FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/2 p. 4-6
  • Milaza inona ho anao ny Didy Folo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Milaza inona ho anao ny Didy Folo?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny dikan’ireo Teny Folo tamin’ny Isiraely
  • Fomba fihevitra tsy maintsy novàna
  • Ny tokony ho dikany ho antsika
  • Eo ambanin’ny Didy Folo ve isika?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Inona no Atao hoe Didy Folo?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Sabata
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Lalàn’ny Fitiavana Voasoratra ao Am-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/2 p. 4-6

Milaza inona ho anao ny Didy Folo?

TELO volana taorian’ny nanafahana azy ireo avy tany Egypta tamin’ny 1513 al. fan ir., dia nitoby tany an’efitra teo anoloan’ny Tendrombohitra Sinay ireo Isiraelita. Nantsoin’i Jehovah i Mosesy mpaminany ka niakatra ilay tendrombohitra, ary nahare an’Andriamanitra nampanantena azy fa hataony ‘ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra’ ny firenena Isiraely. Avy eo dia nampitain’i Mosesy tamin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ireo loholona teo amin’ny firenena i Mosesy. “Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” — Eksodosy 19:1-8.

Taorian’izay dia nambaran’Andriamanitra tamin’i Mosesy tsotra fotsiny ireo Didy Folo, tamin’ny filazana izao teny fampidirana izao: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana.” (Eksodosy 20:2). Io “Décalogue” io dia natao ho an’ireo Isiraelita, izay nilazàn’i Jehovah tao amin’ny Didy Voalohany hoe: “Aza manana andriamani-kafa fa Izaho, ihany.” — Eksodosy 20:3.

Taorian’ireo Didy Folo, dia nanome an’i Mosesy lalàna hafa natao ho an’ny Isiraely i Jehovah. (Eksodosy 20:4 ka hatramin’ny 23:19). Niisa teo amin’ny 600 teo ho eo ny fitambaran’ireny lalàna ireny. Ary hafaliana toy inona ho an’ireo Isiraelita moa ny fahafantarana fa hialoha azy ireo ny anjely iray mba hanomanana ny lalana ho any amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra! (Eksodosy 23:20-22) Nanambara toy izao i Jehovah: “Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan’ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin’ny tany rehetra sy tany amin’ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin’ny fiombako anao.” Inona no takin’Andriamanitra amin’ny vahoakany ho valin’izany? “Tandremo izay andidiako anao anio.” Eny tokoa, tsy maintsy nankatò ireo lalàna sy fitsipik’i Jehovah rehetra izy ireo. — Eksodosy 34:10, 11.

Ny dikan’ireo Teny Folo tamin’ny Isiraely

Noho ny fiarovan’Andriamanitra azy ireo tamin’ny nandaozany ny fahandevozana egyptiana, ireo Isiraelita dia tonga nahafantatra ny anaran’Andriamanitra tamin’ny heviny vaovao. Tonga ilay Mpanafaka azy i Jehovah. (Eksodosy 6:2, 3) Ho vokatr’izany, dia nandray dikany manokana ho azy ireo ny Didy Fahatelo, satria nandrara azy tsy hanonona foana ny anaran’Andriamanitra izany. — Eksodosy 20:7.

Ahoana anefa ny amin’ny Didy Fahefatra, izay mifandray amin’ny andro Sabata? Io didy io dia manantitrantitra ny fanajana ireo zavatra masina, araka ny nasehon’i Jehovah azy teo aloha rehefa nanorina “ny fankalazana ny Sabata” izy tamin’ny fotoana nanangonana ny mana. (Eksodosy 16:22-26). Noho ny tsy fankatoavan’ireo Isiraelita sasany avy hatrany izany, dia nampahatsiahivan’i Jehovah mazava tsara izy ireo fa efa nanome azy io lalàna io izy. “Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata’ (...). Dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito.” (Eksodosy 16:29, 30). Tatỳ aoriana, dia nasehon’i Jehovah fa izy ireo ihany no voafaoka tamin’izany fandaharana izany, tamin’ny filazana hoe: “Ho famantarana amiko sy amin’ny Zanak’Isiraely mandrakizay izany.” — Eksodosy 31:17.

Ary izao dia diniho ilay Didy Fahafolo izay manokana indrindra, ary mandrara ny fitsiriritana. Izy io dia lalàna tsy azon’ny olombelona na iza na iza anerena ny hafa hanaraka azy. Ny Isiraelita tsirairay avy dia nampamoahin’ilay Andriamaniny, dia i Jehovah izany, izay mandinika ny fon’ny tsirairay mba hahitana ny antony manosika azy hanao zavatra. — Eksodosy 20:17; 1 Samoela 16:7; Jeremia 17:10.

Fomba fihevitra tsy maintsy novàna

Nilaza toy izao tamin’ireo mpianany i Jesosy Kristy, izay teraka tao amin’ny firenena Isiraely: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.” (Matio 5:17). Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ireo Hebreo nivadika ho kristiana: “Ny lalàna (...) [dia] misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany.” (Hebreo 10:1). Raha ohatra ianao ka Hebreo iray nivadika ho kristiana, ahoana no ho nahazoanao ireo teny ireo? Ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona kristiana voalohany dia nino fa mbola nihatra taminy ireo lalàna an-jatony maro rehetra, anisan’izany ireo Didy Folo, izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy. Kanefa marina ve izany fomba fihevitra izany?

Diniho ireto tenin’i Paoly nataony tamin’ny Jiosy tonga kristiana tao amin’ny faritanin’i Galatia ireto: “Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ny jentilisa, nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna.” (Galatiana 2:15, 16). Marina tokoa izany, satria tsy niankina tamin’ny fankatoavana amin’ny fomba tanteraka ny Lalàn’i Mosesy akory ny fanamarinana azy teo imason’Andriamanitra, satria tsy ho vitan’ny olombelona tsy tanteraka izany. Nanampy toy izao i Paoly: “Izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana; fa voasoratra hoe: “Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna”. (...) Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy.” — Galatiana 3:10-13.

Raha tsy teo ambanin’ny ozon’ny Lalàna intsony ireo Jiosy mpanaraka an’i Jesosy Kristy, moa ve ho voatery hankatò ireo lalàna rehetra nomena ny Isiraely ireo kristiana hafa? Ho an’ireo tany Kolosia, dia izao no nosoratan’i Paoly: “Navelany [Andriamanitra] ny fahadisoantsika rehetra; ary novonoiny ny soratànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazofijaliana [ny an’i Kristy].” (Kolosiana 2:13, 14). Tsy isalasalana fa nila ny hanova ny fomba fiheviny ny maro tamin’ireo kristiana voalohany, sy ny hanaiky fa “efa afaka tamin’ny lalàna” izy ireo. (Romana 7:6.) Tamin’ny fanehoana finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy, izay namarana ny Lalàna sy nitarika ho amin’ny fanokafana ny “fanekena vaovao” ara-paminaniana, dia nanana fahatsinjovana ny hohamarinina teo imason’i Jehovah izy ireo. — Jeremia 31:31-34; Romana 10:4.

Ny tokony ho dikany ho antsika

Milaza ve izany fa tsy manan-keviny intsony mihitsy ho an’ny kristiana ny Didy Folo? Tsy izany velively! Na dia tsy voatery hanaraka ireo Teny Folo aza ny kristiana, izy ireny dia mbola toy ny mpitari-dalana tsara dia tsara ihany, toy izany koa ireo lalàna hafa ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Jesosy, ohatra, dia nilaza fa ireo didy roa lehibe indrindra dia mitaky ny hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana (Levitikosy 19:18; Deoteronomia 6:5; Matio 22:37-40). Rehefa nanome torohevitra ireo kristiana romana i Paoly dia nanonona ny didy fahenina, fahafito, fahavalo ary ny fahafolo, ka nanampy hoe: “(...) mbamin’izay didy hafa rehetra dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”” — Romana 13:8, 9.

Noho izany àry, amin’ny maha-anisan’ny Teny nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra azy, inona no zava-kendren’ny Didy Folo amin’izao andro izao? Mampiharihary ny fomba fijerin’i Jehovah zavatra izy ireo (2 Timoty 3:16, 17). Diniho hoe amin’ny fomba ahoana:

Ireo didy efatra voalohany dia mampisongadina ireo andraikitsika amin’i Jehovah. (Voalohany) Andriamanitra mbola mitaky fifikirana aminy manokana izy (Matio 4:10). (Faharoa) Tsy tokony hampiasa sary na iza na iza amin’ireo mpanompony (1 Jaona 5:21). (Fahatelo) Tokony ho amin’ny fomba mety sy amim-pahendrena ary tsy hampiseho tsy fanajana mihitsy ny fampiasantsika ny anaran’Andriamanitra (Jaona 17:26; Romana 10:13). (Fahefatra) Tokony hihondinkodina eo amin’ny zavatra ara-panahy ny fiainantsika iray manontolo. Izany dia hanampy antsika mba hitsahatra, na ‘hanao sabata fitsaharana’, amin’ny asa fanamarinan-tena. — Hebreo 4:9, 10.

(Fahadimy) Mbola vatofehizoro iorenan’ny firaisan’ny fianakaviana ihany fankatoavan’ny ankizy ny ray aman-dreniny, ary mitondra ny fitahian’i Jehovah izany. Ary fanantenana tsara dia tsara toy inona moa no atolotr’io “didy voalohany misy teny fikasana” io! Tsy hoe fotsiny “mba hahita soa hianao”, fa mba “ho maro andro ambonin’ny tany” koa. (Efesiana 6:1-3.) Amin’izao “andro farany” amin’izao fandehan-javatra ratsy iainantsika izao, ny fankatoavana araka an’Andriamanitra asehon’ny tanora toy izany dia manolotra ho azy ireo ny fahatsinjovana ny tsy ho faty mihitsy. — 2 Timoty 3:1; Jaona 11:26.

Ny fitiavantsika ny namantsika dia hanakana antsika tsy hanisy ratsy azy amin’ny fanaovana asa ratsy toy ny (Fahenina) famonoana olona, (Fahafito) ny fanitsakitsaham-bady, (Fahavalo) ny fangalarana, ary (Fahasivy) ny filazana lainga ho vavolombelona tsy marina (1 Jaona 3:10-12; Hebreo 13:4; Efesiana 4:28; Matio 5:37; Ohabolana 6:16-19). Ary ahoana ny amin’ny antony manosika antsika? Ny didy (Fahafolo) mandrara ny fitsiriritana, dia mampahatsiahy antsika fa mitaky ny hananantsika fikasana mahitsy foana eo imasony i Jehovah. — Ohabolana 21:2.

Halalim-pahazavana toy inona moa no hitantsika ao anatin’ireo Didy Folo! Mifototra amin’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra izay tsy ho lany andro velively izy ireo, ary tokony hoheverintsika ho toy ny fampahatsiahivana sarobidy ny amin’ny andraikitsika ho tia an’Andriamanitra sy ny namantsika. — Matio 22:37-39.

[Sary, pejy 6]

Ny fahafatesan’i Jesosy dia namarana ny Lalàna, anisan’izany ny Didy Folo izay nomena ny Isiraelita teo amin’ny Tendrombohitra Sinay

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara