Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana ireo fotopoto-pitsipika kristiana
RAHA vao mankany an-tsekoly ny ankizy iray, dia atomboka ny fampianarana azy, ankoatra ny zavatra hafa, hamaky teny sy hanoratra. Izany fianarana fotony indrindra izany dia manomana azy ho amin’ny fianarana ambony kokoa, eo amin’ny lafin’ny haisoratra, ny siansa na ny fiteny, ohatra. Raha tsy mianatra mamaky teny sy manoratra tsara ilay ankizy, dia hisy akony eo amin’ny fianarany rehetra izany.
Toy izany koa ny fianarana hanompo an’Andriamanitra. Amin’ny fianarana ny Baiboly no ahitantsika fahamarinana maro na fotopoto-pitsipika tena lehibe ilaina ho fantatra tsara. Rehefa avy nandray izany isika vao afaka mivadika ho amin’ny foto-kevitra lalina kokoa. Kanefa raha tsy azontsika na ekentsika amin’ny fomba feno ireny fotopoto-pitsipika tsotra indrindra ireny, dia hanimba ny fanompoam-pivavahantsika. Tsy ho afaka hanao fanapahan-kevitra tsara isika, ary ho mora hihozongozona ny finoantsika.
Tsy sarotra akory ireo fotopoto-pitsipika lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly (jereo ny tabilao). Tsy hevitra maimaina akory izany na fiheverana fotsiny, fa fahamarinana azo ampiharina, tena lehibe, ianaran’ny kristiana hendry tiavina. Izao no nambaran’i Jehovah: “Tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra.” — Ohabolana 4:20-22; Ezekiela 18:19, 20, 23.
Na dia izany aza, dia nampitandrina antsika Jesosy fa na dia zava-dehibe tokoa aza ireny fotopoto-pitsipika ireny, dia ho vitsy dia vitsy ny olona hahazo ny heviny ka hampihatra azy. Hoy izy: “Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:14). Tsy hoe toy ny miafina akory ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Tian’i Jehovah kosa aza ny hampiharan’ny lehilahy sy ny vehivavy izany, ka amin’izany dia ho afaka handova ny fiainana izy ireny (2 Petera 3:9). Ireo fotopoto-pitsipi-pahendrena sy fahalalana ary fahazavan-tsaina àry dia nampanoratiny ao amin’ny Baiboly, boky mety ho azon’ny tsirairay avy mora foana. Etsy an-daniny koa, ireo Vavolombelony dia mamporisika ny mpiara-belona aminy hikatsaka ireny fanazavana iankinan’ny aina ireny. Araka izany, amin’ny fomba ara-bakiteny, “ny fahendrena (dia) miantso mafy eny ivelany”. (Ohabolana 1:20; 2:1-9.) Misy hery hafa koa miasa anefa.
Manajamba ny ankamaroan’ny olona Satana mba tsy hahaizany manavaka ireo fotopoto-pitsipi-pahamarinana (2 Korintiana 4:4). Afa-tsy izany koa, ny fitiavana fahaleovan-tena raikitra amin’ny olombelona dia mampirona azy hanaraka ny lalan’ny tenany ihany fa tsy hitady ny fitarihan’ny Hery ambony iray. Tamin’ny andron’i Paoly, ny sasany tamin’ireo izay nahafantatra ireo fotopoto-pitsipika lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly aza dia tsy nihevitra izany intsony tatỳ aoriana. Izany no antony nanoratan’ilay apostoly hoe: “Hianareo (...) mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray.” — Hebreo 5:12.
Tetsy an-daniny koa, dia nanome izao fampitandremana izao i Jesosy: “Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (Matio 7:22, 23). Nahoana moa Jesosy no nanda olona nihevitra fa nanompo azy? Satria tsy niorina tamin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny “asa lehibe” nataony. Izy ireny dia sahala amin’ny olona iray haniry hianatra momba ny tantara na ny siansa alohan’ny nianarana namaky teny. Tsinontsinona ny asan’izy ireny, tsy misy fifandraisana amin’ny fahamarinana. “Mpanao meloka” ireny olona ireny.
Ankasitrahan’Andriamanitra ve ny fanompoam-pivavahana arahinao?
Afaka matoky ve isika fa tsy hilaza amintsika i Jesosy indray andro any hoe: “Mialà amiko, hianareo mpanao meloka”? Eny, raha toa ny fanompoam-pivavahana arahintsika ka miorina amin’ny lafiny rehetra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Mety ho toy izany no izy, raha mandinika amim-pitandremana ny Baiboly isika, indrindra fa ireo tenin’i Jesosy. Nandeha teo amin’ny lalana ety sy tery mitarika ho amin’ny fiainana i Jesosy. Raha ny marina, dia izy no “lalàna sy fahamarinana ary fiainana”. (Jaona 14:6.) Raha mihevitra ny teniny isika ka manaraka tsara ny diany, dia handeha amin’ny lalany. — Jaona 6:68; 1 Petera 2:21.
Nandeha teo amin’ny lalana ety sy tery mitarika ho amin’ny fiainana koa ireo mpianatr’i Jesosy voalohany. Taorian’ny nahafatesany àry, dia nankinin’i Jesosy tamin’izy ireny ny asa fampianarana ny namany ny fomba tsara fivavahana amin’Andriamanitra. Nampiomana azy ireny koa izy fa hiverina ka hampamoaka azy ireny ny amin’ny fomba ho nitondrany tena nandritra ny tsy naha-teo azy. — Matio 24:46; 25:14-23; 28:19, 20.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia olona an-jatony tapitrisa maro no nilaza ho nanaraka an’i Kristy. Tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, ny fanompoam-pivavahana narahin’ireny vahoaka maro be ireny dia tsy niorina tamin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Rehefa nandray ny fiandrianany tany an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914, avy eo dia ‘tonga’ mba hampamoaka an’ireo izay nilaza tena fa mpianany, tarehin-javatra nanao ahoana no hitany? Olona an-tapitrisany maro nilaza tena fa kristiana no nandray anjara tamin’ny ady nahatsiravina indrindra hatramin’izay.
Ny ankamaroan’ireo lazaina fa “kristiana”, raha ny marina, dia nanana fitondrantena nifanohitra tanteraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika tena lehibe ao amin’ny Baiboly. Kanefa, nisy antokon’olona kristiana marina niezaka tamim-pahatsorana mba hanaraka ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra sy hampianatra izany an’izay rehetra hanaiky hihaino azy eo amin’izao tontolo izao azon’ny hadalana mahafaty. Nangonina ireny kristiana ireny, ary tatỳ aoriana dia nampiarahina taminy ny olona maro be mitovy toe-tsaina aminy (Matio 24:31; Apokalypsy 7:4, 9, 10). Amin’izao andro izao koa izy ireny dia manaraka ireo fotopoto-pitsipika mahavelona ao amin’ny Baiboly, mampahafantatra ny hafa ireo fikasana mahatalanjon’Andriamanitra, tafaray ho andiany iray ary miezaka amim-pahatsorana mba hanaraka “ny sitrapon’Andriamanitra (...) izay tsara”. — Romana 12:2.
Fotopoto-pitsipika iray ao amin’ny Baiboly tena lehibe
Tsy mora tamin’ireny kristiana marina ireny akory ny fahatongavana tamin’izany. Tsy maintsy niadiany aloha ny toe-tenany tsy tanteraka, ny fironany hanota. Afa-tsy izany koa, izy ireny dia voatery miaina eo amin’izao tontolo izao manohitra tanteraka ireo fahatsarana sy fotopoto-pitsipika iezahany hajaina, satria, araka ny nolazain’ny apostoly Jaona, “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19.) Noho izany, amin’izao androntsika izao, dia tsy tokony hohadinoin’ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra indrindra ity fotopoto-pitsipika tena lehibe nambaran’i Jesosy ity: “Tsy naman’izao tontolo izao izy [ny kristiana].” — Jaona 17:16.
Tsy manery na iza na iza hanompo azy Jehovah. Kanefa, izay mifidy ny hanao izany dia tokony hanao fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena sasany. Tokony hiaiky izy ireo, ohatra, fa tsy afaka ny ho tiam-bahoaka izy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny (Matio 24:9). Nandefa izao fampitandremana izao tokoa Jakoba mpianatra: “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4). Tetsy an-daniny koa, dia nanontany toy izao ny apostoly Paoly: “Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana?” ary: “Inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?” Avy eo dia notononiny ireto tenin’i Jehovah mihitsy ireto: “Koa mivoaha eo aminy hianareo, (...) ka misaraha aminy, (...) ary aza manendry izay zavatra tsy madio.” — 2 Korintiana 6:14-17; Efesiana 5:11.
Ahoana no ahafahantsika ‘misaraka’? Miharihary tokoa fa tsy amin’ny fialan’ny vatana tsy ho eo amin’izao tontolo izao. Azontsika atao anefa ny miahy ny amin’ny tsy hetezana ‘hasiana zioga tsy antonona hikambanana amin’ny tsy mino’, ka handa “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. (1 Korintiana 15:33.) Azontsika atao koa ny misaraka amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao, dia toe-tsaina miavaka amin’ny fitiavan-tena, ny tsy fanaovana ny marina, ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo ary ny fikatsahana fahafinaretana mihoa-pampana (2 Timoty 3:1-5). Ireo izay misaraka amin’ny fanirian’izao tontolo izao ankehitriny dia manana izao antoka mampahery izao: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:15-17.
Manaraka ireo fotopoto-pitsipika lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly izy ireo
Amin’izao androntsika izao, azo atao ve ny manaraka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly sy ny mandeha eo amin’ny lalana ety izay mitarika ho amin’ny fiainana? Eny, afaka manao izany na dia ny ankizy aza. Porofon’izany ny hita tamin’ireto tanora Breziliana roa. Tsara fitondrantena aoka izany izy tany an-tsekoly, hany ka nangataka tamin’ny reniny ny mpampianatra azy mba ho tonga hilaza ny anton’izany. Nohazavain’ilay reny taminy fa ireo zanany dia nanaraka ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mandidy azy ireny mba hankatò ny ray aman-dreniny sy ireo olona mampihatra fahefana (Efesiana 6:1-3). Teo amin’ny faran’ny telo volana fianarana, dia azon’ireo ankizy ireo natao ny nanazava tamin’ny iray kilasy ny soa azo rehefa manana fitondrantena ankasitrahan’Andriamanitra.
Nanonona izao fotopoto-pitsipika izao i Jesosy: “Ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” (Lioka 12:15). Nahafantatra io fotopoto-pitsipika io ny mpitsabo japone nalaza iray ka akory ny hagagan’ireo mpiara-miasa taminy rehefa nampihariny izany. Niala tamin’ny toerany nandraisam-bola be izy mba hiorim-ponenana tany amin’ny tanàna kely iray hahafahany hanampy ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tsy nanamatroka ny fahasambarany io fahafoizana fananana io. Mifanohitra amin’izany kosa, dia mahatsiaro fifaliana mbola lehibe kokoa ihany izao izy mivady rehefa mampahafantatra ny Teny fiainana amin’ny hafa.
Hoy ny Baiboly: “Ho latsaka ao anatin’ny fahantrana ny mpimamo sy ny tendàna.” (Ohabolana 23:21, MN ). Ireo teny ireo dia mampitandrina antsika mazava amin’ny fanandevozan’ny fanao iray. Ampitandremana amin’ny fampiasana zavatra mahadomelina koa isika: ‘Ny asan’ny nofo dia ny fanompoan-tsampy, ny fanaovana ody ratsy [pharmakia, “fampiasana zavatra mahadomelina” amin’ny teny grika tany am-boalohany].” (Galatiana 5:19, 20). Ambonin’izany, dia nanao izao fananarana izao ny apostoly Paoly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy.” — 2 Korintiana 7:1.
Miharihary fa ny fampiasana paraky, sigara na zavatra mahadomelina hafa izay mitarika fahazaran-dratsy dia mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ireo ary tsy inona fa ‘fanaovana meloka’. (Matio 7:23.) Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana arahin’izay rehetra milaza tena ho mpanompony ka mandoto tena toy izany. Noho izany antony izany, dia olona ana hetsiny maro no tapa-kevitra ny tsy hampiasa intsony ireny zavatra mahadomelina ireny, ka nandray soa tamin’izany na ara-panahy na ara-batana. Miharihary fa tsy zavatra mora akory ny fialana amin’ireny fahazarana maloto ireny.
Tany Etazonia, ny zazalahy iray dia nandre firesahana ny amin’Andriamanitra sy ireo fotopoto-pitsipiny rehefa nisy mpitory kristiana nitsidika azy. Nankasitrahany ny hafatra nentin’izy ireny, nefa takany fa tsy azony natao ny nanohy nifoka “marijuana” sy sigara raha tiany ny hanompo an’i Jehovah. Hoy ny fitantarany: “Tsy sarotra tamiko mihitsy ny niala tamin’ny zavatra mahadomelina izay nitondra fahafinaretana be dia be ho ahy anefa. Nila enim-bolana kosa anefa aho fara fahakeliny mba hiatoana tamin’ny fifohana sigara.” Nahita fanampiana avy tamin’ny kristiana hafa sy tao amin’ny vavaka izy. Manana fiainana madio sy mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izy io ankehitriny, manana fieritreretana madio, mitana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra ary mahita fahafinaretana amin’ny fiarahana amin’ny kristiana hafa. Manantitrantitra izy fa tsy fantany izany atao hoe sakaiza talohan’ny nahatongavana ho kristiana.
Tena fanarahana ny lalam-pahendrena tokoa ny fanajana ireo fotopoto-pitsipi-pahamarinana. Koa satria mbola sarobidy kokoa noho ny volamena voadio ny fahendrena, dia araho koa io lalana io. Hidera an’i Jehovah ianao ary hanomana ny fahasambaranao mandrakizay. — Salamo 19:7, 10; Ohabolana 16:16.
[Efajoro, pejy 27]
Ny fotopoto-pitsipika dia fahamarinana na lalàna fototra mety hiavian’ny fahamarinana na lalàna hafa. Ireto ny sasantsasany aminy:
□ “Tiavà an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” — Matio 22:37.
□ “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” — Matio 7:12.
□ “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao.” — Jakoba 4:4.
□ “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” — 1 Korintiana 10:31.
□ “Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.” — Romana 15:1.
□ “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” — Hebreo 13:15.
□ “Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona.” — Hebreo 10:24, 25.
□ “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” — Matio 4:4.