Ny rariny ho an’ny rehetra — Nofinofy fotsiny ve izany?
NY olona izay mitsidika ny Old Bailey any Londres, izay ivorian’ireo mpitsara heloka bevava, dia mahatazana eo amin’ny tampon’io trano manan-tantara io ny sary vaton’ny vehivavy iray izay mampiseho ny rariny. Mitana mizana izy io amin’ny tanany iray, ka izany dia mampiseho fa ao dia voadinika amim-pitandremana ireo porofo; ary amin’ny tanany ilany dia mihazona sabatra iray izy mba hiarovana ny tsy manan-tsiny ary hanafaizana ny olo-meloka. Any amin’ny toerana maro hafa, ny rariny dia aseho toy izany koa amin’ny alalan’ny vehivavy iray izay voatapi-maso indraindray ho mariky ny tsy fiangarana.a
Mety hanontany tena toy izao isika: Moa ve ny rariny, asehon’io vehivavy io, misy any ho any amin’izao androntsika izao? Marina fa any amin’ny tany rehetra, dia misy lalàna sy olona voatendry hampanaja azy ireny, mpitsara ary fitsarana. Marina fa misy olona maro manao ny marina izay miezaka miaro ireo zon’ny olona sy manao izay hampitovy ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Kanefa, miharihary fa tsy misy vokany firy ny asany. Saika isan’andro isika dia manatri-maso na mandre firesahana ny amin’ny fanaovana kolikoly sy ny tsy rariny.
Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny vehivavy iray izay notorina tamin’ny fitsarana. Talohan’ny hitsarana azy, ilay mpitsara dia nampahafantatra azy fa “hihevitra manokana” ireo fiampangana azy izy raha manaiky hihaona aminy any amin’ny tranom-bahiny iray izy, miharihary fa mba hanana firaisana maloto aminy. Eny, ireo izay heverina fa mampanjaka ny rariny dia tsy ampy fahamarinana na fahaiza-mitsara matetika. Any Etazonia, ny revio Time dia nampahafantatra fa 60%n’ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana tampony ao amin’ny fanjakana iray no voampanga ho nampiseho fihetsika tsy mety ho tombontsoan’ny iray tamin’ny havany akaiky.
Ankoatra izany, dia maro ny olona tofoka tanteraka ary voatarika mora foana handika lalàna noho ny fahitany fa tsy voasazy ireo olo-meloka (Mpitoriteny 8:11). Izao ohatra no nosoratana mikasika izany any Pays-Bas: “Maro ireo Holandey miampanga ny antoko ara-politika ho mampirisika ny fileferana loatra izay miteraka ny heloka bevava. Ny hafa dia manome tsiny ireo fitsarana, ary indrindra fa ireo mpitsara, (...) izay mikiry manome sazy ambany ary mamoaka didim-pitsarana izay maivana loatra indraindray ka mahatsikaiky.” Kanefa tsy amin’ny fampanajana bebe kokoa ny lalàna fotsiny, na amin’ny fanavaozana ny fandaharana ara-pitsarana no hanorenana ny rariny.
Tsy misy tsy mahalala fa any amin’ny tany maro, dia misy antokon’olom-bitsy tsy mitsahatra mangoron-karena, raha mbola miaina ao anatin’ny toe-piainana mahonena ireo olona tena mahantra. Isaky ny misy olona misahirana mafy mba hanatsara ny toerany na mba hitady fivelomana mihitsy aza dia mitranga foana izany tsy rariny izany noho ny volon-kodiny, ny foko niaviany, ny fiteniny, noho izy lahy na vavy na noho ny fivavahany. Vokatr’izany dia mampahory olona an-tapitrisany maro ny fahantrana, ny hanoanana ary ny aretina. Raha mbola mandray soa amin’ny fitsaboana ary fomba ny olona maro any amin’ireo tany manan-karena, dia olona an-tapitrisany maro eo amin’izao tontolo izao no mijaly sy maty noho ny tsy fahampian’ny rano azo sotroina na ny fanafody tena ilaina. Mba miresaha ny amin’ny rariny hoe amin’ny ireny olona ireny, izay nandritra ny androm-piainany dia tsy nahita an’izany! — Mpitoriteny 8:9.
Ankoatra izany, moa ve tsy tsapa ho toy ny tsy rariny ireo voina sasany izay tsy nandraisan’ny olona anjara anefa? Eritrereto ireo aretina mahazo ny zaza voa teraka hatrany an-kibon-dreniny indraindray: fahajambana, fahavotsan-tsaina, fahasembanana. Hitan’ny vehivavy iray ho rariny ve raha miteraka zaza kilemaina na maty eo am-piterahana izy, nefa eo anilany eo ny vehivavy iray hafa mandrotsirotsy zaza mahafatifaty? Ho hitantsika fa ireny fahoriana tsapa ho toy ny tsy rariny ireny dia hanjavona.
Na dia eo aza izany rehetra izany, raha jerena ny zavatra teo aloha, moa ve ianao tsy hiombon-kevitra amin’ny fanambarana voasoratra ao amin’ny Mpitoriteny 1:15? Ao amin’io andinin-teny io, ny mpanjaka iray feno fahendrena sy fanandraman-javatra dia miteny araka ny fomba fijerin’ny olona. Hoy izy: “Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.”
Jesosy Kristy, izay nanan-daza noho i Solomona, dia nanome fanoharana ny amin’ny mpitsara iray “izay tsy natahotra an’Andriamanitra na mena-maso olona”, ao amin’ny Lioka 18:1-5. Nisy vehivavy mananotena iray tsy nitsahatra nitalaho tamin’io mpitsara io mba hanome rariny azy. Kanefa, hoy Jesosy, io mpitsara ratsy fanahy io dia tsy nanampy an’io vehivavy io raha tsy noho ny fikirizany ary satria nanelingelina azy izy. Fantatr’i Jesosy àry fa be dia be ny tsy rariny. Moa ve ny tenany koa tatỳ aoriana tsy nampijalina, sy novonoina ho faty noho ny fiampangana tsy marina, ka izany dia famelezana lehibe ho an’ny rariny?
Maro ny olona mino fa misy Andriamanitra iray izay miahy noho ny tsy rariny. Tany amin’ny tany iray any Amerika afovoany, dia izao no nambaran’ny papa Jean-Paul II nandritra ny lamesa iray: “Ny famoretana olona iray, ny fakana an-keriny ireo zony, ny fitondrana azy tsy ara-drariny be izao, ny fampijaliana azy, ny fitanana azy ho babo na ny famingavingana ny zony ho velona dia heloka sy fahadisoana lehibe amin’Andriamanitra.” Teny mahafinaritra izany, nefa mitohy foana ny tsy rariny ao amin’io tany io. Mahazo ny 80%n’ny ankizy latsaka ny dimy taona ny tsy fahampian-tsakafo ary 2%n’ny mponina no mitana ny 80%n’ireo tany azo volena.
Moa ve misy Andriamanitra iray izay mihevitra tokoa ny tsy rariny mahasendaotra toy izany, Andriamanitra iray izay hiahy na dia ny amin’ireo tsy rariny mahazo anao manokana aza? Ho hita ve indray andro any ny fiorenan’ny rariny?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Eo amin’ny fonony: fakan-tsary an’ilay sary vato mandravaka ny loharano Justitia, any Francfort-sur-le-Main (Alemàna). Ny sary vato aseho eto amin’ity pejy ity dia mandravaka lapan’ny tanàna any Brooklyn (New York, Etazonia).