Ny fiainanay nandraisan-tsoa be dia be tamin’ny naha-misionera teto Afrika
Nataon’i John Miles
TAO amin’ny toerana iray fitehirizana ny karazam-biby sy zavamaniry tsy ho lany tamingana any avaratra andrefan’i Zimbabwe no niseho ny tantara. Nizotra nanatona ny riambe malazan’i Victoria izahay sy Val. Tsy mpivady mpizaha tany akory izahay, tsy izany. Misionera izahay ary io tapany amin’i Afrika io no faritaninay. Tsitapitapitr’izay dia nahatazana elefanta goavana iray izahay teo amin’ny kihon-dalana, an-daniny iray. Novonoiko ny maotera ary dia niondrika teo am-baravarankely aho mba haka sary. Tamin’ny fotoana nivononako haka sary faharoa, dia niantsoantso ahy i Val:
“Mitady hamely izy!”
Novelomiko avy hatrany ny maotera. Nihisatra ilay izy. Sahirana mafy izahay! Tsy nihetsika ilay elefanta, avy eo dia nitroatra mba hanitsaka anay. Velona indray ny maotera. Tena tamin’ny fotoana nilana azy! Nihataka tampoka izahay ary nitsofotsofoka tany anaty kirihitr’ala. Soa ihany fa tsy nisy hazo na vato nanakantsakana ny fialofanay. Ny lalana mankany Dumbo no hofidinay.
Niova ny toerana nisehoan’ny tantara. Any Afrika atsimo, ao Maseru, renivohitry ny fanjakan’i Lesotho be tendrombohitra izahay izao. Alahady tolakandro tamin’izay. Nody tany an-trano izahay rehefa avy niara-nivory tamin’ny kristiana hafa. Tamin’izay no nanao an-keriny taminay ny mpangalatra tanora roa. Nanomboka namely totohondry ahy ny anankiray tamin’izy ireo raha mbola niantsambotra teo an-damosiko ny faharoa. Afa-niala taminy aho nefa indro izy fa nitodika nankany amin’i Val ka nisarangotra tamin’ny kitapony. Niantsoantso araka izay tratry ny heriny i Val: “Jehovah ô! Jehovah ô! Jehovah ô!” Niaraka tamin’izay dia navelan’ilay olona ny kitapony sady nihemotra izy, toa verivery saina. Nihataka koa ilay namely ahy ka nanangana ny totohondriny. Lasa izahay. Toy inona moa ny fahamaivamaivanana tafahaona indray tamin’ireo namanay teo am-piandrasana fiarabe! — Ohabolana 18:10.
Fotoana fohy monja no naharetan’ireo zavatra roa nosetraina ireo, nefa anisan’ireo fahatsiarovana maro sy tsy hay hadinoina azonay tao anatin’ireo 32 taona lany tamin’ny asa misionera teto Afrika izany. Fa ahoana no nanombohan’izany rehetra izany? Nahoana izahay no lasa misionera? Nandraisan-tsoa be dia be ve izany fiainana izany?
Nahita ny fahamarinana ny zazalahy iray niasa tao amin’ny toeram-piompiana amerikana
Nanomboka tamin’ny 1939 ny zavatra rehetra, rehefa tafahaona tamin’i Val Jensen tany Yakima, tany amin’ny fanjakan’i Washington (Etazonia), aho. Tamin’izany fotoana izany aho dia niasa tao amin’ny toeram-piompiana iray ary mpitaiza zaza tao i Val. Niresaka ny amin’ny Baiboly matetika tamiko izy. Nanaitra ny saiko indrindra ny fanazavany momba ny afobe izay, araka ny filazany, dia tsy toeram-pijaliana akory (Mpitoriteny 9:5, 10; Asa 2:31; Apokalypsy 20:13, 14). Na dia tsy mpivavaka be aza aho, dia fantatro izay nampianarin’ny klerjy momba ny afobe. Hitako ho nampiseho fahendrena ireo fanaporofoan-kevitra araka ny Baiboly nomen’i Val.
Tonga Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-drenin’i Val tamin’ny 1932. Val, izay nanomboka nianatra ny Baiboly koa, dia natao batisa tamin’ny septambra 1935. Rehefa nahafantatra ahy i Val dia nanasa ahy hanatrika ireo fivoriana natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana, ka nanaiky aho. Nankasitrahako aoka izany ny fifaneraserana hitako tany, fara faharatsiny, isaky ny namela ahy ho any ny asako tao amin’ny toeram-piompiana. Nitana ny toerana voalohany foana ny asako. Na dia izany aza, dia nitombo tsikelikely ny fiheverako ireny fivoriana ireny ho zava-dehibe ka tamin’izay dia nanasa ahy hiaraka amin’izy ireny tamin’ny asa fitoriany ny Vavolombelona. Tena fitsapana ho ahy ny nitory tao amin’ny tanàna nonenako mihitsy. Nivoaka nandresy anefa aho.
Nisy fisehoan-javatra roa niavaka nitranga tamin’ny 1941. Tamin’ny volana martsa, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah koa ny tenako rehefa natao batisa, avy eo, dia nivady izahay sy Val. Nanaraka izany, tamin’ny oktobra 1942, dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra izahay tany atsimo atsinanan’i Dakota Avaratra.
Tsy hohadinoinay na oviana na oviana izay nitranga tamin’ny taona nanaraka, izay marika fiaingana iray teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Namoha ny varavarany ho an’ny kilasy voalohan’ny misionera i Gileada, Kolejy fianarana ny Baiboly an’ny Watchtower, araka ny anarana niantsoana azy tamin’izany fotoana izany, tamin’ny 1 febroary 1943. Roa volana tatỳ aoriana, dia nanatrika ny fivoriambe “Antso ho amin’ny asa” natao tany Aberdeen, tany Dakota Atsimo, izahay. Io fivoriambe io, izay niresaka ny amin’ny fifaliana amin’ny asa misionera any an-tany hafa, dia niteraka tao am-ponay, faniriana ny hanaraka ny Sekolin’i Gileada mba hahatongavana ho misionera koa.
Niomana ho amin’ny asa misionera izahay
Sivy taona tatỳ aoriana vao tonga tamin’io zava-nokendrena io izahay. Teo am-piandrasana, dia nahazo tombontsoam-panompoana hafa izahay ary nahita fahasahiranana vitsivitsy. Rehefa avy nandany herintaona sy tapany tamin’ny naha-mpitory maharitra tany Dakota Avaratra izahay, dia nilatsaka an-tsitrapo mba hanohy ny asanay tany Missouri. Koa satria tsy nekena avy hatrany ny filatsahanay, dia nanorim-ponenana tany amin’ny tanànan’i Rolla izahay. Nahafaoka ny “comté” n’i Phelps manontolo ny faritaninay, ary Vavolombelona iray monja no niasa tao. Nijanona telo taona tao izahay ary nandray anjara tamin’ny fiforonan’ny kongregasiona iray.
Tamin’izay no tojo fahasahiranana izay saika nanimba ny fanantenanay ho tonga misionera indray andro any izahay. Sahirana ara-bola izahay. Tsy nahay nandamin-javatra izahay ary tsy ampy finoana ny fahefan’i Jehovah hanome izay nilainay, hany ka nitsahatra tsy nanao ny asan’ny mpitory maharitra. Nirinay tsy haharitra afa-tsy volana vitsivitsy izany fahatapahana izany, kanefa tsy nandray indray an’io asa io izahay raha tsy rehefa afaka herintaona sy tapany. Tamin’io indray mandeha io izahay dia tapa-kevitra ny tsy hamerina fahadisoana tahaka izany. Tamin’izay no nanirahana anay tany Reardan, any atsinanan’ny fanjakan’i Washington. Sarotra ny nahita asa tapa-potoana tao. Tsy maintsy niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah àry izahay raha ny amin’ny zavatra nilainay isan’andro. — Matio 6:11, 33.
