FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/6 p. 8-9
  • Ilay mpanan-karena sy Lazarosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay mpanan-karena sy Lazarosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay mpanankarena sy i Lazarosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy Lazarosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nahita ny toerana nisy azy niova ilay mpanankarena sy Lazarosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lazarosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/6 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Ilay mpanan-karena sy Lazarosy

EO am-piresahana amin’ny mpianany ny amin’ny fampiasana tsara ny fananana ara-nofo i Jesosy, ka manazava izy fa tsy mety ny ho sady mpanompon’ny harena no ho mpanompon’Andriamanitra. Mihaino koa ny Fariseo ary manomboka maneso an’i Jesosy satria tia vola izy ireo. Noho izany dia hoy izy taminy: “Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra.”

Tonga ny fotoana hampitsimbadihana ny tarehin-javatra ho an’ireo izay manan-karena sy manana fahefana ara-politika ary ny manan-kery sy fahefana amin’ny lafin’ny fivavahana. Tsy maintsy haetry izy ireny ary ireo izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy kosa dia hasandratra. Manintona ny saina ho amin’izany fiovana izany i Jesosy rehefa nilaza tamin’ny Fariseo hoe: “Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’i Jaona; ary hatramin’izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ny lalàna.”

Manambara amim-pireharehana ny fifikirany amin’ny Lalàn’i Mosesy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Tadidinao ve fa rehefa nampahiratra ny lehilahy jamba iray tany Jerosalema tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy, ny Fariseo dia nidera tena tamin’ny filazana hoe: “Izahay mpianatr’i Mosesy. Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’Andriamanitra.” Nefa izao dia nahatanteraka ny anjara asany ny Lalàn’i Mosesy; nitarika ny mpanetry tena ho amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, izany. Hatramin’ny niandohan’ny fanompoan’i Jaona dia karazan’olona rehetra àry, indrindra ny manetry tena sy ny mahantra, no miezaka ho tonga vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Koa satria teo an-dalam-pahatanterahana izao ny Lalàn’i Mosesy, dia hofoanana ny andraikitra tsy maintsy hanaraka izany. Namela hisara-panambadiana noho ny antony samihafa ny Lalàna, nefa ankehitriny dia nilaza i Jesosy fa “na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa”. Tsy maintsy nahasosotra ny Fariseo ny fanambarana toy izany satria namela hisara-panambadiana noho ny antony maro izy ireo.

Mbola miresaka amin’ny Fariseo ihany i Jesosy, ka nomeny fanoharana iray izy ahitana lehilahy roa izay ny toerany na ny tarehin-javatra nisy azy dia novana tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny farany. Ho hainao ve ny hilaza hoe iza no asehon’ireo lehilahy ireo ary inona no hevitry ny fiovan’ny tarehin-javatra nisy azy?

“Nisy lehilahy manan-karena anankiray, hoy ny fanazavan’i Jesosy, niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin’ny fahafinaretana. Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ny vavahadiny; ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.”

Ilay lehilahy manan-karena resahin’i Jesosy eto dia mampiseho ny filoha ara-pivavahana jiosy, tsy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ihany, fa ny Sadoseo sy ny lohandohan’ny mpisorona koa. Nampanan-karena azy ireny ny tombontsoany sy ny toerany ara-panahy; mitondra tena tahaka ilay mpanan-karena lazalazain’i Jesosy mihitsy aza izy ireo. Ny akanjony volomparasy marevaka dia mampiseho ny toeram-pankasitrahana tanany, ary ny rongony fotsy, ny fahamarinana izay ihamboany ananana.

Io kilasin’ilay mpanan-karena miavonavona io dia mijery ny mahantra, ny sarambabem-bahoaka, amim-panamavoana tanteraka ka miantso azy ireny hoe ‘am ha’arèts, izany hoe olon’ny tany. Lazarosy, ilay malahelo àry dia mampiseho ireny olona ireny izay tsy omen’ny filoham-pivavahana tombontsoa sy sakafo ara-panahy ilainy. Araka izany, tahaka an’i Lazarosy izay ferena, ny vahoaka dia noheverina ho marary ara-panahy, mendrika hiaraka amin’ny alika fotsiny. Kanefa, ireo izay anisan’ny kilasin’i Lazarosy dia noana sy mangetaheta sakafo ara-panahy ka mitoetra eo am-baravarana amin’ny fanantenana handray sombiny kely amin’ny sakafo ara-panahy izay mety ho latsaka avy amin’ny latabatr’ilay mpanan-karena.

Hilazalaza ny amin’ny fiovana hitranga amin’ny toeran’ilay mpanan-karena sy ny an’i Lazarosy izao i Jesosy. Inona avy izany fiovana izany? Inona no asehony? Hodinihintsika ao amin’ny nomerao manaraka amin’ity gazety ity ireo fanontaniana ireo. Lioka 16:14-21; Jaona 9:28, 29; Matio 19:3-9; Galatiana 3:24; Kolosiana 2:14.

◆ Araka ny filazan’i Jesosy, fiovana inona no miseho rehefa nanomboka ny fanompoany i Jaona?

◆ Inona no hesorina amin’ny fahafatesan’i Jesosy, ary amin’ny ahoana no hahakasika ny raharaha momba ny fanambadiana izany?

◆ Ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy, iza no asehon’ilay mpanan-karena sy Lazarosy?

◆ Fanontaniana inona avy no hodinihintsika ao amin’ny nomerao manaraka amin’ity gazety ity?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara