“Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa”
Hevi-dehibe ao amin’ny Tesaloniana faharoa
NY FIAHIAN’I Paoly ireo kristiana tany Tesalonika, tanàn-dehibe tany Makedonia, dia nanosika azy hanoratra ny taratasiny faharoa ho azy ireo, tany amin’ny taona 51 am.fan.ir. tany ho any. Nisy diso hevitra ny sasany tao amin’ny kongregasiona tamin’ny filazana fa efa antomotra ny fanatrehan’i Jesosy Kristy. Angamba aza ny taratasy iray, noheverina tamin’ny fomba diso fa avy tany amin’i Paoly, nolazaina fa nanondro hoe efa tonga “ny andron’i Jehovah”. — 2 Tesaloniana 2:1, 2, MN.
Nila fanitsiana àry ny fiheveran’ny Tesaloniana sasany. Ao amin’ny taratasiny faharoa i Paoly dia nanao teny fiderana ho azy ireo noho ny fitomboan’ny finoany, ny halehiben’ny fitiavany, ary ny faharetany tamim-pinoana. Nefa nasehony koa fa tsy maintsy ho tonga ny fivadiham-pinoana alohan’ny fanatrehan’i Kristy. Hisy fotoan-tsarotra àry eo anoloany, ka ny taratasin’i Paoly dia hanampy azy ireo hankatò izao fananarany izao: “Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.” (2 Tesaloniana 3:13). Afaka manampy antsika hanao toy izany koa ireo tenin’i Paoly.
Ny fisehoan’i Kristy sy ny fanatrehany
Voalohany indrindra, dia niresaka ny amin’ny fanamaivanana amin’ny fahoriana i Paoly. (1:1-12). Izany dia ho tonga “raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny”. Hanjo ireo izay tsy manaiky ny vaovao tsara amin’izay ny fandringanana mandrakizay. Mampionona ny mitadidy izany rehefa ampahorina eo am-pelatanan’ireo mpanenjika isika.
Manaraka izany, dia nanamarika i Paoly fa tsy maintsy hiseho ilay “lehilahin’ota” alohan’ny fanatrehan’i Kristy. (2:1-17). Ny Tesaloniana dia tsy tokony ho taitaitran’ireo hafatra na inona na inona milaza fa efa tonga ny “andron’i Jehovah”. Alohan’izany, dia ho tonga ny fihemorana ary hiseho ilay lehilahin’ota. Aorian’izay, i Jesosy dia hanafoana azy, hanao toy izany izy amin’ny fisehoan’ny fiaviany. Mandra-pahatongan’izany, dia nivavaka i Paoly mba hampionona ny fon’ireo Tesaloniana Andriamanitra sy Kristy sy “hampahery azy amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra”.
Fandraisana ireo tsy mitoetra tsara
Nisy toromarika ny amin’ny fandraisana ireo tsy mitoetra tsara tao amin’ireo tenin’i Paoly lavidavitra kokoa. (3:1-18, MN). Nanambara ny fatokiany izy fa hanatanjaka ny Tesaloniana ny Tompo ary hiaro azy ireny tsy ho azon’ilay ratsy, dia i Satana Devoly. Nefa nila nanao dingana izy ireo mba hahasoa ny tenany ihany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tokony hiala tamin’izay tsy nitoetra tsara izy ireo, dia ireo izay nitsabaka tamin’ny raharahan’olona ary tsy nety niasa. “Raha misy tsy mety miasa”, hoy i Paoly, “dia aoka tsy hihinana izy”. Tokony homarihina ny olona toy izany, ary tsy tokony hisy fisakaizana amin’izy ireny akory, na dia tokony hanarina toy ny rahalahy aza izy. Tsy tokony ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa ireo kristiana nahatoky tany Tesalonika, ary nirin’i Paoly mba ho ao amin’izy rehetra ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo [hatsaram-po ho an’ny tsy mendrika akory, MN].
Ny taratasy faharoan’i Paoly ho an’ny Tesaloniana dia manome antoka ny Vavolombelon’i Jehovah fa ho tonga ny fanamaivanana azy amin’ny fahoriany rehefa hamaly an’ireo izay tsy manaiky ny vaovao tsara i Kristy sy ny anjeliny. Manatanjaka ny finoana koa ny mahafantatra fa tsy ho ela dia hofongorana “ilay lehilahin’ota” (ny kilasin’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana) sy ny fivavahan-diso rehetra. Mandra-pahatongan’izany, dia aoka isika hankatò ny anatr’i Paoly mba tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.
[Efajoro/Sary, pejy 24]
Mandeha haingana ny Tenin’i Jehovah: “Mivavaha ho anay”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “mba handehanan’ny tenin’i Jehovah faingana [na hihazakazahany] ka hankalazaina toy ny eo aminareo”. (2 Tesaloniana 3:1; Kingdom Interlinear). Misy manam-pahaizana nanipy hevitra fa ny mpihazakazaka mandeha mafy amin’ny fifaninanana no tian’i Paoly holazaina. Raha mbola tsy azo antoka ny amin’izany, dia nangataka ny hivavahan’ireo kristiana tany Tesalonika i Paoly mba hahafahan’izy sy ireo mpiara-miasa taminy hampiely ny tenin’ny fahamarinana amim-pahadodonana sy tsy misy fanakantsakanana. Noho Andriamanitra mamaly ny vavaka toy izany, dia ‘handeha faingana’ ny teniny arakaraka ny itoriana ny vaovao tsara amim-pahadodonana amin’izao andro farany izao. “Hankalazaina” koa ny tenin’i Jehovah, na derain’ireo mpino ho toy ny “herin’Andriamanitra ho famonjena” mihitsy, tahaka ny naha-izany azy teo amin’ireo Tesaloniana izay nanaiky izany. (Romana 1:16; 1 Tesaloniana 2:13). Toy inona moa ny fifaliantsika satria mitahy ireo mpitory ilay Fanjakana Andriamanitra ary mampitombo haingana ny isan’ireo mpivavaka aminy! — Isaia 60:22.