FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/7 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Loza Amelezan’i Jehovah ny Kristianisma Anarana
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Tonga ny ora fitsaran’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Apokalypsy—Fizarana I
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Tanteraka Tamim-boninahitra Ilay Zava-miafina Masin’Andriamanitra!
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/7 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Oviana no nanomboka naneno ireo trompetran’ireo anjely fito resahina ao amin’ny Apokalypsy?

Ao amin’ny Apokalypsy toko faha-8 sy faha-9 ary faha-11 isika dia mamaky fa nisy anjely fito nitsoka trompetra fito, ary nampandre ny amin’ny loza mahery be hemely ny tapany maromaro amin’ny taranak’olombelona. Izy ireny dia mampiseho ny filazana ny fanamelohan’i Jehovah izay nambaran’ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny andro farany ary nanomboka indrindra indrindra tamin’ny fivoriamben’ny distrika tany Cedar Point tamin’ny 1922. — Jereo La Révélation: le grand dénouement est proche!, toko faha-21 ka hatramin’ny faha-23 ary toko faha-26.

Ireo feon-trompetra efatra voalohany dia manala sarona ny fahafatesana ara-panahin’ny tapan’ny “tany” sy ny “ranomasina” ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary koa ny fietren’ny klerjy sy ny fahamaizinana ara-panahy misy ny fivavahana lazaina fa kristiana. — Apokalypsy 8:7-12.

Ny Tantara dia mampiseho fa ny fanalana sarona ampahibemaso ireo zava-misy ireo, raha ny marina, dia nanomboka talohan’ny 1922. Ilay lahateny hoe “Olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy”, ohatra, izay natao voalohany tamin’ny 1918 ary navoaka tao anatin’ny bokikely tamin’ny 1920, dia niresaka ny amin’ny tsy fahombiazan’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny fanakekezan’ny faran’izao tontolo izao. Ny Taona Volamena (anglisy) tamin’ny 29 septambra 1920, dia tsy nihambahamba nanala sarona ny Fivavahana lazaina fa kristiana ho toy ny mpijangajanga, mpanambaka mpandainga ary mpamitaka ny vahoaka.

Koa nahoana àry ny boky Révélation: dénouement no milaza fa tany amin’ny fivoriamben’ny distrikan’i Cedar Point tamin’ny 1922 vao nanomboka notsofina ireo trompetra efatra ireo? Satria tamin’izay no nalefa ilay fiantsoana hoe “ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany”, ka nanome fanaingana mafy hanao ny asa fitoriana. Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 novambra 1922 dia milaza toy izao: “Noraisin’ireo sakaiza (...) ho toy ny hevitra fototr’io fivoriambe io ny hoe ny tena tombontsoa sy adidin’ireo voatokana ho an’Andriamanitra eto an-tany ankehitriny dia ny hanambara fa efa manatrika ny Tompo, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, fa voaorina ny fanjakany, ary koa fa izany no zava-dehibe indrindra tokony hataon’izy ireo.”

Tokony homarihina koa fa na dia nambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1922 aza ireo hafatra fitsarana efatra rehetra ireo, ny tsirairay avy taminy koa dia nanaovana fanaingana mahery tamin’ny fandaniana ireo fanapahan-kevitra tany amin’ireo fivoriambe natao teo anelanelan’ny 1922 sy 1925. Am-polo tapitrisany maro tamin’ireo fanapahan-kevitra natao printy ireo taorian’izay no nozaraina, ka izany dia nanala sarona tamim-pahombiazana ny fahafatesana ara-panahin’ny Fivavahana lazaina fa kristiana. — Jereo ny boky Révélation: dénouement, pejy faha-133, fehintsoratra faha-15.

Ireo trompetra telo farany dia milaza “loza”. (Apokalypsy 8:13). Hafa noho ireo fampanenoana ireo trompetra efatra voalohany izy ireo satria milaza ireo zava-mitranga amin’ny fomba hentitra. Ilay trompetra fahadimy dia mifandray amin’ny fanafahana ny vahoakan’Andriamanitra avy tao amin’ny “lavaka tsy hita noanoa” tamin’ny 1919. Ilay fahenina dia misy fifandraisana amin’ny “mpitaingin-tsoavaly” sy ny fitoriana iraisam-pirenena goavana izay nanomboka tamin’ny 1922. Ilay fahafito dia mahakasika ny fahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. — Apokalypsy 9:1-19; 11:15-19.

Ny tsirairay avy amin’ireo zava-mitranga ireo dia nitondra loza ho an’i Satana sy ny izao tontolo izaony. Ny fanafahana ireo voahosotra avy tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa tsy nanaovany na inona na inona tamin’ny 1919 dia nanindrona ny klerjin’ny Fivavahana lazaina fa kristiana ary nanaporofo ny fandavan’i Jehovah azy tanteraka. Nanomboka tamin’ny 1922 ka mandraka ankehitriny, ireo mpitaingin-tsoavaly sesehena dia namono ny Fivavahana lazaina fa kristiana, amin’ny heviny ara-panahy, tamin’ny fanalana sarona fa toy ny maty izy sy tamin’ny fampiomanana ny amin’ny handringanana azy tsy ho ela. Ary taorian’ny nahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914 i Satana dia noroahina avy tany an-danitra, ka nampiteraka fahoriana ratsy dia ratsy teo amin’ny taranak’olombelona. Tsy ho ela ilay Fanjakana dia hanaisotra ny fitambaran’olona toa mafy orina naorin’i Satana (ny tany), ka hanafoana ny taranak’olombelona mpikomy (ny ranomasina) ao Haramagedona. — Apokalypsy 11:17 ka hatramin’ny 12:12; 21:1.

Tao amin’ny fivoriambe tany Cedar Point natao tamin’ny 1922, ireo “loza” telo rehetra ireo dia nanjary niharihary teo imason’izao tontolo izao. Ny asa fitoriana natomboka tamin’izay dia nampiseho mazava tsara fa efa tafavoaka avy tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa ireo “valala” ary efa nalefa ny fanafihan’ireo mpitaingin-tsoavaly. Ary ilay antso nampientana natao mba hanambarana ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany dia nifanaraka tanteraka tamin’ny fampanenoana ilay trompetra fahafito. Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 marsa 1925 dia nanazava fa ireo zava-nitranga tamin’ny 1914 sy 1919 ary 1922 dia efa nambaran’ny Apokalypsy toko faha-12 mialoha. Nazava kokoa àry ny amin’ny fahaterahan’ilay Fanjakana, ary notorin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamim-pahatokiana izany. Fanampin’izany, ny fanambarana io fanazavana feno famelezana io dia nanaovana fanaingana lehibe indrindra tamin’ny fandaniana sy ny fizarana nanaraka izay, fanapahan-kevitra mahery noraisina nandritra ireo fivoriambe natao teo anelanelan’ny 1926 sy ny 1928. — Jereo ny La Révélation: le grand dénouement est proche!, pejy faha-147, 149, 172.

Araka izany àry, ny fitsofana ireo trompetra fito dia nanomboka tamin’ny 1922, ary nitohy mafy nandritra ireo taona 1920. Nanomboka tamin’izay fotoana izay, ny vahoakan’i Jehovah dia niara-niasa tsy amin-tahotra tamin’ireo anjely tamin’ny fanambarana tamin’ny olombelona rehetra fa maty amin’ny lafiny ara-panahy ny Fivavahana lazaina fa kristiana, fa mpitarika nietry ireo klerjiny, ary koa fa tsy ho ela izao dia ho ringana izy ireo sy ny tapany hafa amin’ity izao tontolo izaon’i Satana ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara