FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/5 p. 4-7
  • Voaporofony ve fa diso ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voaporofony ve fa diso ny Baiboly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanombantombanana mialoha tsy azo antoka
  • Moa ve nasehon’ny siansa ankehitriny fa diso ny Baiboly?
  • Ny fivoarana miandalana
  • Hatraiza no mety hahafantarany?
  • Afaka mino ny Baiboly ve ianao?
  • Ny Siansa: Voaporofony ve fa Diso ny Baiboly?
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
  • Miatrika Fitsarana ny Fivoarana Miandalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Evolisiona
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Marina ve ny Evolisiona Rehefa Jerena ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/5 p. 4-7

Voaporofony ve fa diso ny Baiboly?

MOA ve ny mpahay siansa sy ny mpanakiana ny Baiboly nanaporofo tokoa fa mirakitra fahadisoana sy tantara noforonin’ny saina fotsiny ny Baiboly? Alohan’ny hanekenao izany, dia tokony hotsaroanao fa na dia mampiseho ny heviny amin’ny fomba tsy misy fisalasalana sy amim-pahefana aza ny manam-pahaizana maro, dia tsy manana ny rariny foana akory izy ireny. Matetika no miorina amin’ny fototra mangozohozo ny hevitr’izy ireo.

Fanombantombanana mialoha tsy azo antoka

Ho ohatra ny amin’ny fanambarana amim-pahefana nataon’ny mpanakiana Baiboly, dia hevero izay voalazan’i S.R. Driver mikasika ny bokin’i Daniela. Araka ny lovantsofina, dia noheverina fa nosoratan’ny tenan’i Daniela tany Babylona tamin’ny taonjato faha-6 al.fa.ir. io boky io (Daniela 12:8, 9). Milaza anefa i Driver fa nosoratana taoriana kokoa noho izany izy io. Nahoana? Ny “porofo” iray naroso dia ny hoe mirakitra teny grika ilay boky, ary nanantitrantitra i Driver hoe: “Azo lazaina amim-patokiana tanteraka, fa tsy ho nampiasaina tao amin’ny bokin’i Daniela ireo teny ireo raha tsy taorian’ny niparitahan’ny hery grika tany Azia tamin’ireo fandresen’i Aleksandra Lehibe.” Nahazo izany fandresana tany amin’ny taona 330 al.fa.ir. i Aleksandra.

Hentitra tsy misy toy izany ny fanambaran’i Driver. Teny grika telo monja anefa no notononiny mba hanamafisana izany, ka izy rehetra dia anaran-javamaneno (Daniela 3:5). Koa satria ireo Grika nanana fifandraisana akaiky tamin’i Azia andrefana taloha ela be araka ny Tantara, ahoana moa no ahafahan’ny olona iray manantitrantitra amin’ny fomba hentitra fa tsy nampiasaina tany Babylona tamin’ny taonjato faha-6 al.fa.ir. ny zavamaneno mitondra anarana grika? Izany ka fototra marefo entina manohitra ny fotoana nanoratana sy ny mpanoratra ny bokin’i Daniela!

Ohatra iray hafa ny fiheverana ny amin’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. Araka ny lovantsofina, dia nolazaina fa nosoratan’i Mosesy tany amin’ny taona 1500 al.fa.ir. ny ankamaroany. Milaza anefa ireo mpanao fanakianana fa mahita fomba fanoratra samy hafa ao amin’ireo boky. Nomarihin’izy ireo koa fa indraindray Andriamanitra dia tondroina amin’ny anarany hoe Jehovah, ary indraindray amin’ny hoe “Andriamanitra” amin’ny teny hebreo. Nanatsoaka hevitra avy amin’izany fandinihana izany izy ireo fa ireo boky ao amin’ny Baiboly ireo dia fampifangaroana tahirin-kevitra nosoratana tamin’ny fotoana samy hafa ary nomena ny endriny farany, fotoana fohy taorian’ny taona 573 al.fa.ir..

Miely ny finoana an’io tsangan-kevitra io, na dia tsy nisy nanazava aza hoe nahoana i Mosesy no tsy afaka nampiasa niaraka ny teny hoe Andriamanitra sy Jehovah mba hanondroana ny Mpamorona. Tsy nisy olona afaka nanaporofo fa tsy afaka nanoratra tamin’ny fomba samy hafa izy raha nivaofy foto-kevitra samy hafa, nanoratra tamin’ny fotoana samy hafa teo amin’ny fiainany, na nampiasa loharanon-kevitra tranainy kokoa. Ankoatra izany, araka ny voalazan’i John Romer ao amin’ny bokiny hoe Testamenta — Ny Baiboly sy ny Tantara (anglisy), “ny hevitra fototra enti-mandà ireo fomba fanadihadiana rehetra ireo dia ny hoe hatramin’izao, dia tsy nahitana na dia tapany kely iray aza amin’ireny soratra tranainy ireny mba hanaporofoana ny fisian’ny sombintsombiny ara-teoria amin’ny soratra samy hafa izay sarobidy aoka izany ho an’ny fahalalana ankehitriny”.

Nohazavain’ny Cyclopedia nataon’i McClintock sy Strong toy izao ny hevitra fototry ny mpanakiana Baiboly maro: “Ny mpamotopototra dia (...) miainga avy amin’ny fanombatombanana hoe ny fisehoan-javatra ara-tantara izay ampiasaina ho fototra amin’ny fitantarana dia zavatra tsotra ihany, mitovy karazana amin’ny zavatra hafa fantatsika (...) Ary raha ambaran’ny mpanoratra iray ho zava-misy ny fisehoan-javatra mivoaka amin’ny faritry ny lalàn’ny natiora fantatra? Raha izany (...) dia tsy nitranga ilay fisehoan-javatra voatantara.”

Avy amin’izany no mahatonga ny maro hihevitra fa tsy mety ho nitranga ny fahagagana, satria mivoaka amin’ny faritry ny lalàn’ny natiora fantatra izany. Toy izany koa, fa ireo faminaniana ela vao tanteraka dia tokony tsy ho azo atao satria tsy afaka mahita lavitra any amin’ny hoavy ny olombelona. Izay rehetra mety ho fahagagana dia tsy maintsy angano na arira. Izay mety ho faminaniana tanteraka mazava, dia tsy maintsy ho nosoratana taorian’ny nahatanterahanya. Avy amin’izany no ilazan’ny sasany fa tanteraka tamin’ny taonjato faha-2 al.fan.ir. ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela ary noho izany dia tokony ho tamin’izay no nanoratana an’ilay boky.

Miankina amin’ny hevitra inoana iray anefa io karazana fanombantombanana mialoha io, dia ny hoe: tsy misy Andriamanitra, na, raha misy aza izy, dia tsy mandray anjara mihitsy amin’ny Tantara. Asehon’ny Baiboly manontolo tsy misy isalasalana fa misy Andriamanitra ary miasa ao amin’ny tantaran’olombelona izy. Raha marina izany — ary asehon’ny zava-misy fa izany no izy — , dia tsy manan-kery ny ankamaroan’ny fototry ny fanakianana ankehitriny ny Baiboly.

Moa ve nasehon’ny siansa ankehitriny fa diso ny Baiboly?

Ahoana izao ny amin’ny filazana hoe nasehon’ny siansa fa tsy azontsika inoana ny Baiboly? Raha ny marina, rehefa mahakasika izay antsointsika hoe siansa ny Baiboly, mazàna ny lazainy no tsy manohitra izay ampianarin’ny mpahay siansa ankehitriny.

Ohatra, ny Baiboly dia manome toromarika tena azo tanterahina mikasika ny fahadiovana sy ny areti-mifindra. Manazava toy izao ilay boky hoe Boky fampianarana fitsaboana any amin’ny tany mafana (angl.): “Tsy misy olona tsy talanjona amin’ny fitandremana ara-pahadiovana voalaza amin’ny antsipiriany ny amin’ny fe-potoana môzaika. (...) Marina fa tena tsotra ny fisokajiana ny aretina — [izany hoe] aretina mafy, antsoina hoe ‘fery’; ary ny aretina maharitra ela, miaraka amina karazana fipoiran’aretin-koditra antsoina hoe ‘habokana’ — tena azo inoana anefa fa ny fitsipika faran’izay hentitra ny amin’ny fanokanan-toerana dia nitondra soa faran’izay betsaka.”

Hevero koa izay ambaran’ny Baiboly manao hoe: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.” (Mpitoriteny 1:7). Mitovy amin’izay lazalazain’ny boky fampianarana ankehitriny ny amin’ny tsingerin’ny rano izany. Mivarina any an-dranomasina ny rano avy amin’ny renirano; any no iovany ho etona, iverenany amin’ny endriky ny rahona eo ambonin’ny tany ka milatsaka toy ny orana na orampanala izy ary mivarina indray any amin’ny renirano.

Toy izany koa, fa ny famaranan-kevitra nataon’ireo mpahay siansa ny amin’ny fisondrotra sy ny fietrin’ny tendrombohitra ary ny hoe nisy fotoana naha-tany ambanin’ny ranomasina taloha ireo tendrombohitra ankehitriny dia mifanaraka amin’ny teny poetika nataon’ny mpanao salamo hoe: “Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; nandifotra ny tendrombohitra aza ireny. Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha — ho any amin’izay namboarinao hitoerany.” — Salamo 104:6, 8.

Nanantitrantitra ny mpanoratra iray hoe: “Nihevitra ny tany ho fisaka ny mpanoratra ny Testamenta Taloha rehetra, ary indraindray dia miresaka ny amin’ny andry izay noheverina fa nanohana azy izy ireo.” Tsy marina anefa izany. Niresaka ny amin’ilay “mipetraka eo ambonin’ny faribolan’ny tany” i Isaia. (Isaia 40:22, MN.) Ary niteny ny aminy toy izao i Joba: “Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ny tsy misy.” (Joba 26:7). Toa araka ny toetr’andro erỳ ny filazalazana ny tany ho vaingan-javatra boribory mihantona eny amin’ny habakabaka tsy misy zavatra manohana hita maso.

Ny fivoarana miandalana

Ahoana ny amin’ny fifanoheran-kevitra eo amin’ny Baiboly sy ny tsangan-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalanab? Milaza toy izao ny Firaketana britanika: “Eken’ny maro an’isa indrindra ao amin’ny fitambaran’ny mpahay siansa ny tsangan-kevitra ny amin’ny fivoaarana miandalana.” Ampianarin’ny Baiboly anefa, amin’ny fiteny tsotra mora azo tamin’ny vanim-potoana nialoha ny andron’ny siansa, fa vokatry ny famoronan’Andriamanitra mivantana ny aina ary tsy nivoatra akory ireo karazana endri-piainana samy hafa tany am-boalohany fa noforonina. — Genesisy 1:1; 2:7.

Tsy miavaka amin’ireo mpanakiana ny Baiboly akory ny mpanohana ny fivoarana miandalana. Manana fiekena mafy izy ireo ary milaza ny heviny amim-pahefana. Ampy fahatsoram-po ihany anefa ny vitsivitsy aminy ka miaiky fa misy tsininy ny tsangan-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalana. Mampahatsiaro toy izao ny iray aminy: ‘Tsy azo atao ny manamarina amin’ny fanandramana na amin’ny fandinihana mivantana — toy ny amin’ny siansa ara-dalàna — ny môdelin’i Darwin ny amin’ny fivoarana miandalana, noho izy io mifototra amin’ny tsangan-kevitra momba ny fanambatambarana ara-tantara indrindra. (...) Ambonin’izany, dia mivaofy fisehoan-javatra indray miseho maromaro toy ny niandohan’ny fiainana, ny niandohan’ny fahakingan-tsaina sy ny toy izany ny tsangan-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalana. Tsy azo averimberina ny fisehoan-javatra indray miseho ka tsy azo anaovana fikarohana ho fanandramana na inona na inona.’ (Fivoarana miandalana: Tsangan-kevitra mandalo fotoan-tsarotra, nosoratan’i Michael Denton). Miresaka ny amin’ny fivoarana miandalana toy ny “zava-misy” ny iray hafa. Mampipoitra zava-manahirana goavana anefa izy amin’ny fanaporofoana an’io “zava-misy” io: “Rehefa karohinao ny fifampitohizana eo anelanelan’ireo antokony lehibe amin’ny biby, dia tsy misy tsotra izao izany. — Ny tendana zirafa (angl.), nosoratan’i Francis Hitching.

Hatraiza no mety hahafantarany?

Maro amin’ireo hevitra manohana ny fivoarana miandalana no natolotr’ireo “géologues” sy “paléontologue” — mpahay siansa mandinika ny toetry ny tany fahiny. Tsy mifankaiza amin’ny zava-tsarotra atrehin’ireo “astronomes” ny hitan’ireo mpahay siansa ireo. Amin’ny alalan’ny fitaovana isan-karazany no ijeren’ny “astronomes” ny taratra avy any amin’ny halavirana tsy hita pesipesenina avy amin’ny kintana, planeta, vahindanitra na tenan-javatra hafahafa toy ny “quasars”. Noho izy ireo manao izay farany azo atao amin’ireo filazalazana ananany, dia manorina tsangan-kevitra mikasika zavatra lalina toy ny toetry ny kintana ary ny niandohan’izao rehetra izao izy. Mahalana no manana fahafahana hanamarina ny tsangan-keviny izy ireo, nefa rehefa manao izany izy, dia mahita matetika fa tsy mifanaraka na diso tanteraka ireo.

Nanoratra toy izao ilay “radioastronome” atao hoe Gerrit Verschuur: “Nasehon’ireo fitaovana fandinihana ny habakabaka farany nalefan’i Etazonia ny tsy fahampiana mahatsiravina eo amin’ny fahalalana marina mikasika izay mahaforona ny “cosmos”. Rehefa jerena akaiky, dia hafa lavitra noho izay mety ho niheverantsika azy avy etỳ an-tany i Mars (...) Tsy nisy “astronome” nahafantatra mialoha fa hanana fehiny mahagaga toy izany i Jupiter (...) Nitondra fahagagana lehibe indrindra i Saturne rehefa nasehon’ny fakan-tsarin’i “Voyager” ny faribolana mirandrana, volana maro mitsambikimbikina ary faribolana madinika maherin’ny arivo. (...) Izay marina eny amin’ny habakabaka dia toa marina koa amin’ireo santionan-javatra any amin’ny labôratoara izay halehibeazina hatrany amin’ny fakan-tsary. Ny fijerena akaiky tsirairay dia mampiseho zavatra tsy ampoizina tanteraka izay mahavery hevitra antsika sy manova izay ninoantsika teo aloha.”

Ny “géologues” sy ny “paléontologues” mbamin’ny hafa izay nanome ny ankamaroan’ny “porofo” ny amin’ny fivoarana miadalana, sahala amin’ny “astronomes” dia sahiran-kevitra amin’ny fisehoan-javatra sy zavatra izay tena lavitra — tsy amin’ny halavirana akory fa amin’ny fotoana. Sahala amin’ireo “astronomes” izay miankina amin’ny taratra manjavozavo avy any amin’ny halavirana tsy azo saintsainina any mba hahazoana fahalalana, ireo mpahay siansa hafa ireo dia voatery miankina amin’ny dian-javatra sisa tavela noho ny kisendrasendra hatramin’ny fahagolan-tany. Sahala amin’ireo “astronomes”, tamin’ny fomba tsy azo sorohina, izy ireo koa dia tsy maintsy nanao fanatsoahan-kevitra diso maro.

Afaka mino ny Baiboly ve ianao?

Noho izany, ny olona misaina dia tsy tokony hanaraka amin-kena-maso ny fihevitr’ireo manam-pahaizana manokana milaza fa tsy azonao inoana ny Baiboly. Izany akory anefa tsy manaporofo avy hatrany fa azonao inoana izy io. Noho izany no ilànao hanao izay tsy nataon’ny ankamaroan’ny mpanakiana ny Baiboly — manokatra ny Baiboly ho an’ny tenanao, mamaky izany amin’ny toe-tsaina mivelatra (Asan’ny apostoly 17:11). Taona vitsivitsy lasa izay, dia niaiky toy izao ny mpanoratra tantara amin’ny sarimihetsika aostraliana iray izay zatra nanakiana ny Baiboly: “Vao voalohany teo amin’ny fiainako no nanaovako izay tokony hataon’ny mpanao gazety rehetra voalohany: manamarina izay fantatry ny tena. (...) Taitra aho, satria izay novakiko [tao amin’ny Filazantsara] dia tsy angano na tantara noforonin’ny mpandinika ny zavaboary. Izany dia fitantaran’ny mpanao gazety. Fitantarana voalohany na efa niampita ny amin’ny zava-nitranga mahatalanjona. (...) Manana ny mampiavaka azy ny fitantaran’ny mpanao gazety; ary hita ao amin’ny Filazantsara izany zavatra mampiavaka izany.”

Mampirisika anao hanaraka ny ohatra navelany izahay. Vakio manokana ny Baiboly. Rehefa mandinika tsara ny fahendrena lalin’ny Baiboly ianao sy ny fomba nahatanterahan’ny faminaniany ary ny fifanarahana mahagaga ananany, dia ho tsapanao fa mihoatra noho ny bokin’angano tsy ara-tsiansa izy io (Josoa 23:14). Rehefa hitan’ny tenanao manokana ny fomba azon’ny fahendrena ao amin’ny Baiboly anovana ny fiainanao ho amin’ny tsaratsara kokoa, dia tsy hisalasala na dia kely aza ianao fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly (2 Timoty 3:16, 17). Eny, azonao inoana ny Baiboly! — Jaona 17:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mpianatra Baiboly maro no mahatsapa fa diso io tsangan-kevitra io, satria ny Soratra grika voasoratra tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir. dia mitantara ny fahatanterahan’ny faminaniana maro ao amin’ny Soratra hebreo, izay azo porofoina fa voasoratra tamin’ny taonjato maro talohan’izay. Ohatra, ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Daniela 9:24-27 amin’ny antsipiriany tamin’ny taonjato voalohany dia nambara ao amin’ny Soratra grika sy ny mpanoratra tantara tsy ara-pivavahana.

b Mba handinihina tsara ny fifanoheran’ny fivoarana miandalana amin’ny famoronana dia jereo ny boky La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc tamin’ny 1985.

[Sary, pejy 7]

Sarotra ho an’ny “paléontologues” ny hamantatra izay nitranga tany amin’ny fahagola be tany toy ny maha-sarotra ny hamantaran’ny “astronomes” ny toetr’ireo zavatra misy any amin’ny faritra lavitra be amin’ny habakabaka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara