FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/2 p. 21-23
  • ‘Aoka ho levona ireo tsy tia an’Andriamanitra!’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Aoka ho levona ireo tsy tia an’Andriamanitra!’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiandohan’ny fiainan’i Polycarpe
  • Fiarovana ireo fahamarinana fototra
  • Ny asany tany Smyrna
  • Iza moa ireo tsy tia an’Andriamanitra?
  • Miezaha Mafy ho Mpandresy
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Marina ve ny Fampianaran’ireo Ray Apostolika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Smyrna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • ‘Fanoherana izay lazaina hoe Fahalalana — Kanjo tsy izy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/2 p. 21-23

‘Aoka ho levona ireo tsy tia an’Andriamanitra!’

NIHEVITRA azy ho tsy tia an’Andriamanitra ny maro, ho lehilahy nitady hamporisika azy tsy hanompo sy hanapotika ireo andriamaniny. Nohamavoina sy nohambanina izy, ary nentina teo anatrehan’ny vahoaka tafavory. Rehefa nanontany azy ny governora, dia nandroso indray mandingana tamim-pahamendrehana ny lehilahy iray 86 taona ary nampahafantatra ny tenany. I Polycarpe no anarany.

Nanohy ny teniny toy izao i Statius Quadratus, governora romana tao amin’ny provansa: “Mianiàna amin’ny harenan’i Kaisara; ovay ny sainao ary mitenena hoe: Ho levona anie izay tsy mino an’Andriamanitra!” Tamin’izay dia nibanjina ny vahoaka betsaka voaforon’ny mpanompo sampy tsy nanan-dalàna izay nameno ny kianja filalaovana i Polycarpe. Rehefa naninjitra ny tanany teny aminy izy, dia nisento ary niandrandra ny lanitra sady niteny hoe: “Aoka ho levona ny tsy mino an’Andriamanitra!” Izany hoe: ‘Aoka ho levona ny tsy tia an’Andriamanitra!’

Tamin’izay dia niteny tamim-panerena kokoa ilay governora romana nanao hoe: “Miozòna dia halefako ianao; teneno ratsy i Kristy.” Namaly toy izao anefa i Polycarpe: “Efa ho enina amby valopolo taona izao no nanompoako Azy, ary tsy mbola nanisy ratsy ahy izy. Koa ahoana no hahafahako hiteny ratsy ny Mpanjakako izay namonjy ahy?”

Natao àry ny fiomanana ny famonoana ilay anti-dahy. Holevonina amin’ny afo ny nofony. Inona no antony? Fa iza moa i Polycarpe? Toe-javatra inona no nitarika azy ho amin’io fahafatesana io?

Ny fiandohan’ny fiainan’i Polycarpe

Teraka tany amin’ny taona 69 am. fan. ir. izy, tany Azia Minora, tao amin’ny tanànan’i Smyrna (Izimir ankehitriny, tanàna tiorka). Nolazaina fa notezain’ny ray aman-dreny kristiana izy. Nihalehibe tamin’ny naha-lehilahy mendri-kaja sy ambony fisainana i Polycarpe, ary nalaza noho ny fahalalan-tanana, ny fahafoizan-tena, ny fitondrana tamin-katsaram-panahy ny hafa, ary ny fianarana tamim-pitandremana ny Soratra masina. Tatỳ aoriana, dia lasa mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona tany Smyrna izy.

Nolazaina fa nandritra ireo taonany voalohany, i Polycarpe dia nanana tombontsoa nianatra nivantana tamin’ny apostoly sasany. Toa miharihary fa anisan’ny nampianatra azy ny apostoly Jaona. Raha ny marina, dia nilaza i Irénée fa i Polycarpe dia “tsy hoe nampianarin’ny apostoly sy nanana fifandraisana tamin’ireo izay nahita maso an’i Kristy fotsiny, fa notendren’ny apostoly ho any Azia, ho mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana any Smyrna koa.” Azontsika alaina sary an-tsaina ny fifaliana sy ny fahafaham-po noraisin’i Polycarpe avy tamin’izany fiarahana nampandroso izany! Tsy maintsy nanampy tamin’ny fampitaovana azy tamin’ny fanendrena azy ho mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona izany. — Asa. 20:28; 1 Petera 5:1-4.

Fiarovana ireo fahamarinana fototra

Ny asa fiandraiketan’i Polycarpe ny kongregasiona dia nanomboka tamin’ireo taom-pitsapana nisehoan’ny fivadiham-pinoana voambara (2 Tesaloniana 2:1-3). Toa naniry ny handany hery tamin’ny fanampiana ny hafa izy. Noho izany, rehefa nankany Roma i Ignace avy tany Antiokia (any Syria) mba ho faty maritiora, ka nangataka ny Filipiana mba handefa taratasy any amin’ny kongregasiona niaviany, dia niahy izay hahatongavan’izany i Polycarpe tany Smyrna. Tamin’izay fotoana izay no nandefasany ny taratasiny ho an’ny Filipiana.

Ahitantsika fanamafisana fahamarinana sasany avy ao amin’ny Soratra masina ny taratasin’i Polycarpe ho an’ny Filipiana. Navahany Andriamanitra sy Kristy, ny Ray sy ny Zanaka, ary nambarany fa “araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy”, no hahazoantsika famonjena. Nampitandrina tamin’ny fitiavam-bola i Polycarpe, ary nampahatsiahy ny mpamaky azy fa ny mpijangajanga sy ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra (jereo 1 Timoty 6:10; 1 Korintiana 6:9, 10). Namporisihiny koa ny vehivavy mba ho tia ny vadiny, ary ireo loholona mba haneho “fangoraham-po sy famindrampo”. Namporisihina ho “be zotom-po amin’ny fikatsahana izay tsara” ny rehetra. Farany, dia niangavy toy izao i Polycarpe: “Enga anie Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny Tenan’i Jesosy Kristy mihitsy, izay Zanak’Andriamanitra sady Mpisoronabe mandrakizay ho antsika, hampiorina anareo amin’ny finoana sy ny fahamarinana, sy amin’ny fahalemem-panahy rehetra, hatsaram-panahy, faharetana sy ny fahari-po ary ny fahadiovana!”

Nanonona imbetsaka ny Soratra masina i Polycarpe. Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipiana izy dia naka teny avy ao amin’ny Matio, Asan’ny apostoly, Romana, 1 Korintiana, 2 Korintiana, Galatiana, Efesiana, 2 Tesaloniana, 1 Timoty sy 1 Petera ary toy izany amin’ny tapany hafa amin’ny Soratra masina. Asehon’izany amintsika fa fara fahakeliny dia nisy olona nilaza tena ho kristiana nitady hifikitra tamin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra masina nandritra ny fotoan-tsarotra nanaraka ny nahafatesan’ny apostoly.

Ny asany tany Smyrna

I Smyrna, tanàna amorontsirak’i Azia Minora, dia foibe ara-barotra nandroso sady be raharaha. Foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny Fanjakana koa izy io. Ohatra, nahitana sarina emperora romana natao ho andriamanitra mivohitra teo amin’ny vola sy soratra voasokitra. Nataon’ny fahefan’ny emperora izay hampandroso ny fivavahan’ny mpanompo sampy nisy filôzôfia.

Niharihary fa maro tamin’ireo anisan’ny kongregasiona tany Smyrna no nahantra ara-nofo. Tamin’ny fotoana iray anefa, dia noderaina izy ireo noho ny harenany ara-panahy. Fampaherezana toy inona moa no tsy maintsy tsapan’ireo kristiana tany Smyrna rehefa nandre ny tenin’i Jesosy nambaran’ny apostoly Jaona! Hoy i Kristy tamin’ny “anjely” na mpiandraikitra voahosotra tao Smyrna: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’i Satana. Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.” — Apokalypsy 2:8-10.

Tsy isalasalana fa nifandray nivantana tamin’ny fiandrasana tsara nataon’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona ny harena ara-panahy nety ho nananan’ireo kristiana tany Smyrna. Iray tamin’ireo fe-potoana voamariky ny ady ara-pivavahana nisavoritaka izany, ary niasa teo anivon’ny zavatra inoana sy fanompoam-pivavahana nifanipaka ireo anisan’ny kongregasiona. Ny faritany nitorian’izy ireo dia heniky ny fanao araka ny demonia, toy ny famosaviana sy ny fanandroana, ary noho izany dia nanjaka ny rivo-piainana tsy tia an’Andriamanitra.

Ho fanampin’izany fanoheran’ny sarambaben’olona mpanompo sampy izany dia teo ny fankahalana mangidy nasehon’ireo Jiosy. Rehefa novonoina ho maritiora i Polycarpe tamin’ny 23 febroary taona 155 am. fan. ir., dia nandray anjara tamin’ny fanangonana kitay ireo Jiosy nirehitra fatratra. Nanao izany izy ireo na dia natao nandritra ny andro Sabata lehibe aza ilay famonoana.

Iza moa ireo tsy tia an’Andriamanitra?

Nikasa hijanona tao Smyrna ka hiatrika ny loza i Polycarpe rehefa tonga nitady azy ny fahavalony. Noho ny fanerena nataon’ny hafa anefa, dia nankany amin’ny toeram-piompiana tsy lavitra teo izy. Rehefa nanjary fantatra izay nisy azy, dia nanda ny handositra indray mba tsy ho tratran’ireo nitady azy izy, fa izao fotsiny no nambarany: “Atao anie ny sitrapon’Andriamanitra.”

Niditra teo amin’ny kianja filalaovana i Polycarpe, ary nitsangana teo anatrehan’ny governora sy ny vahoaka be nisamboaravoara. Raha tsy nitsahatra namporisika azy haneho fanajana feno fanompoam-pivavahana an’i Kaisara ny governora, dia namaly tamim-pahatsorana i Polycarpe hoe: “Kristiana aho. (...) Raha ta-hahalala ny anton’ny Kristianisma ianareo, dia omeo andro iray monja aho dia ho renareo izany.” Namaly ny governora hoe: “Andramo amin’ny vahoaka ny fanaporofoan-kevitrao.” Hoy anefa i Polycarpe: “Ianao no heveriko hanaovana izany, satria nampianarina anay ny fanehoana fanajana sahaza ny fahefana sy ny fanapahana (...) raha mbola tsy manimba anay izany.” Fotoana fohy taorian’izay, dia nodorana ho faty i Polycarpe noho izy tsy nanda an’i Jesosy Kristy.

Andriamanitra irery ihany no afaka mamaritra ny toeran’i Polycarpe amin’ny maha-kristiana. Ahoana ny amin’ny ankehitriny? Vahoaka sesehena amin’ny kristiana marina koa no vonona ny tsy handa an’i Kristy. Ambaran’izy ireo kosa aza fa izy no Mpanjaka mesianikan’Andriamanitra nahazo fiandrianana any an-danitra. Ambaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo koa fa tsy ho ela isika dia hahita ny fahatanterahan’ny teny ara-paminaniana nataon’i Jesosy mikasika ny “fahoriana lehibe”, ilay loza aman’atambo lehibe indrindra tsy mbola nisy toy izany teto ambonin’ny tany. Tsy milaza fifaranan’ny taranak’olombelona akory izany, fa ny an’ny faharatsiana kosa. Azo atao ny ho tafita velona ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana, ny filaminana ary ny hafaliana. — Matio 24:13, 21, 34; 2 Petera 3:13.

Iza no hifidy ny hiady amin’ny mpitondra hafatra mahafaly toy izany? Tsy misy afa-tsy ireo tena tsy tia an’Andriamanitra, na dia toa “manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” aza izy (2 Timoty 3:5). Nohajambain’ny fampianaran’ny fivavahan-diso ny sain’ny sasany, ary ny hafa dia “manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:1.) Amin’izao andro izao, dia miaritra fijaliana izay tonga hatramin’ny fahafatesana aza indraindray ny kristiana, avy amin’ny tanan’ireo tsy tia an’Andriamanitra. Tsy ho faty antoka mihitsy anefa ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, satria hahazo ny fiainana mandrakizay izay fanomezan’Andriamanitra izy ireo. Eo am-piandrasana, dia mitoetra ho mpiaro tsy azo hozongozonina ny fahamarinana avy ao amin’ny Soratra masina ireo mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra tsy mivadika ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara