FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/9 p. 7
  • Porofon’ny voninahitr’i Solomona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Porofon’ny voninahitr’i Solomona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Sisaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sary Mivohitra any Ejipta Manamarina Tantara Iray ao Amin’ny Baiboly
    Foto-kevitra Hafa
  • Solomona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpanjaka Hendry i Solomona
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/9 p. 7

Porofon’ny voninahitr’i Solomona

ARAKA ny fandaharan-taonan’ny Baiboly, dia tamin’ny 1037 al. fan. ir. ka hatramin’ny 998 al. fan. ir. no nanjakan’i Solomona mpanjaka teo amin’ny Isiraely. Amin’ny fomba mahaliana no anambaran’ny boky The Archaelogy of the Land of Israel, nosoratan’ny profesora Yohanan Aharoni, ny fomba nahazoan’ny fandrosoana vahana teo amin’ny haifomba isiraelita “tany amin’ny 1000 al. fan. ir.”

Ny ohatra iray nomen’i Aharoni dia ny sisa tamin’ny mandan’ny tanàna mafy natao tamin’ny vato lehibe “natao kilavalava na mahitsizoro, natambatra tamim-pitandremana tsara”. Mifanohitra amin’izany, fa ny ankamaroan’ny mandan’ny tanàna tao amin’ireo tany nanodidina an’Isiraely dia “natao tamin’ny biriky sy hazo.”

Ankoatra izany, ireo tanàna naorina indray tamin’ny andron’i Solomona dia manome porofon’ny drafitrasa maty paika, amin’ireo tranony mitandahatra tsara sy ireo lalany voasoritra tsara. Nodinihin’i Aharoni ny sisa tamin’ny faharavan’ny “tanàna efatra tao Joda, izay naorina araka io drafitra fototra io (...) Berisheba, Tell Beit Mirsim, Beti-semesy, ary Mizpa”. Endrey ny fahasamihafan’izany amin’ny foiben’ny haifomba hafa, dia ny tanànan’i Mezopotamia any Ora fahiny! Izao no nosoratan’i Leonard Woolley momba izany: “Tsy nisy mihitsy fikasana hanatsara ilay tanàna (...) Ireo lalana tsy voarary vato, izay lalana tapaka ny ankamaroany (...) dia mahaforona fifangaroan-dalana, izay mety hahavery mora foana.

Manazava ny amin’ny fihatsaran’ireo fitaovana fampiasa an-tokantrano tamin’ny andro nanjakan’i Solomona koa i Aharoni. “Ny fiovana teo amin’ny lafin’ny kolontsaina dia tsy hoe voavaka teo amin’ny zavatra toy izany fotsiny fa teo amin’ny seramika indrindra koa. (...) Ny endriky ny vilany tany sy ny fatana dia nihatsara lavitra noho izay rehetra teo aloha (...) Niseho tampotampoka teo ny karazana fasian-drano maro be samy hafa.”

Ny nampiavaka indrindra ny fanjakan’i Solomona dia ny tempoly kanto sy ny lapa ary ny tranom-panjakana niorina tao Jerosalema. Volamena be dia be no nampiasaina mba handravahana ireo trano ireo. (1 Mpanjaka 7:47-51; 10:14-22) Maty i Solomona dimy taona tatỳ aoriana, ary tonga ny farao Sisaka nambabo ny harenan’i Jerosalema. — 1 Mpanjaka 14:25, 26.

Hamafisin’ny soratra tamin’ny tsangambato, tany Egypta sy tany Palestina, fa Sisaka tokoa no nambabo an’Isiraely. Mpanoratra tantara maro be tokoa no miaiky fa ny famaboan’i Sisaka an’i Jerosalema no nampahatanjaka ny toekarena marefon’i Egypta sy nahafahan’i Sisaka nanohana ny fanitarana lehibe natao tamin’ny tempoly egyptiana iray, izay nanoratany ny fandreseny, araka ny ahitana azy eto amin’ity pejy ity. Tsy ela taorian’izay dia maty i Sisaka, ary nisy soratra indray nilaza fa nanao fanomezana volamena sy volafotsy teo amin’ny 200 taonina ho an’ny tempolin’i Egypta ny zanany lahy. Tsy milaza izay niavian’izany harena izany ny soratra tamin’ny tsangambato, nefa kosa manipy hevitra i Alan Millard, manam-pahaizana momba ny arkeôlôjia, ao amin’ilay bokiny hoe Treasures From Bibles Times, fa “volamena nentin’i Sisaka avy tao amin’ny tempoly sy lapan’i Solomona tany Jerosalema ny ankabeazan’izany.”

Tsy mahagaga raha ny loharanom-pahalalana tsy mino an’Andriamanitra aza no miaiky ny maha-marina ny voninahitry ny fanjakan’i Solomona! Ny Bol’shaia Sovetskaia Entsiklopediia (Firaketana Lehibe Sovietika) dia miantso azy hoe “mpanjakan’ny fanjakana Isiraelita Jodiana”, eo ambanin’ny lohateniny hoe “Solomona”, ary ampiany hoe nanapaka nandritra “ny fara herin’ny fanjakany” izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara