FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/11 p. 21
  • “Sambatra ny tia fihavanana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Sambatra ny tia fihavanana”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza Avela Hisy Hahasakana Anao Tsy Hahazo An’ilay Loka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • ‘Mitadiava Fihavanana ary Manaraha Azy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Banjino Foana Ilay Loka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Olona tsy tia ady: tena ilaina marina tokoa izy ireny!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/11 p. 21

“Sambatra ny tia fihavanana”

TAMIN’NY 1901 ny Loka “Nobel” ho an’ny Fandriampahalemana no natolotra voalohany, ka samy nahazo izany i Jean-Henri Dunant, mpanorina ny Vokovoko Mena, sy i Frédéric Passy, manam-pahaizana momba ny toekarena. Hatramin’izay izy io dia natolotra in-69, in-55 tamin’olona 71 samy hafa, irery na niaraka, ary in-14 tamina antokon’olona na fikambanana 16. Nisy antokon’olona nahazo izany mihoatra ny indray mandeha, toy ny Komitin’ny Vokovoko Mena Iraisam-pirenena (1917, 1944, ary 1963) ary ny Biraon’ny Mpanara-maso Ambony ny Mpitsoa-ponenana ao amin’ny Firenena Mikambana (1954 sy 1981). Miharihary fa noho ny tsy fahampian’ny olona mendrika ny handray ny loka, dia tsy afaka nanao fanolorana in-19 ny Komitin’ny Loka “Nobel”.

Araka ny tsy maintsy ho efa niheverana azy, ny ankamaroan’ireo mpahazo loka dia mpitondra fanjakana, solontenam-panjakana, na olona mifandray amin’ny politika amin’ny fomba hafa. Nefa nisy mpanao gazety, mpitsara, manam-pahaizana momba ny sôsiôlôjia sy momba ny toekarena, ary mpanao fanovana ara-tsosialy koa nahazo azy io. Na dia ireo mpahay siansa, anisan’izany i Linus Pauling tamin’ny 1962, sy Andrey Sakharov tamin’ny 1975, aza dia nomena izany mari-boninahitra izany koa, tahaka izany koa ireo mpitari-tolon’ny mpiasa madinika, indrindra fa i Lech Wałesa tamin’ny 1983. Ary tamin’ny 1970 dia nomena an’i Norman E. Borlaug, manam-pahaizana momba ny fambolena, ny loka.

Ny olona ao amin’ny fivavahana voalohany notolorana ny loka dia i Nathan Söderblom, arseveka Loterana Soedoa voafidy tamin’ny 1930. Tamin’ny 1946, i John R. Mott, lahika Metodista sady evanjelistra, dia nahazo ny loka, narahin’i Albert Schweitzer, teôlôjiana sady filôzôfa tamin’ny 1952, sy Dominique Georges Pire, mpitoriteny Belza tamin’ny 1958. Tamin’ny 1964 dia i Martin Luther King Jr., mpitari-tolona ho an’ny zon’ny olom-pirenena sady pastera Batista, no voafidy.

Kanefa, tao anatin’ireo taona faramparany dia nitana anjara toerana malaza kokoa teo amin’ny fikatsahan’izao tontolo izao fandriampahalemana ny fivavahana. Mifandray amin’izany fironana izany, dia olo-malaza ao amin’ny fivavahana ny telo tamin’ireo olona sivy notolorana farany ny Loka “Nobel” ho an’ny fandriampahalemana: mamera Teresa, relijiozy katolika avy any Calcutta, tamin’ny 1979; Desmond Tutu, arseveka anglikana avy any Afrika Atsimo, tamin’ny 1984; ary tamin’ny herintaona, ilay Dalai Lama, “andriamanitra mpanjaka” bodista atao sesitany any Tibet.

Marina fa nilaza i Jesosy hoe: “Sambatra ny mpanorina fihavanana”. (Matio 5:9, Fandikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques) Nefa, moa ve ny fiezahana ataon’ny fivavahana miasa ho amin’ny maha-mpanorina ny fandriampahalemana, na katolika izy, na protestanta, na bodista, na hafa, hahita fahombiazana?

Lazain’ny Baiboly amintsika fa ity tontolo ratsy lavitra an’Andriamanitra ity dia tsy hanandrana na oviana na oviana fiadanana maharitra, zava-misy izay tsy azon’ny fitsabahan’ny fivavahana amin’ny raharaha momba ny asa fanasoavana sy ara-tsosialy ary ara-politikan’izao tontolo izao ovana. Amin’ny fanoloana ireo fitondram-panjakana amin’ny andro ankehitriny amin’ny Fanjakany eo ambany fitondran’i Kristy Jesosy, ilay “Andrian’ny fiadanana”, no hitahian’ny Mpamorona mihitsy tsy ho ela ny taranak’olombelona mino amin’ny fiadanana. — Isaia 9:5, 6; 57:21, Salamo 46:9; Daniela 2:44.

Ireo olona tia fihavanana manaiky izany fahamarinana izany, sy mampifanaraka ny fiainany amin’izany dia ho sambatra tokoa, araka ny nandikan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ny tenin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny tia fihavanana.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara