Azonao atao ny mahita harena sarobidy kokoa noho ny volamena!
METY ho azo ampitahaina amin’ny volamena, volafotsy, na amin’ny harena afenina hafa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mety ho tsy mbola nikaroka volamena na vatosoa ara-bakiteny mihitsy ianao, kanefa, azo inoana fa fantatrao ny hoe mitaky asa mafy sy faharetana tokoa ny fanaovana izany. Ary matetika ny mpikaroka no tojo fahadisoam-panantenana.
Kanefa, tsy mitranga mihitsy ny fahadisoam-panantenana toy izany rehefa mikatsaka harena afenina ao amin’ny Baiboly ianao. Mariho izao fanomezan-toky mampahery izao: “Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohabolana 2:4, 5) Nefa tsy maintsy mitady ianao.
“Tadiavo, dia ho hitanao”
“Diniho [tadiavo, MN ], dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.” Izany no torohevitra nomen’ny fariseo jiosy sasany tamin’ny taonjato voalohany an’i Nikodemosy, izay fariseo koa. “Diniho [tadiavo, MN ], dia ho hitanao.” Torohevitra tsara dia tsara tokoa izany. Azo natao ny nitady ka nahita ny fahamarinana — zavatra izay misy vidiny be lavitra noho ny volamena.
Tamin’io toe-javatra manokana io anefa, ireo izay nanome torohevitra mba ‘hitady ka hahita’ dia tsy nanao zavatra nifanaraka tamin’izany. Ahoana izany?
Nandefa mpiandry raharaha hisambotra an’i Jesosy Kristy ny lohan’ny mpisorona sy ny fariseo. Nanohina mafy ny fon’ireo mpiandry raharaha izany fomba fampianany izany, ka nitondra tanam-polo nody izy ireo. Noho izany, dia nanontany azy ireo ny fariseo: “Hianareo koa va voafitaka?” Tsy niahotrahotra i Nikodemosy niteny hoe: “Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?” Nanamafy ny torohevitra mba ‘hitady ka hahita’ ireo teny ireo. —Jaona 7:32, 45-52.
Inona no tsy nataon’ireo mpisorona sy fariseo? Tsy nahalala izy ireo na koa hoe tsy nanaiky fa na dia tao Nazareta aza no nahabe an’i Jesosy, dia teraka tany Betlehema izy. Nanambara mialoha toy izao i Mika mpaminany: “Avy ao aminao [Betlehema] no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Isiraely.” (Mika 5:1) Ireo lehibe ireo àry dia tsy nitady ka nahita ny porofo nanamarina an’i Jesosy ho mpaminany, dia ilay ho tonga mpanapaka teo amin’ny Isiraely. Nitarika ho amin’ny vokatra mahatsiravina izany, ary mampiseho hoe amin’ny ahoana no zava-dehibe ny mitady sy mandray ny fahalalana rehetra momba ireo raharaha. Nefa, ahoana no fahitana ny fahamarinana matetika?
Nanjary nohatsatsoina ny fahamarinana
“Toy ny volamena madio, ny fahamarinana madio dia hita fa tsy azo naely satria hitan’ny olombelona fa mora lavitra ny manatsatso ny fahamarinana noho ny manadio ny tenany”, hoy ny mpanoratra iray tamin’ny taonjato faha-19. Tena mbola mahakasika mivantana ny sahan’ny fivavahan’izao tontolo izao ireo teny ireo! Ao ambadiky ny sehatr’izany fanatsatsoana ny fahamarinana izany i Satana Devoly, ilay “rain’ny lainga”. (Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9) Mampiasa ny fivavahan-diso izy mba hanatsatsoana ny fampianarana marina momba ny fanontaniana iankinan’ny aina toy ireto: Iza moa Andriamanitra? Inona no ifandraisan’i Jesosy aminy? Inona no hiafaran’ny tany sy ny taranak’olombelona?
Azon’ireo mpisorona sy fariseo natao ny nitady ka nahita ny fahamarinana. Azony natao ny nahita harena sarobidy lavitra noho ny volamena. Eny, azony natao ny nahazo ny fahalalana rehetra momba an’i Jesosy tamin’ny ‘fihainoana azy ka nahafantatra izay nataony’, araka ny torohevitr’i Nikodemosy. Raha tso-po izy ireo tamin’ny fanaovana izany, dia tsy isalasalana fa ho nanazava zavatra tamin’izy ireo i Jesosy, toy ny nataony tamin’ireo mpianany. (Marka 4:34) Nefa, aiza amin’izao andro izao no hahafahantsika mahita ny tena fahamarinana? Moa ve misy tokoa antoka ahafahantsika mikatsaka sy mahazo ny fahamarinana rehetra amim-pahombiazana?
[Efajoro, pejy 4]
Azon’ireo filoha ara-pivavahana natao ny nahazo ny fahalalana rehetra momba an’i Jesosy tamin’ny ‘fihainoana azy’