Ny fahiratan-tsaina avy amin’i Jehovah
“Ary izay hendry [mahira-tsaina, MN] ao amin’ny olona dia hampianatra ny maro.” — DANIELA 11:33.
1, 2. a) Na dia niharan’ny hatsaram-pon’Andriamanitra aza ny Isiraelita, nahoana moa izy ireo no nikomy? b) Inona no hahasoa antsika ny hijerena azy (Jeremia 51:10)?
FANTATR’IREO Isiraelita fahizay fa Jehovah no hany Andriamanitra marina. Tsy niafina tamin’izy ireo ny nataony tamin’ireo razambeny, ary nandray soa manokana avy amin’ny hatsaram-pony izy ireo. Imbetsaka anefa izy ireo no naneho fihariharian’ny tsy fahampian’ny fahiratan-tsaina. “Niodina” tamin’i Jehovah sy ireo solontenany izy ireny. Inona no antony? Satria “nanadino” izay nataony ho azy ireo izy (Salamo 106:7, 13). Tsy hoe hadinony akory ireny soa ireny, fa tsy noeritreretiny mba hahatsiarovana fankasitrahana noho izany. Niharihary ho “mpila zava-dratsy” àry izy ireny. — 1 Korintiana 10:6.
2 Tamin’izao androntsika izao Jehovah dia nanao ireo vavolombelony ho vahoaka miavaka, indrindra fa tamin’ny fanaovana izay hananany fahiratan-tsaina amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso. Hampitombo ny fankasitrahantsika isika noho ny fitarihana omen’i Jehovah an’ireo mpanompony amin’ny fijerena oha-pahiratan-tsaina nomeny. Ny anankiray amin’izany dia mifandray amin’ny fototry ny zavatra inoantsika: ny maha-izy ny tenan’Andriamanitra.
Telo izay iray ve Andriamanitra?
3. Taonjato iray mahery izay, inona no nahatonga ireo mpanompon’i Jehovah ho afaka hamantatra ny fahamarinana momba ny maha-izy an’Andriamanitra (1 Korintiana 8:5, 6)?
3 Nambaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana fa manohitra ny finoana foana ireo izay tsy mino ny Trinite na Andriamanitra telo izay iray. Tsy nanaiky hampitahorin’olombelona velively anefa ny Vavolombelon’i Jehovah fa takany ny hoe ny Soratra Masina no mahatonga ho afaka hamantatra ny fahamarinana, fa tsy ireo lovantsofina sy fanekem-pinoan’olombelona tsy avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Araka izany hevitra izany, vao tamin’ny 1882 ireny mpianatra ny Baiboly marisika ireny dia nanoratra tsy nisy fisalasalana toy izao tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy): “Fantatry ny mpamaky anay fa raha mino an’i Jehovah sy Jesosy ary ny fanahy masina izahay, dia lavinay ny fampianarana tsy araka ny Baiboly ilazana fa hoe misy Andriamanitra telo mahaforona persona iray, na, araka ny ilazana azy indraindray, Andriamanitra iray misy persona telo.” — Jaona 5:19; 14:28; 20:17.
4. a) Tamin’ny fandalinan-javatra, inona moa no takatry ny mpanompon’i Jehovah raha ny amin’ny niandohan’ny fampianarana momba ny Trinite sy ny vokatr’io fampianarana io? b) Nahoana moa Jehovah no nanome ho an’ireo mpanompony fahiratan-tsaina toy izany?
4 Ireo mpanompon’i Jehovah, izay tia ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Baiboly, dia nandalin-javatra ka nahita fa fivavahana tsy kristiana no niandohan’ny Trinite. Ny fandinihana tamim-pitandremana ny Soratra Masina dia nahatonga azy ireo ho afaka hahatsikaritra fa raha toa manamarina ireo hevitra manohana ny trinite ny teny sasany ao amin’ny Baiboly dia noho ireo mpandika teny fa tsy avy amin’ireo soratanana tranainy indrindra amin’ny fiteny tany am-boalohany. Takany fa io fampianarana io, raha toa manome voninahitra an’i Jesosy, dia manohitra ny fampianarany, raha ny marina, ary manala baraka an’i Jehovah. Izao no azo novakina, momba izany, tao amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana voatonona eo ambony: “Isika izay mitady ny fahamarinana, dia tokony ho marina isika, na amin’ny tenantsika na amin’ny Tenin’ny Raintsika izay mety hahatonga antsika ho hendry tokoa. Noho izany, dia aoka holavintsika ireo lovantsofina sy zavatra inoan’olona tsy nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra sy ireo fandaminana ratsy, ka aoka isika hifikitra amin’ny mariky ny teny mahasoa raisintsika avy amin’ny Tompontsika sy ireo Apostoly.” Koa satria tia tokoa ny fahamarinana izy ireo ka mihevitra, tsy andininy vitsivitsy nofidina, fa ny Tenin’Andriamanitra manontolo, dia nomen’i Jehovah an’ireny kristiana ireny ny fahiratan-tsaina izay mampiavaka azy tsara amin’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. — 2 Timoty 3:16, 17; jereo ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy misy fizahan-teny tamin’ny 1984, pejy 1580, fizarana 6B.
Ny toerana mety ho an’ny anaran’Andriamanitra
5. Inona moa no fototry ny fironana hanaisotra ny anarana manokan’Andriamanitra tsy ho ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly (Apokalypsy 22:18, 19)?
5 Aoka handinika ohatra faharoa isika: Raha mitombo ny fandikan-tenin’ny Baiboly manafina ny anarana manokan’Andriamanitra, rehefa tsy manafoana izany ankitsirano izao aza izy, ny Fikambanana Watch Tower kosa dia manoritra tsy misy toy izany ny maha-zava-dehibe io anarana io. Milaza ny fivavahana lazaina fa kristiana fa amin’ny fanesorana ny anaran’i Jehovah no hamelana olona misimisy kokoa hanaiky ny Filazantsara. Tsy niafina tamin’ireo mpanompon’i Jehovah voahosotry ny fanahy anefa ny hoe iza, tao amin’ny maizimaizina, no nanandrana nanao izay hahafoana toy izany tsy ho ao amin’ny Soratra Masina, ilay anarana lehibe indrindra (jereo Jeremia 23:27). Takatr’izy ireo fa io teti-dratsy natao hikosohana tsy ho ao amin’ny fitadidian’olombelona rehetra ny anaran’ilay hany Andriamanitra marina io, dia avy amin’ny Devoly.
6. Mifanohitra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, inona moa no nataon’ireo tena mpanompon’Andriamanitra mba hanandratana ny anarany (Asa. 15:14)?
6 Mifanohitra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary raha vao tamin’ny taona nivoahany voalohany (1879), dia nampiely be dia be ny anaran’Andriamanitra hoe JEHOVAH Ny Tilikambo Fiambenana. Tamin’ny 1926, ny fanontana amin’ny teny anglisy an’io gazety io dia nirakitra lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Iza no hanome voninahitra an’i Jehovah?”. (Salamo 135:21.) Tamin’ny 1931, ny Mpianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Fikambanana Watch Tower dia nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah (Isaia 43:10-12). Takatr’izy ireo tsaratsara kokoa fa nifono heviny tena lehibe ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah (Isaia 12:4, 5). Tamin’ny 1944, dia navoakany ny American Standard Version, ahitana ny anarana hoe Jehovah in-6 800 mahery. Mbola miavaka kokoa ihany anefa ny namoahana, nanomboka tamin’ny 1950, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, izay mamerina ny anaran’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy, na ao amin’ny Soratra hebreo na ao amin’ny Soratra grika kristiana.
7. Inona moa no vokatra tsaran’ny fampiharihariana ny anaran’Andriamanitra sy izay rehetra mifamatotra amin’izany teo amin’ny olona maro?
7 Maneran-tany, dia olona an-tapitrisany maro tia ny rariny no faly nahita ny anarana manokan’Andriamanitra naharihary toy izany, ka izany dia nanampy azy ireo hihevitra ilay Andriamanitra marina ho Persona. Nianatra nahafantatra ny lalan’i Jehovah ireny olona ireny, ka izany dia nahatonga azy ireo ho afaka hanao zavatra tamim-pahamalinana, na tamim-pahiratan-tsaina. — Mika 4:2, 5.
Tsy mety maty ve ny fanahy olombelona?
8. Teo am-piandohan’ny tantarany amin’ny andro ankehitriny, inona moa no takatry ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny fanahy (âme) sy ny toetry ny maty?
8 Araka ny hohazavain’ny ohatra fahatelo, ny fitiavan’ireo mpanompon’i Jehovah ny Tenin’Andriamanitra dia nanokatra ny masony ho amin’ny fahamarinana tena lehibe hafa. Taonjato iray mahery izay, “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” dia nahatakatra fa ny fanahy (âme) dia tsy fanahy (esprit) manan-tsaina ao amin’ny olombelona ka ho afaka hisaraka aminy, fa ilay olona mihitsy (Matio 24:45-47). Tamin’ny 1880, Ny Tilikambo Fiambenana dia namakafaka ny hevitra voalohan’ny teny nadika ao amin’ny Baiboly hoe Sheola sy Hadesy, ary nanatsoaka hevitra avy amin’izany izy fa manondro ny fasana ireo teny ireo. Nasehony koa fa ireo olona atsipy ao amin’ny Gehena dia tsy ampijalina, fa foanana. — Jereo koa ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy misy fizahan-teny tamin’ny 1984, pejy faha-1573 ka hatramin’ny 1575.
9. Tamin’ny 1894, inona moa no nohazavain’ny Ny Tilikambo Fiambenana raha ny amin’ny niandohan’ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona?
9 Tamin’ny 1894, dia nanontany toy izao Ny Tilikambo Fiambenana: “Avy aiza àry ny hevitra be mpanaraka hoe manana toe-tena tsy mety maty ny olombelona rehetra?” Nomena nanaraka izao valiny mampiseho fahiratan-tsaina izao: “Asehon’ny Tantara antsika fa na dia tsy mampianatra ny tsy fahafatesan’olombelona antsika aza ireo vavolombelona nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, dia io fampianarana io no fototry ny fivavahan’ny mpanompo sampy rehetra (...). Diso àry ny filazana fa avy amin’i Socrate na Platon io fampianarana io, satria efa nampianarina talohan’izy ireo izy io, ary nampianarin’olona manan-tsaina kokoa ihany noho izy ireo. Nodiovin’izy ireo anefa izany (...) ary nataony filozofia; ka hatramin’izay no nahatongavany hahasodoka kokoa sy heken’ny olona nahita fianarana kokoa. Ny fitantarana voalohany milaza ny amin’io fampianaran-diso io dia voasoratra ao amin’ilay bokin-tantara tranainy indrindra fantatry ny olombelona: ny Baiboly. Ny mpampianatra sandoka, dia Satanaa.”
10. Inona moa no voka-dratsin’ny lainga ara-pivavahana momba ny fanahy sy ny toetry ny maty, nefa inona no nataon’i Charles Russell mba hanazavana ireo olona manana saina mahay mandrindra hevitra?
10 Tamin’ny fampielezana ny hevitra hoe manana fanahy tsy mety maty ny olombelona rehetra ka voatokana ho amin’ny afo maharitra mandrakizay ny ratsy fanahy, dia nanendrikendrika an’Andriamanitra sy niteny ratsy ny anarany Satana. Nahatsapa izany Charles Russell, tonian’ny fanoratana Ny Tilikambo Fiambenana voalohany. Tsapany fa nisy olona nanan-tsaina nanda, tsy ny hevitra ny amin’ny fijaliana mandrakizay ihany fa nampalahelo fa nolaviny koa ny Baiboly izay noheveriny fa nampianatra io hevitra tsy mirindra io. Mba handroahana ny “haizina lany andro” tsy ho ao an-tsain’ny olona tia hevitra mirindra, raha raisina ny teniny mihitsy, dia nanao lahateny ampahibemaso nahery nitondra ny lohateny hoe “Dia mandroso sy miverina ho any amin’ny afobe!” izy.
11. a) Rehefa nanomboka nalaza ny spiritisma, inona moa no fampitandremana nalefan’ny kilasin’ny “mpanompo”? b) Iza no nandray soa tamin’izany fampitandremana izany, ary tamin’ny fomba ahoana?
11 Nanomboka ho be mpanaraka tamin’izany fotoana izany ny spiritisma. Noho ny fahiratan-tsaina omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny, dia takatry ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky” fa izay lazaina ho fanahin’ny maty iresahan’ny olona, raha ny marina dia demonia. Tamin’ny alalan’ny lahateny ampahibemaso sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, no nampisehoan’io “mpanompo” io fanaporofoan-kevitra nahery nalaina avy tao amin’ny Soratra Masina mba hanazavana ny olona tso-po sy hampisehoana amin’izy ireny ireo loza mifamatotra amin’ny fanaovana spiritisma (Deoteronomia 18:10-12; Isaia 8:19). Ny fahiratan-tsaina omen’i Jehovah an’ireo mpanompony dia nahatonga olona an’arivony maro maneran-tany ho afaka amin’ny tahotra ny fahafatesana, ny spiritisma sy fanao mampietry miaraka amin’izany.
Fitondrantena kristiana eo amin’izao tontolo izao mikorontana
12, 13. a) Hazavao ny Daniela 11:32, 33. b) Miankina amin’ny fahamarinana araka ny Baiboly tena lehibe inona avy moa, ankoatra ny zavatra hafa, ny fahalalana omena ny “mahira-tsaina”?
12 Nambaran’i Daniela mpaminany fa hiseho hahira-tsaina ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny lafin-javatra fahefatra tena lehibe, amin’ny fialanalanana. Rehefa avy niresaka tamin’ny andinindininy ny amin’ny fifandonana hampifanohitra fanjakana ara-politika lehibe ilay mpaminany dia nanambara toy izao ao amin’ny Daniela 11:32, 33: “Ary izay mivadika amin’ny fanekena dia hambosiny [hotarihiny ho amin’ny fivadiham-pinoana, MN ] amin’ny fandroboana.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny mpanjakan’ny avaratra, tsy refesi-mandidy, dia mitarika ho amin’ny fivadiham-pinoana ireo izay mihambo ho kristiana kanefa tia izao tontolo izao, mitady ny fankasitrahany, ka noho izany dia manamavo ny fanekena ny amin’ny fanjakana, fanekena nilazana fa hanjaka amin’ny tany manontolo Kristy. “Fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia hifikitra amin’izany ka hankatò azy. Ary izay hendry ao amin’ny olona dia hampianatra ny maro.”
13 Ny fahalalana ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly no manome antsika ny fahiratan-tsaina ilaintsika mba hanaovan-javatra amim-pahendrena eo amin’izao tontolo izao matetika no mikorontana manodidina antsika. Notarihin’i Jehovah ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky” ka nahay nanavaka ireo fahamarinana ireo. Ny anankiray amin’izy ireny dia hoe Satana Devoly no filoha tsy hita mason’izao tontolo izao, araka ny nasehon’i Jesosy (Lioka 4:5-8; Jaona 12:31). Mifanaraka amin’io fahamarinana io, dia manampy teny ny 1 Jaona 5:19 fa tsy toby iray na hafa, fa “izao tontolo izao” (raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny olombelona rehetra, afa-tsy ireo anisan’ny tena kongregasiona kristiana) no “mipetraka eo amin’ilay ratsy”. (Apokalypsy 12:9.) Koa satria nilaza i Jesosy fa ‘tsy ho naman’izao tontolo izao’ ireo mpianany, dia tokony handray toerana fialanalanana kristiana ireo. — Jaona 17:16.
14. a) Ny amin’ny raharaha inona avy mahakasika ny ankehitriny moa no nanintonana ny sain’ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny 1939 sy 1941? b) Ahoana moa no nanampian’izany fahiratan-tsaina izany ny Vavolombelon’i Jehovah hanao zavatra tamim-pahendrena?
14 Tamin’ny fotoana nety àry, rehefa nihamaloka tany Eoropa ny rahon’ny Ady Lehibe faharoa, no namelabelatra ny amin’ny fialanalanana kristiana Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 novambra 1939 (janoary 1940 amin’ny fanontana amin’ny teny frantsay). Nifamatotra tamin’io fotopoto-pitsipika io ny fahamarinana tena lehibe hafa iray: ny raharaha lehibe ny amin’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao sy ny anjara raisin’ny Fanjakana mesianika amin’ny fandaminana an’io raharaha io. Tena tamin’ny nilana azy tokoa ny nandinihana an’io raharaha io tamin’ny 1941, tamin’ny fivoriambe iray natao tany Saint Louis, any Etazonia, avy eo, ny taona nanaraka, tao amin’ny boky iray nitondra ny lohateny hoe Izao tontolo izao vaovao (anglisy). Tamin’izany no nanomezan’i Jehovah fahiratan-tsaina an’ireo mpanompony, ka tena fiarovana ho azy ireo izany teo amin’izao tontolo izao rotidrotiky ny ady. Nisaratsaraka ireo fandaminana ara-pivavahana tao amin’ny finoana lazaina fa kristiana satria niandany tamin’ny toby iray na ny ankilany ary matetika no nanohana fihetsiketsehana tamin’ny ady anaty akata natao hanonganana ireo fitondram-panjakana nitana ny toerana. Tany amin’ny tany rehetra kosa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanohy nanambara tao anatin’ny firaisan-tsaina fa ny Fanjakan’i Jehovah no hany fanantenana ho an’ny olombelona. Tsy nitsahatra izy ireo nanatanteraka ny asa famonjena nambaran’i Jesosy hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14, MN.
Tanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly
15. Nahoana moa no mahira-tsaina ireo mpanompon’i Jehovah?
15 Nahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah no maneho fahiratan-tsaina? Satria izy ireo matoky tanteraka ny Tenin’Andriamanitra, manaiky izany ka manome azy ireo ny fanahiny Jehovah. Azony natao tamin’izany ny nahafantatra faminaniana ao amin’ny Baiboly lehibe indrindra. Io no hevitra fahadimy hodinihintsika.
16, 17. a) Nahoana moa ireo daty ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah indraindray no hafa noho izay aroson’ireo mpanoratra tantara? b) Tamin’ny ahoana moa ny fitokian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly no nanampy azy ireo hanondro ny datin’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy sy ny nandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema?
16 Nitoky tamin’ny filazana hevi-teny avy aminy ihany ary indraindray nifototra tamin’ny sila-takelaka hitan’ireo arkeology ny mpanoratra tantara ka nilaza fa nanomboka tamin’ny 464 alohan’ny fanisan-taona iraisana ny andro nanjakan’i Artaksersesy Lavatanana, ary tamin’ny 604 alohan’ny fanisan-taona iraisana ny an’i Nebokadnezara II. Raha izany no izy, ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy dia ho nanomboka tamin’ny 445 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ka ny nandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema dia ho tamin’ny 587 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Nebokadnezara. Kanefa, raha ireo daty ireo no ifotorana mba hanisana ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia tsy misy zavatra mazava hita mihitsy.
17 Mihevitra ireo fahitan-javatra amin’ny arkeolojia mifandray amin’ny Soratra Masina ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa, rehefa mifanohitra amin’ireo fanambarana mazava ao amin’ny Baiboly ny filazana hevi-teny avy amin’ireny fahitan-javatra ireny, ho azy ireny dia ny Baiboly no tokony hinoana, na amin’ny fandaharan-taona izany na amin’ny raharaha hafa rehetra. Izany no antony aneken’ny mpanompon’i Jehovah hatramin’ny ela be fa ny vanim-potoana ara-paminaniana nanomboka tamin’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy dia nanomboka tamin’ny taona 455 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ka noho izany, Daniela 9:24-27 dia nanambara amin’ny fomba azo itokiana fa hohosorana ho Mesia Jesosy amin’ny fararanon’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisanab. Noho izany antony izany koa, dia takatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny “fetr’andro fito” voalazan’ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Daniela toko faha-4 dia nanomboka tamin’ny 607-606 alohan’ny fanisan-taona iraisana ka, araka io faminaniana io, dia handray fiandrianana any an-danitra Kristy amin’ny fararanon’ny taona 1914, taona hidiran’izao tontolo izao ao anatin’ny andro faranyc. Tsy ho nahatakatra mihitsy ny fahatanterahana manaitran’ireo faminaniana ireo anefa ny Vavolombelona raha tsy niaiky tanteraka fa tena avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra tokoa ny Soratra Masina. Ny fahiratan-tsain’ireo mpanompon’i Jehovah àry dia mifamatotra mivantana amin’ny fametrahany ny fitokiany amin’ny Tenin’Andriamanitra.
18. Fampanantenana inona moa no atao ao amin’ny Isaia 65:13, 14 momba ny toe-piainana ara-panahin’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah?
18 Nampifanohitra ny toe-piainana ara-panahin’ireny mpanompo mahatoky ireny amin’ny an’ny olona sy fandaminana minia manilika ny Soratra Masina mba handraisana hevitra be mpanaraka i Jehovah ka nanambara hoe: “Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; indro, ny mpanompoko hisotro, fa hianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa hianareo kosa ho menatra; indro ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa hianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.” — Isaia 65:13, 14.
19. a) Amin’ny alalan’ny fiasana inona indrindra moa no anomezan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” fanazavana momba ny Soratra Masina? b) Amin’ny fomba ahoana no tokony hianarantsika raha tiantsika ny handray soa feno avy amin’ny sakafo ara-panahy atolotra antsika?
19 Araka ny nasehon’izay fandinihana fohy ara-tantara izay, dia ao amin’ireo pejin’ny Ny Tilikambo Fiambenana no nanazavan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” ireo fahamarinana lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly. Eny, Ny Tilikambo Fiambenana no fitaovana lehibe indrindra ampiasain’ny kilasin’ny “mpanompo” mba hizarana ny sakafo ara-panahy. Mandray soa feno avy amin’izany ve ianao? Mamaky ny nomerao tsirairay avy amin’ity gazety ity ve ianao? Ao anatin’ny faritry ny fianaranao, moa ve ianao maka fotoana hamakiana ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly asaina zahana fotsiny? Moa ve ianao manana fahazarana koa misaintsaina izay nianaranao ka mampitombo amin’izany ny fankasitrahanao noho izay nianaranao? Eritreretinao ve ny tokony ho vokatr’ireo torohevitra omena eo amin’ny fitondrantenanao, ny fanirianao, ny asanao isan’andro sy ny zava-kendrenao? Raha manao izany ianao, dia hanampy anao be dia be izany hanao fanapahan-kevitra manome taratry ny tena fahiratan-tsaina tsy misy afaka manome afa-tsy Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Satana dia nitarika an’i Eva hino fa tsy hahita fahafatesana ara-batana mihitsy izy (Genesisy 32:1-5). Tatỳ aoriana àry izy no nampipoitra ny fampianaran-diso ilazana fa manana fanahy tsy mety maty mbola velona ihany aorian’ny fahafatesany ny olona. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 may 1958, pejy faha-143, 144 (BI 1/59, pejy faha-64).
b Ny fahiratan-tsaina noho ny Soratra Masina (anglisy), boky 2, pejy faha-614 ka hatramin’ny 616, 899 ka hatramin’ny 901.
c “Ho tonga anie ny fanjakanao!”, pejy faha-186 ka hatramin’ny 189.
Tadidinao ve?
◻ Telo izay iray ve Andriamanitra? Hamarino ny valin-teninao.
◻ Aiza moa no tokony hahitana ara-drariny tokoa ny anaran’Andriamanitra?
◻ Tsy mety maty ve ny fanahy olombelona?
◻ Ahoana moa no nitarihan’i Jehovah ny kristiana hanao zavatra tamim-pahiratan-tsaina teo amin’izao tontolo izao mikorontana?
◻ Karazam-pahiratan-tsaina inona moa no nahatonga ireo Vavolombelon’i Jehovah ho afaka hanavaka ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly?
[Sary, pejy 18]
Amin’ny alalan’ny Ny Tilikambo Fiambenana no anomezan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” antsika ny fahiratan-tsaina ilaina mba hahazoana ny hevitry ny Soratra Masina sy ny fampiharana izany amin’izao androntsika izao.