FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/3 p. 6
  • Ny Kodeksa Alexandrinus

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Kodeksa Alexandrinus
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Sarobidy ny Kôdeksan’i Vatikana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Baiboly Sora-tanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kôdeksa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny kodeksa Bezae − soratanana tsy manam-paharoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/3 p. 6

Ny Kodeksa Alexandrinus

NY KODEKSA Alexandrinus no voalohany amin’ireo soratanan’ny Baiboly lehibe indrindra nampiasain’ireo mpandinika Baiboly. Ny fahitana azy dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fisavasavana ara-bakiteny ny soratra grika ao amin’ny Baiboly mba hahasoa indrindra ireo izay handika atỳ aoriana ny tenin’ny Soratra Masina. Fa oviana no hita izy io ary tamin’ny fomba ahoana?

Mpankamamy boky aoka izany i Kyrillos Loukaris, patriarka tany Aleksandria, any Egypta. Rehefa tonga patriarka tany Constantinople, tanàna any Tiorkia, izy tamin’ny 1621, dia nentiny niaraka taminy ny Kodeksa Alexandrinus. Noho ny fikorontanana nampisamboaravoara ny tany Atsinanana Afovoany, ary noho ny tsy fitiavany hisetra ny fanafoanana ny soratanany izay mety ho tonga eo an-tanan’ny miozilimana, dia noheverin’i Loukaris fa fahamalinana kokoa ny hanomezana izany ny mpanjakan’i Angletera. Tamin’ny 1624 àry, dia nankininy tamin’ny ambasadaoron’i Angletera any Tiorkia izany mba hanomezan’io izany an’i Jacques I. Maty talohan’ny naharaisana an’io soratanana io anefa ilay mpanjaka, ka i Charles I mpandimby azy no nandray izany, telo taona tatỳ aoriana.

Sarobidy araka ny niheveran’i Kyrillos Loukaris azy ve ny Kodeksa Alexandrinus? Izany tokoa; natao tany amin’ny tapany voalohany amin’ny taonjato faha-5 tokoa izy io. Mpanora-dalàna maromaro no toa nandray anjara tamin’ny fanoratana azy ary efa nasiana fanitsiana ny tao anatiny manontolo. Izany dia soratanana amin’ny “vélin” izay ny teny aminy, voasoratra amin’ny litera kapitaly sy tsy misy elanelany eo amin’ireo teny, dia manaraka laharana roa. Tsy ao ny tapany lehibe amin’ny Filazantsaran’i Matio, andinin-teny vitsivitsy amin’ny Genesisy, Salamo, Jaona ary 2 Korintiana. Alahatra amin’izao andro izao amin’ny anarana hoe Kodeksa A io tahirin-kevitra 773 pejy io ka mbola heverina foana ho soratanana tany am-boalohany sarobidy tokoa.

Azo atao ny mandahatra ny ankamaroan’ny soratanana amin’ny Baiboly ho antokony na fianakaviana, arakaraka ny fitoviana izay tsy maintsy hita rehefa misy mpanora-dalàna samy hafa mamerina tahirin-kevitra iray ihany na maromaro tena mitovy. Raha ny amin’ny Kodeksa Alexandrinus kosa, ireo mpanora-dalàna dia toa niahy ny amin’ny hampitahana ireo dikan-teny avy amin’ny fianakaviana soratanana samy hafa, mba hakana ny mety ho soratra tsara indrindra. Noho izany, io kodeksa io dia mihoatra amin’ny taona sy ny hatsarana, ny soratanana grika hafa rehetra nampiasaina mba hanaovana ny Baibolin’ny mpanjaka Jacques, fandikan-teny anglisy navoaka tamin’ny 1611.

Niteraka fihetsiketsehana maro ny fomba nandikan’ny Kodeksa Alexandrinus ny 1 Timoty 3:16 rehefa navoaka. Nanambara ny amin’i Jesosy Kristy Ny Baibolin’ny mpanjaka Jacques fa “naseho tao amin’ny nofo Andriamanitra”. Ao amin’io kodeksa tranainy io anefa, ny teny nadika hoe “Andriamanitra” ary soratana hafohezina amin’ny endriky ny litera grika roa “ΘC”, tamin’ny voalohany dia nosoratana hoe “ΟC”, izay adika amin’ny hoe “ilay”. Milaza tsy azo lavina izany fa tsy “Andriamanitra” akory Kristy Jesosy.

Taonjato roa mahery sy ny fahitana soratanana taloha no nilaina mba hanamafisana ny fandikana amin’ny hoe “ilay” na “izay”. Tao amin’ny Famoaboasana ny soratra grika ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy) nataony, dia nanao izao fanatsoahan-kevitra izao i Bruce Metzger: “Tsy misy mihitsy soratanana amin’ny litera kapitaly (tsy nahitsy) talohan’ny taonjato faha-8 na faha-9 (...) manamarina ny dikany hoe θεός [théos]; ny fandikan-teny teo aloha rehetra dia manome hoe ὅς na ὅ; ary talohan’ny tapany fahatelo amin’ny taonjato faha-4, ny dikany hoe θεός [théos] dia tsy nisy Rain’ny Eglizy nanohana azy mihitsy.” Tsy manisy fitenenana ny amin’ny hoe “Andriamanitra” ny ankamaroan’ny fandikan-teny ankehitriny ao amin’io andinin-teny io.

Tamin’ny 1757, ny Fitehirizam-bokin’ny Mpanjaka dia nakambana tamin’ny British Library. Ankehitriny io kodeksa malaza io dia aseho ao amin’ny Fampisehoana Soratanana, ao amin’ny British Museum. Harena mendrika ny ho hita izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara