Ny fandriampahalemana — mety hisy ve izany?
NA INONA na inona lazain’ny gazety, isika rehetra dia mahatsapa fa mbola lava dia lava ny lalana mankany amin’ny tena fandriampahalemana. Tsy nitondra fandriampahalemana ho an’i Afghanistan ny fanalana ireo tafika vahiny avy tao amin’io tany io. Ary mbola misy fifandirana amin’ny endriny iray na hafa ihany any Philippines, any Soudan, any Israel, any Irlande avaratra, any Liban ary any Sri Lanka, raha ireo ihany aza no tononina.
Koa satria fandriampahalemana no tadiavin’ny ankamaroan’ny olona salama saina fa tsy ady, nahoana no tsy mety azo izy io? Ireo mpanao politika dia efa nanandrana fomba maro nandritra ny taonjato maro mba hisian’ny fandriampahalemana, kanefa tsy nisy nahomby ny fiezahany. Inona no antony? Aoka hojerentsika ny ohatra sasantsasany mba hamaliana izany.
Ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny lalàna
Ny sasany dia mihevitra ny Empira romana ho nanao fanandramana nahomby raha ny amin’ny fitondrana fandriampahalemana. Teo ambany fanapahany, dia niara-niasa nandritra ny taonjato maromaro ny lalàna voaorina, ny fitondran-draharaha nalefaka, ny antoko-miaramila nahatahotra ary lalana voavolavola tsara mba hihazonana tsy fihozongozonana iraisam-pirenena fantatra amin’ny anarana hoe Pax Romana (Fandriampahalemana Romana) tamin’ny faritany nidadasika tany Azia andrefana, Afrika ary Eoropa. Tamin’ny farany anefa, dia resin’ny fahasimbana avy ao anatiny sy ny fanafihana avy any ivelany ny Empira romana ka nirodana ny Fandriampahalemana romana.
Izany dia ohatra tsara ny amin’ny fahamarinana mampalahelo iray momba ireo fiezahan’ny olombelona. Aorian’ny fiandohana mahafeno fanantenana, dia mazàna no mihasimba izy ireo. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nilaza hoe: “Ny fisainan’ny [fironan’ny, MN ] fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”, ary io fironana ratsy io mazàna no maharesy rehefa ela ny ela (Genesisy 8:21) Ambonin’izany, dia nilaza toy izao i Jeremia mpaminany: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9) Tsy azo ampoizina izay hataon’ny olombelona. Mety ho simban’ny fialonan’ny hafa na ny fanirian-daza feno fitiavan-tenan’ireo ny fikasana tsaran’ny olona iray. Na mety hanjary handray kolikoly koa ny mpanapaka manana fotopoto-pitsipika ambony iray. Raha dinihina ireo zavatra ireo, amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny olombelona hitondra fandriampahalemana?
Tamin’ny taonjato faha-3 al. fan. ir., dia voalaza fa nisy fiezahana goavana natao hitondrana fandriampahalemana tany amin’ny tapa-kôntinantan’i India. Nisy mpanapaka nahery iray natao hoe Asoka nanjaka tany, izay nanorina empira goavana iray tamin’ny alalan’ny ady sy ny fandatsahan-dra. Avy eo, araka ny fitantarana, dia niova ho amin’ny finoana bodista izy. Nandao ny fanaovana ady izy ary nanodidina ny taniny, dia nanorina tsangambato maro nasiany teny izay hanampy ny vahoakany hanana fiainana tsara kokoa. Ary toa nandry fahizay sady nambinina ny empirany.
Moa ve ny lalan’ny fandriampahalemana ny an’i Asoka? Mampalahelo fa tsia. Rehefa maty io emperora io, dia niara-maty taminy ny fiadanany, ary dia nirodana ny empirany. Izany dia mampiseho fa na dia ireo ezaka ataon’ny mpanapaka manana fikasana tsara sy mahay aza, amin’ny farany dia ho rava satria tsy maintsy ho faty izy. Niresaka ny amin’io zava-manahirana io ny mpanoratra ny Mpitoriteny rehefa nanoratra izao manaraka izao: “Efa halako ny fisasarako rehetra (...), fa havelako ho an’ny olona izay handimby ahy izany, ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ny fahendreko tatỳ ambanin’ny masoandro. Zava-poana koa izany.” — Mpitoriteny 2:18, 19.
Eny tokoa, ny fahafatesan’ny olombelona dia vato misakana tsy azo resena eo amin’ny fitondrana fandriampahalemana maharitra. Feno fahendrena marina ny torohevitry ny mpanao salamo mifandray amin’izany manao hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” — Salamo 146:3, 4.
Fiezahana vaovao ho amin’ny fandriampahalemana
Misy fiezahan’olombelona hafa izay manazava koa ny antony tsy ahombiazany eo amin’ny ezaka ataony mba hitondrana fandriampahalemana. Tamin’ny taonjato fahafolo, ohatra, dia nisy fihetsiketsehana nantsoina hoe Ny fandriampahaleman’Andriamanitra naorina tany Eoropa. Nokendrena mba hiarovana ny fananan’ny Eglizy izy io nefa nihanitombo ka tonga toy ny fanekena ho amin’ny tsy fanafihana ny hafa izay niitatra tany amin’ny tany maro be tany Eoropa teo antenatenan’ny taonjato faha-12.
Nisy hevitra iray hafa nantsoina hoe “ny fifandanjan’ny hery.” Araka io foto-kevitra io, ny fitambaran-tany maromaro iray — toa an’i Eoropa — dia misakana ny fisian’ny ady amin’ny fitanana fizarana hery mifandanjalanja eo amin’ireo firenena. Raha misy firenena matanjaka iray mandrahona ny firenena iray malemy kokoa, dia miandany vonjy maika amin’io tany malemy kokoa io ny firenena matanjaka iray hafa mba hisakana ny fanafihan’ilay voalohany. Io foto-kevitra io no nitarika ny fifandraisana tany Eoropa nanomboka tamin’ny faran’ireo ady nataon’i Napoléon ka hatramin’ny nipoahan’ny ady lehibe voalohany tamin’ny 1914.
Taorian’io ady io, dia naorina ny Fikambanam-pirenena izay nampiasaina ho toy ny sehatra nahafahan’ireo firenena niresaka ny amin’ny tsy fifanarahany toy izay hiady momba izany. Nitsahatra tsy niasa intsony ny Fikambanam-pirenena rehefa nipoaka ny ady lehibe faharoa, kanefa taorian’io ady io, dia novelomina indray tao amin’ny Firenena mikambana, izay mbola misy ankehitriny, ny hevitra nofonosiny.
Kanefa ireo fiezahana rehetra ireo dia tsy nahomby teo amin’ny fitondrana fandriampahalemana tena izy na maharitra. Tamin’ny fotoana nampanan-kery ny fihetsiketsehana hoe Fandriampahaleman’Andriamanitra tany Eoropa, ireo Eoropeana dia niady tamin’ireo miozilimanina tamin’ny kroazada nampandriaka ra. Ary tamin’ny fotoana niezahan’ireo mpanao politika hihazona ny fandriampahalemana tany Eoropa tamin’ny alalan’ny fifandanjan’ny hery, izy ireo dia niady sy nanorina empira tany ivelan’i Eoropa. Ny Fikambanam-pirenena dia tsy afaka nisakana ny ady lehibe faharoa, ary ny Firenena mikambana dia tsy nahasakana ny fandripahana olona maro be tany Kampuchéa, na ireo fifanoherana tany amin’ny toerana toa an’i Korea, Nigéria, Vietnam, ary Zaire.
Eny tokoa, hatramin’izao, ireo ezaka tsara indrindran’ireo mpanao politika mba hitondrana fandriampahalemana dia tsy nahomby. Tsy fantatr’ireo mpanapaka tsotra izao ny fomba hitondrana fandriampahalemana maharitra, noho izy voasembantsemban’ny fahafatesana sy ny fahalemen’ny tenany sy ny an’ny hafa. Na dia tsy izany aza anefa no izy, dia mbola tsy ho afaka ny hitondra ny fandriampahalemana ihany ireo mpanao politika. Fa nahoana? Satria misy vato misakana hafa iray izay tena saro-dresena tokoa.
Ny hery miafina iray misakana ny fandriampahalemana
Miresaka ny amin’io vato misakana io amin’izao teny izao ny Baiboly: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19) Ilay ratsy io dia i Satana Devoly, zavaboary ara-panahy ambony noho ny olombelona ary mahery lavitra noho isika. Hatramin’ny voalohany i Satana dia nandray anjara tamin’ny fikomiana sy ny lainga ary ny famonoana olona. (Genesisy 3:1-6; Jaona 8:44) Ny heriny eo amin’ireo raharahan’izao tontolo izao dia lehibe na dia miafina aza, ary nohamarinin’ny mpanoratra nahazo tsindrimandry hafa. Nantsoin’i Paoly hoe “andriamanitr’izao tontolo izao” ary koa hoe “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra” izy io. (2 Korintiana 4:4; Efesiana 2:2.) I Jesosy dia niantso azy imbetsaka hoe “andrianan’izao tontolo izao”. — Jaona 12:31; 14:30; 16:11.
Koa satria mipetraka eo ambany fahefan’i Satana izao tontolo izao, dia tsy misy fahafahana mihitsy ho an’ireo mpanao politika olombelona rehetra ny hitondra fandriampahalemana maharitra. Milaza ve izany fa tsy hisy fandriampahalemana na oviana na oviana? Mety hisy olona ho afaka ny hitarika ny taranak’olombelona ho amin’ny fandriampahalemana?
[Teny notsongaina, pejy 5]
Na dia hendry sy manaraka fotopoto-pitsipika ambony toy inona aza ny mpanapaka iray, amin’ny farany izy dia ho faty ihany ary mazàna dia olona tsy mahay kokoa sy ratsy fikasa kokoa noho izy no mandimby azy
[Teny notsongaina, pejy 6]
Satana Devoly no vato misakana tokana lehibe indrindra ho an’ny fandriampahalemana
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
Sary avy amin’ny fitahirizana antontan-taratasy amerikana