FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/4 p. 30-31
  • Nahoana ny fanompoam-pivavahana kristiana no ambony kokoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana ny fanompoam-pivavahana kristiana no ambony kokoa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Kristy: ambony noho ny anjely sy i Mosesy
  • Miditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny kristiana
  • Fisoronana sy fanekena ambony kokoa
  • Iankinan’ny aina ny finoana!
  • Hebreo, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-58 — Hebreo
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Antomotra ny loza aman’antambo haneran-tany iray — ‘Hevero Jesosy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ny Ondry Hafa sy ny Fanekena Vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/4 p. 30-31

Nahoana ny fanompoam-pivavahana kristiana no ambony kokoa

Hevi-dehibe ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo

JEHOVAH ANDRIAMANITRA dia nampiditra toetra ambony kokoa teo amin’ny fanompoam-pivavahana rehefa nandefa ny Zanany, Jesosy Kristy, teto an-tany. Izany no izy satria i Jesosy, ilay Mpanorina ny kristianisma, dia ambony kokoa noho ny anjely sy i Mosesy mpaminany. Ny fisoronan’i Kristy dia ambony lavitra rehefa oharina amin’ny an’ireo Levita teo amin’ny Isiraely fahiny. Ary ny soron’i Jesosy dia ambony lavitra noho ny an’ireo biby natolotra teo ambany Lalàn’i Mosesy.

Natao mazava ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo ireo hevitra ireo. Toa nosoratan’ny apostoly Paoly tany Roma tany amin’ny 61 am.fan.ir. tany ho any izy io, ary nalefa tany amin’ireo mpino hebreo tany Jodia. Hatrany am-boalohany, ireo kristiana grika sy aziatika dia nino an’i Paoly ho ny mpanoratra azy io, ary izany dia tohanan’ny fahalalana feno ananan’ilay mpanoratra momba ireo Soratra hebreo sy ny fampiasany fandaharan-kevitra mifandrindra, izay samy mampiavaka io apostoly io. Nety ho tsy nampiditra ny anarany izy noho ny tsy fitiavan’ny Jiosy azy ary koa satria fantatra ho “Apostolin’ny jentilisa” izy. (Romana 11:13). Aoka isika izao hijery akaiky kokoa ireo toetra maha-ambony kokoa ny kristianisma, araka ny aharihary ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo.

Kristy: ambony noho ny anjely sy i Mosesy

Ny aseho voalohany dia ny toerana ambony kokoa tanan’ny Zanak’Andriamanitra. (1:1–3:6, MN). Miankohoka eo anoloany ny anjely, ary miorina amin’Andriamanitra ny fanapahany amin’ny maha-mpanjaka. Tokony hampiseho fitandremana mihoatra noho ny fahita an’izay nolazain’ny Zanaka àry isika. Ambonin’izany, dia tokony hotadidintsika fa, na dia ambany noho ny anjely aza i Jesosy tamin’ny naha-olona azy, dia nasandratra ambony noho izy ireo izy ary nomena ny fanapahana ny tany onenana ho avy.

Ambony noho i Mosesy koa i Jesosy Kristy. Amin’ny ahoana? Mpanompo teo amin’ny tapany isiraelita amin’ny tranon’Andriamanitra fotsiny i Mosesy. Kanefa, i Jehovah dia nametraka an’i Jesosy teo ambonin’izany trano izany manontolo, dia ny kongregasiona voaforon’ny vahoakan’Andriamanitra.

Miditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny kristiana

Manaraka izany, ilay apostoly dia mampiseho fa azo atao ny miditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra. (3:7–4:13, MN). Ireo Isiraelita nafahana avy tamin’ny fanandevozana egyptiana dia tsy niditra tao amin’izany satria tsy nankatò sady tsy nanam-pinoana. Isika anefa dia afaka miditra ao amin’izany fitsaharana izany raha maneho finoana an’Andriamanitra ka manara-dia an’i Kristy amim-pankatoavana. Amin’izay, tsy hitandrina Sabata isan-kerinandro akory isika, fa hankafỳ isan’andro kosa ny fitahiana ambony kokoa amin’ny fitsaharana amin’ireo asa rehetra mampiseho fitiavan-tena.

Ny fidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra dia fampanantenana iray hita ao amin’ny teniny, izay “maranitra kokoa noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny fanahy (âme) sy ny saina (esprit)”. Manao izany izy satria miditra lalina mba hamantatra ireo antony manosika sy fihetsika, mba hampisaraka ireo faniriana ara-nofo sy izay fironan’ny saina. (Ampitahao amin’ny Romana 7:25.) Raha ampiarahintsika amin’ny “saina”, na ny fironan’ny saina, araka an’Andriamanitra, ny ‘fanahintsika’, izany hoe ny aintsika amin’ny maha-olona antsika, dia afaka miditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra isika.

Fisoronana sy fanekena ambony kokoa

Manaraka izany, i Paoly dia mampiseho ny maha-ambony kokoa ny fisoronan’i Kristy sy ny fanekena vaovao. (4:14–10:31, MN). I Jesosy Kristy tsy nanana ota dia mangoraka ny olombelona mpanota satria, tahaka antsika, izy dia nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra. Ambonin’izany, Andriamanitra dia nanendry azy ho “Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka”. Tsy tahaka ireo mpisoronabe levita i Jesosy, fa manana fiainana tsy azo ravana, ka noho izany dia tsy mila mpandimby azy eo amin’ny asa famonjena ataony. Tsy mila hanolotra fanatitra biby izy, satria efa nanolotra ny tenany tsy nisy ota izay ambony lavitra ary niditra tany an-danitra nitondra ny vidin’ny rany.

Ny fanekena vaovao, izay natao nanan-kery tamin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, dia ambony kokoa noho ny faneken’ny Lalàna. Ireo ao anatin’ny fanekena vaovao dia manana ireo lalàn’Andriamanitra ao am-pony ary mahazo famelana ny fahotany. (Jeremia 31:31-34). Manosika azy ireo hanao fanambarana ampahibemaso ny fanantenany sy hiara-mivory amin’ireo mpiray finoana aminy ny fankasitrahany izany. Tsy mba tahaka azy ireo ny minia manota fa tsy manana fanatitra noho ny ota intsony.

Iankinan’ny aina ny finoana!

Mba handraisantsika soa avy amin’ny fanekena vaovao ambony kokoa, dia mila finoana isika. (10:32–12:29, MN). Ilaintsika koa ny fiaretana raha tiantsika ny handray izay nampanantenain’i Jehovah. Ho fampirisihana antsika mba hiaritra, dia manana ‘vavolombelona talohan’ny vanim-potoana kristiana maro be manodidina antsika toy ny rahona’ isika. Ny tena ilaintsika indrindra anefa, dia ny mandinika akaiky ny fomba fiaina tsy nisy tsininy narahin’i Jesosy tao anatin’ny fahoriana. Izay fahoriana rehetra avelan’Andriamanitra hanjo antsika dia azo heverina ho toy ny fifehezana izay mitondra ny vokatry ny fiadanana, dia ny fahamarinana. Tokony hampitombo ny faniriantsika hanolotra fanompoam-pivavahana masina “amin’ny fanajana sy fahatahorana araka an’Andriamanitra” ho azy ny maha-azo itokiana ireo fampanantenan’i Jehovah.

Mamarana amin’ny alalan’ny fananarana i Paoly. (13:1-25). Tokony hanosika antsika haneho fifankatiavan’ny mpirahalahy, hahay mampiantrano vahiny, hahatsiaro ireo mpiray finoana amintsika ao anatin’ny fahoriana, hanaja ny fanambadiana ary ‘hianina amin’izay ananantsika’ ny finoana. Tokony hanahaka ny finoan’ireo izay mitondra ao amin’ny kongregasiona isika ary tokony hankatò azy ireo. Ambonin’izany, dia tsy maintsy manalavitra ny fivadiham-pinoana isika, mitondra ny latsa izay nentin’i Jesosy, ‘manatitra fanati-piderana ho an’Andriamanitra mandrakariva’ ary manao soa hatrany. Ny fitondrantena toy izany koa dia anisan’ireo toetra ambony kokoa mampiavaka ny kristianisma marina.

[Efajoro/Sary, pejy 24]

Batisa samihafa: Ny zavatra sasany anisan’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tabernakelin’ny Isiraely dia “naman’ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa [batisa samihafa, MN].” (Hebreo 9:9, 10). Ireo batisa ireo dia fanasana araka ny fombafomba ara-pivavahana notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Ny fitoeran-drano nanjary naloto dia nosasana ary tafiditra tao amin’ny fidiovana ara-pomba ny fanasana ny fitafian’ny tena sy ny fandroana. (Levitikosy 11:32, MN; 14:8, 9; 15:5). Nandro ireo Mpisorona, ary ireo zavatra nifandray tamin’ny fanatitra odorana dia nokobanina tamin’ny rano. (Eksodosy 29:4; 30:17-21; Levitikosy 1:13; 2 Tantara 4:6). Ireo “batisa samihafa” anefa dia tsy nahafaoka ny ‘fanaovana batisa ireo kapoaka sy famarana ary fitoeran-drano varahina’ araka ny fombafomba ara-pivavahana fanaon’ny Jiosy sasany tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Mesia; ary ny Hebreo 9:10 koa dia tsy miresaka ny amin’ny fandrobohana anaty rano nataon’i Jaona Mpanao batisa na ny batisan’ireo izay manamarika ny nanolorany tena ho an’Andriamanitra amin’ny maha-kristiana azy. — Matio 28:19, 20; Marka 7:4; Lioka 3:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara