Nanohana ahy toy ny sakaiza i Jehovah
Nataon’i Maria Hombach
ZAZAVAVY kely enin-taona aho raha nianatra tany an-tsekoly ity kalokalo alemanina mahafinaritra fanaom-bahoaka ity: “Fantatrao ve hoe firy ny isan’ny kintana eny amin’ny lanitra manga? (...) Manisa azy rehetra ireny ny Tompo Andriamanitra, ary tsy misy diso na dia iray monja aza. (...) Fantany koa ianao ary tiany dia tiany.” Indray andro, dia nanao an’io hirahira io aho raha niteny tamiko ny reniko hoe: “Fantany ianao, ary tiany koa.” Nanomboka tamin’io fotoana io, dia tonga toy ny sakaiza ho ahy Andriamanitra, ary tapa-kevitra aho ny mba ho tia azy koa. Talohan’ny Ady Lehibe voalohany no nitrangan’izany; tany Bad Ems, tanàna eo amin’i Lahn, no nonina izahay tamin’izany.
Tamin’ny 1924, izany hoe fito ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, tamin’ny fotoam-pialan-tsasatra, dia tafahaona tamin’ny zazavavy iray nitovy taona tamiko izay anisan’ny Mpianatra ny Baiboly fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, aho. Nandritra ny efatra herinandro, dia nanao fifanakalozan-kevitra nafana momba ny fivavahana izahay. Avy eo dia nitranga ny raharaha ny amin’ny “afobe”. “Tsy hampiditra saka velona ao anaty lafaoro mivaivay ianao, sa tsy izany?” Toy ny kotroka no fandrenesako an’io fanontaniana io, ary niaiky aho fa voafitaka tamin’ny fomba nahamenatra. Azoko natao izao ny nahafantatra ny zavatra rehetra momba an’Andriamanitra, iza marina izy, raha ny marina dia izay rehetra niriko ho fantatra ny aminy hatramin’ny fahazazako!
Tamiko, dia toy ny hoe nahita “harena nafenina tany an-tsaha” aho. (Matio 13:44.) Rehefa tafaverina tao an-trano aho, dia feno hafanam-po, ka dodona nankany amin’ny manodidina: nampirehetin’ny faniriana hampahafantatra azy ireny ireo zavatra vao avy nianarako ny foko. Tsy ela tatỳ aoriana, dia nifindra nankany Sindelfingen, tanàna iray any atsimon’i Alemaina, aho. Mpianatra ny Baiboly teo amin’ny roapolo no nonina tao. Niaraka tamin’izy ireo aho mba handray anjara tamin-jotom-po tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara isan-trano, asa vaovao ho ahy.
Tamin’ny 1929, tamin’ny lahateny iray, no nandrenesako firesahana voalohany ny amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Nanontany ilay mpandahateny, mpiandraikitra mpitety faritany, hoe iza no vonona ny ho tonga mpitory maharitra. Nanangan-tanana avy hatrany aho. Tsy nisy “raha” na “kanefa” tamiko. Nanakoako tao am-poko ny tenin’i Isaia hoe: “Inty aho, iraho aho.” — Isaia 6:8.
Nialako ny asa birao nataoko, ary, ny 1 oktobra 1929, dia nanomboka tany atsimo andrefan’i Alemaina izay antsoina ankehitriny hoe asan’ny mpitory maharitra manokana aho. Namafy haingana sy be dia be ny voan’ny fahamarinana tamin’ny endriky zavatra vita an-tsoratra izahay tany Limbourg, any Bonn, teo amin’ny sambokely avy any amin’ny tany maro tao amin’ny seranan’i Cologne, sy tany amin’ny toerana hafa koa. — Mpitoriteny 11:1.
Niseho ho sakaiza Andriamanitra tamiko
Tamin’ny 1933, rehefa nanorina ny fitondrany tsy refesi-mandidy teto Alemaina i Adolf Hitler, dia voatery nitsahatra tamin’ny asan’ny mpitory maharitra aho ary niverina nankany Bad Ems. Tsy ela dia hitan’ny manam-pahefana fa tsy nandatsa-bato aho tamin’ny fifidianana. Rehefa afaka roa andro, dia nanao fisavana tao an-tranoko ny pôlisy roa. Tena niharihary teo an-joron-trano ilay harona vao avy nanipazako ny adiresin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra nananako. Tsy nanam-potoana nanariana izany aho! Nisava hatraiza hatraiza ireo lehilahy roa... afa-tsy tao anaty harona ihany.
Toy inona moa ny fifaliako teo anelanelan’izany rehefa nanaiky ho sakaizan’ilay Andriamanitra marina koa i Anna rahavaviko! Niara-nifindra fonenana nankany Freudenstadt izahay tamin’ny 1934. Tany izahay dia nanomboka nizara tamim-pitandremana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Indray andro, nandritra ny fotoana nialanay sasatra, dia nandray ny fiarandalamby izahay ary nanao fitsidihana haingana tao Bad Ems, tanàna niavianay. Nozarainay haingana tao ny bokikely 240 iray baoritra, ary dia nandao ireo toerana izahay. Namely anay matetika ny Gestapo tao Freudenstadt ka tapa-kevitra izahay ny honina tany amin’ny tanàna hafa iray, ary tamin’ny 1936 dia nanorim-ponenana tao Stuttgart izahay. Tao, dia nitady izay hifandraisana tamin’ny fandaminanay niafina aho; avy hatrany dia nomena “asa” aho. Naharay sary nisy fiarahabana tsy tapaka aho. Raha ny marina, dia hafatra niafina izany. Adidiko ny nitondra ireny sary ireny tao amin’ny toerana niafina iray tao an-tanàna. Tsy tokony hampiely zavatra vita an-tsoratra mihitsy aho mba tsy hanimbana ny asa nanirahana ahy. Nandeha tsara daholo ny zavatra rehetra hatreo amin’ny aogositra 1938.
Indray andro, dia naharay sary nangatahana ahy mba ho tonga indray takariva eo anoloan’ny eglizy be mpahalala iray aho. Hisy filazana misimisy kokoa hampitaina amiko amin’io fotoana io. Nankany amin’ilay toerana voatondro aho. Efa alina be tamin’izay. Tonga ny lehilahy iray, niseho ho tamin’ny anarana hoe Julius Riffel. Fantatro ho an’ny rahalahy nahatoky iray izay nandray anjara tamin’ny asa niafina io anarana io. Nilaza haingana tamiko izy mba ho any Bad Ems amin’ny daty iray, hihaona amin’olona any, avy eo dia nanjavona haingana.
Ny Gestapo ihany anefa no niandry ahy teo amin’ny fijanonan’ny sambo tao Bad Ems. Inona no nitranga? Namela-pandrika ho ahy ilay lehilahy hitako teo anoloan’ny eglizy: raha ny marina, io lehilahy io dia Hans Müller, Vavolombelona taloha izay nonina tany Dresde ary nanjary niara-niasa tamin’ny Gestapo. Fantany ny zavatra rehetra momba ny fomba nandaminana ny asa niafina teto Alemaina. Tsy nahomby anefa ny fandrika nataony. Fotoana fohy talohan’izay tokoa, dia nampandre ahy ny reniko fa nisy aretina nahazo azy; ho valiny, dia nampanantena azy aho fa hitsidika azy amin’ny daty iray izay sendra nifanitsy indrindra tamin’ilay datin’ny “fanirahana” ahy. Nampiasaina ho porofo tatỳ aoriana ireo taratasinay rehefa nisy fakana am-bavany. Gaga aoka izany aho fa nafahana. Rehefa dimy volana sy tapany tokoa no nitanana ahy, izany hoe tamin’ny febroary 1939, dia nanana fahafahana indray aho!
Namaly ny fiheveran’i Jehovah ho sakaiza aho
Hita avy hatrany fa tsy nikasa ny tsy hanao na inona na inona aho, indrindra fa satria ny ankamaroan’ireo rahalahiko kristiana nijaly tany amin’ny toby fitanana na tany amin’ny toerana hafa nisamborana azy.
Rehefa voasambotra noho ny firaisan-tetik’i Müller ireo anadahy alemanina nitana andraikitra, dia nandimby azy i Ludwig Cyranek tamin’ny fizarana ny sakafo ara-panahy. Vao avy nafahana indrindra avy ao amin’ny tranomaizina io anadahy io, izay niasa tao amin’ny Betela tany Magdebourg, Tonga nanatona ahy tao Bad Ems izy ka nilaza tamiko hoe: “Andao, ry Maria a! Hanohy ny adidintsika isika.” Nateriny tany Stuttgart aho, ka nahita asa tany. Nefa ny tena asa nanirahana ahy, izay nanomboka tamin’ny martsa 1939, dia natao hitondrana tany amin’ny toerana samy hafa tao amin’ilay tanàna sy teny amin’ny manodidina, valizy feno nomerao natao kopia maro tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Nisy Vavolombelon’i Jehovah hafa koa nandray anjara tamin-kerim-po tamin’io asa io.
Nandritra izany fotoana izany, dia nitety an’i Alemaina manontolo ny anadahy Cyranec, ka ny hany tsy nataony dia ny tapany avaratra atsinanana amin’ilay tany. Narahi-maso ireo fonenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy maintsy nitandrina aoka izany izy rehefa nifindra toerana ary indraindray aza voatery natory tany anaty ala. Indraindray izy dia tonga tamin’ny fiarandalamby miriotra mafy tao Stuttgart, ka nataony soratononina tamiko tamin’izay ny tatitra manokana momba ny toetoetry ny asanay teto Alemaina. Nanoratra taratasy tsy nisy antony aho ary nampidiriko teny anelanelan’ny andala-tsoratra ireny hafatra ireny, tamin’ny ranoka tsy misy lokony. Rehefa avy eo dia nalefako tamin’ny adiresy teo amin’ny valopy fiarovana ho any amin’ny Betelan’i Pays-Bas izany.
Mampalahelo anefa fa nisy anadahy faharoa namadika noho ny fanantenana ny hitana ny fahafahana. Herintaona tatỳ aoriana, dia nomeny ny Gestapo ny anaran’ireo izay niasa tamim-piafenana tany Stuttgart sy tany an-toeran-kafa. Voasambotra izahay tamin’ny 6 febroary 1940. Nankany an-tranon’i Müller tany Dresde i Ludwig Cyranek, noho ny fiheverana fa mbola Vavolombelon’i Jehovah foana izy. Voasambotra izy tany. Nomelohina ho faty izy tatỳ aoriana, ary notapahin-doha tamin’ny 3 jolay 1941a.
Nihevitra ny fahavalo izao fa nampitsahatra tanteraka ny asanay teto Alemaina, nefa nisy fandaharana natao haingana mba hikorianan’ny ranon’ny fahamarinana hatrany, na dia nitete kely fotsiny aza sisa izany. Ohatra, afaka ny mbola niasa ihany ny antokon’olona tao Holzgerlingen mandra-pahavitan’ny ady, tamin’ny 1945.
Tsy afoiny mihitsy ireo Sakaizany
Niara-notanana tao amin’ny tranomaizina tany Stuttgart izahay sy Anna. Reko matetika ny kiakiakan’ireo mpigadra nokapohina. Zava-mihatra mahatsiravina izany hoe ao am-ponja tsy manan-katao mihitsy. Kanefa, noho izahay tsy nanapaka fivoriana kristiana na dia iray monja aza sady mbola tanora, dia afaka nitadidy saika ny lahatsoratra rehetra navoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izahay, ka izany dia nahatonga anay ho afaka hitana finoana natanjaka, ka noho izany dia hiaritra.
Indray andro, ny lehilahy roa tao amin’ny Gestapo tonga tany Dresde dia nitondra anay: hisy famantarana anay, ilay namako niara-notanana tamiko, Gertrud Pfisterer (ankehitriny Wulle), sy ny tenako. Matetika ireo mpigadra no tsy nomen-dalana handeha afa-tsy tamin’ny fiarambahoaka, hany ka naharitra andro maro ny dia. Efitra iray manontolo anefa no natokana ho anay tao amin’ny fiarandalamby miriotra mafy feno hika. “Sarobidy loatra ho an’ny Gestapo ianareo, hoy ny fanazavan’ireo manamboninahitra taminay. Tsy tianay ny hamoy anareo.”
Tany Dresde, dia tojo ahy niaraka tamin’ny mpamadika fahatelo namanay taloha ny Gestapo. Azoazoko an-tsaina fa nisy zavatra tsy ara-dalàna; nangina àry aho ka tsy niarahaba azy akory. Rehefa avy eo dia nentina teo anatrehan’ny lehilahy iray ranjanana nanao fanamia-miaramila... Müller mpamadika, ilay hitako teo anoloan’ny eglizy, aho. Nandao ny efitrano tsy niteny na inona na inona aho. Tsy nahazo na inona na inona avy amiko ny Gestapo.
Nahita fiafarana nampidi-doza ireny mpamadika rehetra ireny. Araka ny nolazain’ny tenan’izy ireo ihany, dia tia ny famitahana ny nazia fa tsy ny mpamitaka. Nalefa tany am-bava ady atsinanana izy telo mirahalahy ireo, ary tsy tafaverina avy any intsony mihitsy. Nahita fiafarana hafa dia hafa noho izany ireo izay tsy niala mihitsy tamin’ny naha-sakaizan’Andriamanitra sy ny vahoakany azy. Kristiana nahatoky maro be no tafavoaka velona avy ao amin’ny afon’ny fanenjehana, tahaka an’i Erich Frost sy Konrad Franke, izay nijaly aoka izany noho ny Tompo ary tonga mpiandraikitra ny sampana teto Alemaina tatỳ aorianab.
Tamin’ny may 1940, ny Gestapo tany Stuttgart, nirehareha aoka izany noho ny “babo” azony, dia nangataka tamin’ny tany Dresde ny hiverenanay amin’ny famindrana. Tany atsimon’i Alemaina tokoa no tokony hitsarana anay. Toa tsy nifanaraka tamin’ny namany tany atsimo anefa ireo anisan’ny Gestapo tany avaratra, ka dia nanda ny biraon’i Dresde. Tonga naka anay mihitsy sy nitondra anay àry ireo tany Stuttgart. Inona no nitranga nanaraka izany? Ny dia tamin’ny fiara nankany amin’ny gara dia niova ho fandehanana nahafinaritra nanaraka an’i Elbe; rehefa nahiboka tao amin’ireo fonja nisy anay izahay dia tsy nahita hazo maitso mavana na lanitra manga hatramin’ny ela be. Sahala amin’ny teo aloha, dia nanokanana efitra iray manontolo izahay, ary nomen-dalana hanao hiran’ilay Fanjakana aza izahay. Teo am-piandrasana ny fiarandalamby hifindrana, dia nomena sakafo tao amin’ny gara izahay. Alao sary an-tsaina ange: tapa-mofo maina kely no nomena anay tamin’io maraina io ihany, ary izao izahay ka eo anoloan’ny latabatra feno sakafo!
Natao tany Stuttgart ny fitsarana ahy tamin’ny 17 septambra 1940. Tamin’ny fanoratana sy ny fanaovana izay hahatongavan’ny taratasy hatrany any amin’i Ludwig Cyranek, dia nampita tamin’olona nonina tany an-tany hafa, fanazavana momba ny asa nataonay tamim-piafenana sy ny fanenjehana nihatra taminay aho. Nampangaina ho namadika tanindrazana aho, ka mendrika ny fanamelohana ho faty. Kanefa, izaho izay nitambesaran’ny andraikitra navesatra indrindra tany Stuttgart, dia tsy nosazina afa-tsy zara raha nisy telo taona sy tapany am-ponja tao an-tranomaizina aho: fahagagana izany! Miharihary tokoa fa nisy zavatra nataon’i Schlipf, tompon’andraikitra iray tao amin’ny Gestapo izay tsy nihevitra anay ho ratsy ary nenjehin’ny fieritreretany. Nanambara izy indray andro fa tsy afaka nahita tory intsony noho izahay “zazavavy”, araka ny niantsoany anay. Tsy ho afaka moramora toy izany aho raha tany Dresde.
Ireo soa raisina avy amin’ny fisakaizana maharitra
Na dia tsy ratsy toy ny tany an-tranomaizina aza ny sakafo tany amin’ireo toby fitanana, dia nihanahia aoka izany aho, hany ka taolana nifono hoditra sisa. Lasa ireo taona 1940 ka hatramin’ny 1942. Matetika aho no niteny anakampo hoe: “Rehefa ho afaka ny saziko, dia halefany any amin’ny toby fitanana aho, ka any dia ho tafaraka amin’ny rahavavy hafa; tsy ho irery intsony aho.” Tsy nampoiziko velively ny tohin’ny fisehoan-javatra.
Nangataka ny hanafahana ahy ny ray aman-dreniko katolika ary akory ny hagagan’ireo mpiambina fa nahazo izany izy ireo. (Imbetsaka no nanda ny hangataka izany ny tenako manokana.) Raha nalefa tany amin’ny toby fitanana ireo namako tao amin’ny finoana, izaho izay nomelohina ho mpamadika tanindrazana, dia ho afaka tsy hisy fahasahiranana, tsy nisy fanekena lembenana na dia kely akory aza! Araka izany, dia nahazo fahafahana indray aho tamin’ny 1943. Ny toerako àry dia nahatonga ahy ho afaka, tamin’ny fampiasana fahamalinana kokoa, hitondra ny sakafo ara-panahy avy ao Holzgerlingen. Rehefa avy nanao kopia zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly aho, dia nanafina ny soratanana nataoko tao amin’ny efitra amin’ny tavoahangy takobokafanana (thermos) feno kafe nentiko rehefa avy eo ho any amin’i anadahy nonina nanaraka an’i Rhin sy tany Westerwald. Nanomboka tamin’io fotoana io, dia afaka nanohy ny asako soa aman-tsara aho mandra-pifaran’ny ady. Reko tatỳ aoriana fa nisy niampanga anay, kanefa nisy pôlisy nampiseho fahamoram-panahy tsy nandefa ireny tatitra ireny tany amin’ny Gestapo.
Ary tatỳ aorian’ny 1945? Ny faniriako dia ny ho tonga mpitory maharitra indray raha vao azo atao izany. Raha mbola tsy nanampo izany mihitsy aho, dia nahazo ny fanasana tsara indrindra natao tamiko hatreo. Na dia tao amin’ireo nofiko adala indrindra aza dia tsy nieritreritra ny hasaina indray andro hiasa ao amin’ny Betelan’i Wiesbaden aho!
Eto amin’ny Betela aho (eto Selters, eo amin’ny Taunus, ankehitriny) nanomboka tamin’ny 1 martsa 1946. Nandritra ny taona maro, dia nahita fahafinaretana aho niasa tao amin’ny birao iray notarihin’ny anadahy Konrad Franke, izay mpiandraikitra ny sampana. Nanana fifaliana koa aho niasa tao amin’ny sampan-draharaha hafa, ny fanasan-damba, ohatra. Amin’izao andro izao, eo amin’ny faha-87 taonako, dia mbola miasa ao ora maromaro isan-kerinandro ihany aho; ny anjara asako dia ny mamalona lamba famaohana. Raha efa nitsidika ny Betelanay ianao, dia mety ho efa nihaona isika.
Rehefa nandeha ireo taona, dia nanana tombontsoa aho nanampy olona maro hanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny reniko sy anankiray hafa tamin’ireo rahavaviko. “Fantany ianao, ary tiany”, hoy ny reniko tamiko; niharihary fa marina ireo teny ireo, sahala amin’ny an’ny mpanao salamo voarakitra ao amin’ny Salamo 55:22, manao hoe: “Izy no hanohana anao.” Toy inona moa ny fifaliako noho ny nitiavana an’i Jehovah sy nandraisan-tsoa tamin’ny fanohanany, dia ny an’ny sakaiza!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Annuaire des Témoins de Jehovah 1974, pejy faha-178 ka hatramin’ny 180.
b Jereo La Tour de Garde tamin’ny 15 janoary 1962, pejy faha-28 ka hatramin’ny faha-31 (na BI 6bis/62, pp. 40-52), ary ny an’ny 1 oktobra 1963, pejy faha-597 ka hatramin’ny 600.