Babylona: foiben’ny fanompoam-pivavahan-diso
“RAVA, rava [nianjera, MN ] Babylona! Ary ny sarin’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany!” Karazana tanàna nanao ahoana moa Babylona, izay kendren’io faminanian’Isaia io? Izany dia lafin-javatra lehibe dia lehibe amin’ny fahatakarantsika izay asehon’i Babylona Lehibe ankehitriny. — Isaia 21:9.
Ilay Babylona fahiny dia fantatra noho ny fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamanibavy sy andriamanitra sampy, izay narahina tao. Ao amin’ny bokiny hoe Ny fivavahana tany Babylonia sy tany Asyria (anglisy), S. Hooke dia nanambara hoe: “Mardoka dia nitana ny toeran’ny filoha teo amin’ireo andriamanitra hafa tany Babylona. (...) Tamin’ny andron’i Nebokadnezara II, dia nahitana tempoly tsy latsaka ny valo amby dimampolo tao, natokana ho an’andriamanitra manokana, tsy resahina intsony ny amin’ny tempoly maro hafa izay tsy voatolotra [ho an’ny andriamanitra iray hentitra]. Tsapa araka izany ny anjara asa lehibe noraisin’ny mpisorona teo amin’ny fiainan’io tanàna lehibe io.” Voalaza fa ny tempolin’i Mardoka tao Babylona dia nisy efitrano fivavahana kely 55. Moa ve izany tsy mampahatsiahy antsika ireo tempoly sy eglizy ary katedraly rehetra misy amin’izao andro izao, miaraka amin’ireo efitrano keliny fivavahana, ho an’ireo andriamanitra ambany kokoa, ny masindahy sy ny masimbavy?
Babylona dia foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny sampy. Manao fanamarihana ny fitantarana anankiray fa ny mpisorona sy ny mpivavaka dia “feno fiheverana ireo sariny masina sady nihevitra ny sary vato ho tahaka ny mpanelanelana teo amin’ireo andriamanitra. Noravahana akanjo lafo vidy sy vakana ary haba sy peratra izy ireny; nampandriana teo ambony farafara kanto izy ireny ary nalana tao rehefa nentina nilahatra, an-tongotra, tao anaty kalesy tarihina na sambo an’olona manokanaa”. Endrey ny fitovian’izany amin’ny fanompoam-pivavahana atolotra amin’izao andro izao ho an’ireo andriamanitra sy olo-masina ary ny sarin’i Maria Virijina, ao amin’ny hindoisma, ny bodisma ary ny fivavahana katolika, izay itondrana eny am-pilaharana amin’izany fomba izany koa ireo sary, eny amin’ny arabe, eny amin’ny renirano na eny an-dranomasina!
Izao filazalazana manaraka izao, notsoahina avy amin’io firaketana io ihany, dia manome ohatra fanampiny ny amin’ny fifanitsian’i Babylona fahiny amin’ny fivavahana ankehitriny: “Miantso azy amin’ny anarana mahafinaritra indrindra ireo mpivavaka mafana fo aminy: tsy hoe andriamanibavy sy virijina fotsiny izy, fa renin’ny famindrampo koa, ilay mihaino vavaka, mifona [ho antsika], (...) ilay namorona izao rehetra izao ka nanome aina ho an’ny olombelona.” Azo atao ny mampitaha izany amin’ity vavaky ny Santo Rosario (Ny sampile lehibe masina) ity: “Misaotra anao izahay, ry Andriambavy ambony indrindra, noho ny fahasoavana raisinay isan’andro avy amin’ny tananao malalaka; manehoa hatsaram-po, ry Virijina Masina, mba hitana anay ankehitriny sy ho mandrakizay eo ambany fiarovanao.”
Iza no lazalazaina sy ivavahana eo? Be dia be no hamaly avy hatrany hoe: “Maria Virijina.” Marina sasaka izany valin-teny izany. Atao amin’i Maria ny vavaka, nefa kosa, araka ny ampahafantarin’ilay boky hoe Las Grandes Religiones Ilustradas, ny teny nalaina voalohany dia filazalazana an’i Isitara, “andriambavin’ny Fitiavana”, andriamanibavy babylonian’ny fahavokarana sy ny fitiavana ary ny ady. Indraindray izy io dia aseho ho “toy ny reny mampinono ny zanany vao terakab. Ohatra iray koa io mampiseho fa tsy misy fahasamihafana firy amin’ny an’i Babylona fahiny ny fivavahana ankehitriny.
Azo atao koa ny mampitaha ny hevitra ny amin’ny fanahy olombelona na ny fitambaran-telon’andriamanitra tany Babylona fahiny amin’ny hevitra ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny trinite ao amin’ny fivavahana ankehitriny. Io ohatra io dia manamafy ny famantarantsika an’i “Babylona Lehibe”, ohatra mety mba hampisehoana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso tapahin’i Satana.
Babylona: fahavalon’ny fanompoam-pivavahana marina mieboebo
Babylona koa dia fahavalo nieboebon’ny olon’i Jehovah taloha, dia ny Isiraely, izay nohamavoiny ny fanompoam-pivavahany marina. Noravany ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ka nentiny ny fanaka sarobidy rehetra fampiasa tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ary nolotoiny tamin’ilay fanasan’i Belsazara. — Daniela 5:3, 4.
Toy izany koa, amin’izao androntsika izao i Babylona Lehibe dia fahavalon’ny fanompoam-pivavahana marina tsy mifaditrovana. Any amin’ny ankamaroan’ny tany amelezan’ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny klerjy no manohana izany, matetika amin’ny alalan’ny fanekena ifanaovana amin’ireo mpitondra ara-politika.
Ny ohatra misy heviny iray ny amin’ny fanoherana avy amin’ny klerjy ka niverina imbetsaka dia imbetsaka hatramin’izay, dia mitarika antsika ho amin’ny 1917. Tamin’io taona io, ireo anisan’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana tamin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia namoaka ilay boky hoe Ny fahatanterahan’ny zava-miafina (anglisy). Nihevitra ny sasantsasany tamin’ireo pejiny ho miteraka fikorontanana ny klerjy tany Kanada sy Etazonia, tany niditra tao amin’ny Ady Lehibe voalohany. Dodona ny hampahafantatra an’ireo sakaiza ratsiny ara-politika ny amin’ny fivoahan’io boky io ireny filoha ara-pivavahana ireny. Inona no vokany? Araka ny ambaran’i Martin Marty ao amin’ny bokiny hoe Ny fivavahana amerikana ankehitriny: ny fisehoan-javatra hafahafa eo amin’ireo fivavahana (anglisy), “ny klerjy dia nanohitra ny Russellistes [ny Vavolombelona] ary faly nandre fanamelohana 20 taona an-tranomaizina [noho izay nolazaina fa fikomiana] ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah nambara fa meloka”.
Fa nanao ahoana ny fihetsiky ny klerjy volana vitsivitsy tatỳ aoriana rehefa nambara fa tsy nanan-tsiny ireo tompon’andraikitra ireo? “Tsy nisy fanehoam-pifaliana mihitsy teo amin’ireo anisan’ny Fiangonana.” Ny Vavolombelona ihany no nanaja ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, “hany ka nitarika ny fitondram-panjakana federaly hankahala ny fivavahan’izy ireo”. Tsy neken’ny Vavolombelona mihitsy ny hanaraka ambokony an’ireo mpitondra ara-politika, na dia teo ambany fanapahana nazia tany Alemaina aza, na teo ambany fandaharana fasista tany Italia, tany Espaina na tany Portiogaly.
Afa-tsarona sy naetry Babylona
Rariny àry ny nilazan’ny Apokalypsy an’i Babylona Lehibe ho “leon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny maritioran’i [vavolombelon’i, MN ] Jesosy” ary “teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany”. Tao anatin’ny taonjato maro, dia hita ny soritry ny famonoana olona nataon’ireo fivavahana maneran-tany tamin’ny fandraisana anjara tamim-paharisihana tamin’ny ady na tamin’ny fanakimpiana ny masony teo anoloan’ireny ady ireny sy ny fanenjehana ny kristiana marina. — Apokalypsy 17:6; 18:24.
Tia renty sy fahefana mandrakariva i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Nampiomana an’i Jaona anefa ny anjely iray fa ho avy ny andron’ilay vehivavy janga lehibe. Izao no ambaran’ny fitantarana: “Ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava, rava [nianjera, MN ] Babylona lehibe! ka tonga fonenan’ny demonia sy fieren’ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina!’ ” — Apokalypsy 18:2.
Rahoviana no hianjera Babylona? Efa nianjera izy? Amin’ny fomba ahoana no ianjerany? Amin’ny ahoana no mahakasika anao izany? Hovelabelarina ao amin’ny nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny valin’ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Las Grandes Religiones Ilustradas (Ireo fivavahana lehibe voazava): Asirio-Babilónica, boky-20, Mateu-Rizzoli, Barcelone, Espaina, 1963, pejy faha-53.
b Boky 19, pejy faha-19, 20.
[Sary, pejy 8, 9]
Latsa-paka ao anatin’ny fivavahana babyloniana i Babylona Lehibe.