Marina ny Tenin’Andriamanitra
Nafindrafindra nandritra ireo taonjato maro ny Baiboly nefa tsy nisy fiovana. Marina sa diso?
Ireo fahasamihafana an’arivony maro hita ao amin’ireo soratanana amin’ny Baiboly dia mandrava ny filazany fa ny Tenin’Andriamanitra izy io. Marina sa diso?
ALOHAN’NY hamalianao, dia diniho ireto fanazavana vitsivitsy ireto azo tamin’ilay fampisehoana mitondra ny lohateny hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” ary natao vao haingana tao amin’ny fitehirizam-boky Chester Beatty tany Dublin, any Irlanda.
Ireo sombintsombina pejy, izay efa potipotika indraindray, hita ao amin’io fitehirizam-boky io dia niharan’ny vokatry ny fandehan’ny fotoana tokoa. Kanefa, ireo taratasin-jozoro (papyrus) amin’ny tahiry Chester Beatty no mahaforona ireo soratanana tena sarobidy indrindra amin’izany. Tao amin’ny toerana fandevenana kopta (egyptiana) iray no nahitana azy ireo, tokony ho tany amin’ny 1930. “Tsy misy mitovy amin’izany fahitana izany afa-tsy ny an’ny Kodeksa Sinaiticus, hoy ny nambaran’Andriamatoa Frederic Kenyon.”
Ireo taratasin-jozoro ireo, izay miseho amin’ny endriky ny kodeksa, dia natao kopia tamin’ny taonjato faha-2, faha-3 ary faha-4 amin’ny fanisan-taona iraisana. Araka ny nolazain’i Wilfrid Lockwood, mpitahiry ao amin’ny fitehirizam-boky Chester Beatty, “ny sasany angamba natao kopia, tsy ampy taonjato iray taorian’ny nanoratana ireo soratra voalohany.” (Izahay no manipika). Ny anankiray amin’ireo kodeksa ireo dia mirakitra ireo Filazantsara efatra sy ny bokin’ny Asan’ny Apostoly; ny anankiray hafa dia mirakitra ny ankamaroan’ny taratasin’ny apostoly Paoly, anisan’izany ilay ho an’ny Hebreo.
Ny fanaovana kopia soratanana toy izany dia nandreraka ny saina sy ny vatana, ary loharanon’ny fahadisoana. Na toy inona na toy inona fitandremana tsara nataon’ilay mpanao kopia, dia mety ho diso amin’ny famakiana litera iray na handingana andalana iray mora foana izy. Indraindray, dia voatarika bebe kokoa amin’ny hevi-teny fa tsy amin’ireo teny mihitsy ny sainy. Satria kopian’ireo kopia no natao, dia niverimberina ireo fahadisoana. Noho izany, ireo mpivaofy teny dia afaka nandahatra ho sokajy ireo soratanana izay mampiseho fahasamihafana mitovy. Nanome fomba fijery vaovao ho an’ireo mpikaroka ireo taratasin-jozoro ao amin’ny tahiry Chester Beatty — ireo soratanana amin’ny fiteny grika tena tranainy indrindra izay lehibe ihany amin’ny Soratra Masina — satria ireny soratanana ireny dia tsy azo nampidirina na dia tamin’ny iray aza amin’ireo sokajy efa vita.
Maro ny kopian’ny Soratra hebreo nadika tamin’ny fotoana talohan’ny kristianisma, indrindra taorian’ny fandravana an’i Jerosalema, izay nitranga tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ary taorian’ny fielezan’ireo Jiosy noho izany fisehoan-javatra izany. Tokony ho tamin’ny taona 100 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nisy manam-pahaizana jiosy nampiasa ireny kopia ireny mba hanorenana lahatsoratra hebreo iray izay neken’ireo Jiosy ortodoksa.
Ankoatra izany, dia nametra fitsipika mazava tsara izy ireo ho voadika amim-pahamarinana tsara araka izay azo atao ilay kopia. Nolazainy mazava tsara hoe inona ny fitaovana azo ampiasaina ho tazona ary notondroiny mihitsy aza ny habe sy ny elanelan’ireo litera, teny, andalana ary laharana. “Tsy tokony hosoratana an-kandrina na teny, na litera, na dia yod [ny litera farany kely indrindra amin’ny abidia hebreo] iray aza”, hoy ny fanapahan-keviny. Tamin’izany no nahazoana tamin’ireny mpanao kopia ireny horonana tahaka ny an’ny Torah (fampianarana), izay mirakitra ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, na ny an’ny bokin’i Estera. Araka ny voalazan’ny rejisitry ilay fampisehoana, ireny soratanana amin’ny soratra hebreo ireny dia “mampiseho firaisan-kevitra mahatalanjona”.
Lehibe ve ireo fahadisoana izay nety ho tafiditra tao amin’ireo soratanana amin’ny Soratra hebreo sy Soratra grika kristiana? Mamaly antsika toy izao Atoa Lockwood: “Tsahivintsika fa ireo tsy fifanarahana misy amin’ireo soratanana amin’ny Baiboly dia zavatra tsy misy dikany raha oharina amin’izay hita amin’ireo tantaran’ny mpanompo sampy (...). Tsy misy na dia zavatra kely aza amin’ny fampianarana kristiana mampisalasala noho ireo tsy fitovian’ny soratra.” — Izahay no manipika.
Ireo boky ao amin’ny Baiboly, na ireo nosoratana talohan’ny andron’i Jesosy na ireo nosoratana nanomboka tamin’izay, dia nadika tamin’ny fiteny maro samihafa. Ny anankiray amin’ny tena tranainy indrindra amin’ireny fandikan-teny ireny dia ny Pentateuque samaritana. Nonina tao amin’ny faritanin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely ny Samaritana, taorian’ny nitondran’ny mpanjakan’i Asyria an’ireo Isiraelita ho amin’ny fahababoana, tamin’ny 740 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Nanaraka fomba fanao sasantsasany tamin’ny fanompoam-pivavahana jiosy izy ireo, nefa tsy nanaiky afa-tsy ireo boky dimy voalohany amin’ny Baiboly, izay mahaforona ny Pentateuque. Ny lahatsoratra samaritana ny amin’ireo boky ireo, izay nosoratana tamin’ny endriky ny soratra hebreo fahiny, dia ahitana fahasamihafana 6 000 raha oharina amin’ny lahatsoratra napetraka. “Ny ankamaroan’ireny” fahasamihafana ireny, hoy ny fanamarihan’ilay rejisitra, “dia tsy misy heriny firy amin’ilay lahatsoratra, nefa tsy hoe tsy mahaliana akory izy ireny raha hita fa namela ny fitahirizana toetra manokana sasany amin’ny fanononana na fitsipi-pitenenana izy ireny.”
Tamin’ny taonjato faha-3 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nisy mpandinika ny Baiboly jiosy tany Aleksandria, tany Egypta, nanoratra fandikan-teny grikan’ny Soratra hebreo, dia ny Septante, izay nanjary nampiasain’ireo Jiosy rehetra niteny grika teo amin’izao tontolo izao. Tatỳ aoriana, dia nitsahatra tsy nampiasa azy io intsony ny Jiosy, nefa tonga ny Baiboly fakan-teny ho an’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany izy io. Rehefa nanonona andalan-teny tamin’ny Soratra hebreo ireo mpanoratra ny Soratra grika kristiana, dia nalainy avy tamin’ny Septante izany. Ireo taratasin-jozoron’ny Soratra hebreo ao amin’ny tahiry Chester Beatty dia mirakitra pejy 13 amin’ny bokin’i Daniela araka ny ahitana azy ao amin’ny Septante.
Nisy fandikan-teny tatỳ aoriana kokoa, nosoratana tamin’ny teny latina, kopta, syriaka ary armeniana. Noho izany, io fampisehoana io dia mampiseho kodeksan’ny fandikan-teny kopta iray izay vita amin’ny hodi-biby; izy io dia tapany amin’ny Baiboly ka natao tamin’ny taonjato faha-6 na faha-7 amin’ny fanisan-taona iraisana. Nahoana ireo fandikan-teny toy ireny no manamora ny fandinihana ireo lahatsoratra? Satria izy ireny dia fandikan-teny tena ara-bakiteny mazàna. “Raha toa ka tsara ny lahatsoratra niasan’ilay mpandika teny, hoy ny fanazavan’i Wilfrid Lockwood, dia mazava fa ny fandikan-teny ho azo avy amin’izany dia fanampiana sarobidy mba hahitana ireo teny grika tany am-boalohany.”
Ny fitehirizam-boky Chester Beatty dia mirakitra boky misy vidiny lehibe sady tokana monja, nataon’ny mpanoratra syriana iray, Ephrem, tamin’ny taonjato faha-4, dia ny famoaboasana ny Diatessaron an’i Tatien. Tokony ho tany amin’ny 170 amin’ny fanisan-taona iraisana i Tatien no nanoratra tantara mirindra ny amin’ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy tamin’ny fanangonana teny nalaina avy tamin’ny Filazantsara efatra (Diatessaron dia midika hoe “amin’ny alalan’[ireo] efatra”). Satria tsy nisy kopian’io boky io na dia iray aza tonga hatratỳ amintsika, dia nanohitra ny fisian’izy io ny mpanakiana sasany izay velona tamin’ny taonjato lasa. Nilaza mihitsy aza ireny mpanakiana ireny fa tsy nosoratana talohan’ny tapany faharoa amin’ny taonjato faha-2 ireo Filazantsara efatra.”
Kanefa, ny nahitana efa hatramin’ny zato taona izao ireo fandikan-tenin’ny Diatessaron amin’ny fiteny armeniana sy arabo dia nanery ny fanakianana ambony hiaiky ny fahadisoany. Tamin’ny 1956, Andriamatoa Chester Beatty dia nahazo an’io famoaboasana tokana io, izay nosoratana tamin’ny taonjato faha-5 ka hatramin’ny faha-6 ary mirakitra teny be dia be nalaina tao amin’ny bokin’i Tatien. Araka ny nolazain’i Wilfrid Lockwood, “izany dia tsy isalasalana fa namarana an’ilay tsangan-kevitra hoe tamin’izany fotoana izany, dia tsy niely ireo Filazantsara efatra.”
Ilay fampisehoana mitondra ny lohateny hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” dia nampahatsiahy fa be dia be ireo tahirin-kevitra eo am-pelatanan’ireo mpivaofy teny sy manam-pahaizana manokana amin’ny fandinihana soratra. Avelantsika Frederic Kenyon, anankiray amin’ireny manam-pahaizana ireny, hanazava amintsika hoe nahoana no zava-dehibe ny nahitana an’ireny soratanana amin’ny Baiboly rehetra ireny, ary hamaly amin’izany koa ireo fanontaniana teo amin’ny fiandohan’ity lahatsoratra ity:
“Sarotra amin’ny olona sasany ny mieritreritra fa ny Baiboly dia nafindrafindra nandritra ny taonjato maro nefa tsy nisy fiovana (...). Manome toky amin’ny farany ny fahatsapana fa ireny fahitana sy fandinihana rehetra ireny dia manome porofo fanampiny amin’ny fanohanana ny fahamarinan’ny Soratra Masina sy amin’ny finoana mafy fa manana ny tena Tenin’Andriamanitra marina tokoa isika, amin’izy manontolo.” (Ny tantaran’ny Baiboly, anglisy, pejy 113). — Salamo 119:105; 1 Petera 1:25.
[Sary, pejy 27]
Taratasin-jozoro tamin’ny taonjato faha-3 — 2 Korintiana 4:13 ka hatramin’ny 5:4.
[Sary nahazoan-dalana]
Fitahirizam-boky Chester Beatty.
[Sary, pejy 28]
Horonana vita amin’ny hoditra sy hodi-biby misy ny bokin’i Estera (taonjato faha-18).
[Sary nahazoan-dalana]
Fitahirizam-boky Chester Beatty
[Sary, pejy 29]
Kodeksa vita amin’ny hodi-biby nosoratana tamin’ny taonjato faha-6 ka hatramin’ny faha-7 — Jaona 1:1-9, fandikan-teny kopta.
[Sary nahazoan-dalana]
Fitahirizam-boky Chester Beatty.
[Sary, pejy 30]
Kodeksa vita amin’ny hodi-biby nosoratana tamin’ny taonjato faha-5 ka hatramin’ny faha-6 — famoaboasana nataon’i Ephrem, amin’ny teny syriaka, izay mirakitra ireo teny nalaina tao amin’ny Diatessaron an’i Tatien.
[Sary nahazoan-dalana]
Fitahirizam-boky Chester Beatty.