Ny fanaovana ny marina no fomba fitondrana tena tsara indrindra
DERAINA fatratra ao amin’ny Baiboly ny fanaovana ny marina ary takina amin’ny kristiana marina izany (Matio 22:39; 2 Korintiana 8:21). Ankoatra izany, dia fomba fitondrana tena tsara indrindra tokoa ny fanaovana ny marina araka ny ahariharin’ny fiainan’olona maro amin’izao androntsika izao izay voaovan’ny fahalalana marina ao amin’ny Baiboly ny sainy sy ny fony. Misy ohatra iray ny amin’izany avy any Liberia.
Taorian’ny fandinihana lalina tao amin’ny vavaka, dia nakaton’ny loholona kristiana iray sy ny vadiny ny trano fanjairany. Nahoana? Satria naka be loatra tamin’ny fotoanany izany sady nanakantsakana ny asa fanompoany sy ny fianarany manokana. Nifanaraka izy ireo mba hianina amin’ny fidiram-bola kely avy amin’ny fivarotana fandokoana lamba. Taorian’ny nanaovany izay dingana izay avy hatrany anefa, dia nidina be ny vidin’ny fandokoana lamba teo amin’ny tsena eo an-toerana. Tsy afaka nisahana izay nilain’ny fianakaviana àry izao ny vola niditra. Inona no hataony?
Nangataka tamin’ilay fikambanam-barotra mpamatsy azy izy ireo mba hampidina ny vidin’entan’izy ireo. Nolavina izany fangatahana izany. Nanome soson-kevitra anefa ilay fikambanam-barotra fa handefa lazam-bidy (facture) roa, ka ny iray nampiseho ny tena vidiny, fa ny iray nampiseho vidiny nahena izay azon’izy ireo naseho mba handoavana fadin-tseranana kely kokoa. Ho nanome tombony tsy ara-dalàna 2 000 dôlara an’ilay loholona isaky ny fandefasana entana izany.
Nanda tsy handray anjara tamin’ny raharaha tsy marina izay ho nangalarany tamin’ny fanjakana ilay rahalahy. Gaga ireo lehiben’ny fikambanam-barotra. Nanoratra toy izao izy: “Manaja ny fieritreretanao izahay”, ary notendreny ho masoivoho tokana ho an’ny entambarony ao Liberia ilay loholona. Koa satria nahazo izay nilainy ara-nofo izao ny fianakaviana, dia afaka nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy ilay loholona sy ny vadiny, niasa akaiky niaraka tamin’ireo rahalahy ho fampandrosoana ny kongregasiona. Marina tokoa fa niseho ho fitahiana ho azy ireo ny fanaovana ny marina.
Hitan’i Alfonso any Espaina koa fa ny fanaovana ny marina no fomba fitondrana tena tsara indrindra. Nandao ny tranony teo amin’ny faha-12 taonany io zazalahy io, ary tsy ela dia lasa nivarotra zavatra mahadomelina, nangalatra fiarakodia, ary namaky trano sy fivarotana hatramin’ny folo tao anatin’ny indray andro indraindray. Teo amin’ny faha-21 taonany dia namono azy mafy sady nangalatra ny vatsin-javatra mahadomelina nananany rehetra no nandrahona ny hamono azy ho faty raha miampanga azy any amin’ny pôlisy ny efatra tamin’ireo mpiray tetika taminy. Noho izy fanta-daza teo amin’ny pôlisy, dia tsy sahy nankany amin’ny hôpitaly mba hotsaboina izy.
Raha mbola teo an-dalam-pahasitranana moramora i Alfonso, dia nisaintsaina lalina ny amin’ny fomba fiainany. Tsaroany ny zavatra maro momba ny Baiboly sy ny fitsipika kristiana izay nambaran-dreniny taminy fony izy mbola zaza. Tsy niraharaha ny teniny izy tamin’izany, fa izao izy dia nangataka fianarana ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niova tanteraka ny fitondrantenany sy ny toetrany tao anatin’ny enim-bolana ka nahafeno ireo fepetra ho amin’ny batisa izy.
Andro iray talohan’ny batisany anefa, dia naharay fiantsoana hiseho eo anatrehan’ny tribonaly izy noho ny fiampangana azy tamin’ny halatra nitanam-piadiana. Heloka nataony efa ela ihany tamin’ny lasa izany. Na dia izany aza dia niaiky ankarihary ny helony i Alfonso ary natao an-tranomaizina teo am-piandrasana ny fitsarana azy. Nampirisika azy ny mpisolovava niaro azy mba hilaza fa tsy nangalatra na inona na inona izy no sady tsy nitondra basy. Nanantitrantitra ny hilaza ny marina anefa i Alfonso. Noho ny heloka vitany sy ny filazana ratsy avy amin’ny pôlisy, dia nangatahin’ny mpampanoa lalàna hosazina 13 taona izy. Noho ny fitondrantenany tsara sy noho ny fanaovany ny marina anefa, dia nomena enim-bolana izy, fotoana izay efa laniny tany an-tranomaizina teo am-piandrasana ny fitsarana azy.
Amin’izao fotoana izao i Alfonso sy ny vadiny dia manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana, faly nahita tena zava-kendrena eo amin’ny fiainana sy nanaporofo tamin’ny fanandraman-javatra hitany manokana fa fomba fitondrana tena tsara indrindra ny fanaovana ny marina.