FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/1 p. 8-9
  • Voaheloka ny firenena iray, nefa tsy manontolo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voaheloka ny firenena iray, nefa tsy manontolo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Firenena nafoy iray, nefa tsy izy manontolo
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nahoana Izy Ireo no Horinganina?
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Samy Hipetraka eny Ambanin’ny Aviaviny Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Nampiasa Aviavy Izy mba Hampianarana Momba ny Finoana
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/1 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Voaheloka ny firenena iray, nefa tsy manontolo

VAO avy niresaka tamin’ireo olona tafavory teo anoloan’ny tranon’ny Fariseo iray i Jesosy. Noresahina taminy “ny nanjo ny Galiliana, izay noharoharon’i Pilato [governora romana] tamin’ny fanatiny ny rany”. Angamba novonoina ireny Galiliana ireny tamin’ny fotoana nanoheran’ny Jiosy an’arivony maro ny fanorenana lakan-drano lehibe iray nankao Jerosalema, satria vola avy amin’ny rakitry ny tempoly no nampiasain’i Pilato. Te-hilaza angamba ny olona nitantara izany zava-nitranga izany tamin’i Jesosy fa noho ny ratsy nataony no nahafaty an’ireo Galiliana ireo.

Nampahafantarin’i Jesosy anefa fa diso hevitra izy ireo rehefa nanontany azy izy hoe: “Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin’izany rehetra izany?” “Tsia”, hoy izy, sady nohararaotiny izany fotoana izany mba hampitandremana ny Jiosy toy izao: “Raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.”

Rehefa avy eo i Jesosy dia nampahatsiahy fisehoan-javatra mampangitakitaka hafa iray nitranga tao amin’ilay faritra, angamba tamin’ny fanorenana an’io lakan-drano lehibe io ihany: “Ary ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?” Tsia, tsy noho ny faharatsiany akory no nahafaty an’ireny olona ireny, hoy ny fanazavan’i Jesosy. Ny ‘fotoana sy ny fisehoan-javatra tsy nampoizina’ kosa mandrakariva no fototry ny loza mahatsiravina tahaka an’ireny. Nanararaotra izany fotoana izany indray anefa i Jesosy mba hampitandremana toy izao: “Fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.”

Avy eo, dia nanao izao fanoharana mety izao i Jesosy: “Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanimboalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita. Ka dia hoy izy tamin’ny mpamboatra ny tanim-boaloboka: Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany? Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika; angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.”

Nandritra ny telo taona mahery, dia nanandrana namboly finoana teo anivon’ny firenena jiosy i Jesosy. Tsy namokatra afa-tsy mpianatra an-jatony vitsivitsy anefa ny asany. Noho izy tao anatin’ny taona fahefatra amin’ny fanompoany izao, dia nampitombo fiezahana izy, toy ny hoe nihady an’ohatra sy nanisy zezika nanodidina ny “aviavy” jiosy, ka nitory sy nampianatra tamin-jotom-po tany Jodia sy Perea. Very maina foana anefa ny fandaniany hery. Tsy nety nibebaka ilay firenena, ka tamin’izany dia nanjary mendrika ny fandringanana. Vitsy monja tamin’ilay firenena no niseho ho nandray tsara.

Fotoana fohy taorin’izay, dia nampianatra tao amin’ny synagoga i Jesosy, tamin’ny andro sabata. Tao dia nisy vehivavy azon’ny demonia ka tsy nahatraka hatramin’ny 18 taona. Feno fangorahana i Jesosy ka nilaza taminy hoe: “Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao hianao”, ary dia nametra-tanana taminy izy. Tamin’izay indrindra, dia nitraka izy ka nanomboka nankalaza an’Andriamanitra.

Nisafoaka ny lehiben’ny synagoga: “Henemana no azo anaovan-draharaha, hoy ny fanoherany; koa avia hositranina amin’izany, fa tsy amin’ny andro sabata.” Niaiky io lehilahy io fa nanana fahefana hanasitrana i Jesosy, nefa nanome tsiny ny vahoaka izay tonga mba hitady fanasitranana tamin’ny andro sabata izy!

“Ry mpihatsaravelatsihy, hoy ny navalin’i Jesosy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ny fihinanam-bilona amin’ny sabata va hianareo ka mitondra azy hisotro rano? Koa ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana izao valo ambin’ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro sabata va?

Rehefa nandre izany ireo mpanohitra an’i Jesosy dia menatra, fa ny vahoaka kosa nifaly noho ny zavatra mahagaga rehetra hitan’izy ireo nataony. Tamin’izay izy dia namerina fanazavana ara-paminaniana roa momba ny Fanjakan’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’ny nomeny herintaona talohan’izay, teny an-tsambokely, tao amin’ny ranomasin’i Galilia. Lioka 13:1-21; Mpitoriteny 9:11; Matio 13:31-33.

◆ Fisehoan-javatra mampangitakitaka inona avy moa no tononina eo, ary fianarana inona no notsoahin’i Jesosy avy amin’izany?

◆ Ahoana no azo ampiharana ny fanoharana momba ny aviavy tsy namoa sy ireo fiezahana natao mba hanaovana izay hahatonga azy io hamoa?

◆ Ahoana moa no niaiken’ny mpanapaka ny synagoga fa nanana fahefana hanasitrana i Jesosy, nefa ahoana no teny nanalan’i Jesosy sarona ny fihatsarambelatsihin’io lehilahy io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara