Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve ilay zatovovavy jiosy atao hoe Estera nanana firaisana maloto tamin’ny mpanjakan’i Persia mba hahazoana sitraka aminy sy handraisana tombontsoa avy amin’izany?
Mety ho nanao izany fanatsoahan-kevitra izany ny sasany avy amin’ny fitantarana tsy ara-pivavahana, kanefa izay voarakitra ao amin’ny Baiboly azo itokiana dia manohitra izany tombantombana izany.
Nanolotra fitantarana tsy ara-pivavahana ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Flavius Josèphe fa tsy nety niseho teo anatrehan’i Ahasoerosy vadiny i Vasty mpanjakavavy persiana. Vokatr’izany, ny mpanjaka, miharihary fa i Kserksesy I tamin’ny taonjato faha-5 al.fan.ir., dia nanilika tamim-pahatezerana an’i Vasty ary nanaiky ny hisian’ny fikarohana manerana ny empira mba hahitana mpanjakavavy vaovao. Nangonina ny virijiny tanora tsara tarehy ary nomena fikojakojana hatsaran-tarehy naharitra.
“Avy eo, rehefa noheverin’[ilay ionoky ny mpanjaka] fa nahazo fikojakojana ampy ireo virijiny (...) ka vonona ny hampidirina tao am-pandrian’ny mpanjaka, dia nandefa anankiray isan’andro izy mba handry amin’ny mpanjaka izay, rehefa avy nanana firaisana taminy, dia namerina azy avy hatrany tany amin’ilay ionoka. Kanefa, rehefa tonga teo aminy i Estera, dia nahafinaritra azy izy ary avy eo, rehefa raiki-pitia taminy izy, dia naka azy ho vadiny ara-dalàna ary nanao ny fampakaram-badin’izy ireo.” — Tantara tranainin’ny Jiosy (anglisy), Boky faha-9, 184-202, nadikan’i Ralph Marcus, (Boky faha-11, toko faha-6, fehintsoratra 1, 2, araka ny nandikan’i William Whiston azy).
Io fitantarana tsy ara-pivavahana io dia mety hitarika olona iray hieritreritra fa ireo virijiny dia nanana firaisana maloto tamin’ny mpanjaka, ary ny naha-hafa ny an’i Estera fotsiny, dia hoe ny firaisana maloto nataony dia nitarika ho amin’ny fanambadiana sy nahatonga azy ho mpanjakavavy. Ny Baiboly anefa dia manome antsika fanazavana marina sy mahafapo kokoa.
Taorian’ny nilazalazany ny amin’ny fikojakojana hatsaran-tarehy, dia hoy ny Baiboly: “Koa nony hiditra ao amin’ny mpanjaka ny zazavavy [tsirairay] tamin’izany (...). Tamin’ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran’ny vehivavy, ho amin’ny fehin’i Sasegaza, tsindranolahin’ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin’ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian’ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.” — Estera 2:13, 14.
Milaza ny Soratra masina fa “nentina” tao “an-tranom-behivavy” i Estera ho amin’ilay fikojakojana hatsaran-tarehy naharitra tsy maintsy narahina: “Dia nentina ho ao amin’i Ahasoerosy mpanjaka Estera (...) Ary tian’ny mpanjaka mihoatra noho vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’i Vasty”. — Estera 2:8, 9, 16, 17.
Voamarikao avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly ve hoe nentina taiza ireo vehivavy rehefa avy nandany ny alina niaraka tamin’ny mpanjaka? ‘Tany an-trano faharoa nitoeran’ny vehivavy, ho amin’ny fehin’ny mpitandrina ny vaditsindrano.’ Koa lasa vaditsindrano àry izy ireo. Hebreo i Mordekay, ilay mpanoratra ny boky ao amin’ny Baiboly hoe Estera, ary teo amin’ny fireneny tamin’izay, ny vaditsindrano dia nitana toeran’ny vady faharoa teo amin’ny laharana ara-tsôsialy. Nisy fandaharana tao amin’ny lalàn’Andriamanitra nilaza fa ny lehilahy isiraelita iray dia afaka naka zazavavy vahiny iray babo tamin’ny ady ka ho lasa vaditsindranony na vadiny faharoa, nanana zo sy fiarovana ara-dalàna. (Deoteronomia 21:10-17; ampitahao amin’ny Eksodosy 21:7-11.) Ny zanaka naterak’izany vaditsindrano ara-dalàna izany dia tsy zaza sary ary afaka nahazo lova. Ny zanak’i Jakoba 12 lahy, razamben’ireo foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely, dia zanak’ireo vadiny sy vaditsindranony ara-dalàna. — Genesisy 30:3-13.
Ny fomba narahina dia izao: rehefa avy niaraka tamin’ny mpanjakan’i Persia ireo virijiny, dia nankany amin’ny tranon’ny vaditsindrano. Izany dia milaza fa lasa vadiny faharoa izy ireo.
Ahoana ny amin’i Estera? Tsy milaza ny Baiboly hoe nandry tamin’ny mpanjaka izy ary nahazo fitia taminy tamin’izany. Tsy nolazainy hoe nentina tany amin’ny tranon’ny vaditsindrano izy, fa hoy fotsiny izy hoe: “Dia nentina ho ao amin’i Ahasoerosy mpanjaka Estera (...). Ary tian’ny mpanjaka mihoatra noho vehivavy rehetra Estera.” Tsarovy fa teo aloha kokoa, dia tsy nampandefitra ny fahadiovany sy ny naha-virijiny azy tamin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo izy rehefa “nahita fitia” teo imason’i “Hegay mpifehy ny vehivavy”. Fanampin’izany: “Estera [dia] nahita fitia teo imason’ny olona rehetra izay nijery azy”. (Estera 2:8, 9, 15-17.) Koa niharihary fa nanohana mafy ny mpanjaka i Estera ka nahazo ny fanajany, toy ny nahazoany ny fanajan’ny hafa.
Afaka ny ho feno fankasitrahana tokoa isika manana filazana ny zava-misy sy fahatakarana mazava omen’ny Baiboly antsika! Na dia an’arivony taona maro atỳ aorian’ilay fisehoan-javatra aza, dia manana antony itokiana àry isika fa nanao zavatra tamim-pahadiovana marina i Estera, nifanaraka tamin’ny fitsipik’Andriamanitra.