Ny Fitsipika Volamena — Nahoana izy io no mbola manan-kery?
TSY mihavasoka mihitsy ny tena volamena; izany no antony itiavan’ny olona ny firavaka volamena sy anomezany azy vidiny lafo. Tsy manary ireo zavatra volamena simba akory ireo mpanefy volamena, fa manamboatra io metaly sarobidy io ho tonga asa tanana vaovao indray satria tsy very vidy ny volamena.
Toy izany koa, na dia efa ho 2000 taona aza no nanononan’i Jesosy ny Fitsipika Volamena, dia mbola tsy nihem-bidy hatramin’izao izy io. Raha manamarina na mamotopototra ireo antony mampanan-kery azy foana isika, dia hankasitrahantsika bebe kokoa fa sarobidy ho antsika koa izy io ankehitriny.
Rehefa nanome antsika ny Fitsipika Volamena hoe: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany,” i Jesosy, dia nanampy izy hoe: “Fa izany no lalàna sy mpaminany.” (Matio 7:12) Ahoana no nahatakaran’ireo mpianatr’i Jesosy sy ireo olon-kafa nihaino izany?
“Izany no Lalàna sy Mpaminany”
“Ny Lalàna” dia ireo soratra voalohany izay nahaforona ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, dia ny Genesisy ka hatramin’ny Deoteronomia. Izy ireo dia mampahafantatra ny fikasan’Andriamanitra hamokatra taranaka iray izay hanaisotra ny ratsy. (Genesisy 3:15) Tafiditra ao anatin’ireo boky voalohany ao amin’ny Baiboly ireo ny Lalàna, na ny fitambaran-dalàna, izay nomen’i Jehovah ny firenena Isiraely tamin’ny 1513 al. fan. ir. tamin’ny alalan’i Mosesy mpanalalana teo amin’ny Tendrombohitra Sinay.
Nampisaraka ny Isiraely tamin’ireo firenena mpanompo sampy nanodidina ny lalàn’Andriamanitra, ary tsy nahazo nanao na inona na inona izay hanimba ny fankasitrahan’i Jehovah efa nananany izy ireo. Fananany manokana izy ireo, ary tsy maintsy nijanona ho toy izany hatrany raha ta-hahazo ny fitahiany. (Eksodosy 19:5, MN; Deoteronomia 10:12, 13) Fa ankoatra ireo adidy mifandray amin’Andriamanitra tsy maintsy nofenoiny, ny Lalàn’i Mosesy dia nanonona ny andraikitr’ireo Isiraelita mba hanao soa amin’ireo vahiny tao Isiraely. Izao, ohatra, no voasoratra tao: “Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta hianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” (Levitikosy 19:34) Nandritra ny fe-potoana nanjakan’ireo mpanjaka tany Isiraely, ireo vahiny dia nahazo tombontsoa maro be, toy ny fandraisana anjara tamin’ny fanaovana ny tempolin’Andriamanitra tany Jerosalema. — 1 Tantara 22:2.
Nandrara ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra ary ny fitsiriritana ny Lalàna nomena ny Isiraely. Ireo baiko ireo “mbamin’izay didy hafa rehetra,” dia azo nofintinina tamin’ilay fitsipika hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Nanampy toy izao ny Apostoly Paoly: “Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.” — Romana 13:9, 10.
Raha ny Lalàna no tena fototry ny Fitsipika Volamena, ahoana kosa àry ny amin’ireo “Mpaminany”?
Manantitrantitra ny mbola maha-ara-dalàna ny Fitsipika Volamena toy izany ihany koa ireo boky ara-paminaniana ao amin’ny Soratra hebreo. Mampiseho an’i Jehovah ho toy ny Andriamanitra manatanteraka amim-pahatokiana ny fikasany izy ireo. Mitahy ireo mpanompony matoky izy, satria na dia tsy tanteraka aza ireo dia miezaka manao ny sitrapony ary maneho fibebahana marina noho ireo asa feno fikomiana nataony. “Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; mitsahara fa aza manao ratsy; mitsahara fa aza manao ratsy; mianara hanao ny tsara, diniho izay rariny, anaro ny mpanompony, omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ny mpitondratena. — Isaia 1:16, 17.
Rehefa nanao izay tsara tamin’ny hafa sy tamin’Andriamanitra ny vahoakan’i Jehovah dia azon’izy ireo antoka ny fanohanany. “Izao no lazain’i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina (...) Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany.” — Isaia 56:1, 2.
Mitarika ny Kongregasionany i Kristy
Tonga mba hanatanteraka ny Lalàna sy ireo Mpaminany i Kristy, ary nanomboka hatreo dia nihanandroso ny fikasana mandrakizain’i Jehovah. (Matio 5:17; Efesiana 3:10, 11, 17-19) Ny Lalàn’i Mosesy tranainy dia nosoloana fanekena vaovao, izay mahafaoka ireo kristiana voahosotra jiosy sy jentilisa. (Jeremia 31:31-34) Na dia izany aza, ny kongregasiona kristiana amin’izao androntsika izao dia mbola manaraka ny Fitsipika Volamena ihany. Ary indro misy antony fanampiny tokony hanekentsika ny mbola maha-ara-dalàna io Fitsipika io: Mbola Lohan’ny kongregasiona kristiana ihany i Kristy. Tsy nanova ireo didiny izy. Mbola manan-kery ihany ny torohevitra avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra nomeny.
Talohan’ny nandaozany ity tany ity i Jesosy dia nanome baiko ny mpanara-dia azy mba hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra ary hampianatra azy “hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Tafiditra ao anatin’izany ny Fitsipika Volamena. Nanome toky ny mpianany toy izao i Jesosy: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” — Matio 18:19, 20.
Araka ny nilazan’ny Lioka 6:31 azy, dia nanome baiko i Jesosy hoe: “Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.” Ohatra tsara toy inona moa no nomen’i Jesosy tamin’ny fanaovana ny dingana voalohany mba hanaovana soa ho an’ny hafa!
Nandritra ny fanompoany teto an-tany, i Jesosy dia nandinika tamim-pitandremana izay nozakain’ny vahoaka, ary dia niara-ory taminy izy. Nandritra ny iray tamin’ireo fandehanany nitory, dia nahita ireo vahoaka maro be izy ary dia onena azy ireo izy. Kanefa ankoatr’izany, dia nanao fandaharana mba hanampiana azy ireo izy. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fandaminana fitoriana amin’ny lafiny lehibe izay nitondra ireo mpianany ho any an-tranon’ireo olona ireo. Izao ny torolalana nomeny: “Izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay mendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.” Hita amin’ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto fa notohanan’ny Rainy sy notahiny io asa io: “Izay mandray anareo dia mandray ahy; ary izay mandray ahy dia mandray izay naniraka ahy (...) Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka ihany aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.” — Matio 9:36 ka hatramin’ny 10:42.
Hita amin’izao fanazavana nataon’i Jesosy tamin’ny fotoana iray hafa izao koa fa mamporisika ho amin’ny asa manorina ho fanasoavana ny hafa ny Fitsipika Volamena: “Raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? Fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy. Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany. Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa (...) dia ho lehibe ny valim-pitianareo.” (Lioka 6:32, 33, 35) Araka izany àry, ny fanarahantsika ny Fitsipika Volamena izay mbola manan-kery, dia hamporisika antsika hanao ny dingana voalohany mba hanao soa na dia amin’ireo olona tsy fantatsika manokana aza.
Mbola manan-kery sady mbola misy vokany
Ny porofo mampiaiky indrindra fa mbola manan-kery ny Fitsipika Volamena angamba dia avy amin’ireo fisehoan-javatra niainan’ireo manaraka azy. Ireo kristiana izay mitondra tena isan’andro mifanaraka amin’ireo lalàn’Andriamanitra dia mahita fifaliana lehibe, ary fitahiana tsy nampoizina koa matetika. Tamin’ny fisehoana ho manaja olona sy tsara fanahy tamin’ireo olona niasa tao amin’ny trano fitsaboana nidirany, ny vehivavy kristiana iray dia nahatsapa fa izy no nandray soa satria nanao mihoatra noho izay tokony ho nataony ireo mpitsabo sy mpanampy ny mpitsabo mba hikarakarana azy.
Ireo Vavolombelon’i Jehovah mandray anjara amin’ny fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana haingana dia manamarina ihany koa fa mbola manan-kery ny Fitsipika Volamena. Mitsidika amim-pahatsaram-panahy ireo olona mipetraka manodidina ny toerana hanaovana ilay Efitrano izy ireo mba hampahafantatra azy izay kasainy hatao, ary matetika dia mahita valin-teny sy fihetsika manorina izy ireo. Misy olona izay nanohitra ireo Vavolombelon’i Jehovah teo aloha, mahita izao fa manao soa ny mpiara-belona aminy izy ireo, ary hitan’ny tenany manokana ny fiaraha-miasan’ny vahoakan’Andriamanitra. Ny vokatr’izany dia nanolotra ny hanampy tamin’ny fanaovana ilay Efitrano ny sasany, na nivantana na tamin’ny fanaovana izay hahazoany ny entana izay nilainy. — Ampitahao Zakaria 8:23.
Rehefa nandeha hividy sakafo teny amin’ny mpivarotra iray ny Vavolombelon’i Jehovah iraniana iray mipetraka any Londres, any Angletera, dia nanompa azy ny tompon’ilay fivarotana satria hafa firenena noho izy io. Tsy nampihontsina ilay Vavolombelona izany fa nanazava tamin-katsaram-po sy tamin’ny fahaiza-mamaly izy fa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy, dia tsy manam-piheverana ratsy momba ireo olona avy amin’ny firenena hafa izy. Mifanohitra amin’izany aza fa mitsidika ny olona rehetra eo amin’ny manodidina azy izy mba hiresahana momba ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Inona no vokany? Nomen’ny tompon’ilay fivarotana entana ho fanampin’ireo sakafo novidiny ilay Vavolombelona.
Tsy isalasalana fa tsy voafetra ho amin’ny fampisehoana hatsaram-po madinika toy izany akory ny Fitsipika Volamena. Azo antoka fa ny fampisehoana lehibe indrindra ny fanarahana azy dia ny soa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany amin’ny fitsidihany tsy tapaka ireo mpiara-belona aminy any an-tokantranony mba hiresahana ny amin’ny hafatra momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny fanarahana ny Fitsipika Volamena eo amin’ny fiainantsika
Raha ta-hanaraka ny Fitsipika Volamena ianao dia tokony hitodika any amin’ny hafa. Fitsipika manorina mitarika ny fomba fiainana izy io. Mila ny mitady fomba hanaovana soa amin’ireo manodidina anao ianao. Mitodiha any amin’ny hafa ary miahia ny aminy, ary manàna fiheverana manokana azy! (Filipiana 2:4, MN ) Raha manao izany ianao, dia hijinja fitahiana maro be. Hanaraka izao torohevitr’i Jesosy izao ianao: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.” (Matio 5:16) Ho valin’izany dia i Jehovah no ho Mpamaly soa anao raha mazoto mitady azy ianao ary manaraka ny Fitsipika Volamena isan’andro eo amin’ny fiainanao. — Hebreo 11:6.