FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/2 p. 30-31
  • Porofo fa niaro ny Teniny Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Porofo fa niaro ny Teniny Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Teny mendrika inoana marina tokoa ve?
  • Tapatapany sarobidy amin’ny Filazantsaran’i Jaona
  • Vatosoa Hita Tany Anaty Fako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Baiboly Sora-tanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Milaza ny Marina Momba ny Fiainan’i Jesosy ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no Amaritana ny Datin’ireo Soratra Natao Tanana Fahiny?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/2 p. 30-31

Porofo fa niaro ny Teniny Andriamanitra

RAHA nampitaina tamintsika tsy nisy diso toy izao ny Baiboly, Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia noho ny Mpanao azy indrindra, satria izy no niaro azy tamin’ny fomba mahatalanjona. Miisa ho 6 000 eo ho eo ny sora-tanana manontolo na tapatapany amin’ny Soratra hebreo, ary 5 000 ny sora-tanana amin’ny Soratra grika kristiana.

“Ny tenin’ny Tompo [Jehovah, MN ] maharitra mandrakizay.” (1 Petera 1:25). Moa ve ireo fikarohana natao tamin’izao androntsika izao mety hampahafanta-javatra antsika ny amin’ny fomba niarovan’Andriamanitra ny Teniny masina?

Teny mendrika inoana marina tokoa ve?

Tena mendrika inoana tokoa ve ny teny ao amin’ny Soratra grika? Izany dia izany tokoa. Raha oharina amin’ny soratra hafa fahizay aza izy dia azo itokiana tsy misy toy izany. Ao amin’ny bokiny hoe Auf den Spuren Jesu (Manara-dia an’i Jesosy), dia asehon’i Gerhard Kroll fa enina monja ny sora-tanan’i Aristote ananana amin’izao andro izao (Aristote, filozofa grika tamin’ny taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana). Amin’ny ankamaroany, ireny “papyrus” ireny dia nisy tany amin’ny taonjato faha-10. Ny asan’i Platon (taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana) dia tsara toerana kokoa amin’ny sora-tanana folo, talohan’ny taonjato faha-13. Raha ny amin’i Hérodote (taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana), dia eo amin’ny roapolo ny tapatapany amin’ny “papyrus” hita nanomboka tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, fa ireo sora-tanana voalohany amin’ny asany feno kosa dia tamin’ny taonjato faha-10. Fa raha ny amin’ireo sora-tanan’i Flavius Josèphe tranainy indrindra, izany dia vao tamin’ny taonjato faha-11.

Ny teny amin’ny Soratra grika kristiana (vita tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana) kosa anefa dia hamafisin’ny tapatapany amin’ny sora-tanana tamin’ny taonjato faha-2 sy ny sora-tanana manontolo tamin’ny taonjato faha-4. Araka ny filazan’i Gerhard Kroll, dia misy “papyrus” 81 natao tamin’ny taonjato faha-2 ka hatramin’ny faha-7, sora-tanana vaventy 266 tamin’ny taonjato faha-4 ka hatramin’ny faha-10, ary sora-tanana natao haingana 2 754 tamin’ny taonjato faha-9 ka hatramin’ny faha-15, mbamin’ny “lectionnaires” 2 135. Ireny tahirin-kevitra rehetra ireny dia manaporofo ny fahamarinan’ny teny ao amin’ny Soratra grika kristiana, izay voaporofo tsy misy toy izany mihitsy ny tsy fiovany.

Tapatapany sarobidy amin’ny Filazantsaran’i Jaona

Iza no hanampo ny hahita soratanana sarobidy amin’ny Baiboly ao anatin’ny antontan-taratasy tranainy? Tao anefa no niafina ny tapatapany tsy hay tombanana tamin’ny toko faha-18 amin’ny Filazantsaran’i Jaona. Tahirizina any Manchester, any Angletera izy io ankehitriny, ary mitondra ny anarana hoe Papyrus Rylands 457 (P52). Fa ahoana no nahitana azy, ary nahoana izy io no heverina ho zava-dehibe toy izany?

Tany amin’ny faramparan’ny taonjato farany, dia nisy arkeology namongatra tapatapany maro dia maro tamin’ny “papyrus” tany akaiky kelin’ny tanànan’i Oxyrhynchos, any Egypta, any amin’ny faritr’i Fayoum. Ireny tahirin-kevitra ireny — taratasy, rosia, fangatahana, taratasy momba ny fanisana sy maro hafa koa — nosoratana tamin’ny teny grika ny ankamaroany, dia voatahiry nandritra ny taonjato maro tao anaty fasika maina.

Tamin’ny 1920, ny fanangonam-boky John Rylands, any Manchester, dia nahazo maromaro tamin’ireny “papyrus” ireny. Efatra ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, rehefa nanasivana ny sasany tamin’ireny tahirin-kevitra ireny ilay mpandinika Baiboly atao hoe C. Roberts dia sendra niato teo amin’ny teny vitsivitsy nahazatra azy. Alao sary an-tsaina ny fihetseham-pony rehefa tsapany fa raha ny marina dia tapany tamin’ny andininy faha-31 ka hatramin’ny faha-33 amin’ny toko faha-18 amin’ny Filazantsaran’i Jaona io ary ao ambadika dia tapany amin’ny andininy faha-37 sy 38 amin’io toko io ihany! Io tapatapany amin’ny “papyrus” io dia mahaforona ny tranainy indrindra amin’ny sora-tanana amin’ny Soratra grika kristiana hita hatramin’izay. Nosoratana tamin’ny litera grika vaventy na “onciales” izany ary nisy tany amin’ny tapany voalohany amin’ny taonjato faha-2 amin’ny fanisan-taona iraisana.

Eo amin’ny 9 santimetatra monja ny halavan’io tapatapany io ary 6 santimetatra sy sasany ny sakany. Ahoana no nahafahana namantatra ny datiny tamin’ny fomba hentitra toy izany? Tamin’ny fandinihana indrindra ny endriky ny soratra, fahaizana fantatra amin’ny anarana hoe paleografia. Niova tsikelikely ny soratra arakaraka ny fotoana. Izany fanovana izany indrindra no mahatonga ho afaka hanondro ny datin’ny sora-tanana iray, ka taona vitsivitsy no mety ho tsy fitoviany. Ny soratanana fototr’io tapatapany io dia tsy nosoratana raha tsy fotoana fohy dia fohy, azo inoana fa teo anelanelan’ny 30 sy 40 taona, taorian’ny nanoratan’ny tenan’i Jaona mihitsy ny Filazantsara mitondra ny anarany. Afaka matoky koa isika fa ny fitantarana nataon’ilay apostoly dia tsy hoe tena nosimban’ireo mpanao kopia, satria ny soratra amin’io tapatapany io dia saiky mifanitsy daholo amin’ny an’ireo sora-tanana talohany.

Talohan’io fahitan-javatra io, ny sasany dia nanohitra fa tsy apostolin’i Jesosy ny nanoratra an’io Filazantsara io fa nosoratana tatỳ aoriana, tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-2. Ankehitriny, noho io tapatapany io, dia fantatsika fa efa nivezivezy tany Egypta ny Filazantsaran’i Jaona tamin’ny tapany voalohany amin’ny taonjato faha-2, tsy tamin’ny endriky ny horonana fa tamin’ny endriky ny kodeksa. Tsy mahagaga ve raha “papyrus” jerena ho tsotra toy izany no mety hampangina amin’ny fomba malaza ireo mpanaratsy ny Baiboly?

[Efajoro, pejy 31]

NY “PAPYRUS”

NY “PAPYRUS” dia maniry any amin’ireo rano mihandrona sy tsy dia lalina, any amin’ireo heniheny sy moron’ny onibe miadam-pikoriana tahaka an’i Neily (Joba 8:11, MN ). Heverina fa nampiasaina ho fanoratana izany raha vao tamin’ny andron’i Abrahama. Rehefa nandeha ny fotoana, ny fanamboarana taratasy vita amin’ny “papyrus” dia tonga anankiray tamin’ireo taozavatra lehibe indrindra tany Egypta fahiny. Mba hanamboarana azy, dia nanaraka fanao azo lazaina hoe tsotra ny Egyptiana. Notapahina ho manify dia manify ny atiny malemilemy amin’ilay zava-maniry ary dia nalahadahatra nifanakaiky. Rehefa avy nohosorana karazana dity izany, dia notsindriana takela-madinika hafa nitsivalana. Noterena sy nofisahina ny fitaovana azo tamin’izany mba hahaforona ravina, avy eo dia nohamainina tamin’ny hainandro ary tamin’ny farany dia nolamaina tamin’ny vato “ponce”, ny akorandriaka na ny ivoara. Raviny maromaro no azo natambatra mba hahaforona horonamboky iray izay ny halavany amin’ny antsalany dia teo amin’ny 4 ka hatramin’ny 6 metatra, na dia hita aza indray andro ny horonamboky teo amin’ny 41 metatra. Azo natao koa ny nanakambana ireny pejy ireny mba hanamboarana karazana boky, ny kodeksa, endrika sora-tanana noheverin’ireo kristiana voalohany ho sarobidy tokoa.

[Efajoro, pejy 31]

“PARCHEMIN” SY “VÉLIN”

NY KODEKSA Alexandrinus, izay nirakitra tamin’ny voalohany ny soratra manontolo amin’ny Baiboly ary natao tamin’ny taonjato faha-5, dia sora-tanana tamin’ny “vélin”. Inona moa no atao hoe “Vélin”? Inona no tsy itoviany amin’ny “parchemin”?

Hatramin’ny ela be no nanamboarana “parchemin” tamin’ny hoditr’ondry, osy na zanak’omby. Nosasana ireny hoditra ireny, nesorina ny volo taminy, avy eo dia nohenjanina tamin’ny hazo sy nohamainina (jereo 2 Timoty 4:13, MN ). Tany amin’ny taonjato faha-3 sy faha-4 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia natao ny fanavahana ny “parchemins” ratsiratsy izay mbola nantsoina ihany hoe “parchemin”, sy ny “parchemins” ambony karazana, nomena ny anarana hoe “vélin”. Ny “vélin” dia tsy natao afa-tsy amin’ny hodi-janak’omby na zanak’osy manify, na ny an’ny zanak’ondry sy zanak’omby maty raha vao teraka. Tamin’izany no nahazoana zavatra fanoratana sady manify no malama sady fotsifotsy, nampiasaina mba hanaovana boky sarobidy. Niaraka tamin’ny famoronana ny fanontam-pirinty, ny “vélin” dia nosoloana ny taratasy, fitaovana antonona sy mora kokoa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara