FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/11 p. 15-20
  • Aoka isika hiara-miasa amin’i Jehovah amim-pahatokiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hiara-miasa amin’i Jehovah amim-pahatokiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho an’iza no iasantsika?
  • Ny asan’ireo mpanohitra
  • Asa tsy mitondra valisoa
  • Manao “asa tsara” amin’izao andro izao
  • Ny asa sarobidy indrindra
  • Ny fiaraha-miasa amin’ny kongregasiona
  • Mahafaly Antsika ny Miara-miasa Amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Ny asa: fanomezan’Andriamanitra ho an’ireo mpanompony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mifalia Amin’ny Asa Mafy Ataonao
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Asa, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/11 p. 15-20

Aoka isika hiara-miasa amin’i Jehovah amim-pahatokiana

“Jehovah ô, ianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia mitory ny asanao mahatalanjona aho.” — SALAMO 71:17, MN.

1. Nahoana isika no afaka milaza fa fanomezana avy amin’i Jehovah ny asa?

IRAY amin’ireo fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olona ny asa. Tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany, i Adama sy i Eva, dia hoy i Jehovah: “Mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” Asa fanendrena nitaky fiezahana izany kanefa afaka nanatontosa izany tsara izy ireo. Ny fiezahana ara-batana sy ara-tsaina nilaina tamin’izany dia hampitombo ny fifaliany ao amin’ny fiainana, fifaliana hihoatra izay nety ho tsapan’ireo biby niara-nonina taminy teo amin’ny tany fonenany. — Genesisy 1:28.

2, 3. (a) Nanjary inona ny asa ho an’ny olona maro amin’izao andro izao, ary nahoana? (b) Fahafahana hanao asa manokana inona no ilaintsika hodinihina?

2 Na dia amin’izao toe-piainantsika tsy tanteraka izao aza, dia “fanomezan’Andriamanitra” ny “fisasarana [asa mafy, MN ]” mitondra “fahafinaretana”, araka ny nosoratan’i Solomona lehilahy hendry. (Mpitoriteny 3:13) Mbola mila ny mampiasa ireo fahafahan’ny sainy sy ny vatany ihany ny olona. Mahaketraka ny tsy fananana asa. Kanefa koa tsy ny asa rehetra akory no mahasoa na mendrika ny hatao. Ho an’ny olona maro, ny asa dia raharaha an-teri-vozona tsy maintsy atao mba hivelomana.

3 Misy anefa asa tena mitondra valisoa marina izay anasana ny rehetra handraisany anjara. Misy mpanohitra sy zava-manahirana maro anefa tsy maintsy resen’ireo izay manao azy io. Nahoana no zava-dehibe ny hamenoantsika fepetra mba hanao io asa io? Amin’ny fomba ahoana no hanaovantsika izany? Alohan’ny hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia aoka aloha isika handinika ny hoe:

Ho an’iza no iasantsika?

4. Karazana asa nanao ahoana no nitondra fifaliana sy fahafahampo ho an’i Jesosy?

4 Hoy i Jesosy Kristy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany. (Jaona 4:34) Nitondra fifaliana sy fahafahampo betsaka ho an’i Jesosy ny fiasana tamim-pahatokiana ho an’i Jehovah. Nanome azy zava-kendrena teo amin’ny fiainana izany, ary tamin’ny faran’ny fanompoany naharitra telo taona sy tapany, dia afaka niteny tamim-pahamarinana izy hoe: “Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” (Jaona 17:4) Toy ny ameloman’ny hanina ara-nofo, dia toy izany koa ny asa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nohamafisin’i Jesosy izany tamin’ny tarehin-javatra iray hafa rehefa nananatra izy hoe: “Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:27) Mifanohitra amin’izany, ny asa izay tsy mitondra vokatra eo amin’ny ara-panahy dia mitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny fahafatesana.

5. Iza no nanohitra ny asa tsara nataon’i Jesosy, ary nahoana?

5 “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa miasa.” Ireo Jiosy nanakiana azy noho izy nanasitrana lehilahy narary nandritra ny 38 taona tamin’ny Sabata no nilazan’i Jesosy io fanamarihana io. (Jaona 5:5-17) Na dia nanao ny asan’i Jehovah aza i Jesosy, ireo mpanohitra ara-pivavahana dia tsy nanaiky izany fa nanao izay rehetra azony natao mba hanakanana azy. Fa nahoana? Satria izy ireo avy tamin’i Satana Devoly rainy, ilay nanohitra ny asan’i Jehovah hatrany hatrany. (Jaona 8:44) Koa satria Satana afaka ‘mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava’, amin’ny fampiasana “izao famitahana amin’ny tsy fahamarinana rehetra izao”, dia mila fahatakaran-javatra ara-panahy sy fomba fisaina mazava isika mba hahafantarana ireo asany araka izay tena maha-izy azy. Raha tsy izany, dia mety hanao aza hanohitra an’i Jehovah isika. — 2 Korintiana 11:14; 2 Tesaloniana 2:9, 10, MN.

Ny asan’ireo mpanohitra

6. Nahoana no “mpiasa mamitaka” ireo mpivadi-pinoana? Asehoy amin’ny ohatra.

6 Misy olona, tahaka ny mpivadi-pinoana sasany amin’izao andro izao, miasa ho an’i Satana amin’ny tsy fahatokiana ka mampihena ny finoan’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny kongregasiona kristiana. (2 Korintiana 11:13) Tsy mba mampiasa ny Baiboly tsotra izao izy ho fototry ny fampianarana marina, fa miezaka mafy dia mafy hanao izay hampisalasala ny olona momba ny Soratra masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao (frantsay), toy ny hoe io ihany no iankinan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho fanohanana ny finoany. Tsy izany anefa no izy. Nandritra ny tapany lehibe indrindra tamin’ny taonjato iray, ny Vavolombelona dia nampiasa voalohany indrindra ny King James Version (Fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques), ny fandikan-teny katolika nataon’i Douay, na izay fandikan-teny rehetra azony nampiasaina tamin’ny fiteniny, mba hianarana ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ny fikasany. Ary nampiasa ireny fandikan-teny tranainy kokoa ireny izy mba hanambarana ny fahamarinana momba ny toetry ny maty, ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny Zanany, ary koa ny hoe nahoana no ondry vitsy ihany no mankany an-danitra. Ireo olona nahalala tsara dia mahafantatra koa fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manohy mampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly maro eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataony maneran-tany. Hatramin’ny 1961 anefa dia nahazo fifaliana fanampiny izy ireo afaka mampiasa ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, noho izy io nohavaozina sy voadika araka ny marina ary mora vakina tokoa.

7. (a) Nahoana no nolavin’i Jesosy ny olona maro mihambo ho mino azy? (b) Nahoana no zava-dehibe ny hanarahana ny torohevitra ao amin’ny 1 Jaona 4:1?

7 Nilaza i Jesosy fa holaviny ny olona maro mihambo ho mino azy. Niaiky izy fa mety haminany, hamoaka demonia ary ‘hanao asa lehibe maro’ amin’ny anarany izy ireo. Na dia izany aza dia ampahafantariny fa asan’ny “mpanao meloka” izany. (Matio 7:21-23) Fa nahoana? Satria tsy manao ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra izy ireo ary tsinontsinona raha ny fijerin’i Jehovah Andriamanitra no heverina. Mbola mety ho avy amin’i Satana, ilay mpamitaka lehibe indrindra, ireo asa tsy araka ny fahita, izay miendrika fahagagana mihitsy aza. Ny apostoly Jaona, izay nanoratra ny taratasiny ho an’ny rehetra voalohany, 60 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nanome torohevitra ny kristiana mba ‘tsy hinoany ny teny nomen-tsindimandry rehetra, fa hizaha toetra ireo teny nomen-tsindrimandry, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia.’ Mila ny manao izany isika. — 1 Jaona 4:1, MN.

Asa tsy mitondra valisoa

8. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ireo asan’ny nofo?

8 Na dia tsy manao asa manohitra eo amin’ny lafiny ara-panahy aza isika, ny ezaka ataontsika dia ho tsinontsinona raha atao foana hanomezana fahafahampo ny filan’ny nofo tsy tanteraka izany. Nilaza ny apostoly Petera fa efa ampy izay ny fotoana lany nanaovana “ny fanaon’ny jentilisa (. . .) tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra.” (1 Petera 4:3, 4) Izany akory tsy midika, mazava ho azy, fa ny kristiana nanolo-tena rehetra amin’izao andro izao dia nanao ireo zavatra ireo, fa midika kosa izany fa ny fihetsik’ireo izay nanao izany dia tokony ho niova haingana rehefa nitombo ny fahatakarany ny zavatra ara-panahy. Hiteny ratsy azy izao tontolo izao satria niova izy; izany dia tokony hampoizina. Kanefa tsy maintsy miova izy mba hahatongavany ho mpiasa mahatoky eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. — 1 Korintiana 6:9-11.

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ilay Vavolombelona nanomboka niofana ho tonga mpihira any amin’ny “opéra”?

9 Nomen’i Jehovah fanomezana maro isika ho an’ny fahafinaretantsika, anisan’izany ny mozika. Kanefa, noho “izao tontolo izao (. . .) mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, dia eo amin’i Satana Devoly, moa ve izany tsy mahatafiditra ny tontolon’ny mozika koa? (1 Jaona 5:19) Eny, mety ho fandrika an-kolaka ny mozika, toy ny nahitan’i Sylvana azy. Nanana fahafahana ny hiofana ho tonga mpihira any amin’ny “opéra” tany Frantsa izy. “Mbola nanana faniriana mafy ny hanompo an’i Jehovah aho”, hoy ny fanazavany. “Tiako ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy ary nanantena ny ho afaka hampifanaraka ireo zavatra roa ireo teo amin’ny fiainako aho. Ny zava-nanahirana tsy maintsy natrehiko voalohany tamin’ny fanaovako ny asako anefa dia ny fahalotoam-pitondrantena. Tamin’ny voalohany, dia noheverin’ireo mpiara-niasa tamiko ho tsotra loatra aho rehefa tsy nanaraka ny resany sy ny ohany feno fahalotoam-pitondrantena. Tatỳ aoriana, dia nanomboka tsy nampihontsina ahy intsony ilay nanodidina nikororosy niarahako ka nahatonga ahy hilefitra tamin’ireo zavatra halan’i Jehovah. Tsy nitsahatra nampirisika ahy hanao ny fihirako ho fivavahana ny iray tamin’ireo mpampianatra ahy, ary nampianariny hanana toe-tsaina tia ady aho teny ambony sehatra ary hihevi-tena ho ambony noho ny hafa rehetra. Tsy nampandry ny eritreritro izany rehetra izany. Rehefa ela ny ela dia niomana ho amin’ny fanadinana manokana iray aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hampisehoany ahy mazava ny lalana tokony halehako. Na dia nihira tsara sy nanana fahatokian-tena aza aho, dia tsy anisan’ireo voafidy. Tatỳ aoriana dia fantatro ny antony — efa nofidina mangingina taloha ela be ny ho vokatr’ilay fifaninanana. Kanefa nahazo valiny mazava ho an’ny vavaka nataoko aho ary nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny fihirana “opéra” ambony sehatra mba hampianatra hira tany an-trano.” Nanambady loholona iray tao amin’ny kongregasiona kristiana iray io anabavy io tatỳ aoriana, ary samy manompo amim-pahatokiana ao izao izy mivady ho fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.

10. Fanatsoahan-kevitra inona no ataonao avy amin’ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:19-21?

10 Hoy i Jesosy: “Izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.” Etsy an-daniny kosa, “izay manao ny marina (. . .) dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.” (Jaona 3:19-21) Fitahiana manao ahoana moa izany hoe miasa mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah sy ny fikasany izany! Mba hanaovana izany amim-pahombiazana anefa, dia tsy maintsy avelantsika hodinihina akaiky amin’ny alalan’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra foana ny asantsika. Tsy antitra loatra na oviana na oviana isika na koa hoe diso aoriana loatra mba hanova ny fomba fiainantsika ka hanaiky ny fanasana mba hanomboka ny fanompoana an’i Jehovah mendrika ny hatao.

Manao “asa tsara” amin’izao andro izao

11. “Asa tsara” inona no iezahan’ny olona maro atao, ary nahoana no mety hitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana izany?

11 Ny asa izay mendrika ny hatao amin’izao andro izao dia tsy maintsy manome taratry ny fahamaikana aoka izany. Olona tso-po maro no manaiky sy misahirana mihitsy manao asa izay antsoina mazàna hoe “asa tsara”, ataony hanasoa ny olona amin’ny ankapobeny na ho an’ny zavatra iray iezahany manokana. Kanefa mety handiso fanantenana tokoa ny karazana asa toy izany! Any Grande-Bretagne, ny CAFOD (Catholic Fund for Overseas Development, na Ny Famoriam-bola katolika ho fampandrosoana ny any ampitan-dranomasina), dia nilaza izao manaraka izao raha nanao tatitra momba ny fampielezan-kevitra ho an’ny fanampiana amin’ny mosary: “Telo taona lasa izay (. . .) dia “Livres Sterling” an-tapitrisany maro no voangona hatao fanampiana. Ain’olona an’arivony maro no voavonjy. Izao dia tandindomin-doza indray ireo aina ireo. (. . .) Fa nahoana? Inona no tsy nety?” Manohy ny fitantarany ny CAFOD Journal ka manazava fa tsy nokasihina velively ireo zava-manahirana tokony halamina amin’ny fomba maharitra ary koa, fa “nampiasaina mba hamelomana ilay ady [ady an-trano] ny vola teo am-pelatanana.” Tsy isalasalana, fa efa nahare fihetseham-po mitovy amin’izany ianao avy amin’ny mpanao asa soa sahala amin’izany koa.

12. Inona no hany fanafodin’ireo zava-manahirana atrehin’izao tontolo izao ankehitriny?

12 Zava-manahirana mila fanafodiny haingana ny mosary. Kanefa, iza no mampahafantatra fa ireo lozan’ny mosary sy ny ady dia fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy Kristy, ka nanondro ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny? (Matio 24:3, 7) Iza no namoaka an-tsoratra ny porofo fa misy ifandraisany amin’ny hazakazak’ireo mpitaingin-tsoavaly ao amin’ny toko faha-6 amin’ny bokin’ny Apokalypsy, ao amin’ny Baiboly, ireo zava-miseho ireo? Tsy nisy fiovana mihitsy fa nanao izany tamim-pahatokiana tato amin’ity gazety ity ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Mba hampisehoana fa tsy takatry ny olombelona ny hanamboatra fanafodiny maharitra. Izany akory tsy midika fa tsy miraika amin’ireo zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao ny kristiana. Tsy izany velively. Mangoraka ny hafa izy ireo ary hanao izay rehetra azony atao mba hanamaivanana ny fahoriany. Na dia izany aza, dia miatrika ny zava-misy araka ny tena izy izy ireo, dia ny hoe tsy ho voalamina na oviana na oviana ireo zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao raha tsy misy fisalovanana avy amin’Andriamanitra. Toy ny fisian’ny olo-mahantra, ireo zava-manahirana ireo dia haharitra raha mbola avela hanohy hanapaka ity tontolo ity i Satana. — Marka 14:7; Jaona 12:31.

