FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/8 p. 3-7
  • Babylona Lehibe — Ny fandravana azy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Babylona Lehibe — Ny fandravana azy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fitondrantena tsy kristiana ananan’ny fivavahana lazaina fa kristiana
  • Ireo fivavahana tsy kristiana — ny tantarany
  • Ny fomba hahafoanan’ny fivavahan-diso
  • Rahoviana izy no haringana?
  • Iza moa i Babylona Lehibe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Babylona Lehibe — Ny fianjerany sy ny fitsarana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Rava Ilay Tanàna Lehibe
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Miady ao Haramagedona ilay Mpanjaka
    “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/8 p. 3-7

Babylona Lehibe — Ny fandravana azy

“Ary nisy anarana voasoratra teo amin’ny handriny nanao hoe: Zava-miafina, Babylona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta, amin’ny tany.” “Ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo [Jehovah, MN ] Andriamanitra, Izay nitsara azy.” — Apokalypsy 17:5; 18:8.

ZONTSIKA ny hanontany tena ny amin’ny hevitr’ireo teny ireo izay nosoratan’ny apostoly Jaona tamin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana? Iza moa no “renin’ny mpijangajanga”? Inona no fahadisoana nataony tamin’Andriamanitra no dia tsarainy mafy toy izany izy io. Tsy isalasalana mihitsy fa hiteraka fandravana azy ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra manameloka an’i Babylona Lehibe, vehivavy janga mifono zava-miafina. Noho izany, dia rariny tokoa ny hamantarantsika an’io vehivavy janga io sy izay ho vokatry ny hanjo azy eo amintsika. — Apokalypsy 18:21.

Mampiseho an’iza na inona moa Babylona Lehibe? Lazain’ny Baiboly fa nijangajanga tamin’ireo filohan’izao tontolo izao izy ary nifampivarotra taminy ireo mpandranto (Apokalypsy 18:3). Tsy mety hampiseho ny fandaharan-javatra ara-politika na ny varotra lehibe àry izy io. Noho izany, dia tsy maintsy an’ilay tapany mahery fahatelo amin’izao tontolo izao ny anarana hoe “renin’ny mpijangajanga”. Tsy iza àry Babylona Lehibe fa ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso tarihin’i Satanaa!

Mbola ao ihany ireto fanontaniana ireto: Nahoana, rahoviana ary ahoana no handravana an’i Babylona Lehibe? Na, raha ny marimarina kokoa, nahoana, rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hanjavonan’ny fivavahan-diso tsy ho eo amin’ny tany?

Ny fitondrantena tsy kristiana ananan’ny fivavahana lazaina fa kristiana

Rehefa heverina ny tantaran’ny fivavahan-diso, dia velona ao an-tsaina ity fanambarana ara-paminaniana fahizay ity: “Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany.” (Hosea 8:7). Mifandrindra amin’ity fotopoto-pitsipika nolazain’ny apostoly Paoly ity ireo teny ireo: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Inona àry no nafafin’ny fivavahan-diso tamin’ny ambaratonga maneran-tany, ary inona no hojinjainy?

Nampianatra i Jesosy Kristy fa tsy ny namany ihany no tokony hotiavin’ny mpianany, fa ny fahavalony koa (Matio 5:43, 44). Nanonona ny Soratra hebreo i Paoly ka nanazava tsy nisy fihambahambana ny fomba tokony hitondran’ny kristiana ireo fahavalony, tamin’izao teny izao: “Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany. Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.” — Romana 12:20, 21.

Fankahalana sy fandatsahan-dra fotsiny anefa no nameno ny tantaran’ireo finoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Notsofin-drano na noleferina ireo kroazada taloha sy ankehitriny, miaraka amin’ny fandrobany sy ny fisavihany ary ny famonoany olona. Tamin’izany, ohatra, no nitsofan’ireo eveka katolika rano ny fanafihan’i Italia fasista an’i Etiopia (1935) sy ny “kroazada” nataon’i Franco nandritra ny ady an-trano espaniola (1936-1939).

Fandoroana tamin’ny antontan-kitay no nampiasaina mba handaminana tsy fifanarahana amin’ny lafiny ara-teolojia. Taorian’ny namoahany ny fandikany ny “Testamenta Vaovao” tamin’ny teny anglisy, dia novonoina teo amin’ny hazo avy eo dia nodorana i William Tyndale tamin’ny 1536. Taonjato iray mahery talohan’izay, noho ny fitiavana valifaty, dia nofongarin’ireo manam-pahefana ara-pivavahana, araka ny baikon’ny papa Martin V, ny fatin’i Wycliffe, mpandika hafa iray koa ny Soratra Masina, ary izany dia 44 taona taorian’ny nahafatesany. Noho ny fikendrena inona? Mba hahitana fahafinaretana amin’ny fandoroana azy. Nandritra ny Inquisition (Fampijaliana ny tsy nety nanaraka ny finoana katolika), dia Jiosy sy olon-kafa tsy nanaiky ny fampianarany an’arivony maro no norobaina, nampijalina sy nodorana teo amin’ny antontan-kitay — izany rehetra izany dia nolazaina fa tamin’ny anaran’i Kristy! Araka ny baikon’ilay protestanta atao hoe Jean Calvin, dia maty nodorana teo amin’ny hazo ilay teolojiana espaniola atao hoe Michel Servet, nenjehin’ny katolika sy ny protestanta. Tao anatin’ireo ady lehibe roa nanamarika ny taonjato faha-20, dia nisy mpitondra fivavahana “kristiana” nitso-drano tafika raha mbola namporisika ny miaramila hiady ny mpikarakara azy ara-pivavahana mpanindrahindra firenena.

Endrey ny fifanoheran’izany amin’ny kristianisma marina! Izao tokoa no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.” — Kolosiana 3:12-14.

Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ireo kristiana tany Roma: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’ ” (Romana 12:17-19). Rehefa heverina amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia miharihary ny tsy fahombiazan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Namafy fankahalana sy fihatsarambelatsihy izy ka hijinja fandringanana.

Ireo fivavahana tsy kristiana — ny tantarany

Tsy mahafaoka ireo finoana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana fotsiny akory Babylona Lehibe. Ny fivavahana lehibe rehetra dia anisan’ny meloka noho ny famonoana olona nataon’io vehivavy janga maloto io. Araka izany, ny shintō japone dia nanana anjara andraikitra tamin’ny firehetana tafahoatra sy ny habibiana nasehon’ireo tafika japone nandritra ny Ady Lehibe faharoa. Araka ny filazan’ilay mpanoratra tantara atao hoe Paul Johnson, “mba hanamafisana ny fiarovan-tenany eo anivon’izao tontolo izao feno fifankahalana sy fifandrafiana” tapahin’ny fitsipi-pitondrantena eoropeana, dia noheverina fa nilaina ny hamoronana “fivavaham-panjakana sy fitsipi-pitondrantena tena mandaitra, ny shintō sy ny bushidō [ny “lalan’ny mpiady”]. (...) Naorina ny fanompoam-pivavahana ho an’ny emperora, indrindra fa teo anivon’ny tafika, ary, nanomboka tamin’ireo taona 20, dia nisy fitambaram-pitsipi-pitondrantena ho an’ny firenena, ny kokumin dotoku, nampianarina tao amin’ny sekoly rehetra”. Inona no vokany? Tamin’ny 1941, rehefa nandatsaka baomba tao Pearl Harbor i Japon sady niditra tao amin’ny Ady Lehibe Faharoa, “ny shintō, (...) fanompoam-pivavahana madinika, tsy nandroso sy tranainy, dia tonga fiasan’ny fanjakana maoderina iray nanao fitondrana tsy refesi-mandidy. Araka izany, zavatra hafahafa mahatsiravina fa ny fivavahana izay tokony ho fisakanana ireo horohoro tamin’izany fotoana izany, no nampiasaina mba hanamasinana azy”.

Ny amin’ny fizarazarana ara-politika tany India tamin’ny 1947, fizarazarana vokatry ny tsy fifanarahana ara-pivavahana, ankoatra ny zavatra hafa, dia nanoratra tantara toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe Johnson: “Teo amin’ny 5 ka hatramin’ny 6 tapitrisa ny olona nandositra tetsy sy teroa mba hiarovana ny ainy. (...) Teo anelanelan’ny 1 ka hatramin’ny 2 tapitrisa ny fanombanana ny isan’ny maty. Nisy fanisana vao haingana kokoa nanolotra ny isa 200 000 ka hatramin’ny 600 000.” Amin’izao andro izao, dia mbola misy famonoana olona sy fampietrena noho ny antony ara-pivavahana ao anatin’ny fitambaran’olona hindoa. Ny harijan, olona tsy nomena zo ara-pivavahana na ara-tsosialy nantsoina fahiny hoe tsy azo kasihina, dia matetika no niharam-pahavoazana noho ny andia-mpamono olona nalamina tantsaha mpanam-pananana be.

Mifamatotra amin’ny fanao misy spiritisma ny hindoisma (Apokalypsy 18:23). Ilay mpanoratra indiana atao hoe Sudhir Kakar dia miresaka ny amin’ny “fahalianana sy ny fanajan’ny hindoa amin’ny ankapobeny ny asan’ny maizina sy ireo manaraka izany”. Hoy ny teny nanampiny: “Mpanandro, mpisikidy, mpahita, sādhu [“olo-masina” mpampijaly tena], fakirs [mpangataka manao majika] sy olona andriamanitra hafa, no hajaina fatratra, satria heverina ho akaiky dia akaikin’ny tena fisiana ambony.” — India Today tamin’ny 30 aprily 1988.

Ambonin’izany, hindoa, sikhs sy mpanaraka fivavahana tatsinanana no manao ady tsy misy farany itondran’ny tsirairay avy amin’ireny finoana ireny ny anjara fankahalany sy tolona ary famonoana olona. Lafiny kely amboniny iray monja amin’ireo vokatra nentin’i Babylona Lehibe izany.

Ambonin’izany, ireo ady, vonoana olona sy fanoherana voasoratra ao amin’ny pejin’ny Tantara amin’ny andro ankehitriny dia tsy manaporofo loatra ny fahatsaran’ny jodaisma. Ny herisetra nampiasain’ny hasidisma (antokon’ny jodaisma) indraindray tamin’ireo anisan’ny antoko jiosy hafa sy ireo fivavahana tsy jiosy dia tsy milaza ny fahatsarany velively eo imason’Andriamanitra.

Rehefa dinihina ny tantaran’ny empira ara-pivavahana maneran-tany, dia tsapa mora foana ny antony hamonoan’ilay Mpitsara tampony an’i Babylona Lehibe. “Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24). Noho ny firaisany tetika tamin’ny ady niraisam-pirenena na tao amin’ny faritra voatokana, ny fivavahan-diso dia nanjary meloka teo imason’Andriamanitra ny amin’ny ran’izay “rehetra novonoina teny ambonin’ny tany”.

Araka ny fiampangan’ny Baiboly azy, Babylona Lehibe dia mendrika ny haringana noho ny fijangajangana ataony hatramin’ny taonjato maro, eo amin’ny lafiny ara-panahy, amin’ireo mpanjakan’ny tany, noho ny andraikitra noraisiny tamin’ny fandatsahan-dra rehefa nisy ady, sy noho ny fanarahany spiritisma. Noho izany antony izany no nandidian’i Jehovah ny farany ho an’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, empiran’i Satana. — Apokalypsy 18:3, 23, 24.

Ny fomba hahafoanan’ny fivavahan-diso

Ny bokin’ny Apokalypsy dia milazalaza ny fandravana an’i Babylona Lehibe amin’ny fitenenana tena an’ohatra. Izao no vakina ao amin’ny Apokalypsy 17:16: “Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” “Ny tandroka folo” dia mampiseho ny fitambaran’ireo fanjakana ara-politika eo amin’ny sehatra maneran-tany ankehitriny. Tohanan’izy ireo ny O.N.U., dia ny “bibi-dia mivolon-jaky”, sarin’ny fandehan-javatra ara-politika voapentin’ny ra sy tarihin’ny Devoly. — Apokalypsy 16:2; 17:3b.

Araka ny voalazan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, ireo fanjakana ara-politika mikambana amin’ny O.N.U. dia hiodina hanohitra ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso ka handrava azy. Ho voakasika amin’izany ny fivavahan-diso rehetra. Ny fitondram-panjakana sasany dia efa nampiseho sahady ny tsy faharetany teo anoloan’ny fitsabahan’ny fivavahan-diso ao amin’ireo raharaha ara-politika sy ara-tsosialy. Ny tany sosialista sasany dia nanohana ny tsy finoana an’Andriamanitra ka nanilika ny fivavahana ho amin’ny toerana saika tsinontsinona, toy izay mitranga any Albania na ho amin’ny laharan’ny mpanompo mora entina, any Rosia sy any Shina, ohatra. Any amin’ny toeran-kafa, dia misy mpitondra ara-politika miseho ho tsy faly tanteraka noho ny teolojian’ny fanafahana tohanan’ny pretra katolika sasany any amin’ny tany mahantra. Misy hafa koa manohitra ireo fivavahana izay mitsabaka amin’ny raharaha ara-pirazanana. Na dia eo anivon’ireo firenena lazaina fa afaka aza, ny mpanao politika sasany dia sosotra noho ny fidiran’ny klerjy amin’ny raharaha ara-politika sy ara-tsosialy.

Ny mbola tokony hojerena izao dia ny hoe inona marina moa ireo anton-javatra amboniny izay hitarika ireo mpanao politika maneran-tany hanao zavatra manohitra ny fivavahan-diso. Kanefa, zavatra iray no azo antoka: ny fandringanan’ireny mpitondra ireny an’i Babylona dia tsy ho fisehoan’ny sitrapon’ny tenany fotsiny, fa ny an’Andriamanitra koa. Izao tokoa no ambaran’ny Apokalypsy 17:17: “Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.” — Jereo Jeremia 51:12, 13.

Tsy mety ny ho diso hevitra ka hieritreritra fa ny fandravana an’i Babylona Lehibe dia ho ny fisehoan’ny fankahalan’ireo mpanao politika eo anoloan’ny fitsabahan’ny fivavahana amin’ireo raharahany sy ny fieboeboany fotsiny. Ireny mpitondra ireny, na dia tsy hinia hanao izany aza, dia ho fiasana hampiasain’Andriamanitra mba hanesorana ny fivavahan-diso tsy ho amin’ny tany manontolo. Eny, “ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony”. — Apokalypsy 18:5.

Namoaka didy Jehovah fa tsy maintsy aetry ny fivavahan-diso miavonavona. Izao no ambaran’ny faminaniana: “Toraka izay niderany tena sy nivelomany tamin’ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho; koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.” — Apokalypsy 18:7, 8.

Rahoviana izy no haringana?

Akaiky izao izany “indray andro monja” izany, dia vanim-potoana hahita ny fandringanana haingana an’i Babylona Lehibe. Raha ny marina, ny fandringanana azy dia manamarika ny fiandohan’ny “andro famalian’Andriamanitsika”. (Isaia 61:2.) Ho tonga eo amin’ny olombelona rehefa avy eo Haramagedona, ady marin’Andriamanitra. Ireo fisehoan-javatra maneran-tany nitranga nanomboka tamin’ny 1914 dia samy porofo manamarina fa mihafohy ny andro ho an’ny fandehan-javatr’i Satana. Noho izany, dia akaiky ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Lioka 21:32-36; Apokalypsy 16:14-16.

Hanao ahoana ny fandraisan’ny mpivavaka marina amin’i Jehovah ny fandringanana an’i Babylona Lehibe? Izao no ambaran’ny bokin’ny Apokalypsy: “Mifalia noho izay zavatra nanjo azy hianao, ry lanitra, sy hianareo olona masina, sy hianareo Apostoly, ary hianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy.” (Apokalypsy 18:20). Hisy fifaliana eo amin’izao rehetra izao manontolo rehefa hohamasinina ny anaran’i Jehovah ka ho tanteraka ny fikasany. Izao tokoa no nolazain’ny faminaniana: “Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon’ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika; fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy — dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany — Ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.” — Apokalypsy 19:1, 2.

Ny fandravana an’i Babylona Lehibe, harahin’ny fandringanan’Andriamanitra ny tapany hafa amin’ny fandehan-javatr’i Satana, dia hilaza soa mandrakizay ho an’ireo tena mpanompon’Andriamanitra sy ho an’ireo maro hatsangana ho eto an-tany. Ho tanteraka ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:31, 32; Apokalypsy 19:11-21.

Ireo mpivavaka marina dia efa afaka sahady amin’ireo hevitra ara-pivavahana inoana izay nitenenan-dratsy an’Andriamanitra tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny Tantara. Ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenaina, izao tontolo izao hanjakan’ny rariny, dia ho afaka ny ho velona afaka amin’ny tahotra ny fahafatesana izy ireo, satria “hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”. (Apokalypsy 21:3, 4.) Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso tarihin’i Satana, dia ho anisan’ireo zavatra taloha ho nanjavona.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana porofo amin’ny andinindininy kokoa momba ny famantarana ny atao hoe Babylona Lehibe, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 jolay 1989.

b Mba hahazoana fanazavana ny amin’ireo ohatra ireo sy ny hafa koa voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia jereo ilay boky mitondra ny lohateny hoe La Révélation: le grand dénouement est proche!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Zavatra hafahafa mahatsiravina fa ny fivavahana izay tokony ho fisakanana ireo horohoro tamin’izany fotoana izany, no nampiasaina mba hanamasinana azy.”

[Sary, pejy 4]

Nenjehina Wycliffe sy Tyndale noho ny nandikany ny Baiboly.

[Sary nahazoan-dalana]

Araka ny sary tranainy ao amin’ny Fitehirizam-bokim-pirenena.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara