FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/6 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • “Henoy” Foana Izy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fanjakan’Andriamanitra — Takatrao ve ny Hevitr’izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mino ve Ianareo fa ny Fivavahanareo Ihany no Marina?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/6 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Tokony hotsoahina avy amin’ny Matio 7:13, 14 sy Lioka 13:24 ve fa, na dia amin’ny fitsanganan’ny maty aza, dia handa ny fanompoam-pivavahana marina ny ankamaroan’ny olona?

Tsia, tsy manohana izany fanatsoahan-kevitra izany ireo andininy ireo. Lazainy manokana kosa ny fomba hahazoana fiainana ao amin’ny Fanjakana any an-danitra.

Anisan’ny Toriteny teo an-tendrombohitra ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:13, 14. Hoy izy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”

Maro tamin’izay nolazain’i Jesosy tamin’io fotoana io no mifandray manokana amin’ny Fanjakana any an-danitra. Ohatra, nanombo-dresaka toy izao izy: “Sambatra ny malahelo am-panahy [mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, MN ]; fa azy ny fanjakan’ny lanitra”. Nolazainy fa “hahita an’Andriamanitra” izay madio am-po, ary izay “enjehina noho ny fahamarinana” no hahazo ny “fanjakan’ny lanitra” (Matio 5:3, 8, 10.) Tatỳ aoriana kokoa, tao amin’io lahateny io ihany no niresahan’i Jesosy ny amin’ny lalana malalaka izay mitondra ho amin’ny fahaverezana [fandringanana, MN ] sy ny lalana tery izay mitondra ho amin’ny fiainana. Ankoatra ny zavatra hafa, dia hoy ny nanampiny: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. — Matio 7:13, 14, 21.

Mitovy amin’izany ny hevitry ny Lioka 13:24, araka ny asehon’ny teny manodidina. Nanao fanoharana roa mikasika ny “fanjakan’Andriamanitra” i Jesosy. Tatỳ aoriana dia nisy nanontany azy hoe: “Tompoko, moa vitsy va no hovonjena?” Namaly toy izao i Jesosy: “Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.” Ny teny hoe “maro” dia manondro ireo izay nangataka hiditra taorian’ny nikatonan’ny varavarana sy ny nanidiana azy. “Mpanao meloka” izay tsy mendrika ny hiaraka amin’i “Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Nieritreritra ny “maro” fa ho voalohany “ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” izy ireo, nefa raha ny marina dia ho farany izy, ka miharihary fa izany dia midika hoe tsy ho any mihitsy izy ireo. — Lioka 13:18-30.

Asehon’ny teny manodidina fa nivaofy ny amin’ny fidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy. Ireo mpitondra jiosy tamin’izany dia nitana toerana feno tombontsoa hatramin’ny ela satria afaka namaky ny Tenin’Andriamanitra. Nihevi-tena ho nanan-karena ara-panahy sy marina teo imason’Andriamanitra izy ireo, mifanohitra amin’ny sarambabem-bahoaka izay nohamavoiny (Jaona 9:24-34). Nolazain’i Jesosy anefa fa afaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga izay nanaiky ny hafatra nentiny ka nibebaka. — Jereo Matio 21:23-32; Lioka 16:14-31.

Tsara toerana mba horaisina toy ny zanaka ara-panahy ny sarambabem-bahoaka izay tonga mpianatr’i Jesosy, rehefa nisokatra ny fiantsoana ho any an-danitra tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. (Hebreo 10:19, 20). Na dia vahoaka maro be aza no nandre an’i Jesosy, dia vitsy no nanaiky azy sy nahazo ny fanantenana ny ho any an-danitra tatỳ aoriana. Ny ondry vitsy voaforon’olombelona nateraky ny fanahy nahazo izany valisoa izany kosa anefa, dia azo ampitahaina amin’i Jakoba miray latabatra any an-danitra amin’i Jehovah (ilay Abrahama Lehibe) sy ny Zanany (nasehon’i Isaka). Azo antoka fa zavatra mendrika ny hanaovana ady mafy izany, nefa dia tsy nanao izany ny ankamaroan’ireo nandre an’i Jesosy.

Noho izany, afaka mahita avy amin’ny teny manodidina isika fa ny tenin’i Jesosy (mikasika ireo olom-bitsy mandeha eo amin’ny lalana tery mitondra ho amin’ny fiainana ka voavonjy) dia nahakasika voalohany indrindra ny fahazoana sitraka amin’Andriamanitra tamin’izany fotoana nanolorany ny fanantenana fiainana any an-danitra izany. Vitsivitsy ihany tamin’ireo nandre ny hafatry ny fahamarinana sy nianatra izay notakina, no nanaiky ka niseho ho tsy nivadika — Matio 22:14; 24:13; Jaona 6:60-66.

Mahaliana ny manamarika fa, na dia amin’izao androntsika izao aza, izay isian’ny Baiboly manontolo sy isian’ny fahatanterahan’ny faminaniana avy amin’Andriamanitra maro be mikasika ny andro farany, dia ankavitsiana ihany no manaiky ny hafatra kristiana sy maneho fiaretana amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Izany dia mifanaraka amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy mikasika ireo tany samy hafa. Nilaza izy fa handre ny “tenin’ny fanjakana” ny sasany, saingy hongotan’i Satana izay nafafy. Hanaiky ny teny amim-pifaliana ny hafa, nefa rehefa mandeha ny fotoana dia ho tafintohina noho ny fahoriana sy ny fanenjehana izy. Hiseho ho tsy mamokatra kosa ny hafa noho ny “fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena”. — Matio 13:18-23.

Afaka matoky isika, fa ho hafa tokoa ny toe-javatra mandritra ny Andro Fitsarana, rehefa ho tafatsangana ny maty an-tapitrisa tapitrisany maro. Amin’izany i Satana dia tsy ho afaka hanongotra ny voan’ny fahamarinana voafafy ao am-pony. Tsy hiaritra fanenjehana na fanahiana avy amin’izao fandehan-javatra ratsy izao intsony izy ireo. Hampianarina eo anivon’ny tontolo marina izy ireny, ho voahodidin’ny asa mahagagan’Andriamanitra, anisan’izany ny fananganana ny maty sy ny fanasitranana ireo firenena. Marina fa hisy tsy hanaiky ihany na dia amin’izany aza (jereo Jaona 11:45-53). Nefa misy antony tsara tokony hieritreretana fa hahazo ny hevitry ny teny ny ankamaroany, hanaiky izany ary ho voavonjy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara