Fanontanian’ny mpamaky
◼ Nahoana ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao no mandika ny teny hebreo hoe ʽa·rumʹ ao amin’ny Genesisy 3:1 amin’ny hoe “malina”, nefa ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa manao hoe “fetsy” na “kinga saina”?
Izao no vakina ao amin’io andininy io: “Ary ny menarana dia fetsy [malina, MN] noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?”
Ao amin’ny Ohabolana 12:23 sy ao amin’ny andininy sasany hafa, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mandika ny teny hebreo hoe ʽa·rumʹ amin’ny hoe “mahira-tsaina”, izay dikany fototra iray omena io teny io rehefa ampiharina amin’ny olombelona. Manana dikany misy fahasamihafana kely maro anefa ny hoe ʽa·rumʹ, toy ny hita amin’ny teny maro hafa koa. Ohatra, i Benjamin Davidson dia mamaritra ny ʽa·rumʹ toy izao: “I. fetsy, mahay mamitaka, miafina. — II. malina, mitandrina.” — The Analytical Hebrew and Chaldee Lexicon (Rakibolana famotopotorana hebreo sy arameana).
Nahoana àry ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao no nifidy ilay dikany faharoa hoe “malina” ao amin’ny Genesisy 3:1? Mifanaraka amin’ny fandikan-teny maro hafa io safidy io. Ohatra, rehefa nadika tamin’ny teny grika ao amin’ny fandikan-tenin’ny Septante tamin’ny taonjato fahatelo al. fan. ir. ny Genesisy 3:1, dia ny teny hoe phroʹni·mos no nampiasaina, dia ilay teny nampiasaina tatỳ aoriana ao amin’ny Matio 10:16 manao hoe: “Mbà malina tahaka ny bibilava hianareo, ary mbà tsotra toy ny voromailala.” — Fandikan-teny katolika.
Nanome izao fanazavana izao ilay manam-pahaizana momba ny teny hebreo atao hoe Ludwig Koehler tamin’ny 1945: “Saro-tahotra ny menarana. Izany dia azo aseho tsara amin’ny teny grika amin’ny alalan’ny hoe phronimos, satria amin’ny alalan’io fahasarotan-tahotra na fahaizana mitandrina io no anehoan’ny menarana fa manana sy mampiasa ny phrenes izy.” Ny hoe Phreʹnes eto dia midika ho karazam-pahendrena tsy amim-pisainana asehon’ny biby hafa koa. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 30:24, MN.
Misy antony lehibe kokoa anefa amin’ny fampiasana ny teny hoe “malina” toy izay ny hoe “mahira-tsaina” na ny hoe “kinga saina” ao amin’ny Genesisy 3:1. Ny filazana ny menarana ho kinga saina eto, alohan’ny fitantarana ny namitahany an’i Eva hanota indrindra, dia mety hitarika ny mpamaky maro hanatsoaka hevitra fa menarana tsotra iray mitady hanatanteraka io tetika io amin’ny alalan’ny hakingan-tsaina tsy araka ny fahita ananany no resahin’ny Baiboly. Izany fanazavana hevitra izany dia hametraka ilay fitantarana ho eo amin’ny toeran’ny angano — ary angano tsy misy antony koa amin’izay.
Mifanohitra amin’izany anefa, ny Baiboly dia mampianatra fa nisy zava-dehibe hafa noho ny menarana kinga saina iray tao amin’ny saha Edena tamin’izay. Mampahafantatra mazava tsara an’i Satana Devoly ho io “menarana ela” io ny Apokalypsy 12:9. Izy ilay hery tsy hita maso mahery noho ny olombelona nampiasa ilay menarana tsotra toy ny ampiasan’ny olona mahay mamoaka feo toy ny avy any an-kibo kinga iray ny sariolona fampiasany. Ny fahaizana mitandrina voajanahary ananan’ny menarana dia nahatonga azy ho nety indrindra raha nofidina hanaovana ilay famitahana. Rehefa tsy nandositra tamim-pitandremana toy ny fanaony voajanahary izy fa nanokatra ny vavany tamim-pahasahiana kosa ka nanomboka niteny tamin’i Eva, dia vao mainka nanintona ny fahalianan’i Eva tsara izany.
Tsy misy angano ao amin’ny Teny nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ary amin’ny alalan’ny dikan-teny hentitra, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia manampy antsika hahatakatra izany. — 2 Timoty 3:16.
◼ Koa satria ny Vavolombelon’i Jehovah mahafantatra fa tsy mahatsiaro tena ny maty, nahoana izy ireo no mbola mihevitra fa zava-dehibe ny fanatrehana ny fandevenana ireo mpiray finoana aminy?
Miaro ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny toe-tsaina diso sy fihetsika tsy mampiseho fahendrena aterak’izany any amin’ny fandevenana ny fahalalana marina avy ao amin’ny Baiboly momba ny toetry ny maty. Manome azy ireo antony hanatrehana fandevenana kristiana koa izany.
Mampiseho mazava ny Tenin’Andriamanitra fa rehefa maty ny olona iray, dia tsy manohy miaina amin’ny maha-fanahy tsy mety maty izy. (Mpitoriteny 9:5) Aorian’ny fahafatesana, dia miverina ho amin’ny vovoka ny vatana, na amin’ny alalan’ny fahalovana izany na amin’ny alalan’ny fandoroana ilay vatana. Tsy miaina intsony ilay nody mandry; tsy ho velona indray izy raha tsy hatsangan’Andriamanitra amin’ny maty amin’ny hoavy. — Jaona 5:28, 29; Asan’ny apostoly 24:15.
Noho izany, dia tsy manaraka ireo fomba fanao amin’ny fandevenana mifototra amin’ny finoana fa manana fanahy tsy mety maty izay manohy miaina any ho any, ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mandray anjara amin’ny fiandrasam-paty misy hira fisaonana na fitarainana mafy atao mba hampahatahotra “ireo fanahy” izy ireo, na amin’ny fiaretan-tory mandritra ny alina manontolo, na koa amin’ny fanehoana alahelo tafahoatra nokendrena mba hampitony ilay maty.
Izany anefa tsy midika fa tsy malahelo ny vahoakan’Andriamanitra. Zava-mihatra mampalahelo ny fahafatesan’ny havana na ny namana akaiky iray, na dia ho an’ny mpivavaka marina izay manana fahalalana marina momba ny maty aza. Ohatra, rehefa noheverin’i Jakoba fa novonoin’ny biby masiaka i Josefa, dia “nisaona ny zanany andro maro” io patriarka io. Vakintsika fa “avy ny zanani-lahy rehetra sy ny zanani-vavy rehetra mba hampionona azy.” (Genesisy 37:33-35) Rehefa maty i Jakoba nahatoky, dia “nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody [mpitsabo, MN]”, ary “ny Egyptiana nisaona [nitomany, MN] azy fito-polo andro.” Na dia tsy nanaraka ny fomba fihevitra dison’ny Egyptiana momba ny maty aza ny fianakavian’i Jakoba, dia hita mazava fa nanohina ny fon’izy ireo ny nahafatesan’i Jakoba. “Ny ankohonan’i Josefa rehetra sy ny rahalahiny” dia samy naniry ny handevenana an’i Jakoba tamin’ny fomba nety, ary na dia ny mpitazana aza dia nahamarika fa nitoloko izy ireo. — Genesisy 50:1-11, MN.
Ohatra ara-baiboly maro hafa no azo tononina ahitana mpanompon’i Jehovah izay tohina marina noho ny fahafatesan’ny mpiara-manompo aminy na ny havany iray ka tsy nahatana ny fampisehoana alahelo araka ny mety.a Rehefa niaraka tamin’ny havan’i Lazarosy izay azon’alahelo i Jesosy dia tsy hoe tsy tohina noho ny tsy firaharahana na koa hoe falifaly tsy araka ny izy. Na dia natoky ny herin’ny fitsanganana amin’ny maty aza i Jesosy dia nitomany ihany. (Jaona 11:33-35) Rehefa maty ny tenan’i Jesosy, dia nampiseho alahelo ny mpianany, na dia efa nolazainy azy ireo aza fa hovonoina sy hatsangana ho amin’ny fiainana indray izy. — Matio 16:21, 28; Jaona 16:17-20; 20:11.
Ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao dia afaka mahatsapa ary tena mahatsapa tokoa ny alahelo entin’ny fahafatesana. Kanefa, ny fahatakarany ny Baiboly dia manampy mba hanalefaka na hampifandanja ny alahelony, mifanaraka amin’ny 1 Tesaloniana 4:13, 14 manao hoe: “Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy.”
Ahoana àry ny amin’ny fanatrehana fandevenana kristiana iray (na lahateny fahatsiarovana momba ny mpino iray)? Misy antony maro ara-baiboly mahatonga ny Vavolombelona hahatsapa fa mahasoa ny mandamina sy ny manatrika izany.
Tsarovy fa rehefa toa namoy ny zanany i Jakoba, dia “avy ny zanani-lahy rehetra sy ny zanani-vavy rehetra mba hampionona azy.” (Genesisy 37:35) Any amin’ny tany maro dia fanaon’ireo mpihavana ny miaraka amin’ny fandevenana. Izany dia manome fahafahana ny hafa, izay mety ho tsy akaiky loatra na ho voakasika ara-pihetseham-po loatra, hanolotra teny mitory fangoraham-po sy fampiononana. Taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy dia ‘maro tamin’ny Jiosy no tonga teo amin’i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny anadahiny’. (Jaona 11:19) Voakasika amin’izany koa ireo kristiana izay maniry ny ‘hahay hampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa’. — 2 Korintiana 1:4.
Ireo mpiandraikitra kristiana, na dia mety ho sahirana mafy aza izy, no tokony hitarika voalohany eo amin’ny fanomezana fampiononana ho an’ny andian’ondry. Tadidiny ao an-tsaina fa ilay ohatra arahiny, dia i Jesosy ilay Mpiandry Tsara, dia voatendry mba ‘hanasitrana ny torotoro fo sy hampionona ny malahelo rehetra’. (Isaia 61:1, 2; Jaona 10:14) Tsy nanome izany fampiononana izany tamin’ny fotoana nety taminy ihany i Jesosy. Vonona ny hanao fiezahana kosa izy mba hiaraka tamin’ireo havan’i Lazarosy tra-pahoriana — mba hiara-hizaka taminy ny alahelony. — Jaona 11:11, 17, 33.
Na dia ireo kristiana izay mety tsy ho afaka ny hilaza zavatra firy amin’ireo mana-manjo any amin’ny fandevenana aza dia hanao soa amin’ny fanatrehany izany fotsiny. Mety hahazo fanamaivanana lehibe avy amin’ny fanatrehana mampiseho fangoraham-pon’ireo olona maro — na tanora na antitra — avy ao amin’ny kongregasiona ireo mpikambana ao amin’ilay fianakaviana azon’alahelo. Tadidio ny fihetsiky ny Jiosy sasany rehefa tonga tany amin’ireo anabavin’i Lazarosy vonton’alahelo i Jesosy: “Akory ity haben’ny fitiavany azy!” (Jaona 11:36) Nisy havana, na mpifanolo-bodirindrina na mpiara-miasa tsy mino nanatrika ny fandevenana ny kristiana iray, voatohina tsara rehefa nahita ny isa be dia ben’ireo Vavolombelona nanatrika izany ka nanjary nandray tsara kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly atolony.
Ny fihetsik’ireo Vavolombelona manatrika izany dia tokony hifanentana amin’ilay tarehin-javatra. Na dia fantany aza fa tsy mijaly ilay nody mandry ary matoky ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny tsy mivadika rehetra izy, dia raisiny am-po ihany ity torohevitra izy: “Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana [itolokoana, MN], ary ao ny andro andihizana.” (Mpitoriteny 3:4) Tsy fotoana ho an’ny resaka mafy sy feno vazivazy ny fandevenana na ny fandaharana atao ho fahatsiarovana. Izany kosa dia fotoana hampisehoana fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa izay mifanaraka amin’ilay fananarana manao hoe: “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.” — Romana 12:15.
Misy antony hafa iray hanatrehan’ny Vavolombelon’i Jehovah fandevenana. Hoy ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Tsara ny mankamin’ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ny trano misy fanasana. (. . .) Ny fon’ny hendry dia ao amin’ny trano misy fisaonana; fa ny fon’ny adala kosa dia ao amin’ny trano misy fifaliana.” — Mpitoriteny 7:2-4.
Na dia manana antony hananana fanantenana aza ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo teny ireo dia azo tamin’ny tsindrimandry ary napetraka tao anatin’ny Baiboly mba hahasoa antsika. Azo oharina amin’ny “trano misy fisaonana” ny fandevenana iray. Eo am-panatrehantsika izany, ny eritreritsika dia miala amin’ny fanahiantsika na ny raharahantsika ara-dalàna ka mifantoka amin’ny hafohin’ny fiainana. Na noho ny aretina izany na noho “ny sampona” [fisehoan-javatra tsy nampoizina, MN], dia mety hamely na iza na iza amintsika ny fahafatesana ka hahatonga antsika haingana ho tsinontsinona, “fa tsy fantatry ny olona ny androny.” (Mpitoriteny 9:11, 12) Ny ray aman-dreny mitondra ny zanany miaraka aminy any amin’ny fandevenana kristiana iray dia mety hahita fa izany dia afaka ny hitarika ho amin’ny firesahana momba ny tena isian’ny fahafatesana, ny ilàntsika ny fanavotana ary ny maha-fahendrena ny manompo an’ilay Andriamanitra “Izay manangana ny maty.” — 2 Korintiana 1:9; Mpitoriteny 12:1, 13.
Tsy mihevitra ny fandevenana ho toy ny fombafomba masina ara-pivavahana akory ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa miaiky izy ireo fa ireny toe-javatra mampalahelo ireny dia manome azy fahafahana hanolotra fampiononana. Amin’ny fanatrehana azy ireny, ny kristiana dia afaka manome porofon’ny fitiavany sy ny fanajany ilay kristiana namany. Ary mety ho voatosika hieritreritra amin’ny fomba lalina kokoa ny amin’ny dikan’ny fiainana izy, ny amin’ny fomba tokony hampiasany ny fiainany manokana eo anatrehan’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Genesisy 23:2, 19, MN; Nomery 20:29, MN; Deoteronomia 34:7, 8, MN; 2 Samoela 1:11, 12, MN; 3:31-34, MN; 13:32-37; 19:2; 2 Tantara 35:24, 25; Joba 1:18-20; Salamo 35:14; Jeremia 8:23 [9:1, MN] Lioka 7:12, 13; 8:49-52, MN; Asan’ny apostoly 8:2, MN; 9:39.