FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/5 p. 21
  • ‘Masaka ny vokatra’ any Birmania

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Masaka ny vokatra’ any Birmania
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nitranga tany Dinam izany
  • Nahita ny fahamarinana tao anatin’ny boky iray efa tsy nilaina intsony izy
  • Ireo Fitahiana Entin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Jehovah no Tokiko Hatramin’ny Fahatanorako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Aoka isika hanohana ireo mpitory maharitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mandray Fitahiana Ireo Manao ny Asan’ny Mpisava Lalana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/5 p. 21

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

‘Masaka ny vokatra’ any Birmania

◻ MISY mpitory ny vaovao tsara 1 500 mahery any Birmania. Tao amin’io tany mahafinaritra io, dia nisy olona 2 273 nanatrika an’ireo fivoriambe farany, izay natao tamin’ny fiteny telo: birmana, lushei, ary haka chin. Ireo fitantarana manaraka eto dia mampiseho ny fahalianana amin’ny hafatr’ilay Fanjakana asehon’ny olona azo oharina amin’ny ondry, ary mampahatsiahy an’ilay fahitana izay azon’ny apostoly Jaona. Eny, “masaka dia masaka ny vokatry ny tany”. — Apokalypsy 14:15.

Nitranga tany Dinam izany

◻ Raha mbola nitory isan-trano tany Matupi ny mpitory maharitra manokana iray dia nifanena tamin’ny zatovolahy iray izay ta-hahafantatra hoe inona ny afobe. Nohazavain’ilay mpitory maharitra taminy fa, araka ny Baiboly, ny afobe dia manondro ny fasana, hany ka nahagaga be an’io zatovolahy io izany. Tsy afaka nitana ho azy samirery izany vaovao izany izy ka nanapa-kevitra ny hampahafantatra izany tamin’ny fianakaviany izay nipetraka tany Dinam izy. Tamin’ny fotoan’ny fialan-tsasatra dia niverina tany an-tanàna izy ary nampahafantatra ny marina mikasika ny afobe. Tamin’izay ny zaodahiny izay ta-hahafantatra misimisy kokoa ny amin’izany, dia naniry ny hiaraka aminy ho any Matupi mba hiresahany mivantana amin’ilay mpitory maharitra. Nijanona herinandro maromaro tao izy ary nianatra Baiboly niaraka tamin’ilay mpitory maharitra. Tatỳ aoriana, tamin’ny fitsidihany fanindroany tany Matupi, dia nangataka mafy an’ireo mpitory maharitra izy mba ho any an-tanàna, ary nanampiny fa maro ny olona liana amin’ilay hafatra. Nanaiky tamim-pifaliana an’ilay fanasana ireo mpitory maharitra telo. Tsy maintsy nanao dia manasatra izay naharitra adiny 12 izy ireo mba hahatongavana any Dinam.

Nisy fandevenana tamin’ny andro nahatongavan’ireo mpitory maharitra. Noho izany, ireo mponina sasany avy teny amin’ireo tanàna manodidina, izay tonga teo noho ilay toe-javatra, dia afaka nahalala bebe kokoa ny amin’izay lazain’ny Baiboly mikasika ny afobe. Nirohotra avokoa izy rehetra mba hijery an’ireo mpitsidika. Nisy fifanakalozan-kevitra ara-Baiboly nanaraka izany, izay nanomboka tamin’ny fito hariva ka naharitra hatramin’ny 11 ora alina.

Tamin’izay no nisy olona anankiray tamin’ny vahoaka ampy fahatakaran-javatra ka nampitsahatra an’ilay fifanakalozan-kevitra mba hahafahan’ireo mpitory maharitra miala sasatra kely ho fitsinjovana ny fiasana ny ampitso. Vao maraina tokony ho tamin’ny 7 ora, dia natomboka indray ilay fifanakalozan-kevitra ary nitohy — nisy fiatoana kely ho an’ireo sakafo — hatramin’ny 10 ora alina. Rehefa nandao an’ilay tanàna ireo mpitory maharitra dia nangataka tamin’izy ireo mba hiverina ireo olona azo oharina amin’ny ondry, mba hiaraka amin’izy ireo elaela kokoa. Endrey izany tombontsoa manampy an’ireo olona izay manaiky ampianarina hahafantatra ny vaovao tsara sarobidy mikasika ilay Fanjakana! Tena “masaka” tokoa ny vokatra any Birmania.

Nahita ny fahamarinana tao anatin’ny boky iray efa tsy nilaina intsony izy

◻ Mbola any Birmania ihany, nisy lehilahy iray nitsidika ny iray tamin’ireo namany izay mivarotra boky sy gazety tonta araka ny lanjany. Raha nahita boky iray tsy misy fonony teo ambony antontana taratasy tonta izy dia naka izany ary novakiny. Tsy ela dia variana tamin’io boky io izy (Ecoutez le grand Enseignant, natontan’ny Fikambanana Watch Tower). Nanoratra tany amin’ny sampan’ny Fikambanana izy mba hahazoany boky hafa. Avy hatrany dia nangataka tamin’ny mpitory maharitra iray ny sampana mba hitsidika azy. Nanomboka niara-nianatra Baiboly izy ireo, ary taorian’ny fifanakalozan-kevitra vitsivitsy dia niaiky io lehilahy io fa ny fahamarinana no nianarany. Nanomboka nanadio tena tamin’ny fahazaran-dratsiny izy, ary tatỳ aoriana dia nariany ireo sampiny hindoa. Fotoana fohy taorian’izay, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah izy sy ny zanany vavimatoa, ary natao batisa. Mpitory maharitra mandavantaona izy izao.

Tsy isalasalana tokoa, fa “be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy” any amin’ny saha lonak’i Birmania. — Matio 9:37, 38.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara