“Tomoera tsara” — Aza tafintohina
NY RAHARAHA lehibe indrindra atrehin’ny taranak’olombelona amin’izao andro izao dia ny amin’ny fiandrianana manerana izao rehetra izao. Manasa antsika mba hisafidy i Jehovah ary hiditra amin’io raharaha io amin’ny fanekena ilay Mpanjaka voatendriny, dia i Jesosy Kristy. Ilaina maika dia maika ny hamaliana io fanasana io, ary tao anatin’ireo dimy taona lasa monja, dia olona maherin’ny iray tapitrisa no nanao izany. Izy ireo anefa dia nahita fa misy zavatra hafa tafiditra amin’izany fandraisana safidy izany fa tsy iny fanaovana fanapahan-kevitra ny hanompo an’i Jehovah indray mandeha iny fotsiny. Tsy maintsy atao ho an’ny fiainana iray manontolo ny fanoloran-tena. Hitana ny safidy noraisintsika ve isika rehefa mihasarotra ny tarehin-javatra misy antsika? Sa kosa isika hihamalemy tsikelikely, aorian’ny ‘fitoerana tsara’ tany am-boalohany? — 1 Korintiana 16:13; Hebreo 2:1.
Raha tsy hitanao ho mora ny fihazakazahana kristiana, dia mahazoa fampiononana avy amin’ny fahalalana fa toy izany koa no nahitan’i Jesosy Kristy azy. Eny, na dia ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra aza dia nila ny nivavaka mba hahazoana hery hihazonana mafy ny safidy noraisiny, indrindra rehefa antomotra ny fitsapana azy lehibe indrindra. Alao sary an-tsaina izy tao an-jaridainan’i Getsemane, nivavaka mafy hoe: “Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Marka 14:36). Fantany fa sarotra ilay zavatra niandry azy. Tsapany indrindra indrindra fa hisy vokany eo amin’ny anaran’ny Rainy izany. Hita àry fa ilay hany lehilahy tanteraka teto an-tany dia tsy menatra ny nangataka fanampiana.
Rehefa mihasarotra ny fandehan-javatra misy antsika, dia manana loharanon-kery mitovy amin’ny an’i Jesosy isika. Afaka mivavaka mba hahazo ny fanampian’i Jehovah isika mba tsy ho tafintohina na hianjera. Inona avy anefa ireo karazana voina mety hitranga ka hahatafintohina antsika? Ny fahafantarana izany sy ny fiomanana mialoha dia mety hanampy antsika hisoroka ny fahatafintohinana.
Mety hahatafintohina antsika ny fanenjehana
Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Timoty 3:12, MN ). Mety hahatafintohina antsika ny fanenjehana, ary miseho amin’ny endriny maro samy hafa izy io. (Marka 4:17) Mety ho fandrarana avy any amin’ny fitondram-panjakana izany — miaraka amin’ny lozan’ny fampidirana an-tranomaizina sy ny fahafatesana mihitsy aza — na herisetran’ny mpirotaka, na fanoherana isan’andro izay mikiky ny finoana, avy amin’ny vady manohitra mafy, na koa ny esoeso tsy an-kijanona avy amin’ny mpiara-mianatra.
Sarotra ny miaritra fanenjehana, kanefa ampiomanina isika fa tsy maintsy ho avy amin’ny endriny iray na ny hafa izany. Noho izany àry, izao isika dia afaka mampahatanjaka ny finoantsika ka hianatra ny hitoky amin’ny herin’i Jehovah, amin’izay, rehefa tonga izany fotoana izany, dia hahay hiaritra noho io hery io isika. (1 Petera 4:13, 14; 5:6-11). Ireo vato mahatafintohina anefa matetika dia miafina kokoa noho ny fanafihana ratsin’ny fanenjehana.
Mety hampahalemy ny finoana ny fahadisoam-panantenana
Iza amintsika no tsy mahatadidy ny fahaketrahana tsapantsika fony ankizy rehefa toa nodisoin’ny hafa fanantenana? Tsaroanao ve ilay fotoana nampanantenain’i Dada famalifaliana manokana iray ho an’ny fianakaviana ary avy eo, ny niovany hevitra noho ny antony iray? Na ilay fotoana nampanantenany ny hitondra anao ho any amin’ny “zoo” (fijerena karazam-biby) ary tamin’ny minitra farany dia voatery nanajanona izany indray? Endrey ny fahadisoam-panantenana tsapanao!
Ny kristiana efa lehibe koa dia mety ho diso fanantenana, ary amin’ny toe-javatra sasany izany dia mitarika ho amin’ny loza ara-panahy. Nisy nametraka ny fanantenany tamin’ny daty iray izay ninoany mafy fa hahatongavan’i Haramagedona. Rehefa tsy nisy na inona na inona nitranga tamin’io andro io, dia nahatsiaro ho diso fanantenana izy. Ny hafa kosa dia diso fanantenana rehefa tsy tanteraka ny fanantenany hahazo tombontsoa iray. Ambonin’izany, ny olona koa dia mety handiso fanantenana anao. Ny ankizivavy 18 taona iray dia nilaza tamin’ny ray aman-dreniny fa diso fanantenana aoka izany tamin’ny fitondrantenan’ny sasany tamin’ireo zatovolahy tao amin’ny kongregasiona izy — sy tamin’ny tsy fisian’ny fampiharana famaizana avy tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo — hany ka tsy naniry ny hanana fifandraisana na inona na inona intsony mihitsy tamin’ny fahamarinana izy.
Na dia mora takatra aza ny fisian’ny fahadisoam-panantenana amin’ireo tarehin-javatra rehetra ireo, moa ve ireo diso fanantenana tokony ho tafintohina ka hampitsahatra ny fifandraisany amin’i Jehovah? Alao sary an-tsaina ny fahadisoam-panantenana tsapan’i Jesosy rehefa tsy nitsahatra niady hevitra ny amin’ny hoe iza no lehibe indrindra teo amin’izy ireo ny mpianatra, ka nampiharihary tamin’izany fihetsika feno fanirian-daza. (Lioka 9:46; 22:24) Alao sary an-tsaina koa ny fahadisoam-panantenana tsapan’i Joba rehefa namely azy ka nanomboka niahiahy ny amin’ny fahatokiany ireo namany telo lahy izay natao hanampy azy! Tsy tafintohina anefa na i Jesosy na i Joba.
Malemy avokoa ny olombelona rehetra, koa tsy ho araka izay tokony ho izy ny hamelana ny fahadisoan’ny hafa hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Salamo 51:5). Ny tsy fahatanterahan’ny sasany dia tsy tokony hampanakona amintsika ilay asa mahatalanjona ataon’i Jehovah amin’ny ‘fanangonana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy’. (Efesiana 1:9, 10.) Tsarovy ao an-tsaina fa olona tsy tanteraka sy mpanota tahaka antsika no angonin’i Jehovah, dia olombelona mila fifehezana sy fanatsarana mba hahafahany hihamatanjaka. (Salamo 130:3). Ny fahavalontsika dia tsy ny rahalahintsika kristiana tsy tanteraka akory, fa i Satana izay maniry ny handrapaka antsika raha azony atao izany. Tsy hahomby izy raha ‘manohitra azy isika, ka miorina tsara amin’ny finoana’. (1 Petera 5:8, 9.) Raha manana finoana toy izany isika, dia tsy ho ‘diso fanantenana’ velively. — Romana 9:33, MN.
Mety hanimba ny fanamelohan-tena
Ny sasany dia namoy ny fifandraisany tamin’i Jehovah Andriamanitra noho ny fahatsiarovana ho tsy mendrika. Mahalala ny fahalemeny sy ny fahadisoany izy ka manatsoaka hevitra avy amin’izany fa tsy heken’i Jehovah na oviana na oviana ny fanompoana ataony. Mihevitra izy fa fihatsarambelatsihy fotsiny ny fihamboan’ny olona tahaka azy ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa namely mafy ny tenanao toy izany ve ianao? Raha izany no izy, dia tokony handresy izany fihetseham-po izany ianao.
Mihevitra ve ianao fa tsy mendrika ny hanompo an’i Jehovah? Manontania tena toy izao àry: ‘Iza no mendrika io tombontsoa lehibe io?’ Ny kristiana rehetra dia tsy maintsy miady tsy tapaka amin’ny tsy fahatanterahany manokana. Na dia ny apostoly Paoly aza dia nitaraina toy izao: “Raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.” (Romana 7:21). Mpihatsaravelatsihy ve i Paoly satria indraindray izy dia nanao zavatra diso? Tsia. Ny mpihatsaravelatsihy dia olona izay mihambo ho toy izao na toy izao nefa tsy izany. Raha ohatra isika ka miezaka mafy mba hanao ny tsara, nefa indraindray dia solafaka tsy nahy, moa ve izany fihamboana tsy marina? Miharihary fa tsy izany velively.
Mampirisika antsika mba ‘hitafy ny toetra vaovao’ ny Baiboly. (Efesiana 4:24.) Midika anefa ve izany fa ho verintsika avokoa izay rehetra nahaforona ny toetra taloha? Tsia. Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosiana, i Paoly dia nilaza fa ny toetra vaovao dia “havaozina” amin’ny alalan’ny fahalalana marina. (Kolosiana 3:9, 10). Ilay teny hoe “havaozina” dia midika ho asa mitohy. Ny fanovantsika ny toetrantsika àry izany dia tsy an-kijanona. Tsy mahagaga àry raha indraindray isika mahita kilema ao amintsika.
Tsy isalasalana fa izany akory tsy natao hampihena ny maha-ratsy ny ota, na midika fa afaka ny tsy hanohitra ny fakam-panahy isika fa hanaiky ny ho latsaka ao amin’izany, amin’ny fanampoizana fa hamela antsika avy hatrany i Jehovah. Kanefa izany dia manampy antsika kosa mba tsy hanakiana ny tenantsika tsy araka izay tokony ho izy. Ary izany dia mahatonga antsika ho tia an’i Jehovah kokoa hatrany ihany satria izy nanolotra ny sorom-panavotan’i Kristy mba hahafahantsika manompo Azy na dia eo aza ny ota nolovana ao amintsika.
Nanome fomba fijery voalanjalanja ny amin’izany ny apostoly Jaona rehefa nilaza hoe: “Izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo.” Kanefa avy eo izy dia nanampy araka ny tena izy hoe: “Ary raha misy manota [noho ny tsy fahatanterahan’olombelona], dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy.” (1 Jaona 2:1). Tsy hanamelo-tena amin’ny fomba tafahoatra isika, fa noho io fahatakarana ny amin’ny toerana misy antsika sy ny amin’ny fanampiana nomen’i Jehovah antsika io, dia afaka milaza toa an’i Paoly isika hoe: “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” — Romana 7:25.
Aza mitoetra ho tafintohina foana
Nanome fampitandremana henjana an’izay nety hahatonga fahatafintohinana ho an’ny hafa i Jesosy: “Na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy.” (Matio 18:6). Ahoana anefa ny amin’ilay tafintohina? Raha tafintohina noho ny olona iray na tarehin-javatra iray isika, dia tokony hanala tsiny ny tenantsika ve isika ka hilaza hoe: “Tsy fahadisoako izao, ka tsy hanompo an’i Jehovah intsony aho”?
Diniho ny ohatra iray. Efa nibolisatra tamina ranomandry ve ianao na tafintohina tamin’ny tohatra iray? Nanampoka anao angamba ilay zava-nitranga. Mazava àry fa tsy maintsy ho nivalampatra teo amin’ny tany ianao tamin’izay. Kanefa inona no nataonao nanaraka izay? Moa ve ianao nilaza hoe: “Tsy fahadisoako raha mitsotra eto amin’ny tany toy izao aho. Fahadisoan’ilay ranomandry [na ilay tohatra] izany, ka tsy hitsangana eto aho”? Azo ampoizina kokoa fa nitsangana ianao ka niala haingana araka izay azonao natao avy teo amin’io toerana nahasadaikatra anao io.
Tsy izany koa ve no ho izy raha ny amin’ny zavatra ara-panahy? Raha tafintohina noho ny tarehin-javatra iray na ny namana kristiana iray isika, izany dia raharaha lehibe izay tokony halamina. Kanefa, raha mitoetra ho tafintohina isika, ka manohy manome tsiny ny hafa noho ny zava-manahirana antsika, dia tsy marina ve fa ny tarehin-javatra misy antsika dia mihamanjary fahadisoantsika?
Soa ihany fa, raha tafintohina isika, ireo loholona sy ireo olona matotra hafa ao amin’ny kongregasiona dia vonona tokoa ny hanampy antsika. (Galatiana 6:1) Ary ny tenan’i Jehovah mihitsy dia hanome hery an’ireo izay maniry ny hanompo azy na dia eo aza ireo fahasahiranana. (Filipiana 4:13). Tokony ho vonona foana hangataka fanampiana isika raha toa ka toa misy zavatra hanembantsembana ny safidy nataontsika ho an’i Jehovah sy ny Fanjakany. Amin’izay isika dia tsy hanome ny fandresena an’i Satana amin’ny tsy fitoerana ho tafintohina foana.
Manao ahoana ny toerana tananao?
Isan’andro, ireo mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena dia miatrika fitsapana ny fifikirany amin’i Jehovah. Na inona na inona zavatra tsy maintsy atrehiny, izy ireo dia tsy maintsy manao safidy mba ho anisan’ireo izay miandany amin’ilay Mpanjaka mesianikan’i Jehovah. Ireo mpanapaka mahery eto an-tany dia efa nisafidy ny “hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany.” Endrey ny tombontsoa ananantsika amin’ny fiandaniana ho azy! — Salamo 2:2.
Tsy afaka ny hahatohitra ny fitaoman’ity izao tontolo izao manontolo ity amin’ny herintsika irery anefa isika, koa mahazo fampiononana isika avy amin’ny fampanantenan’i Jesosy fa homba ny kongregasionany izy “ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:20). Hanohana antsika izy. Ambonin’izany, dia hahazo fanampiana lehibe isika rehefa mifikitra akaiky amin’i Jehovah ka mitady fanohanana avy aminy. Ny fitodihana any amin’ny teniny dia afaka hanome hery antsika. Rehefa toa mahatsapa isika fa tsy ho afaka ny hisetra fitsapana iray, ny Salamo 55:22 dia manasa antsika mba ‘hametraka amin’i Jehovah ny entantsika, ary izy no hanohana antsika. Tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.’ Eny, ny Baiboly dia mampirisika ny vahoakan’Andriamanitra rehetra mba ‘hitoetra tsara amin’ny finoana’ — ka tsy ho tafintohina. — 1 Korintiana 16:13.