Ny fiadanana maneran-tany — Hidika inona tokoa izany?
NY FIADANANA izay ao an-tsain’Andriamanitra dia hahatafiditra zavatra mihoatra lavitra noho ny fitsaharan’ny poa-basy amin’ny ankapobeny na ny tsy fihetsehana noklehera fotsiny. Miharihary izany amin’ny fomba ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “fiadanana”.
Ohatra, ao amin’ny Soratra masina amin’ny fiteny hebreo (ny “Testamenta Taloha”), ny teny hebreo nadika hoe fiadanana dia shalôm. Ampiasaina ao amin’ny Genesisy 37:14 ny endriny iray amin’io teny io, rehefa niteny tamin’i Josefa zanany i Jakoba patriarka nanao hoe: “Andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman-osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko.”a Ampiasaina indray ny teny hoe Shalôm ao amin’ny Genesisy 41:16 izay nadika hoe “hiadanana”.
Noho izany, araka ny hevitry ny Baiboly, ny tena fiadanana dia tsy mahafaoka fotsiny fitsaharan’ny fifamelezana fa fahasalamana, filaminana ary fahafinaretana koa. Nasehon’ny lahatsoratra teo aloha fa tsy afaka mahita valin’ny ankamatatra ny amin’ny fomba hitondrana fiadanana ny olombelona. Jesosy Kristy irery ihany, ilay “Andrian’ny fiadanana”, no hahita izany ary hitondra tena fiadanana eto an-tany (Isaia 9:5, 6). Hevero ohatra, ny faminanian’ny Baiboly ao amin’ny Salamo 72:7, 8 ny amin’ny fanjakan’izy io: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina izy, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.” Alao sary an-tsaina ange — fahasalamana, filaminana ary fahafinaretana amin’ny ambaratonga maneran-tany! Tsy ho afaka hanatanteraka izany na oviana na oviana ny fifanekena ara-politika. Ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no afaka manao izany, ary mbola hanao be lavitra aza izy. Omen’ny Baiboly antsika ny topi-maso ara-paminaniana mampientana ny fo maro be ny amin’io fiadanana haneran-tany ho avy io. Aoka hodinihintsika ny sasany aminy.
Ny fanesorana tanteraka ny fitaovam-piadiana — araka ny fomban’Andriamanitra!
Izao no ambaran’ny Salamo 46:8, 9: “Avia, jereo ny asan’i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.” Mampiseho izay rehetra mety ho karazana fitaovam-piadiana na milina fampiasa amin’ny ady ny teny hoe “tsipìka”, “lefona” ary “sariety”. Araka izany, dia lasa lavitra kokoa noho ny famerana na ny fanesorana tanteraka mihitsy ny fitaovam-piadiana aza i Jehovah. Hofoanany tanteraka ny fitaovam-piadiana noklehera, ny tafondro, ireo fiara mifono vy, ireo fandefasana bala afomanga, ny grenady, ny baomba plastika, ny basy, ny basipoleta — na inona na inona mety handrahona ny fiadanana maneran-tany!
Tsy ny fitaovam-piadiana irery ihany anefa no mahatonga ny ady. Mazàna ny ady dia mamaka ao amin’ny toetra feno fankahalana sy fieremana ary tia herisetra ao amin’ny olombelona tsy tanteraka (jereo Jakoba 4:1-3). Noho izany, dia hamely ny fototra mahatonga ny ady ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fanafoanana ny toetra ratsy toy izany eo amin’ny vahoaka. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny fandaharam-pampianarana maneran-tany. “Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — Isaia 11:9.
Rehefa “hampianarin’Andriamanitra” toy izany ny taranak’olombelona, dia tsy hahita ny fahasamihafana ara-pirazanana ho fototry ny ady, fankahalana na fanamavoana intsony (Jaona 6:45). “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, ary hanome taratry ny tsy fiangarany ny mponina amin’ny tany (Asan’ny apostoly 10:34). Hofoanan’ilay Fanjakana koa izay rehetra mety hahatonga adim-pirenena amin’ny fanafoanana ireo sisin-tany mampisaraka. ‘Hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany’, ny rehetra dia hanao fianianana ny hankatoavany an-tsitrapo sy amim-pankasitrahana ny fanapahan’i Kristy. — Salamo 72:8.
Mba haharetan’izany fiadanana izany, dia hofoanan’ilay Fanjakana koa ny hery mampisaraka lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona: ny fivavahan-diso (Zefania 2:11). Ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina ny taranak’olombelona (Isaia 2:2, 3). Ho hita ombieny ombieny ny firahalahiana!
Fiadanana ao an-tokantrano
Misy vidiny inona anefa moa ny fiadanana maneran-tany raha toa ny tokantrano ka lasa toeram-piadiana izay andefasana fanevatevana, teny maharary, ary fandrahonana mandrakariva? Toy izany no manjo fianakaviana maro ankehitriny. Misy fianakaviana hafa manafina ny fankahalana lalina eo aminy ao ambadiky ny fahanginana mangatsiaka.
Noho izany dia tokony hahafaoka ny filaminana ao an-tokantrano ny fiadanana marina. Eo ambanin’ny fandaharam-pampianaran’ilay Fanjakana, dia hianatra hifampitondra amim-pitiavana sy amim-panajana ny mpivady. (Kolosiana 3:18, 19.) Hampianarina ‘hanaiky ny ray aman-dreniny amin’ny zavatra rehetra’ ny zanaka (Kolosiana 3:20). Tsy hisy zatovo mpikomy handiso fanantenana sy hahavelona ahiahy ny ray aman-dreniny intsony. Ny fankatoavana no fenitra ary ny fiaraha-miasa no fitsipika. Ho fahafinaretan’ny maso sy ho fifaliana eo amin’ny manodidina ny ankizy.
Amin’izao androntsika izao, dia mahatonga ho mafimafy kokoa ny fihenjanana ara-pianakaviana ny fanerena ara-bola, satria matetika no voatery samy miditra amin’ny asa tsy ara-pivavahana mafy ny ray aman-dreny. Nefa eo ambanin’ny fanapahan’i Kristy, ny fianakaviana dia ho afaka amin’ny fitambesaran’ny enta-mavesatra ara-bola — fisondrotan’ny hofan-trano, halafosan’ny antoka amin’ny fandoavan-trosa, fitomboan’ny hetra, tsy fananana asa. Ho maro be ny asa mahafapo sy mahavariana. Tsy hisy olona ho voatery tsy hanam-pialofana. Mariho ny fomba ampisongadinan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 65:21-23 ireo toe-javatra ireo: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao (...) Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa (...) ary ireo voafidiko hanaram-po amin’ny asan’ny tanany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; fa taranak’izay notahin’i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy.”
Alao sary an-tsaina ny tenanao miaina eo amin’ny manodidina tsy voahelingelin’ny fahitana, tabataba ary fofon’ny loton’ny tanan-dehibe! Alao sary an-tsaina ny tenanao mipetraka ao amin’ny faritra maitso — ny taninao — novolena sy namboarina ary nokarakaraina tamin’ny fomba tonga lafatra. Alao sary an-tsaina ny tenanao mifoka rivotra madio sady tsy misy fangarony; mandre, tsy ny tabataba mampangitsin-tsofina avy amin’ny haifomba ankehitriny, fa feo mampitony avy amin’ny natiora. Marina fa efa mifaly amin’izany amin’ny fetra sasany sahady ny mpanankarena sasantsasany. Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa, dia hifaly amin’ny toe-piainana feno fiadanana ny rehetra. Tsy hisy mahantra, na noana, na hiharan’ny tsy rariny intsony. — Salamo 72:13, 14, 16.
Nampanantena koa ny Baiboly fa “ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany.” (Ohabolana 2:22). Midika fanafoanana ny heloka bevava izany. Raha mandeha milalao any ivelany ny zanakao kely indrindra, dia tsy hilainao ny hanahy ny amin’ny mpanao an-keriny ankizy na ny mpangala-jaza mamitsaka any amin’ny maizimaizina, na ny amin’ny fiarakodia misy mpamily mamo tsy mahafehy ny fiarany, na ny amin’ireo andiana tanora mirenireny mamon-drongony. Hilalao ao anatin’ny filaminana sy tsy fananana ahiahy tanteraka ny zanakao.
Fiadanana sy fahafinaretan’ny tenanao manokana
Farany, dia ao ny lafiny eo amin’ny fahafinaretan’ny tena manokana. Na dia ny toe-piainana paradisa aza dia tsy mampitony ny fanaintainana avy amin’ny homamiadana na ny fangotsoky ny aretin’ny vanin-taolana. Noho izany, dia tokony hahafaoka ny fanafoanana ny aretina sy ny tsy fahasalamana ary ny fahafatesana ny tena fiadanana. Mety hisy ve ny zavatra toy izany? Fony izy teto an-tany, dia nasehon’i Jesosy Kristy imbetsaka ny fahefany hanasitrana ny aretina mahazo ny olombelona (Matio 8:14-17). Avy eo amin’ny toerany manerinerina any an-danitra, i Kristy dia ho afaka hanatanteraka fahagagana maneran-tany! “Amin’izany andro izany, hoy ny Baiboly, dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Amin’izany andro izany, dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” — Isaia 33:24; 35:5, 6, MN.
Tsy hijanona hatreo anefa ny ady hataon’i Kristy amin’ny fahorian’olombelona. Manazava ny amin’ny Fanjakan’i Kristy ny apostoly Paoly manao hoe: “Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.” (1 Korintiana 15:25, 26). Izany dia midika fanafoanana ny fahasimbana rehetra nampianjadian’ny fahafatesana teo amin’ny taranak’olombelona hatrany am-boalohany. Araka ny fanazavan’ny tenan’i Jesosy mihitsy dia: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fasam-pahatsiarovana, MN ] ny feony [ny an’i Kristy]; dia hivoaka izy.” (Jaona 5:28, 29). Olona an-tapitrisany maro tsy tambo isaina izay nivelona sy maty tao anatin’ny fahantrana no hanana fahafahana hahazo anjara amin’ny fiadanana maneran-tany ho avy.
Hahazo anjara amin’izany ve ianao? Mampirisika anao ny Vavolombelon’i Jehovah hianatra bebe kokoa ny amin’izay ampianarin’ny Baiboly momba izanyb. Mampientana ny fo loatra, sy marina loatra ny fahatsinjovana fiadanana haneran-tany ka tsy tokony hodian-tsy hita. Matokia fa, raha miezaka mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia ‘ho aminao ny Andriamanitry ny fiadanana’, mandrakizay! — Filipiana 4:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ara-bakiteny, “Andeha, jereo ny fiadanan’ny rahalahinao sy ny fiadanan’ny ondry aman’osy”.
b Azo atao ny mandamina fianarana Baiboly maimaimpoana any an-tokantrano amin’ny fanoratana any amin’ireo mpamoaka an’ity gazety ity.
[Sary, pejy 5]
Hampitsahatra ny ady “hatramin’ny faran’ny tany” i Jehovah.
[Sary nahazoan-dalana]
Sary ôfisialin’ny USAF
[Sary, pejy 6]
Hampianarina hifampitondra amim-piadanana ny mpivady