FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/7 p. 4-9
  • Ilay vehivavy janga maloto — Ny fianjerany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay vehivavy janga maloto — Ny fianjerany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Empira ara-pivavahana maneran-tany
  • Ny andro fitsaran’i Jehovah
  • “MIVOAHA AVY AO (...) HIANAREO, RY OLOKO”!
  • ‘Mihosim-potaka izy ireo’
  • Babylona Lehibe — Ny fianjerany sy ny fitsarana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Rava Ilay Tanàna Lehibe
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra Mafy
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
  • “Mivoaha eo aminy”
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/7 p. 4-9

Ilay vehivavy janga maloto — Ny fianjerany

“Rava! Rava [nianjera, MN ] Babylona Lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany.” — APOKALYPSY 14:8.

Ity lahatsoratra ity sy ny manaraka dia mamerina ny farany tamin’ny fitohitohizan-dahateny nitondra ny lohateny hoe “Akaiky ny fotoana voafetra”, ary natao tamin’ny 1988 tamin’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

1. Iza moa ilay “vehivavy janga” maloto, ary nahoana no tokony hamantatra azy isika?

NY “VEHIVAVY JANGA” maloto: iza moa izany? Tena ilaina ve ny hiresahana ny aminy? Moa ve ireo tantara foronina misy resaka polisy, ny sarimihetsika, ny televiziona sy ny “cassettes vidéo” tsy mampiseho fahalotoam-pitondrantena mankaloiloy? Marina izany! Eto anefa isika dia tsy miresaka ny amin’ny zazavavy mpiandry lehilahy eny amin’ny arabe fotsiny, fa ny amin’ilay vehivavy janga be fahefana indrindra, tsy mahalala henatra indrindra sy mpanao heloka bevava indrindra hatramin’izay. 4 000 taona mahery izao no ivarotany ny fahatsaran-tarehiny! Tsy maintsy mamantatra azy io anefa isika raha tiantsika ny hiaro tena aminy. Ao amin’ny Apokalypsy 14:8, ny anjely iray dia miantso an’io vehivavy ratsy laza io ho “Babylona Lehibe” ary mampiseho azy ho mpanangoly firenena. Koa satria mampidi-doza aoka izany izy io, dia tokony ho faly isika mahafantatra fa “antomotra ny andro voafetra” hampiharan’i Jehovah ny fanamelohana azy. — Apokalypsy 1:3, MN.

2. Avy aiza moa no niandohan’ny anaran’io vehivavy janga io, ary ahoana no nahaterahan’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso?

2 Ny nahazoan’io vehivavy janga io ny anarany dia avy amin’ilay Babylona fahiny, tanàna nieboebo naorin’i Nimroda, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”, tany Mesopotamia, 4 000 taona mahery izay. Rehefa nanomboka ny fanorenana tilikambo iray natokana ho amin’ny fanompoam-pivavahan-diso ny Babyloniana, dia nanorokoro ny fiteniny Jehovah ka nampiely patrana azy ireo hatrany amin’ny faran’ny tany. Nentiny nanaraka azy ireny ny fivavahany, ka tamin’izany no nahaterahan’ny empiran’ny fivavahana babyloniana hatraiza hatraiza. Tsy azo lavina fa mendrika ny anarany hoe Babylona LEHIBE io empira io (Genesisy 10:8-10, MN; 11:1-9). Amin’izao androntsika izao, ny zavatra inoana sy ny fanaon’ireo fivavahana dia ahitana soritry ny zava-miafin’ilay Babylona fahiny (Apokalypsy 17:7). Ny dikan’ny anaran’io tanàna, Babela, io amin’ny teny hebreo, dia hoe “Fisafotofotoana”. Tena manondro ny fikorontanan’ny fivavahan-diso ankehitriny izany!

3. a) Nandritra ny fotoana toy inona moa Babylona no nitana ho babo ny olon’Andriamanitra, ary nametraka azy hifampikasoka amin’iza izy tamin’izany? b) Oviana moa Babylona no nahita fianjerana nampidi-doza, nefa nahoana no mbola tsy naneno ny ora fandravana azy tamin’izay?

3 Tafarina avy amin’io fahavoazana io ilay Babylona fahiny ka rehefa avy nanongana an’i Asyria, tamin’ny 632 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tonga ny Herim-panjakana Fahatelo teo amin’ny tantaran’ny Baiboly. Tsy naharitra ela ny nitanany izany toeram-boninahitra izany, tsy ampy taonjato iray, nefa nandritra izany vanim-potoana izany, dia notanany ho babo efa ho 70 taona ny Isiraely olon’Andriamanitra. Tamin’izany no nahitana ny Isiraely tany Babylona, tanàna nisy tempoly sy trano fiangonana kely an’arivony, nahita akaiky ireo fitambaran-telon’andriamanitra sy demoniany, ny fanompoam-pivavahana tamin’ny reny sy ny zanaka, ary ny fanandroana nisy fivavahana tamin’ny andriamanitra nolazaina fa tsy mety maty. Teo anivon’ny fivavahan-diso maneran-tany àry ny Isiraelita babo tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana rehefa nianjera tamin’ny fomba nahatsiravina Babylona. Mbola tsy naneno anefa ny ora fanafoanana azy ary mbola foibe ara-pivavahana nanan-daza ihany izy io ho an’ireo tompony vaovao.

Empira ara-pivavahana maneran-tany

4. a) Inona moa no nambaran’ireo mpaminanin’i Jehovah raha ny amin’i Babylona, ary inona no nitranga tamin’io tanàna io? b) Babylona hafa iza moa no mbola misy foana ka mitondra fahoriana ho an’ny mponina amin’ny tany?

4 Nanambara ireo mpaminanin’i Jehovah fa araka ny didim-pitsaran’Andriamanitra, Babylona dia tsy maintsy fafana toy ny amin’ny “kifafa fandringanana”, “tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora”. Tanteraka ve ireo faminaniana ireo tatỳ aoriana? Eny, ary hatramin’ny andinindininy madinika indrindra! Tamin’ny fotoana voatendry, ilay Babylona fahiny dia tonga antontan-javatra rava, toerana tsy nisy mponina, ka biby mikisaka sy biby dia sisa monina any, tsy misy hafa amin’ny naminaniana azy (Isaia 13:9, 19-22; 14:23; Jérémie 50:35, 38-40). Mbola misy ihany anefa ilay Babylona hafa, Babylona Lehibe. Amin’ny maha-empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso azy, dia mbola manohy ihany ny fampianaran’i Babylona tamin’ny voalohany izy ka maneho mandrakariva ny toe-tsainy miavonavona. Izy io no fiasana lehibe indrindra anajamban’i Satana ny vahoaka amin’ny tany, mba tsy hahaizany manavaka ireo fikasan’i Jehovah momba ny Fanjakany. — 2 Korintiana 4:3, 4.

5. a) Fivavahana inona avy moa no nitombo raha mbola teo an-tampon’ny voninahiny Babylona, nefa nahoana Satana no tsy afaka nanafotra izao tontolo izao manontolo tamin’ny fivavahan-diso? b) Ahoana moa no nampiasan’i Satana ny fivavahan-diso taorian’ny nahaterahan’ny kristianisma?

