne (anglisy), nataon’i Jeffrey Russell.

Tsy hoe tsy mino intsony ny fisian’i Satana daholo akory ny olona rehetra. Tsy ela izay, tao amin’ny lahateny nataony tany Italia, dia nanambara ny papa Jean-Paul II fa mbola velona foana ny devoly ary miasa eo amin’izao tontolo izao”.

Tena izany tokoa ve no izy? Raha eny, dia afaka manao araka izay tiany Satana eo amin’izao tontolo izao. Raha tsy inoana tokoa ny fisiany, dia tsy hoeritreretina ny hiadiana aminy. Tsy mahagaga àry raha nanantitrantitra toy izao ny kardinaly Ratzinger, manam-pahaizana ao Vatican raha ny amin’ny foto-pampianarana: “Hain’ny devoly ny miafina ao amin’ny toetra tiany indrindra: manao izay tsy hahafantarana hoe izy no nanao zavatra iray.”

Tena misy tokoa ve Satana? Raha mino ny Baiboly isika, dia tsy afaka ny tsy hamaly hoe eny! Imbetsaka tokoa io boky ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io no manonona an’i Satana amin’ny anarany. Ohatra, rehefa avy nampitandrina ny kongregasiona kristiana tamin’ny “Apostoly sandoka” sy ny “mpiasa mamitaka” izay nitsofoka teo anivon’izy ireo i Paoly, anankiray tamin’ireo mpanoratra ny Baiboly, dia izao no nosoratany: “Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.” Nihevitra an’i Satana ho fisiana kinga saina sady mpamitaka i Paoly. — 2 Korintiana 11:13, 14.

Fa nahoana ny ankamaroan’ny olona velona amin’izao androntsika izao no tsy mihevitra tsara ny fisian’i Satana. Toa taratry ny toe-tsaina mampiavaka ny androntsika ny fisalasalany. Amin’izao fotoana lazain’ny sasany fa aorian’ny andro kristiana izao, dia naka ny toeran’ny finoana ny fiheverana ho tsy misy Andriamanitra, ny fitiavana fahafinaretana, ny fiheverana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny kaominisma, any amin’ny tany maro. Olona an-tapitrisany maro no tsy mino an’Andriamanitra intsony, ary tsy manan-toerana intsony eo amin’ny fisainany manokana Andriamanitra. Rehefa nanda an’Andriamanitra anefa izy ireny, dia nolaviny koa ny fisian’i Satana. Etsy an-daniny koa, ny mpanaraka ny fivavahana lazaina fa kristiana sasany izay milaza ho mino an’Andriamanitra anefa, dia mihevitra fa lany andro ny finoana ny fisian’i Satana amin’izao taonjato faha-20 izao.

Aoka homarihintsika anefa fa tsy vaovao akory ny finoana ny tsy fisian’Andriamanitra. 3000 taona teo ho eo izao, dia nanoratra toy izao i Davida, poeta hebreo: “Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.” (Salamo 14:1; 53:1). Izao koa no nambarany: “Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, ‘Tsy misy Andriamanitra’ no tontalin-keviny.’ ” (Salamo 10:4). Tamin’izany fotoana izany ny sasany dia efa nanao zavatra toy ny hoe tsy nisy Andriamanitra. Ara-dalàna taminy àry ny nanatsoaka hevitra fa raha tsy misy Andriamanitra, dia tsy misy koa Satana.

Mbola mino izany ihany ny sasany

Araka ny nolazainay tetsy ambony anefa, dia mbola mino an’i Satana ho olona tena misy ihany ny sasany. Misy manohana ny “dualisme”, fampianarana zoroastriana tranainy ilazana fa tsy maintsy ho niara-nisy foana ny tsara sy ny ratsy, Andriamanitra sy ny Devoly; ny hafa aza milaza fa manana endrika roa Andriamanitra: ny an’ny tsara sy ny an’ny ratsy. Mpivavaka maro ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana sy ny Silamo no mino ny fisian’i Satana koa. Ny ankamaroany dia maka sary an-tsaina azy koa ho toy ny fisiana ara-panahy, manana elatra sy tandroka ary rambo, izay mitarika ny anjaran’ny “fanahy tsy mety maty” voaheloka any amin’ny “afobe”. Tahataka izany rahateo no nampisehoan’ilay frantsay mpanao sary malaza atao hoe Gustave Doré azy.

Ny sasany manao mihoatra noho ny finoana ny fisian’i Satana: mivavaka aminy izy ireny, na mivantana, na amin’ny alalan’ny fombafombam-pivavahana araka an’i Satana na araka ny demonia. Hatramin’ny an’arivony taona maro dia mifamatotra amin’ny fanompoam-pivavahana atao ho an’i Satana ny majika sy ny fanaovana ody ratsy. Na dia amin’izao androntsika izao izay anjakan’ny fisalasalana aoka izany aza, dia mbola miely aoka izany ny fanompoana an’i Satana. Noho izany antony izany, alohan’ny handinihana izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny tenan’i Satana mihitsy, dia aoka hojerentsika ny sasantsasany amin’ny fomba anompoana azy amin’izao androntsika izao.

[Sary, pejy 3]

Fampisehoana bodika ny “afoben’i” Satana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara