Ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny fotoana mety sy amin’ny fotoana sarotra
Notantarain’i Hal Bentley
VITA ny fanomanana ho amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tanàna kely iray tany Nyasaland (Malawi ankehitriny). Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny mpiandraikitra ny distrika dia nizaha farany ny lampihazo vita tamin’ny bozaka sy volotsangana ary ireo trano bongo natao tamin’ny bozaka natao hilasiana. Tampotampoka teo izy ireo dia nohodidinina antokona mpirotaka niafina tao anaty kirihitr’ala teo akaiky teo. Narehitry ny mpanakorontana ireo trano bongo sy ilay lampihazo ary natosiny ho any amin’ireo trano nipetrahany ireo rahalahy roa.
Tonga nihazakazaka hijery izay nitranga i Joyce Bentley, vadin’ilay mpiandraikitra ny distrika. Ary dia natosika hiverina koa izy. Nikiakiaka ny filohan’ilay antokon’olona io fa tsy maintsy mandeha teo no ho eo ihany ilay mzungu (ilay vazaha). Tsy navelan’ireo mpirotaka haka ny entanay akory izahay fa notereny hiditra ny Land Rover-nay. Nifanizina nanodidina ilay fiara izy rehetra — lehilahy, vehivavy ary ankizy — ary niantsoantso hoe “Pitani mzungu” (Andeha mandeha, ry Vazaha) sy “Kwacha” (Fahafahana). Nanampo ny hamadihan’izy ireo ilay Land Rover izahay ka nivavaka mangina tamin’i Jehovah. Nihaniparitaka anefa ilay vahoaka, ary dia nandeha nankany amin’ny paositry ny polisy akaiky indrindra, tany Mzimba, teo amin’ny 50 kilaometatra avy teo, izahay.
Niverina izahay tatỳ aoriana, narahina polisy tokana. Noho ny tabataba hafa maro tany an-toeran-kafa, dia izy irery no sisa tavela. Nony tonga teny amin’ilay toerana namelezan’ireo mpirotaka anay izahay, dia hitanay ny fanevan’ny Antokon’ny Kongresin’i Malawi nampakarina teo ivelany ary ireo litera M. C. P. (Malawi Congress Party) nosoratana teo amin’ny rindrina feta. Kanefa rehefa avy niresaka tamin’ireo olona teo an-tanàna ilay polisy, dia navelan’izy ireo hampiditra ny entanay tao anatin’ilay Land Rover izahay.
Hitanay koa avy eo i Rightwell Moses, ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany, sy ny vadiny. Nihazakazaka tany anaty kirihitr’ala ny vadiny nandritra ilay rotaka. Fa i Rightwell no saika novonoin’izy ireo an-drano tao amin’ny renirano teo akaiky teo. Nalain’ireo mpanao rotaka ireo koa ny sakafo rehetra ho an’ny fivoriambe. Avy eo dia nasainy nandeha tamin’ny lalana iray ireo rahalahy, fa ireo anabavy sy ankizy kosa tamin’ny lalana nifanipaka tamin’izany nandritra ny kilaometatra maro mandra-pandaozan’ireo mpirotaka vizana azy.
Izany dia iray monja tamin’ireo tarehin-javatra maro izay niafara tamin’ny fandrarana ny asa tany Malawi, izay nitarika ho amin’ny fanenjehana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny famonoana olona, ny fikapohana tamin-kalozana, ny fisavihana vehivavy ary ny fanaovana an-tranomaizina.
Nahoana izahay no tany Malawi?
Teraka tamin’ny 8 jona 1916, tany Leeds, tany Yorkshire, any Angletera, aho, ary ny zandriny indrindra tao amin’ny fianakaviana nisy ankizy dimy. Tsy fianakaviana nivavaka izahay ary tsy nandeha niangona.
Tamin’ny 1939, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe faharoa, dia efa maty avokoa ny ray aman-dreniko. Tamin’ny jona 1940, raha vao 24 taona monja aho, dia voaray ho miaramila, ary nandritra ireo dimy taona nanaraka, dia niasa tao amin’ny sampan-draharaha samihafa nampiasa milina. Nandritra ireo taona ireo, raha teo am-pampiasana basy marovava tany amoron-tsiraka avaratra atsinanan’i Angletera aho ka niandrandra nijery ny lanitra feno kintana, dia nieritreritra matetika momba an’Andriamanitra sy nanontany tena hoe nahoana ilay Mpamorona izao fahatsaran-tarehy izao no hamela ny herisetra, sy ny ra mandriaka ary ny fijaliana toy izao hisy eo amin’ny taranak’olombelona. Rehefa tafavoaka avy tao amin’ny tafika aho vao nahita ny valin’ireo fanontaniana maro nahavery hevitra ahy efa hatramin’ny ela.
Indray takarivan-dririnina nangatsiaka tamin’io taona io, dia nisy olona nandondòna tao amiko. Raha nanokatra ny varavarana aho, dia nahita rangahy nihaja be taona izay nanomboka niresaka momba ny Baiboly. Nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly izany, ary tsy ela dia ho amin’ny batisako tamin’ny aprily 1946. Tamin’ny 1949 aho dia niala tamin’ny asako ary tonga mpitory maharitra teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Avy eo aho dia nanompo tao amin’ny Betelan’i Londres nandritra ny telo taona mahery, ary tamin’ny 1953 aho dia nasaina hanatrika ny kilasy faha-23 amin’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower, tany South-Lansing, any New York, mba hiofana ho misionera. Rehefa vita izany, dia nandray ny asa nanendrena ahy ho misionera tany amin’ilay nantsoina hoe Nyasaland tamin’izay aho. Tatỳ aoriana aho dia nirahina hanao ny asan’ny mpiandraikitra ny distrika. Nandritra ny dimy taona aho dia nitety io tany tsara tarehy io hatrany avaratra ka hatrany atsimo, ary hatrany andrefana ka hatrany atsinanana, raha mbola mpitovo tanora. Nitombo ny fitiavako ireo olona tany, izay vahoaka falifaly sy nahay nampiantrano vahiny na dia tsy dia nanana firy aza izy ireo teo amin’ny ara-nofo, ankoatra ny tanin-katsaka, akoho ary osy na kisoa vitsivitsy. Ny sasany taminy dia mpanjono kinga. Niara-nipetraka taminy tao amin’ny tranony tsotra vita tamin’ny feta sy tsora-kazo aho ary niara-nandeha an-tongotra taminy isan-tanàna teo amin’ny asa fitoriana. Nahafinaritra ahy koa ny fiarahana taminy tany amin’ireo fivoriambeny natao an-kalamanjana, raha niara-nipetraka ny fianakaviany ka variana nihaino ireo mpandahateny, na dia nivatravatra aza ny orana indraindray.
Rehefa nijanona tao amin’ny vohitra iray aho, dia tonga daholo izy rehetra, na kely na lehibe, ary niarahaba ahy tsirairay tamin’ny fitenenana hoe: “Moni, muli bwanji?” (Manao ahoana ianao?) Na dia teny am-pandehanana isan-tanàna aza aho, dia nampijanona ny fiavàny ny sahany ny olona mba hiarahabana ahy.
Ny kongregasiona tsirairay notsidihiko niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nanamboatra trano manokana ho ahy. Indraindray izany dia trano mafy natao tamin’ny tsato-kazo sy nisy tafo bozaka, izay nankasitrahako tokoa. Hitako anefa fa mila fotoana ihany ny tafo bozaka vaovao iray vao tsy idiran’ny rano intsony.
Indray mandeha aho dia nanaovan’ireo rahalahy trano iray nataony tamin’ny ahi-drano matevina. Nisy lafiny telo izy io, ary ny Land-Rover-ko no nahaforona ny lafiny fahefatra. Tany amin’ny lohasahan’ny renirano Shire izany, toerana izay mafana mandritra ny taona, ary nisy moka nifandimby niasa, raha azo atao ny milaza azy toy izany, ka tsy namela anao hipetraka na andro na alina! Raha tsy nisy aromoka sy fanafody fampandosirana moka, dia nila tsy ho azo natao ny nanohy ny asa.
Namana iray niray tamiko ho amin’ny fiainana
Tamin’ny 1960 dia niray tamiko tamin’ny fanambadiana i Joyce Shaw, izay misionera tany Equateur. Eny tokoa, rehefa avy nankamamy ny fanomezan’ny naha-mpitovo nandritra ny taona maromaro aho dia nahazo fitahiana noho ny fanomezana hafa iray, dia ny fanambadiana, izay mbola ankasitrahako lalina ihany, 30 taona atỳ aoriana. Nahazo fitahiana maro noho ireo fanandraman-javatra mampientana ny fo maro niarahanay nahita izahay sy i Joyce.
Indray mandeha, tamin’ny fampiasana tsato-kazo sy bozaka, ireo rahalahy dia nanamboatra tetezana hitana renirano iray. Izany no natao mba hahafahako niampita ho any amin’ny vohitra iray naniry ny hampisehoako ilay horonan-tsarin’ny Fikambanana hoe “Ny Fikambanan’izao tontolo izao vaovao eo am-piasana”. Nihitsoka tamin’ny tsato-kazo iray tamin’ilay tetezana anefa ny fitaterana entana notarihin’ilay Land-Rover. Tsy nisafoaka ireo rahalahy fa notsoahiny ilay fitaterana entana, ka izany dia nahafahako niala ilay tetezana tamin’ny fiarakodiako, ary izy ireo no nanao izay hahatongavan’ilay fitaterana entana teny ampita. Nahomby tokoa ilay fampisehoana sarimihetsika nataonay.
Indraindray ireo renirano dia nalalaka loatra ka tsy nahafahana nanamboatra tetezana. Nesorin’ireo rahalahy avokoa izay tao amin’ilay Land-Rover — ny mpihary angôvon’aratra azo entin-tanana, ny fandefasana sarimihetsika, ireo horonan-tsary, ny fandriana — ary niroboka hita ny rano izy ireo, ary izaho dia nentin’ny iray tamin’ireo rahalahy teo amin’ny sorony natanjaka. I Joyce kosa dia nobatain’anabavy anankiroa nita ny rano. Ny renirano sasany dia lalina loatra. Baka vao natao tamina hazo fisaka mafy natambatra teo ambonin’ny daba lehibe valo na folo no nandehananay. Mpampita roa lahy no nisintona anay tamin’ny tady.
Ireo rahalahy tany Malawi dia nahay nanampy sy tsara fanahy aoka izany ary nitondra anay tamim-panajana lalina. Tamin’ny toerana iray izay dia nandrahona ny handoro ny trano nitoeranay ireo olona teo an-toerana, hany ka niari-tory ny alin’iny manontolo ireo rahalahy mba hahazoana antoka ny fiarovana anay. Na dia talohan’ny nandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1967 aza, dia efa nisy tarehin-javatra nampidi-doza toy ilay voalaza teo am-piandohan’ity tantara ity. Maro tamin’ireo rahalahy sy anabavy tany Malawi no vonona ny hamoy ny ainy ho anay.
Indray mandeha aho dia niara-nitory isan-trano tamin’ny rahalahy iray izay nisy ratra nivonto be teo amin’ny handriny. Novonoina tamin’ny fomba nahatsiravina izy andro vitsivitsy talohan’io. Tao amin’ny trano iray izy dia nanao fanambarana tsara dia tsara tamin’ny fomba tony tamin’ilay tompon-trano. Rehefa avy niala teo izahay, dia hoy ilay rahalahy: “Iny olona iny ilay namely ahy tamin’ny fomba mahatsiravina toy izao!” Tamin’izay dia tsaroako ny tenin’i Paoly manao hoe: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. (...) Reseo amin’ny soa ny ratsy.” — Romana 12:17-21.
Nanitatra ny fanompoanay izahay
Raha mbola tany Malawi izahay, dia nitsidika an’i Mozambika teo akaiky teo izahay sy i Joyce. Ny fahaizany teny espaniola, izay nianarany fony izy nanompo tany Equateur, dia nanampy anay, satria nahazo izay nolazainy ireo Portioge. Nony farany, dia samy afaka niresaka tamin’ny teny portioge izahay mivady. Mbola nanohy nitsidika an’i Mozambika izahay na dia tany Zimbabwe toerana nanaraka nanendrena anay aza. Nanohitra mafy ny asa fitoriana ny Eglizy katolika ary nampiteraka korontana. Nandritra ireo folo taona nanaraka anefa dia imbetsaka izahay no nahatsapa ny fiahiana feno fitiavan’i Jehovah sy ny fiarovany tamin’ny fikarohany ireo ondry tany.
Nandritra ny iray tamin’ireo fitsidihanay an’i Mozambika izahay dia nitsidika ramatoa liana iray nonina tany avaratry ny seranan’i Beira. Nanoratra tany aminy ny rahavaviny tany Portiogaly ary nitantara taminy ireo zavatra nahafinaritra sasany fantany tamin’ny fiarahany nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanamarina izany tao amin’ny Baiboliny ilay ramatoa ary efa nanomboka niresaka momba izany tamin’ireo mpifanila trano taminy. Ny hany adiresy nanananay anefa dia ny anaran’ilay trano fanamboarana fiarakodia niasan’ny vadiny.
Raha nanatona ny fidiran’ilay trano fiasana izahay, dia nisy lehilahy nanontany anay raha afaka hanampy anay izy. Nangataka ny hahita ny vadin’ilay ramatoa izahay. Notondroiny ny mpiasa iray niasa tamin’ny fiarakodia iray dia nandao anay tampoka izy. Nolazainy taminy hoe iza izahay ary koa hoe naniry ny hitsidika ny vadiny izahay. Hendratrendratra mafy izy. Raha nitondra anay tany an-tranony izy, dia nanazava fa ilay lehilahy voalohany niresahanay dia efa teny an-dalana mba hilaza ny fahatongavanay tany amin’ny filohan’ny P.I.D.E. (Pôlisy niafina) teo an-toerana. Latsaka tao anaty fandrika izahay! Nohazavainy koa fa ny vadiny, noho ilay asa fitoriana nataony, dia narahin’ny pôlisy maso nandritra ny fotoana lavalava ary noraisin’izy ireo ilay taratasy nilaza taminy fa ho tonga hamangy azy izahay. Nalain’izy ireo ny Baiboliny, nefa efa nanafina iray tamim-pahendrena izy! Efa nentin’izy ireo teo aminy koa ny eveka katolika mba hanandrana ny hanery azy tsy hiresaka ny amin’i Jehovah sy ilay Fanjakana intsony!
Raha nahita anay ilay ramatoa liana, dia tohina aoka izany ny fony, hany ka nisakambina an’i Joyce izy. Niangavy mafy ny vadiny izy mba hamela anay hijanona niaraka taminy, nefa nanda izy ary niverina tany am-piasana. Nampiasainay tamin’ny fomba faran’izay tsara indrindra io fitsidihana fohy io, tamin’ny fanomezana azy fampaherezana ara-baiboly sy tamin’ny fiderana azy noho ny fijoroany mafy toy izany. Mba tsy hitondrana zava-manahirana hafa ho azy, dia nandao azy izahay nefa nampanantena ny hiverina any aoriana rehefa mihatsara ny tarehin-javatra. Raha nandao ny tranony ary nameno lasantsy ny fiarakodianay izahay, dia nanamarika fa nisy nanara-maso anay, kanefa tsy voasambotra izahay. Avy eo izahay dia nanohy nankany Beira ary nitsidika ilay kongregasiona kely tao talohan’ny niverenanay tany Zimbabwe. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tena niverina tokoa izahay, ary faly afaka niara-nisakafo tamin’io ramatoa liana io sy ny vadiny ary ny zanany vavy. Nony farany, dia natao batisa tamin’ny diany iray tany Portiogaly izy ary tonga mpitory ilay Fanjakana mafana fo.
Tany avaratra kokoa izahay dia nitsidika matetika toerana toa an’i Quelimane, Nampula ary Nacala, seranana kely iray. Tao Nacala izahay dia nitsidika matetika ny fianakaviana Soares. Atoa. Soares dia nandre voalohany firesahana momba ny fahamarinana tany Portiogaly. Rehefa avy nifindra nonina tany Mozambika anefa izy, ireo rahalahy tany Lourenço Marques (Maputo ankehitriny), renivohitr’i Mozambika, dia niara-nianatra taminy sy ny fianakaviany. Nankasitrahan’izy ireo lalina tokoa ny fahavononanay hanao dia an-jatony kilaometatra maro mba hitsidihana fianakaviana mitokana iray. Nandroso tsara izy ireo. Tatỳ aoriana dia nifindra nankany Afrika Atsimo izy ireo, ary miasa ao amin’ny Betela any i Manuela, zanany vavy, amin’ny maha-mpandika ho amin’ny teny portioge.
Nitsidika ny kongregasionan’i Lourenço Marques imbetsaka izahay. Izany dia nitaky ny hanaovana dia maherin’ny 1 100 kilaometatra avy eo Blantyre ary tamin’ny lalana nikitoantoana. Indroa no voan’ny fahasimbana lehibe ny fiarakodianay ary voatery notaritin’ny fiarakodia hafa hatrany Salisbury (Harare ankehitriny) izahay. Kanefa dia fifaliana lehibe dia lehibe ny nahita ilay antokon’olom-bitsy tao Lourenço Marques nandroso ka tonga kongregasiona nahafinaritra na dia teo aza ny fandrarana. Nisy fivoriamben’ny fizaran-tany kely natao tsy tapaka tany. Kanefa tao anaty kirihitr’ala no tsy maintsy nanaovana izany toy ny hoe antokon’olona maromaro nisakafo teny an-tsaha fotsiny ireo rahalahy. Imbetsaka no azo natao ny nandamina fivoriambe tany ambadiky ny sisin-tany, tany Nelspruit, any Afrika Atsimo. Izany dia nanampy ireo rahalahy tany Maputo hankasitraka ny fandaminan’i Jehovah ka hitombo teo amin’ny ara-panahy.
Nihanatanjaka koa ny kongregasionan’i Beira. Noho ireo tabataba ara-politika tany Mozambika, ireo rahalahy tany amin’io tany io izao dia miparitaka any Portiogaly, Afrika Atsimo, Kanada, Brezila, Etazonia ary any amin’ny toerana hafa. Jehovah, ‘izay nampitombo’, no mahazo ny dera rehetra amin’izany. (1 Korintiana 3:6, 7.) Eny tokoa, nandritra ny folo taona izahay dia nanana tombontsoa nanampy ireo rahalahy tany Mozambika teo ambanin’ny fitondrana portioge. Rehefa mandinika ny lasa izahay dia talanjona noho ny fomba nanokafan’i Jehovah ny fahafahana hanaovanay izany.
Indray mandeha, teo am-pitsidihana an’i Nampula any avaratra izahay dia nosamborin’ny mpikambana tao amin’ny P.I.D.E. iray. Nohazoniny avokoa ny zavatra vita an-tsoratra nanananay rehetra, anisan’izany ny Baibolinay, ary nilazany izahay fa tsy mahazo miverina any Mozambika intsony mihitsy. Na dia izany aza anefa, noho ny fanampian’i Jehovah, dia mbola afaka nankany amin’io tany io imbetsaka ihany izahay. Isaky ny tonga teo amin’ny sisin-tany izahay, dia nangataka ny fanampiany sy ny fitarihany foana mba hahafahana hanao ny sitrapony ka hanome ny fampaherezana sy fampiofanana nilain’ireo rahalahy tao amin’io tany io aoka izany.
Tamin’ny 1979 izahay dia nifindra ho any Botswana. Midadasika io tany io, eo amin’ny antsasaky ny haben’i Afrika Atsimo. Koa satria efitra ny faritra lehibe aminy, ny efitr’i Kalahari, dia latsaka ny iray tapitrisa ny isan’ny mponina any. Teto izahay dia nanana tombontsoa maro, toy ny fanampiana tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray sy trano ho an’ny misionera iray tany Gabarone renivohitra. Ny tombontsoa hafa iray nankafizinay dia ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana niteny portioge avy tany Angola sy ny fiaraha-nianatra ny Baiboly taminy.
Afaka nanampy tanora roa avy tany Zimbabwe koa izahay. Tao amin’io tany teo akaiky io, dia toa nahazo lalana hampianatra ny Soratra masina tany amin’ny sekoly sasantsasany ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny fandaharana manokana iray. Nanaitra ny fahalianan’ireo tanora ireo izany. Rehefa avy nifindra nonina tany Botswana izy ireo tatỳ aoriana, dia notsidihinay, ary nangataka fampianarana ny Baiboly izy ireo. Nanohitra anefa ny ray aman-dreniny, hany ka voatery nankany amin’ny tranon’ny misionera izy ireo mba hianatra. Nandroso tsara izy ireo ka tonga Vavolombelona vita batisa.
Raha mandinika indray ireo 41 taona nolaniko teo amin’ny fanompoana manontolo andro tany amin’ny tany valo aho, dia velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah noho ireo fitahiana maro azoko. Tsy mora izany fanompoana izany, kanefa fifaliana lehibe dia lehibe ho anay sy i Joyce ny nanampy olona maro hiandany mafy ho an’ilay Fanjakana, ary koa ny nahita ny fandrosoana tsara dia tsara na dia teo aza ny zava-manahirana maro sy fanoherana mahery vaika. Izany tokoa dia mifanaraka amin’ny hoe: “Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana mety na amin’ny fotoana sarotra.” Eny tokoa, ny fanompoana manontolo andro dia fanandraman-javatra feno sady tombontsoa lehibe izay anoroanay hevitra mafy ireo izay afaka mandamina ny fiainany mba hanao izany. — 2 Timoty 4:2, MN.
[Sarintany, pejy 21]
(Jereo ny gazety)
ANGOLA
ZAMBIA
MALAWI
Mzimba
Blantyre
MOZAMBIQUE
Nacala
Beira
Maputo
ZIMBABWE
Harare
NAMIBIA
BOTSWANA
Gabarone
SOUTH AFRICA
INDIAN OCEAN
600 km
400 mi
[Sary, pejy 24, 25]
Rehefa lalina loatra ireo renirano, dia nisy mpampita rano roa nisintona anay tamin’ny tady hankeny ampita.