5 Tany amin’ny taonjato faha-6 talohan’ny nahatongavan’i Kristy koa, raha mbola teo an-tampon’ny voninahiny ny Herim-panjakana babyloniana, no nitombo ny hindoisma, ny bodisma, ny konfisianisma sy ny sintoisma. Nefa moa ve Satana afaka nandentika izao tontolo izao manontolo tao anatin’ny fivavahan-diso? Tsia, satria tamin’izany dia efa nisy sisa tamin’ny vavolombelon’i Jehovah nandao an’i Babylona ka niverina tany Jerosalema mba hanorina tany indray ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Araka izany, taonjato enina tatỳ aoriana, dia nisy Jiosy nahatoky tao mba handray ny Mesia, ka tonga mpikambana voalohany tao amin’ny kongregasiona kristiana izy ireny. Namono nahafaty ny Zanak’Andriamanitra tamin’izay ny fivavahan-diso, avy eo dia tonga fiasan’i Satana mba hiadiana tamin’ny kristianisma marina, araka ny nanambaran’i Jesosy sy ireo apostoliny azy. — Matio 7:15; Asa. 20:29, 30; 2 Petera 2:1.

6. a) Ahoana moa no nanimban’i Satana ireo fampianarana kristiana, ary zavatra inoana inona avy manala baraka an’Andriamanitra no nipoitra? b) Inona moa no nitranga tamin’olona an’arivony maro izay nihevitra ny fahamarinana araka ny Baiboly ho sarobidy kokoa noho ireo fampianarana babyloniana?

6 Taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 amin’ny fanisan-taona iraisana indrindra Satana no nampiasa apostoly sandoka mba hanimbana ireo fampianarana kristiana tamin’ny fampifangaroana tamin’izany ny fandrebirebena babyloniana sy ny filozofia grika. Nosoloana fitambaran-telon’andriamanitra, ny Trinite, ilay Andriamanitry ny Baiboly, izay “Jehovah iray ihany”. (Deoteronomia 6:4; Marka 12:29; 1 Korintiana 8:5, 6.) Ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona, fampianarana nataon’ilay filozofa grika atao hoe Platon, dia nampidirina mba hanafoana ireo fampianarana sarobidy ao amin’ny Baiboly momba ny avotra natolotr’i Kristy sy ny fananganana ny maty. Izany no varavarana nivoha ho amin’ny finoana ny afobe mirehitra sy ny afo fandiovana malefaka kokoa (Salamo 89:48; Ezekiela 18:4, 20). Ireny fampianarana ireny izay manala baraka an’Andriamanitra ka manararaotra ny tahotry ny olona dia nampiasaina hamenoana ny fitoeran-drakitry ny Fiangonana. Afa-tsy izany koa, tamin’ny andron’ny “Inquisition” sy ny Fanavaozana, dia tsy niandry ny lelafon’ny afobe hampijaly ireo tia kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly noho ny fampianarana babyloniana ny klerjy. Nisy katolika sy protestanta nampandoro velona an’arivony maro tamin’ireny olona ireny teo amin’ny antontan-kitay. Nefa, araka ny ho hitantsika, dia tsy amin’ny fampielezana lainga ihany no ijangajangan’i Babylona Lehibe, tsy izany velively!

Ny andro fitsaran’i Jehovah

7. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa no nanombohan’i Jehovah nanorina indray ireo fahamarinana lehibe ao amin’ny Baiboly sy nanala sarona ireo fampianaran-diso avy any Babylona? b) Fahamarinana araka ny Baiboly lehibe inona moa no naorin’ny Mpianatra ny Baiboly indray?

7 Tsy maintsy ho tonga ny andro hitsaran’i Jehovah an’io vehivavy janga io (Hebreo 10:30)! Nisy vanim-potoana nialoha nanomboka tao anatin’ireo taona 1870, fony Jehovah nandefa ny ‘irany’, dia antoko-mpianatra ny Baiboly tso-po, mba hanorina indray ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Soratra Masina ka hanala sarona ireo fampianaran-diso nanam-piandohana babyloniana (Malakia 3:1a). Izany ‘iraka’ fitambaran’olona izany dia nanaiky ireto teny ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 4:11 ireto: “Hianao, Tomponay [Jehovah] sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” Niaro tamin-kerim-po ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia ny avotra nomen’i Jehovah mba hanavotana ny olombelona koa ny ‘iraka’. Tamin’ny fotoana voalohany, ny olombelona navotana dia hahaforona “ondry vitsy” voantso hiara-hanjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra, avy eo, tatỳ aoriana, dia hisy olona an-jato tapitrisany maro izay hiaina mandrakizay eo amin’ny tany vaovao ho paradisa, ka ny ankamaroany dia hatsangana amin’ny maty (Lioka 12:32; 1 Jaona 2:2; Asa. 24:15). Eny, ireo Mpianatra ny Baiboly dia nanorina indray ireo fahamarinana fototra ireo, ary, ara-panoharana, dia ‘notondrahany aza ny afobe ary novonoiny ny afon’ny’ fampianarana babyloniana momba ny fampijaliana mandrakizaya.

8. a) Ahoana moa no nanararaotan’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny Ady Lehibe voalohany mba hanandramana manafoana ny Mpianatra ny Baiboly? b) Inona moa no nitranga tamin’ny mpitsara izay tsy nety nanafaka tamin’ny fametrahana antoka ny tompon’andraikitra valo tao amin’ny Fikambanana Watch Tower?

8 Nandritra ny efapolo taona teo ho eo ireo mpianatra ny Baiboly dia nanambara tamim-pahasahiana fa hanamarika ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa ny 1914. Araka ny nampoizin’izy ireo, io taona io dia nahita fisehoan-javatra izay hanozongozona izao tontolo izao, ka tsy ny kely indrindra akory ny fanambarana ny Ady Lehibe Voalohany. Ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ny tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe, dia nanandrana nanararaotra ny fahasahiranana maneran-tany mba hanafoanana ireny mpianatra ny Baiboly fantatra amin’ny fahasahiany ireny! Tamin’ny 1918, tamin’ny farany dia vitany ny nampiditra an-tranomaizina tompon’andraikitra valo tao amin’ny Fikambanana Watch Tower, nampangaina lainga ho mikomy. Nafahana anefa ireo lehilahy ireo, sivy volana tatỳ aoriana mba hohamarinina tanteraka. Martin Manton, ilay mpitsara federaly amerikana izay tsy nety nanome fahafahana rehefa nametraka antoka ireny Mpianatra ny Baiboly ireny, dia nahazo mari-boninahitra tatỳ aoriana, avy amin’ny papa Pie XI, izay nanao azy ho “Chevalier de l’Ordre de Saint Grégoire le Grand”. Tsy naharitra anefa ny fotoana nananany voninahitra, satria tamin’ny 1939 izy dia nomelohina roa taona an-tranomaizina sy handoa sazy be. Inona no antony? Satria tamin’ny fitsarana enina dia nitaky sy nandray tsolotra 186 000 dôlara izy.

9. Amin’ny teny ahoana moa no anazavan’ny faminanian’i Malakia izay nitranga tamin’ny vahoakan’i Jehovah, ary tamin’iza àry no nanombohan’ny fitsarana?

9 Araka ny vao avy nolazainay teo, dia niditra tao anatin’ny vanim-potoam-pitsapana ny olon’i Jehovah tamin’ny 1918. Manazava izay nitranga ny tohin’ny faminaniana ao amin’ny Malakia (3:1-3): “Ary ny Tompo [Jehovah] Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ny [Jesosy] fanekena [tamin’i Abrahama]”. Eny, tonga niaraka tamin’ny Kristiny Jehovah mba hanao ny fitsarana. Nanontany toy izao Jehovah nony avy eo: “Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba.” Araka ny 1 Petera 4:17, ny fitsarana dia tokony hanomboka amin’ireo olombelona milaza fa anisan’ny “ankohonan’Andriamanitra”. Nodiovina sy nofotsina ho amin’ny asan’i Jehovah àry ny kristiana marina.

“MIVOAHA AVY AO (...) HIANAREO, RY OLOKO”!

10. Latsaka teo ambany fanamelohan’Andriamanitra inona moa ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny fivavahan-diso hafa rehetra tamin’ny 1919, ary inona no vokatr’izany ho an’i Babylona Lehibe?

10 Ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, tapany tsy mety miova amin’i Babylona Lehibe, dia tsy afaka nanohana ny fitsaran’i Jehovah. Nandoto mafy ny fitafiany ireo mpitondra fivavahana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny fandripahana olona tamin’ny ady lehibe sy tamin’ny fanenjehana ireo kristiana marina (Jeremia 2:34). Tsy nitsaoka ny Fanjakan’i Kristy tany an-danitra vao naorina izy ireny fa nanohana Fikambanam-pirenena, dia fandaminana naorin’olombelona izay nanjary nasehony ho “endrika ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany”. Vao tamin’ny 1919, dia niharihary fa nitsara sy nanameloka ny fivavahana lazaina fa kristiana mbamin’ny fivavahan-diso amin’ny fitambarany Jehovah. Nianjera Babylona, voaheloka ho faty! Tena tonga ny fotoana hanarahan’ny olona tia ny fahamarinana sy ny rariny rehetra ny baiko ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Jeremia 51:45: “Mivoaha avy ao afovoany hianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy mba tsy ho azon’ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah.”

11, 12. a) Inona moa no lazain’ny anjely iray ao amin’ny Apokalypsy 17:1, 2 momba ny fitsarana an’i Babylona Lehibe? b) Inona moa ny “rano maro” ipetrahan’ny vehivavy janga lehibe, ary ahoana no nanaovan’ilay vehivavy ny mponina amin’ny tany ho “leon’ny divain’ny fijangajangany”?

11 Nianjera Babylona Lehibe! Kanefa mbola tsy rava izy. Mbola tsy maintsy mitoetra kelikely ho sangan’asa amin’ny famitahan’i Satana io empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso io. Inona no anjara atokan’Andriamanitra ho azy? Tsy avela ho ao anatin’ny fisalasalana momba izany isika. Aoka hosokafantsika ny Baibolintsika ao amin’ny Apokalypsy 17:1, 2. Miteny amin’ny apostoly Jaona eto ny anjely iray ary, amin’ny alalany, dia miteny amin’ireo izay mianatra ny faminaniana amin’izao androntsika izao: “Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ny rano maro, dia ilay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, sady natao leon’ny divain’ny fijangajangany ny mponina amin’ny tany.” Ny “rano maro” dia manondro olona maro be misamboaravoara izay nampahorin’ilay vehivavy janga lehibe hatramin’ny ela be. Araka ny faminaniana, “ny mponina amin’ny tany” dia nanjary mamon’ny divainy. Misotro amin’ny fampianaran-dison’i Babylona Lehibe izy ireny ka manaraka ny lalany maloto, mampiavaka izao tontolo izao. Noho izany antony izany, dia mivembena izy ireo, toy ny mamon’ny divay tsy dia manao ahoana sy mitampoka.

12 Izao no vakintsika ao amin’ny Jakoba 4:4: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?” Amin’izao taonjato faha-20 izao anefa, ny fivavahana, indrindra fa ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia mitady sitraka an-karihary amin’izao tontolo izao. Tsy vitan’ny hoe tsy manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah efa miorina ankehitriny ny klerjiny, fa hatsatsoiny koa ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ampianarina ao amin’ny Baiboly ary ekeny eo amin’ny ondriny ny fileferana loatra mampiavaka izao tontolo izao. Ny klerjy koa aza dia tsy hoe tsy nijangajanga tamin’ny heviny ara-bakiteny, dia fijangajangana nomelohin’ny apostoly Paoly tsy nisy fihambahambana tamin’izao teny izao anefa: “Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny Sodomita [lehilahy mandry amin’ny lehilahy, MN ] (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo.” — 1 Korintiana 6:9-11.

‘Mihosim-potaka izy ireo’

13, 14. a) Ohatra inona avy no mampiseho fa tsy ‘nosasana’ ny klerjy amin’izao androntsika izao? b) Inona moa no toerana notanan’ny synodan’ny Fiangonana anglikana iray raha ny amin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ary, araka ny filazan’ny mpanao gazety iray, ahoana no ho azo iantsoana an’io Fiangonana io? d) Tenin’ny apostoly Petera inona moa no azo ampiharina amin’ny klerjy nivadi-pinoana?

13 “Voasasa” ve ny klerjy tamin’izao androntsika izao? Aoka hojerentsika, ohatra, ny tarehin-javatra manjaka any Grande-Bretagne, tany foiben’ny fivavahana protestanta taloha. Tamin’ny novambra 1987, rehefa nananatra ny klerjy hanome fitarihana ara-pitondrantena ho an’ilay firenena ny praiministra britanika, dia nanao izao fanambarana izao ny pastoran’ny fiangonana anglikana iray: “Manana zo hanana ny fiainany momba ny lahy sy ny vavy tahaka ny olon-kafa rehetra ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy; tokony hitady izay tsara ao amin’izany isika ka hamporisika ny fahatokiana [eo amin’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy sy ny miaraka aminy].” Izao koa no azo novakina tao amin’ny gazety londoniana iray: “Nanjary fanao aoka izany ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy tao amin’ny seminera anglikana iray, hany ka voatery nandrara ny mpianatra tao aminy tsy hitsidika azy ny mpampianatra tao amin’ny seminera hafa iray.” Nahariharin’ny fandinihana fa ‘ao amin’ny faritanàna iray any Londres dia antsasaky ny mpitondra fivavahana mahery no toa hoe lehilahy mirona handry amin’ny lehilahy’. Tamin’ny synoda iray, dia 95% tamin’ny klerjy ao amin’ny Fiangonana anglikana any Grande-Bretagne no nanohana hevitra nanambarana fa fahotana ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady, fa tsy toy izany kosa ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy izay tsy mifanitsy amin’ny tsara indrindra fotsiny. Ny amin’izany, dia nanipy hevitra ny mpanao gazety iray fa tena ho azo atao tokoa ny hanome anarana an’io Fiangonana io hoe Sodoma sy Gomora. Nanambara toy izao ny gazety londoniana hafa iray: “Gaga ny Britanika nahita ny vokatry ny taranaka milefitra loatra.”

14 Rehefa nandeha ny fotoana, dia manjary mazava fa azo ampiharina amin’ireo anisan’ny klerjy nivadi-pinoana ireto tenin’ny apostoly Petera ireto: “Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany’, ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.” — 2 Petera 2:22.

15. a) Fikororosian’ny fitondrantena manao ahoana moa no atrehina ao anatin’ny fitambaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana? b) Iza no manana anjara andraikitra ao amin’izany zavatra jinjaina mampahonena izany?

15 Ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana manontolo, ary raha ny marina dia maneran-tany, dia atrehina ny fikororosian’ny fitondrantena mampahonena. Any amin’ny tany sasany, dia maro be no mihevitra izao fa tsy ilaina ny manambady, ary ireo manambady dia mieritreritra fa lany andro ny fahatokiana eo amin’ny mpivady. Mihavitsy hatrany ny mpivady misoratra ara-dalàna, ary mitombo ny isan’ny fisaraham-panambadiana eo amin’ireo manao izany. Nitombo avo telo heny mahery ny isan’ny fisaraham-panambadiana isan-taona tato anatin’ny 25 taona farany, tany Etazonia; mihoatra ny iray tapitrisa izany amin’izao andro izao. Tany Grande-Bretagne, dia nitombo avo efatra heny ny isan’ny fisaraham-panambadiana tao anatin’ny 20 taona, satria ny 41 000 tamin’ny 1965 dia tafakatra ho 175 000 tamin’ny 1985. Aleon’ny mpitovo miara-monina amin’ny mpitovo hafa, lahy na vavy, ary be dia be no miova namana tsy tapaka. Mitaraina izy ireny noho ny fielezan’ny aretina mahatsiravina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana, noho ny fomba fiainany maloto, indrindra fa ny SIDA, kanefa dia mbola manohy manaraka fanao mampietry eo amin’ny lahy sy ny vavy izy ireny. Tsy manafay ny ondriny manao fahadisoana toy izany ireo anisan’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Koa satria izy ireo manakimpy ny masony eo anoloan’ny fahalotoam-pitondrantena, dia manana anjara andraikitra amin’izany zavatra jinjaina mampahonena izany. — Jeremia 5:29-31.

16. a) Inona no manamarina fa nianjera Babylona Lehibe, ary ahoana no antsoantson’ilay anjely ara-drariny araka ny Apokalypsy 18:2? b) Inona no tokony hataon’izay rehetra maniry ho tafita velona amin’ny fandravana izao tontolo izao ankehitriny?

16 Ny toe-pitondrantena mampalahelo manjaka eo anivon’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso dia manamafy koa fa nianjera Babylona Lehibe. Nitsara azy Andriamanitra ary nanameloka azy ho amin’ny fandravana. Mety àry ny niantsoantsoan’ny anjely mafy ireto teny voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 18:2 ireto: “Rava! rava [nianjera, MN ] Babylona Lehibe! ka tonga fonenan’ny demonia sy fieren’ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.” Zava-dehibe ny hanarahan’ny olona rehetra maniry ny ho tafita velona amin’ny fandravana izao tontolo izao dieny ankehitriny ny fananarana alefa eo amin’ny andininy faha-4: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy”! Eny, tena ilaina ny hivoahana avy ao amin’ny fivavahan-diso mba hahatafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra izao (Apokalypsy 7:14). Araka ny ho hitantsika anefa, dia tsy ampy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tamin’ny 1 novambra 1903, rehefa nifarana ny fitohitohizam-piadian-kevitra nalamin’i Charles Russell sy E. Eaton tao amin’ny Carnegie Hall any Pittsburgh (Etazonia), ny anankiray tamin’ireo mpitondra fivavahana tonga dia niaiky fa nandresy i Russell ka nilaza taminy hoe: “Faly aho mahita anao manondraka ny afobe mba hamono ny lelafony.”

[Efajoro, pejy 8]

NY KLERJY SY NY FITONDRANTENA MOMBA NY LAHY SY NY VAVY

“Misy ray aman-dreny, psykology, pôlisy sy mpisolovava manamarika fa any Etazonia dia ankizy an-jatony maro nanaovan’ny pretra katolika an-keriny tao anatin’izao dimy taona farany izao no mijaly noho ny fikorontanana ara-pihetseham-po mafy.” — Akron Beacon Journal, 3 janoary 1988.

“Any Etazonia, ny Eglizy katolika dia voatery nandrotsaka onitra an-tapitrisany dôlara maromaro ho an-dray aman-dreny manamafy fa nisy pretra nanao an-keriny handoto ny zanany. Na dia ao aza izany, dia manjary ratsy aoka izany ny tarehin-javatra, hany ka, araka ny filazan’ny mpisolovava sy ny niharam-pahavoazana maro, ny Eglizy dia manakimpy ny masony eo amin’ireny raharaha ireny sy manindry izany.” — The Miami Herald, 3 janoary 1988.

[Sary, pejy 6]

Fitambaran-telon’andriamanitra — tany Egypta fahiny sy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana.

[Sary nahazoan-dalana]

Trano fitehirizana ny rakitry ny ela Saint-Remi, Reims, Sary J. Terrisse

Trano fitehirizana ny rakitry ny ela any Louvre, Paris

[Sary, pejy 9]

Ampitahain’ny Baiboly amin’ny kisoavavy voasasa izay mihosim-potaka indray ireo filoha ara-pivavahana maloto fitondrantena.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara