Fanontanian’ny mpamaky
◼ Mety amin’ny kristiana ve ny mandeha mihaza na manjono?
Ny fihetsika isan-karazany vokatry ny fihazana dia mazàna mahatafiditra fihetseham-po lalina. Ny tena tsara ho an’ny kristiana àry dia ny miezaka hahatakatra sy hampihatra ny fomba fihevitr’i Jehovah Andriamanitra ny amin’ilay raharaha araka izay hita ao amin’ny Baiboly.
Nomen’Andriamanitra fahefana teo amin’ny “bibi-dia” sy teo amin’ny “biby fiompy” ny taranak’olombelona. Tamin’ny voalohany, dia tsy navelan’ny Mpamorona hamono biby mba hohanina ny olombelona, ary angamba tsy nanana filàna ara-nofo ny hanao izany akory aza izy (Genesisy 1:24, 29, 30). Efa taorian’ny Safodrano ny taranak’olombelona vao nomen’Andriamanitra zo hihinana nofom-biby rehefa avy nesorina tamin’ny fomba mety ‘ny ainy (dia ny rany)’. (Genesisy 9:3, 4.) Mety ho hena avy amin’ny biby fiompy na avy amin’ny biby dia izany.
Niompy biby toy ny ondry na omby izay azo novonoina hatao sakafo rehefa naniry hena ny Isiraelita. Nihaza sy nanjono koa izy ireo mba hahazoana sakafo (Deoteronomia 12:20-24; 14:4-20). Izany dia mifanaraka amin’ny teny ara-panoharana nataon’Andriamanitra hoe ‘haniraka mpamovo [mpanjono] maro mba hanjono ho an’ny olony sy mpihaza maro mba hihaza ho azy’ izy. (Jeremia 16:16.) Tatỳ aoriana, dia nampiditra mpanjono ho anisan’ny apostoliny i Jesosy ary nitarika asa fanjonoana mihitsy aza. — Matio 4:18-22; 17:27; Lioka 5:2-6; Jaona 21:4-7.
Rehefa nangataka hanim-py i Isaka patriarka efa be taona, dia tapa-kevitra ny hamono zanak’osy roa mba hanaovana nahandro ho azy i Jakoba zanany lahy. I Esao kosa dia nihaza biby dia mba hanomezana hena avy amin’ny haza ho an-drainy. Mariho fa na dia nisy hena avy amin’ny biby fiompy azo nampiasaina aza teo, dia nangataka haza i Isaka. Mariho koa fa samy namono biby hatao sakafo, tsy ho an’ny tenany fa ho an’olon-kafa, ireo zanaka roa lahy. — Genesisy 27:1-19.
Azo novonoina noho ny antony hafa ankoatra ny henany ny biby. Azo nanamboarana akanjo ny hodiny (2 Mpanjaka 1:8; Marka 1:6; Hebreo 11:37). Nanaovana firakotra fiarovan-javatra sy fitaovana koa ny hodi-biby, na dia ny an’ireo biby nambara fa maloto ka tsy nohanin’ny Isiraelita aza. — Eksodosy 39:33, 34; Nomery 24:7; Mpitsara 4:19; Salamo 56:8.
Ny lalàn’Andriamanitra mitaky ny hanidinana amin’ny tany ny ram-biby novonoina dia tokony hampahatsiaro ny mpihaza fa avy amin’Andriamanitra ny ain’ny biby ka tokony hoentina amim-panajana, fa tsy amim-panamavoana (Levitikosy 17:13). Miharihary fa namono biby maro i Nimroda ary nirehareha ny amin’ny fahaizany mihaza, ny amin’ny habe na ny isan’ireo matiny, na ny amin’ireo zavatra notanany ho fahatsiarovana ny fahombiazany. “Mpihaza mahery teo anatrehan’i Jehovah [nanohitra an’i Jehovah, MN ] izy. — Genesisy 10:9.
Mety hitombo ao amin’ny kristiana ny fahitana fahafinaretana toy izany eo amin’ny fihazana na famonoana biby, na eo amin’ny fanjonoana trondro. Mpihaza na mpanjono maro izay nandinika ny fony no nahita fa voan’ny ‘fahafinaretana hamono’ izy. Mifandray amin’ny tsy firaharahana tanteraka ny ain’ny biby izany fahataitairana izany. Noho izany, na dia tsy ratsy aza ny mihaza na manjono (raha toa ka hampiasain’ny olona ho sakafo na ho amin’ny antony mety iray ny biby voavono na voajono), dia tsy hety ny hanaovan’ny kristiana izany raha manana toe-tsaina mampahatsiaro an’i Nimroda izy. Misy loza anefa ankoatra ny fahitana fahafinaretana amin’ny fihazana, ny famonoana, na amin’ireo zavatra notanany ho fahatsiarovana ny fahombiazany.
Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1984 dia nanazava ny amin’ny antony tsy itondran’ny kristiana marina basy na itehirizany izany mba hamelezana na hiarovan-tena (pejy faha-23-26). Ny fisaintsainana izany torohevitra izany no nitarika Vavolombelona sasany hanombana indray ny fananana na dia basy fihazana aza. Tsy vitsy no nifidy ny hanary ny basiny rehetra na ny hanalavitra ny fametrahana azy ho talaky maso sy ho mora raisina. Tsy nirin’ireny kristiana ireny àry ny hiseho ho mirehareha amin’ny fitaovam-piadiana na hametraka ny fitokiany amin’izany. Ambonin’izany, ny tsy fananana na dia basim-borona aza, na ny tsy fametrahana izany amin’ny toerana mora raisina, dia mety hisakana loza. Amin’izay ny fitaovam-piadiana mahafaty dia tsy ho tonga eny am-pelatanan’ny ankizy izay mety handratra na hamono olona tsy nahy, na ho eny am-pelatanan’olona tratran’ny tahotra na fahaketrahana tafahoatra. — Jereo Ohabolana 22:3.
Mety ho tia ny tsiron’ny hena avy amin’ny haza na trondro ny kristiana sasany, ary ny fomba tsotra indrindra hahazoana sakafo toy izany dia ny fihazana na ny fanjonoana. Ny hafa indray mifaly amin’ny rivotra sy ny fiasam-batana izay mifamatotra amin’ny fihazana any anaty ala, na mahita fa ny ora vitsivitsy milamina lany eo am-panjonoana dia manala vizana. Koa satria ny Baiboly tsy milaza zavatra manameloka izany, dia tsy misy ilàna ny hitsarana ny hafa raha mahita fahafinaretana amin’izany izy na tsia. Ary asehon’ny ohatra ny amin’i Isaka sy ireo zanany lahy fa tsy misy ilàna ny hananganana ady hevitra ny amin’ny hoe iza no hihinana haza na trondro. — Matio 7:1-5; Romana 14:4.
Miharihary fa niraiki-po tokoa tamin’ny fanjonoana ny apostoly Petera. Teo anilan’ny trondro vitsivitsy no nanampian’i Jesosy tafatsangana azy hamakafaka ny fihetseham-pony manokana ny amin’ny trondro sy ny fanjonoana. Hoy ny fanontanian’i Jesosy: “Simona zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavanao ireto?” — Jaona 21:1-3, 9-15, MN; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 febroary 1989, pejy faha-31.
Toy izany koa, ny kristiana iray izay mifidy ny hihaza na hanjono amin’ny fieritreretana madio dia tokony handamina tsara ny zavatra homeny ny laharam-pahamehana. Inona no hataony, ohatra, raha toa ka misokatra ny fotoam-pihazana na fotoam-panjonoana amin’ny fotoana anaovan’ny kongregasiona fandaharam-pivoriana? Na asehon’ny teniny ve fa ireharehany ny fahaizany mihaza na manjono? Ho tsara indrindra raha toa ny kristiana matotra iray izay mifidy ny hihaza na hanjono indraindray, ka afaka miteny amim-pahatsorana hoe: “Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho [mihoatra noho ireto raharaha ireto]”. — Jaona 21:16.