FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/1 p. 4-7
  • Ny fananganana ny maty: ho an’iza ary rahoviana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fananganana ny maty: ho an’iza ary rahoviana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no maty ny olona?
  • Manao ahoana ny toetry ny maty?
  • Fananganana ho eto an-tany
  • Ny fananganana ny maty: loharanom-pampiononana
  • Ny fananganana ny maty: rahoviana?
  • Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Iray Monja ny Vahaolana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Fanantenana Azo Antoka
    Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
  • Tena Hatsangana ny Maty!
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/1 p. 4-7

Ny fananganana ny maty: ho an’iza ary rahoviana?

TAMIN’NY taona 32 amin’ny fanisan-taona iraisana, tany Betania izay nonenan’i Lazarosy niaraka tamin’i Marta sy Maria anabaviny no niseho ny tantara. Nampilaza tamin’i Jesosy ireo vehivavy roa fa narary i Lazarosy. Koa satria tia an’i Lazarosy sy ireo anabaviny i Jesosy, dia niainga ho any Betania izy. Teny an-dalana dia hoy izy tamin’ireo mpianany: “Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.” Nihevitra ireo mpianatra fa niresaka ny amin’ny torimaso ara-bakiteny i Jesosy. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza taminy mazava hoe: “Maty Lazarosy.” — Jaona 11:1-15.

Tonga efatra andro taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy i Jesosy sy ny mpianany. ‘Nitomany i Jesosy’ rehefa nahita an’i Maria sy ny hafa nitomany, ka izany dia nampiseho ny fangorahana sy ny fitiavana lalina tsapany (Jaona 11:17, 35). Napetraka tao anaty zohy ny vatan’i Lazarosy. Nandidy ny hanesorana ny vato nanidy ny fidirana aminy i Jesosy. Rehefa avy nivavaka tamin’ny Rainy izy, dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: “Ry Lazarosy mivoaha!” Ary dia nivoaka i Lazarosy. Toy inona moa ny hafalian’ireo anabaviny! — Jaona 11:38-45.

Manome antony mahery anantenana ny fananganana ny maty io tantara fohy io. Amin’ny ankapobeny anefa, ny fahafatesana dia fahavalo lozabe izay manaisotra amintsika ny olona tiantsika tsy misy fanampoizana ny hahita an’i Jesosy hanangana azy avy hatrany. Fantatsika tsara fa maro amin’ireny olo-malalantsika ireny no olo-marina sy nalemy fanahy. Tonga ho azy ao an-tsaintsika àry ny fanontaniana hoe:

Nahoana no maty ny olona?

Raha maniry hahazo valiny marina sy azo antoka amin’io fanontaniana io isika dia tsy maintsy miverina hatrany amin’ny fiandohan’ny olombelona tany amin’ny saha Edena. Mba hitsapana ny fankatoavan’i Adama, dia nodidian’Andriamanitra izy tsy hihinana ny voan’ny hazo iray. Nampitandrina azy Andriamanitra fa, raha mihinana an’io voankazo io izy sy Eva, dia “ho faty tokoa”. (Genesisy 2:17.) Rehefa nalain’i Satana fanahy izy ireo dia tsy nankatò an’Andriamanitra: tsy naharesy io fitsapana nisy vokany raikitra io àry izy ka nijinja fahafatesana.

Nahoana no nosazina mafy aoka izany ny heloka toa madinika toy izany? Marina tokoa fa ny zavatra nataony dia kely, nefa ny heloka vitany dia lehibe: nahatonga azy ho mendrika ho faty izany. Nikomy tamin’ny Mpamorona azy mantsy ny olombelona tanteraka, dia i Adama sy Eva izany. Nanary ny fahatanterahany izy ireo ka nomelohin’Andriamanitra ho faty. Nataon’Andriamanitra anefa izay hahafoana an’io fanamelohana ara-drariny io ho tombontsoan’ireo taranak’i Adama. Ahoana no nanaovany izany? Nanoratra i Paoly fa “Kristy Jesosy (. . .) nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra”. — 1 Timoty 2:5, 6; Romana 5:17.

Manao ahoana ny toetry ny maty?

Maty nandritra ny efatra andro i Lazarosy. Raha toa ka maty ianao, nefa raha ny marina dia niaina efatra andro tany amin’ny faritra ara-panahy iray, ka natsangana ianao avy teo, moa ve ianao tsy haniry hitantara ny fanandraman-javatra hitanao? Raha ny amin’i Lazarosy, izy dia tsy nihambo ho niaina tany amin’ny faritra hafa na inona na inona. Milaza marina ny Baiboly hoe: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” — Mpitoriteny 9:5; Salamo 146:3, 4.

Saintsaino izay rehetra tafiditra ao amin’io filazana marina io. Olona an-tapitrisany maro no mino ny afo fandiovana na dia tsy hita ao amin’ny Baiboly aza io teny io. Maro lavitra noho izany no mino ny fisian’ny afobe mirehitra iray. Tsy ho tonga ao an-tsainao anefa ny handoro olona mandrakizay ao anaty afo, na dia fahavalo aza. Koa satria holavin’ny tenanao mihitsy ny hanao zavatra amin-kabibiana toy izany, dia heverinao ve fa hampijaly lehilahy sy vehivavy ao amin’ny afobe mirehitra ny Mpamorona antsika be fitiavana? Eritrereto kosa ny fanomezan-toky mampahery omen’ny Baiboly ary efa notononinay tetsy ambony: ny maty dia tsy “mahalala na inona na inona”.

Araka ny Soratra masina, dia voafetra ny isan’ireo hiara-hanjaka amin’i Kristy any an-danitra. Afa-tsy izany dia nambaran’i Jesosy ho ‘ondry vitsy’ izy ireo. (Lioka 12:32.) Hitan’ny apostoly Jaona “ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona [any an-danitra], ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba azy (. . .) navotana niala tamin’ny tany.” Midika izany fa izy ireo dia olombelona efa maty, ary avy eo dia natsangana mba hiaina any an-danitra miaraka amin’i Kristy.

Azonao an-tsaina mora foana fa nitondra soa ho an’ireo izay nahafantatra izany ireo fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly ireo: tsy misy afo fandiovana na afobe mahamay, ary misy fanantenana ny hitsanganan’ny maty sasany ho any an-danitra. Nefa raha vitsy kely toy izany ny isan’ireo hatsangana ho any an-danitra, fanantenana inona no ananan’ny maty hafa?

Fananganana ho eto an-tany

Jesosy Kristy no nanokatra na nisantatra ny lalana ho amin’ny fananganana ho any an-danitra (Hebreo 9:24; 10:19, 20). Noho izany dia tsy hatsangana ho any an-danitra i Jaona Mpanao batisa satria novonoina izy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy ka nanokafany ny lalana ho any an-danitra. Izany rahateo moa no fanamarinana nataon’i Jesosy nanao hoe: “Amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.” (Matio 11:11.) Valisoa inona no omanin’Andriamanitra ho an’io lehilahy nahatoky io sy ho an’ny olona maty hafa izay nahatoky toa azy?

Sokafy ny Baibolinao ao amin’ny Lioka 23, ary vakio ny andininy faha-39 ka hatramin’ny faha-43. Nangataka toy izao ny jiolahy iray nihantona teo amin’ny hazo teo anilan’i Jesosy: “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao.” Nanome toky azy i Jesosy fa ho ao amin’ny Paradisa izy. Tsy any an-danitra akory, fa ao amin’ny paradisa an-tany, paradisa mitovy amin’ilay paradisa tany am-boalohany.

Ny fananganana ny maty: loharanom-pampiononana

Izany fahatsinjovan-javatra hamarinin’ny Baiboly izany dia tena mampahery noho izy azo antoka indrindra. Nahoana? Satria Jehovah dia fitiavana (1 Jaona 4:8). Rehefa navelany hiharan’ny fahafatesana nanala baraka ny Zanany, dia nasehon’Andriamanitra ny fitiavany tsy hay refesina. Fotoana fohy talohan’izay dia niteny toy izao i Jesosy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [ny olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16.

Nampiseho fitiavana niavaka koa i Jesosy tamin’ny nanomezany ny ainy ho avotra ho an’ny olona izay hanam-pinoana. Nilaza mihitsy ny tenany hoe: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” — Matio 20:28.

Very hevitra i Carole-Anne, izay voaresaka ao amin’ny lahatsoratra voalohany, rehefa namoy olon-tiany maromaro tamin’ny lozam-piarakodia nahatsiravina iray. Nahazo fampiononana anefa izy rehefa nahafantatra fa tsy mijaly ireo olo-malalany ireo. Inona koa no nanampy azy hizaka io toe-javatra io? Ny fitiavana nasehon’ireo anadahiny sy rahavaviny ara-panahy Vavolombelon’i Jehovah taminy, sy ireo fampiononana feno fahatsorana nomeny azy. — Salamo 34:18.

Nanampy azy betsaka koa ny vavaka nataony tamin’i Jehovah. Matetika no taitra amin’ny alina izy ka miteny anakampo hoe nofy ratsy fotsiny izany tantara rehetra izany, nefa vetivety dia midona amin’ny zava-misy izy. Mahita fahatoniana izy rehefa mitalaho amin’i Jehovah, ary izany dia nahatonga azy hahatakatra lalina kokoa ireto tenin’i Paoly ireto: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:6, 7.

Manome ohatra hafa ny amin’ny fampiononana entin’ny fanantenana fananganana ny maty koa izay nanjo an’i Shirley. Nianjeran’ny vongana rihibato lehibe teo amin’ny tratrany i Riccardo, zanany lahy kely, ka izany dia nahatonga fahavakian’ny fo keliny ary namono azy teo no ho eo. Taorian’io loza nitranga tamin’ny janoary 1986 io dia hoy i Shirley tamin’ireo namany: “Toy ny nofy nahatsiravina ilay izy.” Tany amin’ny eglizy katolika falehany dia reny izao teny izao: “Hitsara ny velona sy ny maty Andriamanitra.” Nahatonga azy hieritreritra toy izao ireo teny ireo: ‘Raha hitsara ny velona sy ny maty Andriamanitra, ahoana no hahafantarana ny toerana alehan’ny maty? Ary raha miakatra any an-danitra izy, nahoana no hatsangana indray avy eo mba hotsaraina? Ary ahoana no hetezan’ny fananganana azy amin’ny maty raha velona any an-danitra izy?’ Tsy milaza na aiza na aiza ny amin’ny fananganana ny velona ny Baiboly; tsy miresaka afa-tsy ny an’ny maty izy.

Nanontany ny vadiny ny amin’izany i Shirley noho izy io nahafantatra ny Baiboly. Rehefa takany izay nolazain’ny Soratra masina ny amin’izany, dia tsy nandeha tany am-piangonana intsony izy. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka taminy sy ny vadiny ny havany iray Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny martsa 1986, ary vetivety dia natao batisa izy ireo. Rehefa manao tazan-davitra ny amin’izany izy, dia nanambara hoe: “Mahatalanjona aoka izany ny mahalala ny fahamarinana sy ny fanantenana ny fananganana ny maty, ary ny mahafantatra fa persona hafa dia hafa i Jehovah!”

Ny fananganana ny maty: rahoviana?

Tao amin’ny fahitana iray no nahitan’i Jaona “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:9.) Koa satria ‘nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra’ ny olona betsaka, dia araka ny fifandrindran-kevitra ny hiheverana fa ireo izay mahaforona azy dia antsoina mba hiaina eto an-tany (Isaia 66:1). Raha maty ny sasany aminy amin’izao fotoana izao, rahoviana izy no hitsangana? Tsy manondro daty ny Baiboly, nefa hitranga ny fananganana azy ireo aorian’ilay ady handringanan’Andriamanitra izay rehetra mandà tsy hanaraka ny fotopoto-pitsipiny marina, ady efa antomotra ankehitriny (2 Tesaloniana 1:6-9). Io ady io dia hialoha ny Andro Fitsarana sy ny fananganana izay rehetra heverin’Andriamanitra fa mendrika ny hiverina eto an-tany (Jaona 5:28, 29; Asan’ny apostoly 24:15). Ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa hitranga tsy ho ela ireo fisehoan-javatra mampientana sy mahatalanjona ireo. — Apokalypsy 16:14-16.

Indray andro dia nanontany an’i Jesosy ireo mpianany nanao hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Tao amin’ny valin-teniny, dia nambaran’i Jesosy mialoha ny hisian’ny ady, mosary, horohoron-tany, areti-mandringana ary ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. — Matio 24:3-14, MN; Lioka 21:7-11.

Tanteraka nanomboka tamin’ny 1914 io faminaniana miavaka io, tamin’ny taona nipoahan’ny Ady Lehibe voalohany. Nahafaty olona an-tapitrisany maro io ady io ary nitarika mosary tany amin’ny tany maro. Mbola nampidi-doza kokoa ihany ny tarehin-javatra manerana ny tany manontolo nandritra sy taorian’ny Ady Lehibe faharoa.

Raha ny amin’ny areti-mandringana, dia ny SIDA no ohatra mahatsiravina indrindra amin’izany. “Mihanaka be loatra sy mamely mafy loatra ilay areti-mifindra ka nahatonga ireo manam-pahaizana manokana hampitaha azy amin’ny pesta mainty izay namono ny ampahefatry ny mponina tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-14.” — Sélection du Reader’s Digest, jona 1987.

Raha oharina amin’ireo zavatra mahatsiravina ankehitriny ireo, fisehoan-javatra hahatalanjona toy inona re ny fananganana ny maty! Amin’ny fotoana hitrangan’izany dia hahita fifaliana tsy ho hay afenina ireo fianakaviana voasaratsaraky ny fahafatesana, toy ny an’i Carole-Anne sy i Shirley, satria ho tafaray izy ireo! Mazava ho antsika tsirairay fa ny lalan’ny fahendrena dia ny fanarahantsika dieny izao ny sitrapon’Andriamanitra mba hamenoana ireo fepetra takina ka ho eo amin’ny fananganana ny maty.

[Sary, pejy 7]

Araka ny Baiboly, toy ny mbola mety hitsimohan’ny hazo tapaka iray, dia toy izany koa no hahafahan’Andriamanitra manangana amin’ny maty ireo izay ao amin’ny fitadidiany. — Joba 14:7-9, 14, 15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara