Ny fitiavam-pivavahana — Mahasoa amin’ny zavatra rehetra
FANTATRY ny Vavolombelon’i Jehovah fa ‘ny fifikirana amin’Andriamanitra [fitiavam-pivavahana] dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra’ ary tena ilaina ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina. (1 Timoty 4:8, MN ). Raha tsy misy azy io, dia fombafomba ivelany fotsiny ny fivavahana. “Ny fitiavam-pivavahana” àry izany dia anarana tena nety ho an’ireo fivoriamben’ny distrika maro nalamin’izy ireo nanomboka tamin’ny jona 1989.
Tamin’ny volana aogositra 1989, dia nisy fivoriambe telo tamin’ireny, natao tany Polonina tao anatin’ny hafaliana be tsy nisy toy izany. Tamin’ny volana may talohan’io mantsy no neken’ireo manam-pahefana ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany io. (Jereo ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 desambra 1989, mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba ireo fivoriambe tany Polonina.) Andeha hojerentsika eto indray ny fandaharan’io fivoriambe io araka ny nampisehoana azy tany Polonina.
Piqtek w Poznaniu (ny zoma tany Poznan)
Olona 55 000 no nanao fihetsiketsehana tamin-tabataba be tamin’ny jona 1956 mba hangataka mofo sy fahafahana. Izany dia niafara tamin’ny fahafatesan’ny olona maherin’ny 50 ary ny fiforonan’ny fitondram-panjakana polone vaovao. 33 taona atỳ aoriana, tao amin’ny tarehin-javatra nifanohitra be tamin’izany, ny kristiana nilamina maro dia niara-nivory tao anatin’ny rivo-piainana voamariky ny habetsahan’ny mofo ara-panahy sy ny fahafahana kristiana, mba hihaino lahateny maromaro nifototra tamin’ny foto-kevitry ny zoma, dia ny hoe “Aoka isika hanompo Andriamanitra iray mitaky fifikirana aminy irery ihany”. Ny tampon’isan’ireo nanatrika tao ny alahady dia nahatratra 40 442.
Taorian’ny lahateny fiarahabana nataon’ny prezidà sy ny fanadinadinana olona sasantsasany izay “miaina amim-pitiavam-pivavahana”, dia nisy torohevitra azo ampiharana nomena tao amin’ny lahateny hoe “Tandremo ny vava ratsy”. Mora erỳ ho an’ny resadresa-poana ny ho tonga fifosana mandratra! Ary mety hitarika ho amin’ny fanendrikendrehana mahafaty mihitsy aza ny fifosana manimba. Kanefa alohan’ny hiresahany momba ny hafa, dia manontany tena amim-pahendrena toy izao ny kristiana matotra maniry ny hitana ny filaminana sy ny firaisan-tsaina: ‘Ho nilaza izany ve i Jesosy? Ilaina holazaina ve izany? Hampahery ve izany? Inona no antony mahatonga ahy hilaza izany?’
Nisy zavatra nampiavaka ireo fivoriambe tany Polonina, dia ny fotoana natokana isan’andro mba hihainoana ny fitantarana nataona Vavolombelona avy any amin’ny tany hafa. Ny fitantaran’ireo solontena avy amin’ny tany 24 dia nanantitrantitra fa tena misy fianakaviana iraisam-pirenena tokoa tafaray marina noho ny fanekeny fa “mitaky fifikirana aminy irery ihany i Jehovah”. Koa satria mendrika ny hahazo izany fifikiran’ny mpanompony aminy izany i Jehovah, izy ireo dia tsy maintsy maneho firaiketam-po sy fanompoam-pivavahana aminy tsy mizarazara. Ny ohatr’i Jesosy dia mampiseho fa tsy manome toerana ho an’ny fanompoana matimaty ny fifikirana amin’Andriamanitra irery ihany.
Mahakasika izay rehetra ataontsika ny fifikirantsika amin’Andriamanitra. Araka izany, dia nisy lahateny nizara telo nampitandrina ny kristiana mba ‘tsy haniasia’ raha ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, ny fomba fitafy sy ny fisehoana ivelany, ary ny fialam-boly. Ny hatendan-kanina sy ny fimamoana dia samy endriky ny fieremana izay manadombo ny fahaiza-manava-javatra ara-panahy, miteraka zava-manahirana ara-pahasalamana, manosika ho amin’ny fitondrantena ratsy ary mitarika ho amin’ny loza. Tsy maintsy halavirina ireo bikan’akanjo tafahoatra loatra, dia ireo izay tsy maotina, hafahafa, adaladala, na manafintohina mihitsy aza. Ireo akanjo misavoritaka sy tsy voakaly na manara-tena loatra dia tsy mety ho an’ny kristiana. Tsy ny maha-ara-damaody ny akanjo iray no zava-dehibe fa ny hoe: mety amin’ny minisitr’Andriamanitra ve izany? Ary ny fialam-boly voaloton’ny fikomiana, ny herisetra, ny zavatra mahadomelina, ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy na ny fahalotoam-pitondrantena dia tsy natao ho an’ny kristiana. — Filipiana 1:27.
Nanomboka tamin’ny lahateny hoe “ ‘Ny mpanompo mahatoky’ sy ny Kolejy Foibeny” ny fandaharana ny zoma tolakandro. Azon’i Jehovah antoka ny tsy fivadihan’ireo zavaboariny mahatoky, hany ka zarainy aminy ny fahefany. Izany koa no ataon’ny Zanany. Amin’ireo mpanara-dia azy voahosotra, dia “ny mpanompo mahatoky sy malina”, no nifidianany mpikambana sasantsasany mba hahaforona kolejy foibe iray hita maso (Matio 24:45, MN ). Tamin’ny taonjato voalohany, dia ireo apostoly sy loholona maromaro hafa tao Jerosalema no nahaforona azy io.
Amin’izao androntsika izao, dia nampifangaroina tamin’ny biraon’ny fanoratan’ny Fikambanana Watch Tower sy ny fitambaran’ireo mpitantan-draharaha ao aminy ny Kolejy Foibe. Hafa noho io fikambanana neken’ny lalàna io anefa ny Kolejy Foibe, araka ny nosoritan’ilay mpandahateny toy izao: “Koa satria araka ny lalàna fotsiny ny fisian’io fikambanana io, izay tsy maintsy manana ny foibeny amin’ny toerana voafaritra tsara, dia azon’i Kaisara, na ny fanjakana, atao ny manafoana azy.” Tsy toy izany anefa ny Kolejy Foibe, izay tsy fitaovana araka ny lalàna, fa “notendren’ny fanahy masina teo ambany fitarihan’i Jehovah sy Kristy” ireo mpikambana ao aminy. Noho izany àry dia manohy miasa sy mahazo ny fanohanana tsy misy fepetra avy amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ny Kolejy Foibe.
Dimy tamin’ireo 12 lahy mahaforona ny Kolejy Foibe ankehitriny no nanatrika ireo fivoriambe tany Polonina. Nanao ny lahateny fototra hoe “Ny antony ianarana ny zava-miafina masin’ny fitiavam-pivavahana” ny iray tamin’izy ireo. Nomarihina tao amin’io lahateny io fa tsy zava-miafina intsony ny zava-miafina momba ny fifikirana amin’Andriamanitra, satria “hita tamin’ny tenan’i Jesosy”. Nofakafakain’ilay mpandahateny ireo lafiny enina amin’io zava-miafina masina io voatonona ao amin’ny 1 Timoty 3:16, ary nilaza toy izao izy: “Tokony hanosika antsika mandrakariva hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy ny fahatakarantsika ny amin’io zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra io.”
Nisy fitohitohizan-dahateny roa nanazava tsara fa takina amin’ny antitra sy ny tanora ny fifikirana amin’Andriamanitra. Ny ray aman-dreny dia manana andraikitra hanome lova ara-panahy ny zanany amin’ny fampianarana azy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Zavatra tsy maintsy atao ny fianaram-pianakaviana misy vokany, ampiarahina amin’ny fandinihana araka ny tena izy ireo zava-manahirana ny ankizy. Tokony ho mailaka mandrakariva ny ray aman-dreny hijery izay famantarana loza, ary tsy maintsy miaro ireo zanany amin’ny fifaneraserana tsy mahasoa, eny na dia ao anatin’ny kongregasiona aza.
Etsy an-daniny kosa, raha maniry hanana fiainana misy vidiny ireo tanora, dia tsy maintsy mitodika any amin’i Kristy izay ‘namela fianarana ho azy ireo, mba hanarahan’izy ireo tsara ny diany’. (1 Petera 2:21, MN ) Nametrahana izao fanontaniana tena mety izao izy ireo: “Raha notezaina tao amin’ny fahamarinana ianareo, dia fantatrareo izay inoanareo, kanefa fantatrareo ve hoe nahoana?” Namporisihina izy ireo mba hiandany amin’ny fahamarinana amin’ny fanaporofoana ho an’ny tenany manokana fa Tenin’Andriamanitra marina ny Baiboly ary koa fa tena manana ny fahamarinana tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tany amin’ny tany maro, io lahateny io dia nofaranana tamin’ny fomba nanaitra tamin’ny fanambarana ny nivoahan’ilay boky vaovao 320 pejy hoe Manontany ny tanora — Valiny azo ampiharina. (Jereo aza fady ilay faritra voafefy miaraka amin’ity mitondra ny lohateny hoe “ ‘Fanomezana avy amin’i Jehovah’ ho an’ireo tanora”.) Manantena isika fa handray soa avy amin’ny torohevitra tsara dia tsara raketin’io boky io koa indray andro any ireo tanora any Polonina sy any amin’ny tany hafa any Eoropa Atsinanana, rehefa voadika amin’ny fiteniny izy io.
Sobota w Chorzowie (ny asabotsy tany Chorzów)
Toerana foiben-taozava-baventy eo afovoan’ny faritany fakana arintany any atsimon’i Polonina i Chorzów. Mitondra harena sy tombony ho an’io faritra io ireo toerana fihadiana arintany any Silezia. Ny foto-kevitry ny resaka nifanaovan’ireo olona 65 710 tafavory tao amin’ny kianjan’i Slaski tamin’ny volana aogositra anefa dia momba ny tombony ambony karazana kokoa.
Nohazavain’ny mpandahateny voalohany tamin’ny fandaharana tamin’ny tolakandro ny foto-kevitra tamin’ny asabotsy, dia ny hoe “Fomba ahazoana tombony lehibe ny fitiavam-pivavahana”. (1 Timoty 6:6) Nanamafy ny fahamarinan’ireo tenin’ilay mpandahateny ny fanadinadinana olona maro izay nahita tombony tokoa teo amin’ny fiainany noho izy ireo naneho fifikirana tamin’Andriamanitra.
Nandritra ny fandaharana tamin’ny maraina, dia nohantitranterina tao amin’ny fitohitohizan-dahateny iray ireo soa azo amin’ny fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra. “Amin’ny famakiana tsy tapaka sy amim-pahaiza-manavaka [ny Tenin’Andriamanitra]”, amin’ny fandalinana ny hevitr’izay vakintsika sy amin’ny fiheverana amim-bavaka ny fomba hampiharana izay nianarantsika, dia afaka maneho fifikirana amin’Andriamanitra isika amin’ny maha-kristiana antsika, “Amin’ny fampamirapiratana mandrakariva ny fahazavantsika”. (Josoa 1:8.) Nomarihina fa raha manao fanambarana tampotampoka mandritra ny 15 minitra isan’andro ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay maneran-tany, dia hisy 327 tapitrisa ora fanampiny ho lany isan-taona eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana.
Afaka maneho fifikirana amin’Andriamanitra koa isika “Amin’ny fanoherana ny fakam-panahy”. Ny zavatra toy ny sakafo, ny fisotro, ny vola na ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, na dia tsy ratsy aza, dia mety ho tonga zava-dratsy amin’ny toe-javatra sasany. Ny fomba fiarovan-tena dia ny tsy fitarihana ny tenantsika tsy amin’ny antony ho any amin’izao tontolo izao sy ny fitiavan-javatra ara-nofo tafahoatra, ny sary maloto, ny zavatra mahadomelina, ny fimamoana hita ao aminy, ary koa ny fiahiany be loatra ny amin’ny fahafinaretana toy ny mozika, sy ny fanatanjahan-tena ary ny fifaneraserana amin’ny namana. Iankinan’ny aina ny vavaka. Tsy maintsy mianatra ny hankahala ny ratsy ny kristiana. Izany tokoa no tokony ho izy, araka ny nampahatsiahivin’ny mpandahateny nanaraka azy ireo koa fa ‘tsy tokony ho velona mba hanao ny sitrapon’ny olona intsony izy, fa mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra’.
Mihamaro hatrany ny olona manapa-kevitra ny hanaraka izany. Hita niharihary izany rehefa nampiseho ampahibemaso ny fahavononany ‘haneho fitiavam-pivavahana hatrany aorian’ny nanolorany tena ho an’Andriamanitra sy ny nanaovana batisa azy’ ny Vavolombelona vaovao 2663. (Nisy 6093 ny totalin’ireo natao batisa rehetra tamin’ireo fivoriambe telo tany Polonina.) Mba hahafahan’ireo nirotsaka hatao batisa hitana ny fifaliany hatrany amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia namporisihina izy ireo mba hisaintsaina ny amin’ireo antony maro be tokony hahafaly azy, dia ny fisakaizana amin’Andriamanitra, ny fananany fianakaviamben’ny mpirahalahy maneran-tany, ary ny fanantenana ny ho velona ao amin’ny Paradisa.
Noresahina tao amin’ny lahateny nanaraka hoe “Aoka isika hanatontosa asam-pitiavam-pivavahana — [amin’ny maha-] lehilahy eo ambany fahefan’i Kristy” ny fanekena kristiana. Ireo lehilahy maneho fifikirana amin’Andriamanitra dia hanatontosa ny adidiny ara-pianakaviana amim-pitiavana toa an’i Kristy. Amin’ny maha-“vehivavy manaiky araka ny mety” azy, ireo anabavy kristiana dia hanohana ny loham-pianakaviany fa tsy hitaona azy hanao zavatra tsy mety na hamela ny fihetseham-pony hitarika azy hanao fanapahan-kevitra tsy mampiseho fahendrena. Amin’ny maha-“zanaka mankatò ny ray aman-dreniny” azy, ireo tanora kosa dia hianatra ny hankatò, hamaly any amin’ny fivoriana, ary handray anjara amin’ny fanompoana kristiana.
Torohevitra tsara dia tsara re izany! Toy inona anefa ny tsy fahombiazan’ny fivavahan-diso raha ny amin’ny fanolorana fitarihana tsara toy izany! Noho izany, dia mendrika ny hahazo fanamelohana mafy izy io, araka ny naseho tao amin’ny lahateny nanaraka hoe “Fampihanjahanjana ‘ilay lehilahin’ota’ ”. Nampahafantarina ho toy ny “fitambaran’olona, dia ny klerjy ara-pivavahana manontolon’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadika” io lehilahy mifono zava-miafina io. Nalaza noho ny fanenjehany ny mpanompon’Andriamanitra io klerjy io tamin’ny voalohany, fa tatỳ aoriana kosa izy dia nampian’ireo “mpivadi-pinoana ankehitriny, izay nihambo ho Vavolombelona teo aloha, [kanefa] niverina amin’ny loany, dia ny fampianarana maharikorikon’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary niara-nandray anjara tamin’ireo mpimamo ara-panahin’i Babylona Lehibe tamin’ny fikapohana sy famelezana ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malin’i Jehovah”. Ny fitehafan’ireo mpanatrika dia nampiseho fa nanaiky izao fanambaran’ilay mpandahateny izao izy ireo: “Isika dia hanohy hampihanjahanja an’i Babylona Lehibe, sy ny ‘lehilahin’otany’ ”.
Mitaky herim-po izany, indrindra amin’izao fotoana izay ‘andavan’ny ankamaroan’ny olona an’Andriamanitra sy ny Teniny, dia ny Baiboly’ izao, hoy i M. G. Henschel, anisan’ny Kolejy Foibe. Na dia “tsy mbola latsaka ambany dia ambany toy izao ankehitriny izao aza ny fanajan’ny olona ny Baiboly”, izy io dia nahatohitra ny fitsapana nentin’ny fotoana. Nilaza ilay mpandahateny fa “tsy misy boky na dia iray aza navoakan’ny fisainan’ny olona tsotra fotsiny afaka mampiseho fahatakaran-javatra lalina toy izany ary afaka ny ho marina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany toy izany.” Nanambara koa izy fa “ny Vavolombelon’i Jehovah dia mamela ny Tenin’Andriamanitra hanan-kery eo amin’ny fiainan’izy ireo [ary] ny firahalahiana iraisam-pirenena misy eo amin’ny kristiana marina aterak’izany dia porofo mampiharihary fa ny Baiboly dia Teny avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.” Nifarana tamin’ny fomba mahafinaritra iny andro iny tamin’ny fanambarana ny nivoahan’ilay boky vaovao hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa tenin’olona? tamin’ny fiteny maro.
Niedziela w Warszawie (ny alahady tany Varsovia)
Mazàna ireo mpizaha tany tonga any Varsovia no mandeha mitsidika tsangambato fahatsiarovana iray ao amin’ny faritanàna jiosy ao Varsovia, toerana tonga malaza noho ny fampiasan’ireo Nazia azy hametrahana Jiosy ana hetsiny maro natao hovonoina, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Minitra vitsivitsy avy eo, raha mandeha fiarakodia, anefa, no misy ny kianjan’i X-Lecia izay nofenoin’ny olona 60 366, tamin’ny 13 aogositra, tonga mba hihaino fanazavana nifototra tamin’ny foto-kevitry ny alahady hoe “Aoka hariantsika ny tsy fitiavam-pivavahana ka hiaina amim-pitiavam-pivavahana isika.” — Titosy 2:12.
Mazava ho azy fa manilika avy hatrany ny saina tsy tia fiankinan’izao tontolo izao ny fomba fiaina amim-pifikirana amin’Andriamanitra. Nohamafisin’ilay fampisehoana tantara nifanaraka tamin’ny zava-misy hoe “Maneke an’i Jehovah” izay nasehon’ireo rahalahy polone tamin’ny hafanam-po mampahalaza azy, fa tsy maintsy manao fiovana lehibe eo amin’ny fiainany ny kristiana raha ta-hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra.
Ny iray tamin’ny Kolejy Foibe dia nanonona ny 1 Korintiana 8:6 izay manao hoe: “Amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray.” Nomarihiny fa ny fampianarana fototry ny kristianisma dia tsy ny Trinite, na Andriamanitra telo izay iray, akory, araka ny filazan’ny maro, fa ny fanamarinana an’i Jehovah amin’ny alalan’ny Fanjakany tarihin’i Kristy. “Ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia fialana na fivadihana amin’ny fahamarinana”, hoy ny fanazavany. Noho izany, ireo izay miantso an’i Maria hoe renin’Andriamanitra sady Mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona, dia ‘nanao ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany’. (Romana 1:28.) Araka izany àry, “mba hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba mety, dia tsy maintsy lavina ny fampianarana ny amin’ny Trinite.” Noraisin’ny mpanatrika tamin-tehaka ny fampisehoana ny bokikely vaovao 32 pejy hoe: Czy wierzyc w Trójcę? (Tokony hino ny Trinite ve ianao?). Fitaovana tsara dia tsara re izany mba hanalana sarona ny fahadisoan’io fampianarana manala baraka an’i Jehovah io!
Tsy afaka avy tao amin’ny faritanàna jiosy ao Varsovia mihitsy ireo izay nalefa tao. Mampanantena anefa Andriamanitra, araka ny nohazavaina tao amin’ny lahateny ampahibemaso, fa “Akaiky ny fanafahana ny olona tia fivavahana!” (2 Petera 2:9). Azo antoka izany, na dia iharan’ny herisetra karazany roa aza ny kristiana — dia izay mihatra amin’ny rehetra isan’andro, ary ny fanenjehana mihatra aminy amin’ny maha-kristiana azy. Nanasa ny mpanatrika mba handini-tena ilay mpandahateny ka nanamafy fa “ny fanafahana dia ho an’ireo izay maneho fifikirana amin’Andriamanitra ihany, ho an’ireo izay tena avy amin’ny fo marina ny fifikirany aminy, ho an’ireo izay mampiseho ny tsy fivadihany amin’ny fankatoavana Azy”.
Taorian’ny fampahatsiahivana farany mba “harehitry ny fanahy”, ny fivoriambe dia nifarana tamin’ny lahateny nampientana hoe “Mahasoa ny fitiavam-pivavahana: Aoka hambolentsika hatrany izany”. Avy eo dia nanokatra ny fihiranany polone vaovao, vao navoaka avy tamin’ny fanontam-pirinty herinandro vitsivitsy talohan’izay, ireo mpamonjy fivoriambe ka niara-nanolotra “Vavaka fisaorana” tamin’ny fanaovana ny hira faha-45.
Nisy vavaka famaranana nafana natolotra taorian’izay, ary avy eo dia tehaka nirefodrefotra no nanaraka izany avy hatrany tany Varsovia sy Poznan ary Chorzów. Tany Varsovia, izany fitehafana mafy nataon’ny tanana an’aliny maro izany dia nanako mafy toy ny onja nandritra ny 11 minitra mahery. Tsy nisy nety nandeha, fa nijanona nitsangana teo ireo Vavolombelona nahaforona vahoaka be ireo, izay ny iray hetsy mahery taminy dia vao voalohany no nanatrika fivoriambe telo andro, ka izany fitsanganana izany dia nampiseho tsara ny hafaliany, ary naneho tamin’ny fomba nanentana ny fo ny fankasitrahany an’i Jehovah sy ny fandaminany. Toa toy ny namaly izao famporisihana ao amin’ny Salamo 47:1, 2 izao izy ireo: “Mitehafa tànana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’Andriamanitra. Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; mpanjaka lehibe ambonin’ny tany rehetra Izy.” Teo am-pifaranan’ny iray amin’ireo zava-niseho lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, ireo rahalahy be zotom-po ireo dia niomana ny hody any aminy, tamin’ny fo diboky ny hafaliana sy vonona ny hampitombo ny fandraisany anjara amin’ny asa lehibe fanambarana ilay Fanjakana ho fanarahana ny ohatra sarobidin’i Jesosy raha ny amin’ny fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra.
[Efajoro, pejy 27]
Mamporisika ho amin’ny fanaovana ‘asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra’ ireo boky vaovao
Ilay boky vaovao hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa tenin’olona? sy ilay bokikely hoe Tokony hino ny Trinite ve ianao? dia samy nahazo teny fankasitrahana maro be. Nanoratra toy izao momba ilay bokikely hoe Trinite ny anabavy iray: “Talanjona sady ravoravo no finaritra aho amin’izy io. Misaotra indrindra noho ny habetsahan’ny fotoana, ny hery ary ny asa tafiditra tamin’ny fanontana io bokikely tsara dia tsara io.”
Nanoratra toy izao kosa momba ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa tenin’olona? ny anabavy iray hafa: “Maniry ny hisaotra anareo amin’ny foko manontolo aho noho io boky vaovao tsara dia tsara io. Manontany tena aho raha azonareo an-tsaina akory fa mitory fahaizana momba ny zava-kanto izy io? Fanaoko ny manipika ireo teny manan-danja indrindra. Voanareo anefa aho satria manan-danja avokoa ny teny tsirairay avy ao. Vao hatramin’ny toko faha-5 izao no voavakiko, nefa tsy maintsy misaotra anareo aho aloha.”
[Efajoro, pejy 30]
‘Fanomezana avy amin’i Jehovah’ ho an’ny tanora
Zavatra nampiavaka ireo fivoriambe tany Etazonia sy tany amin’ny tany maro hafa ny fandaharana ny zoma tolakandro, rehefa nasaina nipetraka teo amin’ny toerana natokana ho azy ny tanora teo amin’ny 10 ka hatramin’ny 19 taona. Teo am-pifaranan’ny fitohitohizan-dahateny manokana, dia samy nomena maimaimpoana iray tamin’ilay boky vaovao hoe Manontany ireo tanora — Valiny azo ampiharina izy ireo. Maneran-tany, dia nisy teo amin’ny 8 840 000 teo no natonta tamin’ny fiteny 21 tamin’io boky io, ary nisy taratasy nitory fankasitrahana an-jatony maro voarain’ny Fikambanana.
“Tamin’ireo fivoriambe teo aloha, dia nisy lahateny natao ho an’ny tanora ihany koa”, hoy ny nosoratan’ny zatovovavy iray, “fa tsy mbola nisy toa azy ny fihetseham-ponay rehefa nasaina niara-nipetraka avokoa izahay rehetra.” Nanoratra toy izao ny tanora iray hafa: “Nandeha nipetraka teny amin’ny toerana natokana ho an’ny tanora aho. Nanome fampaherezana lehibe aoka izany ho ahy izany, hany ka, hatramin’izay aho dia mandray an-tsoratra any am-pivoriana, mianatra kokoa sady manome valinteny. Mikasa ny hatao batisa amin’ny herintaona aho.”
Ho an’ny tanora maro be, io fandaharana io dia zavatra tsy ho hainy hadinoina velively. “Rehefa nanambara ilay mpandahateny fa tokony hipetraka eo amin’ny toerana voatokana ho anay izahay”, hoy ny ankizivavy iray, “dia fantatro fa hisy zava-dehibe hitranga. Rehefa nambara ny nivoahan’ilay boky, dia faly aoka izany aho ka saiky nitomany. Fantatro foana fa miahy anay tanora ianareo, fa io fampisehoana fiheverana io no tena nanohina ny foko lalina. Io boky io indrindra no tena ilainay!”
“Voasoratra amin’ny fomba tsara izy io”, hoy ny ankizivavy iray atao hoe Leah, “ary tena mampiseho ny zava-misy ireo sary ao anatiny no sady mampieritreritra.” Nisy hafatra “Ho an’ny tanora Vavolombelon’i Jehovah rehetra” avy amin’ny Kolejy Foibe tao anatin’ireo boky nozaraina tany amin’ireo fivoriambe. “Nanohina ny foko mafy io hafatra manokana io”, hoy i Andreá. “Amiko, izany dia toy ny hoe tena miresaka amiko manokana ny iray amin’ireo nofidin’i Jehovah mba hiara-hiaina aminy any an-danitra.”
Maro be no nankasitraka ny fanolorana io boky io ho toy ny fanomezana. Hoy ny reny iray: “Nampilatsaka ny ranomasoko mihitsy izany. Zanako ny dimy tamin’ireo tanora ireo, ranadahy isany, 11 ka hatramin’ny 16 taona. Tsy ho afaka ny hividy afa-tsy boky roa aho.” Nanoratra toy izao ny tanora iray antsoina hoe Mark: “Nanomboka nanombana ny mety ho vidin’ny fanomezana boky iray maimaimpoana ho an’ireo tanora tsirairay avy aho, kanefa teo aho dia nahatakatra fa tsy azo vidim-bola aman-karena ny torohevitra raketin’io boky io. Raha afaka manampy na dia tanora maditra iray monja aza hiverina ho amin’ny lalana mitarika ho any amin’ny fiainana io boky io, na ny tsaratsara kokoa aza, raha manampy maro be aminay hijanona eo amin’izany lalana izany izy io, dia tsy ho very maina foana akory izany vola izany.”
Tanora maro be no efa nandray soa avy hatrany tamin’io boky io. “Nanatrika ny fivoriambe 7 ka hatramin’ny 9 jolay aho”, hoy ny tanora iray, “ary tamin’ny alatsinainy 10 jolay, dia voavakiko manontolo ilay boky!” Hoy ny iray hafa: “Ireo toko roa farany dia tena namporisika ahy mba ho malina kokoa raha ny amin’ny fiainako. Efa nanapa-kevitra ny hatao batisa aho teo aloha, nefa niova hevitra indray. Izao izaho nahazo io boky mahatalanjona io izao, dia tsapako fa ‘mandalo ity izao tontolo izao ity’, ka tsy maintsy manao zavatra dieny izao aho.”
“Koa satria efa niova ny andro,” hoy ny nosoratan’ny ankizivavy iray, “dia nihevitra foana aho fa tsy takatr’ireo efa lehibe kokoa izay tsapanay. Tsy fantatrareo ny halehiben’ny hafaliako nahita fa diso hevitra aho. Ny fiahianareo anay tanora dia mahatonga ahy hahatsapa fa misy vidiny eo imasonareo aho.” Nanoratra toy izao ny antokona tanora soedoa iray: “Tsapanay fa mahatakatra ny fihevitray tanora ianareo, ary mahatsiaro ho akaiky anareo kokoa izahay.”
Namintina tsara izany rehetra izany tamin’izao teny izao ny tanora iray: “Ny rahalahiko, sy ny anabaviko ary izaho dia samy tia an’io boky io. Heverinay ho toy ny fanomezana mivantana avy amin’i Jehovah izy io.” Ny vavaka ataonay dia ny mba hanohizan’io fanomezana io hitondra fitahiana ho an’ireo tanora matahotra an’Andriamanitra.
[Tabilao, pejy 29]
Mihamitombo ny fifikirana amin’Andriamanitra any Eoropa!
Isan’ny mpanatrika fivoriambe Isan’ny natao batisa
ambony indrindra
1979 1984 1989 1979 1984 1989
ALEMAINA 129 342 140 681 159 819 1 154 1 009 1 694
AOTRISY 17 847 20 908 25 153 236 257 307
BELZIKA 23 185 28 456 30 622 234 248 429
DANEMARKA 21 057 23 267 24 645 122 147 249
ESPAINA 62 201 84 706 115 981 1 278 1 521 2 935
FINLANDA 20 293 23 501 25 679 215 302 329
FRANTSA 89 073 110 745 156 751 1 361 1 856 3 201
GRANDE-BRETAGNE 113 910 137 008 160 704 605 937 1 344
ITALIA 117 163 169 328 240 041 2 515 3 769 6 295
LUXEMBOURG 1 141 1 327 3 131 8 12 61
NORVEZY 10 327 11 352 13 829 107 159 294
PAYS-BAS 36 768 42 060 44 185 126 143 271
POLONINA — 94 134a 166 518 — 3 140b 6 093
PORTIOGALY 35 108 47 843 59 797 862 1 068 1 546
SOEDA 21 286 25 204 30 943 279 323 410
SOISA 14 455 17 457 23 867 130 225 349
TOTALINY 713 156 977 977 1 281 665 9 232 15 116 25 807
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tarehimarika tamin’ny 1985
b Tarehimarika tamin’ny 1985
[Sary, pejy 26]
Varsovia: Niteraka hafaliana be ilay boky vaovao hoe “Trinite”
[Sary, pejy 31]
Chorzów: Vavolombelona vao avy nanolo-tena maneho fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fiomanana hatao batisa