Nahafaoka tanàna kely maromaro ny faritaninay. Indray andro, dia tsy maintsy nandeha 130 kilaometatra izahay mba hampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tsy ampy ny lasantsinay, kanefa tsy nahasakana anay izany. Rehefa nivoaka ny tanàna izahay, dia nandalo tany amin’ny paositra. Inona no niandry anay tany? Taratasin’ny zanak’olo-mpiraitampo amiko vao nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona. Nandefasany sheky hahatonga anay hanana vatsin-dasantsy ampy tsara izahay. “Saika hanao fanomezana ho an’ny Boys Town [fikambanana katolika ho an’ny zazalahy nariana] izahay, nefa nieritreritra izahay fa mila azy kokoa noho ny ‘abbé’ Flanagan ianareo”, hoy ny nosoratany taminay. Tsy azony nalaina sary an-tsaina fa tena marina tokoa izany!
Ny zava-nitranga karazan’izany dia nampiseho taminay ny fahamarinan’ity fampanantenan’i Jesosy ity: “Kanefa katsaho ny fanjakany [ny an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany zavatra izany [ny zavatra ara-nofo].” (Lioka 12:31). Izany dia fampiofanana tsara izay hilainay mba handresena vato misakana hafa koa.
Tamin’ny ririnina, dia saika tsy nanana arina intsony izahay. Moa va havelanay hampihena ny fahavononanay ho mpitory maharitra hatrany izany tarehin-javatra izany? Tao amin’ny vavaka, dia namboraka tamin’i Jehovah ny zavatra nitana ny sainay izahay ary lasa natory. Ny ampitso maraina tamin’ny enina dia nisy nandondòna tao am-baravarana! Mpivady Vavolombelona vao tafaverina avy amin’ny diany tany amin-kavana ireo. Samy tapa-kevitra ny hitsidika anay izy mivady. Namelona afo izahay, nandraraka teo ny arina sisa nanananay ka nanomana kafe. Niara-nidinika tamim-pifaliana izahay rehefa nanontany anay tampotampoka toy izao ilay lehilahy: “Dieny mbola tsaroako, ampy ve ny arinareo?” Nifampijery izahay sy Val ary nanomboka nihomehy. Raha ny marina, ny hany zavatra tsy ampy taminay tamin’izay fotoana izay dia tena ny arina. Tamin’izay ilay rahalahy sy ny vadiny dia nanome 10 dôlara anay, ka tamin’izany fotoana izany io vola io dia nahafahanay nividy antsasa-taonina fara fahakeliny!
Indray mandeha koa, dia tsy nanana afa-tsy dimy dôlara izahay ary antomotra ny fivoriamben’ny fizaran-tany. Tsy maintsy handoa ny hetran’ny fiarakodia koa izahay raha vao tafaverina. Tapa-kevitra izahay ny hanome toerana voalohany ho an’ny zavatra lehibe indrindra ka nanatrika ny fivoriambe. Noho ny fahalalan-tanan’ireo rahalahinay, dia nody, nanana 15 dôlara izahay. 14,5 dôlara ny hetra!
Tianay aoka izany ny faritaninay tany atsinanan’ny fanjakan’i Washington. Araka ny fandehan’ny fotoana, ny sasany tamin’ireo fianakaviana niara-nianatra Baiboly taminay dia mba tonga fianakaviana Vavolombelona nahatoky koa. Teo am-pifaranan’ny roa taona lany tao amin’io faritany io, dia nahazo taratasy avy tamin’ny Fikambanana aho nampahafantatra ny nanolorana ahy ho tonga minisitra mpitety faritany, nanana andraikitra hitsidika ireo kongregasiona tao amin’ny fizaran-tany iray sy hampahery azy ireny. “Vonona ny hanaiky an’io raharaha io ve ianao raha izany no izy? hoy ny fanontanian’ny Fikambanana ahy, sady nampiany teny hoe: Aza fady mba omeo valiny avy hatrany izahay.” Tsy ilaina ny manazava fa eny ny valin-teniko. Nanomboka tamin’ny janoary 1951, nandritra ny herintaona sy tapany, dia voatetinay ny fizaran-tany midadasika iray nahafaoka ny tapany andrefana amin’i Dakota Avaratra sy ny tapany atsinanana amin’i Montana.
Tamin’izay izahay no nandre zavatra tsy nampoizina hafa iray: fanasana hanaraka ny fianarana amin’ny kilasy faha-19 amin’i Gileada! Ho tanteraka ve ny fanirianay rehefa ela ny ela? Indrisy! Io taratasy io dia narahin’ny anankiray hafa nampandre anay fa nofenoina rahalahy avy any an-tany hafa io kilasy io. Tsy nampoizina izany, nefa tsy nohadinoina akory izahay! Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nasaina hanaraka ny kilasy faha-20 izahay, ka tamin’ny septambra 1952 no nanomboka ny fianarana.
Avy any Gileada mankatỳ Afrika
Velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa izahay noho ny namelany anay hiaraka tamin’ny mpianatra eo amin’ny zato avy any amin’ny vazan-tany efatra: Aostralia, Nouvelle-Zélande, India, Thaïlande, Philippines, Scandinavie, Angletera, Egypta, sy Eoropa afovoany! Tsapanay kokoa tamin’izany fa teo am-panitarana ny hafatra momba ilay Fanjakana Jehovah. — Matio 24:14.
Nandeha haingana ny fotoana tao Gileada, ka tamin’ny febroary 1953 dia nandray ny diplaomanay izahay. Notendrena ho atỳ Afrika izahay, tany Rhodésie Avaratra (Zambie ankehitriny), niaraka tamin’ny misionera efatra hafa. Tamim-pahatsaram-panahy anefa no namelan’ny Fikambanana anay hijanona tany Etazonia mba hanatrika ny fivoriambe niraisam-pirenena hatao ao amin’ny Yankee Stadium tamin’ny volana jolay tamin’io taona io. Volana vitsivitsy taloha sy taorian’io fivoriambe io, dia mpiandraikitra mpitety faritany tany atsinanan’i Oklahoma aho.
Tamin’ny novambra 1953, izahay sy Val, mbamin’ny misionera enina hafa, dia nandray sambo ho atỳ Afrika. Tody tao Durban, Afrika Atsimo, izahay, ary nandray ny fiarandalamby ho any Rhodésie Atsimo (Zimbabwe ankehitriny). Nandao anay tamin’izay ny anankiroa taminay mba hanomboka ny asany tao Salisbury (Harare ankehitriny), fa nanohy ny diany hatrany Kitwe, Rhodésie Avaratra, kosa ny sisa.
Ny tanànan’i Mufulira fihadiana mineraly no faritaninay sy Val. Nisy fianakaviana vitsivitsy liana ny fahamarinana, nefa tsy nisy kongregasiona. Nitahy ny asa fitorianay isan-trano Jehovah. Nanomboka fianarana Baiboly maro izahay, ary tsy ela dia nisy olona maromaro nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristiana. Rehefa afaka volana maromaro, dia nangatahina izahay mba hitana toerana banga tao amin’ny sampan’ny Fikambanana tany Luanshya. Tatỳ aoriana, dia nirahina ho misionera tany Lusaka izahay. Tany, dia mpiandraikitra mpitety faritany aho indraindray ho an’ireo kongregasiona vitsivitsy niteny anglisy tao amin’io faritra io.
Fiainana nandraisan-tsoa be dia be
Tamin’ny 1960, dia nafindra nankany Rhodésie Atsimo izahay ka notendrena ho mpiandraikitra ny distrika teo amin’ireo rahalahy afrikana aho tany. Tsy maintsy nitsidika ireo kongregasiona indrindra aho ary nitari-draharaha tamin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika. Koa satria tany ambanivohitra ny ankamaroan’ireny kongregasiona ireny, dia tsy maintsy nianatra ny fiainan’ny tantsaha izahay. Noheverinay fa raha afaka niaina tany ireo rahalahinay, dia afaka nanao toy izany koa izahay.
Nomen’ny sampana kamiao kely iray taonina sy tapany izahay. Fanitso ny andamosiny, ary nisy varavarana kopa-droa fampidirana entana. Ny tapany namboarina dia nosarahina tamin’ny efitra kely tain’ny alalalan’ny varavarana nisy ridao plastika ary zara raha ampy nitsanganana tao anatiny. Ny fitaovan-tokantranonay dia voaforon’ny farafara azo aforitra nisy kidoro sipaonjy. Nanana talantalana kely koa izahay, fatana mandeha amin’ny solitany, lalimoara azo entina sy lay.
Fotoana fohy taorian’ny nanombohana nitory tany avaratr’ilay tany, dia voakaikitry ny bibikely tsy fantatro aho. Nampanavy be ahy ilay kaikitra ary nanomboka nivonto ny ranjoko. Ambonin’izany rehetra izany, dia niharatsy ny andro ary nanomboka nirotsaka ny ranonorambe. Tsemboka tsy nisy toy izany aho, hany ka nilaina ny hanovana ny lambam-pandriana matetika. Tany amin’ny misasakalina, dia tapa-kevitra i Val fa nilaina ny nanatona dokotera. Namily ny fiarakodia izy mba hanarahana ny arabe lehibe indrindra, nefa nihitsoka tao anaty fotaka ny fiaranay. Rehefa nanandrana nandroso na nihemotra i Val, dia tsy afaka afa-tsy ny nanozongozona mafy ahy. Rehefa avy nanandrana ny zavatra rehetra izy, dia nitafy ny hany lamba firakotra mbola maina ka nanaraka ahy avy tao andamosina. Mbola avy nivatravatra ihany ny orana.
Nihatsara kokoa ny tarehin-javatra rehefa nazava ratsy ny andro. Nihatsara kokoa aho, nitsahatra ny orana ary namoaka ny kamiao kelinay ireo rahalahy tonga mba hanomana ny fivoriambe. Tany Bulawayo, ny rahalahy hafa koa feno fiheverana, dia nitondra ahy nankany amin’ny hôpitaly izay nitsaboana ahy. Afaka nivoaka aho rehefa avy eo ary nanohy nikarakara ny fanomanana ny fivoriambe.
Tamin’izay fotoana izay, rehefa nitety kongregasiona izahay, no nifanena tamin’ny elefanta. Tafaraka tamin’ny zavaboary madinika maro koa izahay. Ankoatra ny lalitra sy ny moka, dia anisan’ny mpitsidika anay koa ny vitsika mpijinja. Ao anatin’ny fotoana fohy ireny vitsika ireny dia afaka mandoaka izay rehetra mety ho fitafiana na lamba avela eo amin’ny tany. Tsy nampidi-doza ireo androngo sy hala isan-karazany nitsidika anay. Noroahinay avy hatrany kosa anefa ny bibilava misy poizina niditra tao anaty lainay indray andro. Tsy noraisinay tsara koa ny maingoka. Rehefa manaikitra izy ireny, araka ny filazan’i Val, dia toy ny hoe alentika amin’ny maritoa ny fantsika mena mivaivay. Ary tsara toerana izy mba hahalalana izany: efa inefatra izy no voakaikitra!
Mety ho toa tsy andraisan-tsoa betsaka mihitsy ny fiainana any ambanivohitra, kanefa tsy nitovy hevitra tamin’izany izahay. Nanana fiainana nahasalama sy feno asa izahay teny an-kalamanjana, ary nihoatra be dia be noho ny zavatra tsy nahafinaritra ara-nofo ny fitahiana ara-panahy.
Nohatanjahina foana ny finoanay noho ny fiezahana ataon’ireo rahalahinay any ambanivohitra mba hankanesana any amin’ireo fivoriana. Aoka hotononintsika ny amin’ny kongregasiona iray voaforon’ny antokona kristiana anankiroa nosarahin’ny lalana iray 22 kilaometatra. Ny “Efitrano Fanjakana” falehan’izy ireo, teo an-tenatenan-dalana, dia tsy inona fa hazo lehibe iray nanome alokaloka sy vato natao seza. Ireo anisan’ny antokony tsirairay avy dia nanao dia an-tongotra 11 kilaometatra nandroso sy niverina indroa isan-kerinandro mba hanatrika ireo fivoriana. Tsaroanay koa ny mpivady be taona nandeha an-tongotra 120 kilaometatra, nitondra valizy sy lamba firakotra, mba hanatrika fivoriamben’ny fizaran-tany iray. Ohatra roa monja ireo, kanefa mampiseho hoe manao ahoana ny fandatsahan’ireo rahalahy eto Afrika am-po ny fampitandremana mba ‘tsy hahafoy ny fiarahany miangona’. — Hebreo 10:25.
Tany amin’ny faritra sasany, dia niahiahy anay ny olona, ary sosotra noho ny nahatongavanay ny olona sasany. Indray mandeha, dia nanangana ny lainay tsy lavitra ny toerana nanaovana ny fivoriambe aho, tao amin’ny toerana iray voahodidin’ny ahitra lava. Indray hariva, nandritra ny fivoriambe, dia efa natory hatramin’ny adiny roa izahay raha nisy feo nanaitra ahy. Tamin’ny fahazavan’ny jiroko, dia hitako fa nisy olona nitsangana tao ambadiky ny hazo kely iray.
“Inona no tadiavinao? Hoy ny fanontaniako. Nahoana ianao no miafina ao ambadik’io hazo io?”
“Mangina! Ry rahalahy a, hoy ny feo namaly ahy, renay nisy olona nilaza fa hodorany ireo ahitra ireo. Tapa-kevitra izahay ny hiambina manodidina ny lainareo mandritra ny alina.”
Tsy nampahafantatra anay ny loza nananontanona ireo rahalahy mba tsy hanakorontana ny torimasonay. Ary dia vonona ny hiari-tory nandritra ny alina izy ireo mba hiarovana anay! Ny alahady hariva, rehefa nifarana ny fivoriambe, dia nasainy nanotrona anay ny fiarakodia roa, ny anankiray teo alohanay ary ny anankiray teo aoriana, mandra-pandaonay ny faritra nampidi-doza.
Nandraisan-tsoa be dia be koa ny fahatsapana ny fiheveran’ireny olona manetry tena ireny ny hasarobidin’ny Baiboly. Indray mandeha, dia nitsidika kongregasiona iray tao amin’ny faritra iray nambolen’ny tantsaha voanjo izahay. Nandritra ny herinandro, dia nanakalo boky sy Baiboly tamin’ny voanjo tsy voavaofy izahay. Teo am-pifaranan’ny fitsidihanay, dia namehy indray ny fitaovanay sy ny bokinay ary ny voanjonay izahay ka nankany amin’ny fivoriambe manaraka. Zara raha vao nandao ireo toerana izahay dia nasaina nijanona, satria nisy olona nanandrana nanenjika anay. Nijanona àry izahay ary niandry. Tonga ny vehivavy iray efa be taona tokoa, niloloha vatakely feno voanjo. Sasatra aoka izany anefa izy, ka rehefa tonga teo akaikinay, dia nianjera ary nijanona nitsotra teo mandra-pahazony aina. Eny, naniry hahazo Baiboly izy! Voatery namaha saika ny zavatra rehetra izahay, kanefa fifaliana ho anay ny nanome fahafahampo azy. Baiboly iray amboniny eo an-tanan’olona velom-pankasitrahana ... ary vatakely feno voanjo iray koa tao amin’ny kamiao kelinay!
Nahatalanjona koa ny nahita hoe tamin’ny fomba ahoana no nanirahan’i Jehovah mpiandraikitra ny fizaran-tany mba hitsidika kongregasiona maro tany ambanivohitra afrikana. Tamin’izany fotoana izany dia sarotra tamin’ny Fikambanana ny nahita rahalahy nahay sy tsy nanana andraikitra ara-pianakaviana. Tsy mahalana àry no nahitana mpiandraikitra ny fizaran-tany nitety kongregasiona tamin’ny fiarabe na bisikileta, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa na telo, nitondra valizy sy lamba firakotra ary boky. Nandany hery tsy nisy fimenomenonana tokoa ireny rahalahy ireny sy ny fianakaviany mba hahasoa ireo kongregasiona. Tombontsoa ny nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’izy ireny.
Tao anatin’ireo taona 70, ireo rahalahy dia nisetra fahasahiranana vokatry ny ady an-trano, ary voasedra mafy ny fahatokian’ny maro tamin’izy ireny raha ny amin’ny fialanalanany (Jaona 15:19). Noheverin’ny Fikambanana tamin’izay fa tsaratsara kokoa ny hanirahana ahy hankany amin’ny faritany hafa mba tsy hanasarotana tsy amin’ny antony ny asan’ireo rahalahy. Tamin’izany, tamin’ny 1972, no nangatahana ahy hiasa tao amin’ny sampan’i Salisbury. Izany dia nahatonga ahy ho afaka hiara-hiasa amin’ny fanorenana trano vaovaon’ny sampana. Tsy ela tatỳ aoriana, dia voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany ho an’ireo kongregasiona miteny anglisy niely patrana tokoa, aho. Mba hanatontosana an’io asa io, dia nilaina ny hitetezana an’i Zimbabwe manontolo. Tany amin’ny toerana sasany, dia sarotra aoka izany ny tarehin-javatra, hany ka tsy maintsy nanao dia niarahana maro nalamin’ny fitondram-panjakana sy narovan’ny fiaramanidina mbamin’ny helikopteran’ny tafika izahay.
Teo amin’ny tafon’i Afrika
Niova faritany tanteraka izahay nony avy eo ka tamin’ity indray mitoraka ity dia nankany Maseru, renivohitr’i Lesotho. Io tany be tendrombohitra io, izay indraindray nomena anaram-bositra hoe tafon’i Afrika, dia ahitana faritany kanto tokoa raha tazanina.
Tsy ny fitiavana toerana taza-maso mahafinaritra anefa no nanosika anay ho tonga tany amin’ireny toerana ireny. Teo izahay mba hitady ireo ‘irina’ resahina ao amin’ny Hagay 2:7. Lesotho dia tany kely tsy ahitana afa-tsy mponina iray tapitrisa sy sasany. Fony tonga tany izahay tamin’ny 1979, dia Vavolombelona 571 tamin’ny antsalany no nitory tany ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” isam-bolana (Matio 24:14, MN ). Tamin’ny faran’ny jolay 1986, dia nahatratra tampon’isa vaovao izahay tamin’ny mpitory ilay Fanjakana 870 ary, tsy ela izay, dia nilaina ny hizarana ny kongregasionan’i Maseru. Tamin’ny aprily 1988, dia faly izahay nanamarika tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 1 078.
Teo anelanelan’izany, dia nandroso hatrany ny asa tao amin’ireo faritaninay taloha, tany Zambie sy tany Zimbabwe. Rehefa niondrana nanketo Afrika izahay, 35 taona lasa izay, ny fitambaran’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tao amin’ireo tany roa ireo dia 36 836. Amin’izao fotoana izao, dia tafakatra ho 82 229 io isa io. Heverinay fa nanana tombontsoa lehibe tokoa izahay nandray anjara kely tamin’izany fitomboana izany.
“Andramo ka izahao fa tsara Jehovah”, hoy ny nosoratan’i Davida mpanao salamo (Salamo 34:8). Ny asa misionera ‘nandramanay’ dia nampiaiky anay ny amin’ny fahamarinan’ireo teny ireo. Marina tokoa fa raha vao tamin’ny 1942, taona nanombohanay ny asa manontolo andro, dia voatahy tokoa izahay tamin’ny fahatsapana ny halehiben’ny hatsaram-pon’i Jehovah. Marina fa be dia be ny zavatra mbola tokony hatao. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa izahay noho ny nanomezany anay foana tanjaka sy fahasalamana antonony hampiasaina amin’ny asany!
[Sary, pejy 24]
John Miles sy Val vadiny.