Tsarovy ny mpanao anao lehibe amin’ny andro fahatanoranao
“TANORA tsy afa-po: zava-misy eo amin’ny fiainana maneran-tany.” Izany no azo novakina teo amin’ny lohatenin-dahatsoratra iray tao amin’ny The Star any Johannesburg (Afrika Atsimo). Izao no vakina eo amin’ny fiandohan’ilay lahatsoratra: “Eo amin’ny mponina sesehena voaforon’ny tanora izay voafetra ny fahafahany amin’izao, ary mbola hihena ihany izany any aoriana noho ny tsy fahampian’ny asa maneran-tany, ny tsy fahafaham-po eo amin’ny tanora any amin’ny tanàn-dehibe hipoka dia manjary zava-misy miharihary eo amin’ny fiainana maneran-tany. Nisy lafin-javatra iray niombonan’ny tabataba tany Miamy, sy ny tany San Salvador, sy ny tany Managua sy Teheran ary tany Cape Town — tamin’ny toe-javatra tsirairay, ny voalohany namono sy voavono dia ny tanora.”
Efa ho folo taona lasa izay no namoahana izany, ary nanjary niharatsy ny toe-javatra hatramin’izay. Nahoana no misy tsy fahafaliana toy izany eo amin’ny tanora maneran-tany? Ny fihilangilanana mitombo eo amin’ity fandehan-javatra ity no tsy isalasalana fa antony. Nitombo tsy mbola nisy toy izany ny tsy fananana asa. Ary noho ny fahasimbana haingana eo amin’ny fiainam-pianakaviana, tsy fananana ahiahy inona moa no ho hitan’ny tanora? Tsy mahagaga raha maro aminy no manameloka ny tontolo tsy azony fehezina. Moa ve izany tsy noho ny tsy fananany fanantenana azo antoka hampifantohany ny fiainany?
Mety hisy hanantena fa hanome fanantenana toy izany ny tontolo ara-pivavahana. Nanoratra toy izao anefa ny tanora iray: “Tena very hevitra aho. (...) Manana namana maro anisan’ny fivavahana samy hafa aho, ary dia mitovy amiko avokoa izy ireo. Very hevitra aoka izany tokoa aho ka tsy fantatro intsony izay tokony hinoana. Afaka manome ahy torohevitra ve ianareo aza fady?” Torohevitra inona no ho nomenao ny tanora toy izany?
Tsy voan’ny fahaverezan-kevitra sy fahorian-tsaina toy izany ny tanora izay mifikitra mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny tena kongregasiona kristiana. Raha mbola tsy manana fanantenana azo antoka ny amin’ny hoavy ny ankamaroan’ny tanora, ny tanora kristiana kosa dia matoky an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Teny fahamarinany azo antoka. Noho izany, izy ireo dia manana fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity sy ny fiainana mandrakizay eo anoloany. Avy eo, eo amin’ny tany voadio amin’ny tsy rariny sy ny faharatsiana, izy ireo dia hahaforona ny fototry ny “tany vaovao” izay ‘hitoeran’ny fahamarinana’. (2 Petera 3:13; Jaona 17:3.) Mba hahitana ny fahatanterahan’ny fanantenana be voninahitra toy izany, dia anarina ny tanora ‘hahatsiaro ny Mpanao azy lehibe’. (Mpitoriteny 12:1, MN. ) Ary ny torohevitra tsara indrindra azo omena azy dia ny hahatongavany sy ny haharetany ho mpikambana raikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana. Fa nahoana?
Ny ankamaroanareo tanora ao amin’ny kongregasiona kristiana dia manana ray aman-dreny mpino izay tia anareo sy mikarakara anareo. Ny kongregasiona tsirairay dia manana loholona voatendry izay mihevitra amin-jotom-po izay hahasoa anareo ara-panahy. Tsy azo hamaivanina ny fanampiana sy fikarakarana toy izany. Ny fahamarinana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra miaraka amin’ny fitarihana teokratika no hanome anareo tsy fananana ahiahy, fahafahana amin’ny fahadisoam-panantenana, ary fanantenana azo antoka ny amin’ny hoavy. Izany rehetra izany dia hanampy anareo ‘hitana ny finoana sy fieritreretana tsara’, ary hamikitra amin’ny fanantenana izay toy ny vatofantsika miaro ny sambo tsy ho rendrika mandritra ny tafio-drivotra eny an-dranomasina. — 1 Timoty 1:18, 19; jereo Hebreo 6:19.
Halaviro ny fitaoman’izao tontolo izao
Na dia maro isan-karazany aza ny fitahiana ara-panahy azonareo tanora ifaliana ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia manana fironana hanaraka ny lalan’izao tontolo izao ny sasany. Toy ny hoe mahatsapa izy ireo fa misy zavatra mendrika hatao tsy ananany izay tsy mety ho hita afa-tsy any amin’izao tontolo izao ivelan’ny kongregasiona kristiana. Nefa moa ve izao tontolo izao tena manana zavatra mendrika hatao hatolotra tokoa?
Rehefa avy nandany maherin’ny 40 taona tamin’ny fanompoana manontolo andro ny mpanompon’Andriamanitra iray dia niteny toy izao: “Ny hany tapany teo amin’ny fiainako izay nanenenako, dia ny tapany izay niainako talohan’ny nahatongavako tao amin’ny fahamarinana. Anisan’izao tontolo izao aho tamin’izany ary nivelona ho an’izao tontolo izao fotsiny. Rehefa feno 18 taona aho ka nandinika ny fiainako lasa, dia tsapako fa zava-poana izany. Tsy nisy zava-kendrena na fikasana teo amin’ny fiainako. Ireo fahafinaretana teo amin’izao tontolo izao izay noheveriko fa hampifaly ahy dia tsy nitondra afa-tsy fahadisoam-panantenana sy alahelo raha ny marina. Nanomboka nitady ny fahamarinana aho. Nahita izany aho, ary herintaona tatỳ aoriana dia nanomboka niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro. Tsy nanam-bola aho, fa fanandraman-javatra tao amin’ny fahamarinana nandritra ny herintaona monja sy finoana fa hanohana ahy i Jehovah. Ankehitriny aho rehefa mitodika mijery ny fiainako izay nolaniko tamin’ny fanompoana manontolo andro ny androantokony, dia sambatra aoka izany aho. Tsy iriko na oviana na oviana ny hanakalo izay azoko tamin’ny fanompoana an’i Jehovah amin’izay rehetra mety hatolotr’izao tontolo izao.” Raha ny marina, izany dia mitovy amin’ny fihetseham-po ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro.
Nahoana àry no maniry zavatra izay efa nilaozan’ny kristiana hafa? Nahoana no maniry fatratra ny zavatr’izao tontolo izao izay mitarika ho amin’ny fandringanana? (1 Jaona 2:15-17) Amin’ny maha-tanora anao, dia angamba ianao mahatsapa fa mamepetra be loatra ny fanompoana an’i Jehovah ka mahatonga anao hamoy ny fifaliana atolotr’izao tontolo izao. Nefa moa ve fahendrena ny hiheverana fa be fameperana loatra ny ray aman-dreninao sy ireo loholona rehefa maniry hanampy anao hahazo sitraka amin’i Jehovah ka hahazo ny fiainana mandrakizay izy?
Raha ohatra ny reny iray ka maniraka ny zanany ho any amin’ny mpivarotra ary mampahatsiaro azy mba hijanona ka hijery ny andaniny roa alohan’ny hiampitana arabe, moa ve ianao hihevitra azy ho be fameperana tafahoatra? Moa ve izy kosa tsy mitady amim-pitiavana ny hiaro ny ain-janany? Aoka hataontsika hoe tsy niraharaha ny fampitandremana ilay zaza ka voadonan’ny fiarakodia ary maty. Mbola hihevitra ihany ve ianao fa be fameperana loatra ilay reny? Mety hieritreritra ianao fa tokony ho nanao fitandremana bebe kokoa izy mba hiarovana ny ain’ny zanany! Toy izany koa, ireo fampahatsiarovana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminany dia nomena tamim-pitiavana, tsy hoe mba hameperana fa ho fiarovana antsika.
Tsy ampy ny hoe nohalehibeazina tao anatin’ny tokantrano kristiana mba hanoherana amim-pahombiazana ny faneren’ity tontolo ity. Ilain’ny tenanao koa ny miaiky manokana ny amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Mahaforona fototra ho amin’ny fanoloranao ny tenanao ho an’Andriamanitra ny fiekena manokana toy izany sy ny fitiavana ny Mpamorona. Ilaina koa izany fiekena manokana izany mba hahafahanao miaro ny finoanao eo anatrehan’ny hafa (1 Petera 3:15). Ny fanekena ny fitarihan’ny Tenin’Andriamanitra no fototra ho an’ny fiainana feno fahombiazana (Josoa 1:8; Salamo 119:9). Mba hahombiazana eo amin’ny fiainana anefa, dia ilainao koa ny fiofanana tsara.
Fanomezana fiofanana manokana
Azo antoka fa ho faly ianareo ray aman-dreny kristiana hahita ny zanakareo hijoro tsara ao amin’ny fahamarinana ka hitoetra ho tafaray aminareo amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Ny ray no manana andraikitra voalohany indrindra hitaiza ny zanaka “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ]” (Efesiana 6:4.) Nefa moa ve ianao afaka mamantatra lafiny izay ilainao hohatsaraina eo amin’ny fampiofanana azy ireo? Mandany fotoana ampy miaraka amin’ireo zanakao ve ianao? Manao zavatra miaraka amin’ny maha-fianakaviana ve ianareo? Miaraka manao fialam-boly mahasoa ve ianareo?
Aza hadinoina fa manan-kery lehibe eo amin’ireo zanakao ny fomba fanomezanao ohatra tsara. Raha tianao hihevitra ny fahamarinana ho zava-dehibe ny zanakao, dia tokony ho toy izany koa ny fomba fihevitrao (3 Jaona 2-4). Ary raha tianao ny hamboleny fanajana lalina ny fandaminan’i Jehovah sy ny loholona, dia tokony hanana fihetsika tsara toy izany foana ny tenanao.
Na dia anjara asan’ireo ray aman-dreny voalohany indrindra aza ny fampiofanana ny zanaka, dia manana andraikitra amin’ireo tanora ao amin’ny kongregasiona koa ny loholona. Eo am-pikarakarana ny andian’ondrin’Andriamanitra, ireo mpiandraikitra dia mila miandry ny zanak’ondry koa (1 Petera 5:1-3). Ohatra tsara toy inona moa no navelan’i Jehovah amin’ny fiahiana amim-pahalemem-panahy na dia ny kely indrindra aza! (Isaia 40:11) Amin’ny fanarahana ny ohatra nomeny, ireo mpiandry lefitra kristiana koa dia haniry haneho hafanana, sy fiahiana feno fitiavana an’ireo tanora ka hahatonga azy ireo hahatsiaro tena ho anisan’ny kongregasiona. Ny tanora sasany dia naneho ny faniriany hahita ireo loholona hiresaka aminy matetika kokoa ary hanampy azy eny amin’ny fanompoana kristiana.
Ny fitaizana tanora dia midika ho zavatra mihoatra noho ny fanomezana azy fahalalana ara-tsaina ny Soratra masina. Tokony hankahala izay ankahalain’Andriamanitra sy ho tia izay tian’Andriamanitra amin’ny fony izy (Amosa 5:14, 15). Raha tsy maintsy mahatsiaro ny Mpanao azy amin’ny fahatanorany ny tanora, dia ilainy ny hofehezin’ny Soratra masina amin’ny fandehanana amin’ny lalam-pahamarinan’i Jehovah (Ohabolana 22:6; 2 Timoty 3:16). Tsy tokony hisakana ny fifehezana ilaina ny ray aman-dreny. Ny ray aman-dreny sasany izay te hitazona hatrany ny fisakaizana amin’ny zanany na inona na inona vidiny, dia mirona handefitra amin’ny fanaovan-dratsy, ka manamaivana ny haratsin’izany. Manjary voataonan’ny toe-tsain’izao tontolo izao milefitra loatra izy ireo. Ray aman-dreny be fitiavana kosa anefa ireo mihaino tsara ny fitantarana momba ny fitondrantena ratsin’ny zanany ka manome ny fifehezana sahaza azy (Ohabolana 13:24). Raha ny marina, ray aman-dreny kristiana iza no maniry hitana fisakaizana miorina amin’ny fileferana loatra nefa hamoy ny zanany noho ny tsy fisian’ny fifehezana mety? — Ohabolana 22:15.
Manàna zava-kendrena eo amin’ny fiainana
Noforonin’i Jehovah Andriamanitra isika mba hahazoantsika ny fifaliana sy ny fahafahampontsika lehibe indrindra avy amin’ny fanompoana azy. Eritrereto ny saha midadasika izay azonareo tanora volena. Eo amin’ny antsasaky ny mponina eto an-tany no 20 taona sy latsak’izany. Mitsabatsaba ao anatin’ny ranomasin’olombelona ireo tanora ireo. Raha tsy manana fanantenana izy ireo, ianareo tanora kristiana kosa manana fanantenana azo antoka sy zava-tsarobidy hozaraina aminy. Amin’ny alalan’ny fitondrantena kristiana tsara anananareo sy ny zotom-ponareo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia mety hanintona ny sasany aminy ho amin’ny fahamarinana ianareo. Amin’izany no ahafahanareo hanampy azy ireny eo amin’ny lalan’ny fiainana.
Zava-kendrena mendrika kokoa inona no azonao ananana noho ny fanolorana ny fiainanao ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra? Moa ve ianao nieritreritra ny hanomboka ny asa fitoriana famonjena aina manontolo andro? Angamba ianao afaka mandray anjara amin’ny fampielezana ny vaovao tsara amin’ny maha-mpitory maharitra, na afaka manompo any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower izay amoahana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Na dia tsy afaka manao izany aza ianao, moa ve ianao tsy tokony hanao ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao, ka hahatsiaro amin’izany ny Mpamorona anao lehibe? Manana asa mendrika ny hatao ianao. Noho izany, mandra-pahatongan’ny faran’ity fandehan-javatra ity, dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny ‘hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.’ — 1 Korintiana 15:58.
Noho izany dia mandrosoa hatrany, ry tanora kristiana. Tsarovy ny Mpamorona anao lehibe izao, dia hitsimbina anao izy rehefa hofaranany ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity. Eny, hiaro anao i Jehovah amin’izany fotoana izany, ary hitahy anao ao amin’ny hoavy tsy hanam-pahataperana sy be voninahitra.