Ny asa sarobidy indrindra

13. Inona ilay asa ilaina maika indrindra amin’izao andro izao, ary iza no manao azy io?

13 Ny zavatra ilaina maika dia maika indrindra amin’izao andro izao dia ny fitoriana ilay vaovao tsara fa tsy ho ela ny Fanjakan’i Jehovah Andriamanitra dia haka ny toeran’ireo fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao ka hitondra ilay fanamaivanana irin’ireo izay matahotra an’Andriamanitra. (Daniela 2:44; Matio 24:14) Nataon’i Jesosy Kristy ho zava-kendreny lehibe indrindra teo amin’ny fiainany ny fitoriana ilay Fanjakana any an-danitra, na dia voafetra ho teo amin’ny tanin’i Palestina aza ny fitoriany. Ankehitriny, dia miitatra maneran-tany io fitoriana io, araka ny nilazan’i Jesosy azy mihitsy. (Jaona 14:12; Asan’ny apostoly 1:8) Ny fandraisana anjara, na dia kely ihany aza, amin’ny asan’Andriamanitra, dia tombontsoa tsy misy toa azy. Misy lehilahy sy vehivavy, tanora sy antitra, izay tsy nihevitra na oviana na oviana ny ho mpitory ilay vaovao tsara teo aloha, izao dia loha laharana eo amin’ny asa fampielezana ny vaovao tsara tontosain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Toa an’i Noa sy ny fianakaviany, izy ireo dia manao ny asan’Andriamanitra amim-pahatokiana eo ambany fitarihany, ary noho izany dia amin’ny alalan’ny heriny, ho toy ny fampidirana ny faran’ity fandehan-javatra ity. — Filipiana 4:13; Hebreo 11:7.

14. Amin’ny heviny ahoana no sady mahavonjy aina no fiarovana ny asa fitoriana?

14 Ny asa fanambarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra izao andro farany izao dia mamonjy ny ain’ireo izay mihaino sy manao zavatra mifanaraka amin’ny vaovao tsara izay reny. (Romana 10:11-15) Izany koa dia fiarovana ho an’ireo izay mitory. Raha liana amim-pahatsorana ny hanampy olona manana zava-manahirana lehibe noho ny an’ny tenantsika manokana isika dia tsy hirona loatra ho amin’ny fanahiana tafahoatra momba ireo zava-manahirana mety hahazo antsika. Takatsika fa ho tian’ity tontolo mikororosy fitondrantena ity ny hampitoviantsika ny lalantsika amin’ny azy. Koa tsy manamafy ny finoantsika fotsiny àry ny famenoantsika ny saintsika amin’ireo hevitr’Andriamanitra mandritra ny fitoriantsika; hahasoa antsika indrindra izany. Izao no nilazan’ny Vavolombelona iray izany: “Raha tsy miezaka hanova ireo olona hitako aho, dia izy ireo no mety hanova ahy!” — Ampitahao amin’ny 2 Petera 2:7-9.

Ny fiaraha-miasa amin’ny kongregasiona

15. Andraikitra inona avy no apetraka amin’ireo mpiandry lefitra amin’izao andro izao, ary tokony haniry inona ny mpikambana lehilahy ao amin’ny kongregasiona raha jerena ny 1 Timoty 3:1?

15 Rehefa tonga ao amin’ny kongregasiona ireo olona vao liana ny fahamarinana dia tonga eo ambanin’ny fiahian’i Jehovah Andriamanitra ilay Mpiandry Lehibe, sy Jesosy Kristy, ilay Mpiandriny tsara. (Salamo 23:1; Jaona 10:11) Manana solontena eto an-tany ireo Mpiandry any an-danitra ireo, dia ireo mpiandry lefitra mahatoky ny andian’ondry, izay lehilahy voatendry ao anatin’ny kongregasiona. (1 Petera 5:2, 3) Tombontsoa tsy hay tombanana amin’izao andro farany izao ny fitanana izany raharaha izany. Mavesatra ny asan’ireo mpiandry, satria tsy ny fanomezana ohatra eo amin’ny fampianarana ny kongregasiona sy ny fampielezana ny vaovao tsara ihany no tafiditra amin’izany, fa ny fiarovana ny andian’ondry amin’ireo mpandroba ara-panahy sy ny fanafihan’ny rivo-piainana toy ny tafio-drivotra iainantsika koa. Tsy misy asa mendrika ny hatao kokoa azon’ireo mpikambana lehilahy ao amin’ny kongregasiona iezahana tratrarina noho ny fanampiana amin’ny fiahiana izay hahasoa ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana eo amin’ny lafiny ara-panahy. — 1 Timoty 3:1; ampitahao amin’ny Isaia 32:1, 2.

16. Amin’ny fomba ahoana avy no ifamenoan’ireo mpiandry kristiana?

16 Tsy tokony hohadinointsika anefa, fa olombelona ireo mpiandry ireo, samy manana toetra sy fahalemena samy hafa toy ny mpikambana hafa ao amin’ny andian’ondry ihany. Raha mahay lavitra noho ny hafa eo amin’ny lafiny iray amin’ny asan’ny mpiandry ny iray, ny fahaizan’ny iray hafa dia mety hahasoa ny kongregasiona amin’ny fomba hafa. Mifameno mba hanatanjaka ny kongregasiona ny asan’ireo loholona kristiana. (1 Korintiana 12:4, 5) Tsy tokony ho tafatsofoka eo anivony na oviana na oviana ny fitiavana fifaninanana. Raha miara-miasa izy ireo dia hiaro sy hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana, amin’ny ‘fanandratan-tanana amim-pahatokiana’ amin’ny fivavahana amin’i Jehovah, ho fitadiavana ny fitahiany sy ny fitarihany eo amin’ny fiaraha-mandinika sy fanapahan-kevitra rehetra ataony. — 1 Timoty 2:8.

17. (a) Adidy inona no ananantsika? (b) Inona avy ireo zavatra tokony handosirantsika mba hahafahantsika manatontosa ny adidintsika amin’ny fomba mety?

17 Mihamaika hatrany izao ny ilàna ny asa fitoriana rehefa mihantomotra ny faran’ny empiran’i Satana. Noho isika manana ny fahamarinan’ny Tenin’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny maha-Vavolombelony antsika, dia manana adidy hampiely ny vaovao tsara amin’ny fotoana rehetra isika. Ny asa eo am-pelatanantsika dia betsaka noho izay ilaintsika mba hihazona antsika ho sahirana mandra-pahatongan’ny farany mihitsy. Tsy tokony hanaiky ho voatariky ny fikatsahana fahafinaretana sy fahalotoam-pitondrantena na oviana na oviana isika, na hanavesa-tena amin’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo. Tsy tokony hiady saina momba ny zavatra mbola tsy misy isika, na hifanditra momba ny teny satria mety tsy hahasoa sy handany fotoana izany. (2 Timoty 2:14; Titosy 1:10; 3:9) Rehefa nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?”, dia navilin’i Jesosy ho amin’ilay asa lehibe eo am-pelatanany ny fomba hiheviny, ka hoy izy hoe: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany [ianareo].” Mbola mitohy hatramin’izao andro izao izany asa nanendreny hatao izany. — Asan’ny apostoly 1:6-8.

18. Nahoana no mitondra valisoa aoka izany ny fiaraha-miasa amin’i Jehovah?

18 Ny fiaraha-miasa amin’i Jehovah, ny fiaraha-mitory amin’ny kongregasionany maneran-tany amin’izao andro izao, dia mitondra fahasambarana, fahafahampo ary zava-kendrena marina ho an’ny fiainantsika. Izany dia fahafahana ho an’ny tsirairay avy amin’ireo izay tia an’i Jehovah, haneho fifikirana aminy sy fahatokiana eo anatrehany. Tsy hiverina intsony mihitsy io asa io mbamin’ny lafiny maro aminy. Amin’ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay mazava tsara eo anoloantsika isika, enga anie isika hanohy amim-pahatokiana “hanolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana”, ho fiderana azy sy ho famonjena ny tenantsika. — Hebreo 12:28, MN.

Ahoana no havalinao?

◻ Avy tamin’ny asa inona no nahazoan’i Jesosy fifaliana sy fahafahampo?

◻ Iza no manohitra ny asan’i Jehovah, ary nahoana?

◻ Inona no maha-samy hafa ireo “asa tsara” eo amin’izao tontolo izao sy ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra?

[Sary, pejy 18]

Naniraka ny mpianany mba handeha hitory i Jesosy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara