Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Fadiranovana mafy teo amin’ny hazo fijaliana
NIARAKA tamin’i Jesosy, dia nisy jiolahy roa nentina hovonoina. Tsy lavitra ny tanàna, ilay filaharana dia nijanona teo amin’ny tany antsoina hoe Golgota, na Ikarandoha.
Nesorina ny fitafian’ireo mpigadra. Avy eo dia nomena ny divay niharo miora. Toa namboarin’ireo vehivavy tao Jerosalema izy io, ary tsy nandrara an’io ranon-javatra tsy nampandre fanaintainana io ho an’ireo nohomboana ny Romana. Na dia izany aza, dia tsy nety nisotro i Jesosy rehefa avy nanandrana azy. Nahoana? Niharihary fa naniry ny ho tompon’ny tenany tanteraka izy nandritra io fitsapana tampony ny finoany io.
Nampandriana nitsotra teo amin’ilay hazo i Jesosy izao, ny tanany napetraka teo ambonimbony kokoa noho ny lohany. Avy eo, dia nikapoka fantsika ngezabe hilentika tao amin’ny tanany sy ny tongony ny miaramila. Niolanolana tamim-panaintainana izy arakaraka ny nitrobahan’ny fantsika tamin’ny nofony sy ny hozany. Rehefa natsangana ilay hazo, dia tsy nisy toy izany ny fanaintainana, satria nandrovitra ny ratra teo amin’ilay fantsika ny lanjan’ny vatany. Kanefa, toy izay handrahona, dia nivavaka ho an’ireo miaramila romana i Jesosy nanao hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”
Nametaka soratra teo amin’ilay hazo i Pilato nanao hoe: “JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’NY JIOSY.” Toa nanoratra izany izy tsy hoe satria fotsiny nanaja an’i Jesosy, fa satria izy nankahala ireo mpisorona jiosy izay nanery azy mba hahazoana ny fanamelohana an’i Jesosy ho faty. Koa mba hahafahan’ny rehetra hamaky ilay soratra, dia nampanoratra azy tamin’ny fiteny telo i Pilato: tamin’ny fiteny hebreo sy tamin’ny fiteny latina ôfisialy ary tamin’ny fiteny grika nahazatra.
Very hevitra tampoka ny lohan’ny mpisorona, anisan’izany i Kaiafa sy i Anasy. Nanimba ny fifaliam-pandresena nananan’izy ireo io fanambarana tsara momba an’i Jesosy io. Noho izany, dia nanohitra toy izao izy ireo: “Aza soratana hoe: Mpanjakan’ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jiosy Aho.” Sosotra noho izy nampiasain’ireo mpisorona toy ny kilalao i Pilato ka namaly tamim-panamavoana hentitra hoe: “Izay voasoratro dia voasoratro”.
Nitangorona teo amin’ilay toeram-pamonoana niaraka tamin’ny vahoaka maro be izao ireo mpisorona, ary nanandrana nandiso ilay fanambarana teo amin’ilay soratra. Namerina indray ilay fanambarana lainga natao teo aloha teo anatrehan’ny fitsaran’ny Synedriona izy ireo. Tsy nahagaga àry raha nanomboka niteny ratsy azy sady nihifikifi-doha tamim-panarabiana ny mpandalo ka nanao hoe: “Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ny hazo fijaliana.”
“Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena”, hoy ny lohan’ny mpisorona sy ireo sakaizany ara-pivavahana nanamafy. “Mpanjakan’ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay; natoky an’Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’Andriamanitra Aho.”
Voatarik’izany toe-tsaina izany koa ireo miaramila ka nihomehy an’i Jesosy. Nanome azy vinaingitra tamim-panesoana izy ireo, angamba tamin’ny fihazonana azy io teo akaikin’ny molony maina fotsiny. “Raha Hianao no Mpanjakan’ny Jiosy”, hoy ny fanamavoan’izy ireo, “vonjeo ny tenanao”. Na dia ireo jiolahy aza — ny iray nohomboana teo ankavanan’i Jesosy, ary ny iray teo ankaviany — dia nanaraby azy. Mba eritrereto ange! Ilay lehilahy ambony indrindra niaina teto an-tany, eny, ilay nandray anjara niaraka tamin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny famoronana ny zava-drehetra, dia niaritra tamim-pahatapahan-kevitra ireo fitondrana ratsy rehetra ireo!
Naka ny fitafiany ivelany ireo miaramila ka nizara izany ho tapany efatra. Nanao filokana izy ireo mba hahitana hoe ho lasan’iza izany. Ny akanjony anatiny anefa, dia tsy nisy vitrana, ary ambony vidy kokoa. Koa nifampiresaka toy izao ireo miaramila: “Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’izay hahazo azy”. Araka izany, izy ireo dia tsy nahafantatra fa nanatanteraka ilay andinin-teny nanao hoe: “Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko”.
Tamin’ny farany, dia nanjary nahatakatra ny iray tamin’ireo jiolahy fa tsy maintsy ho mpanjaka marina tokoa i Jesosy. Noho izany, dia nananatra ilay namany izy nanao hoe: “Moa hianao koa tsy mba matahotra an’Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.” Avy eo, dia nitodika tany amin’i Jesosy izy ka niangavy hoe: “Tsarovy aho, rehefa tafiditra ao amin’ny fanjakanao ianao.”
“Lazaiko aminao marina tokoa anio”, hoy ny navalin’i Jesosy, “Hihaona amiko any amin’ny Paradisa ianao”. Ho tanteraka io faminaniana io rehefa hanapaka amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra i Jesosy ka hanangana io mpanao ratsy nibebaka io ho amin’ny fiainana eto an-tany, ao amin’ilay Paradisa izay hovolen’ireo hanana tombontsoa ny hanao izany: ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona sy ireo namany. Matio 27:33-44; Marka 15:22-32; Lioka 23:27, 32-43, MN; Jaona 19:17-24, MN.
◆ Nahoana i Jesosy no tsy nety nisotro ilay divay niharo miora?
◆ Inona no toa antony nametahana ilay soratra teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy, ary nitarika fifamaliana fanampiny inona teo amin’i Pilato sy ny lohan’ny mpisorona izany?
◆ Fitondrana ratsy fanampiny inona no nampiharina tamin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, ary inona no niharihary fa nanosika hanao izany?
◆ Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana tamin’izay natao tamin’ny fitafian’i Jesosy?
◆ Fiovana inona no nataon’ny iray tamin’ireo jiolahy, ary ahoana no hanatanterahan’i Jesosy ny fangatahany?