Fanontanian’ny mpamaky
◼ Ireo anjely dia fanahy, tsy manana vatana azo tsapain-tanana, koa nahoana ianareo no mampiseho azy ireny an-tsary ho manana elatra? Moa ve izany tsy lovantsofina ara-pivavahana fotsiny?
Mazàna izahay no manao sarin’anjely misy elatra noho ireo filazalazana ara-panoharana hita ao amin’ny Baiboly.
Marina ny voalazanao fa tsy manana vatana azo tsapain-tanana misy elatra ara-bakiteny na tarehy, na tanana, na tongotra, na faritra hafa amin’ny vatana, ireo zavaboary ara-panahy. Kanefa, tamin’ny fotoana izay nisehoan’ny anjely tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra, dia tsy maintsy naka endrika toy ny olona ara-dalàna izy ireny, satria noheverina ho toy izany izy. — Genesisy 18:2, 22; 19:1; Mpitsara 6:11-22.
Indraindray anefa, dia nisy olona nahazo fahitana momba ny anjely, ary nilazalaza momba azy ireny. Ezekiela mpaminany dia nahita “zava-manan-aina efatra”, ary tao amin’ny fahitana iray tatỳ aoriana kokoa izy dia nampahafantatra ireo anjely ireo ho anisan’ireo fantatra amin’ny anarana hoe kerobima. (Ezekiela 1:5; 9:3; 10:3). Ny tsirairay avy amin’ireo anjely ireo dia nanana elatra efatra, izay nampiseho ny fahaizany mamaly haingana amin’izay rehetra tondroin’ny baikon’Andriamanitra. “Tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy rehetra (...) ka na aiza na aiza no tian’ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.” — Ezekiela 1:6, 9, 12.
Nefa tsy nitovy foana akory ireo anjely hita tamin’ny fahitana. Nanana elatra enina ireo zavaboary anjely antsoina hoe serafima hitan’i Isaia. (Isaia 6:1, 2). Nisy fahasamihafana na dia teo amin’ireo fahitana hitan’i Ezekiela aza. Tamin’ny voalohany, ireo anjely dia nanana tongotra, tanana teo ambanin’ny tsirairay avy tamin’ireo elatra efatra, ary tarehy efatra (tahaka ny tarehin’olona, liona, omby, ary voromahery). Tao amin’ny fahitany nanaraka, dia tahaka ny an’ny kerobima ny anankiray tamin’ireo tarehy fa tsy tahaka ny an’ny omby, angamba mba hampisehoana ny hery lehibe ananan’ny kerobima. Tao amin’ny fahitana taoriana kokoa momba ny ravaky ny tempoly ara-panoharana iray, i Ezekiela dia nahita kerobima nanana tarehy roa, ka tarehin’olona ny iray ary tarehin-diona ny faharoa. (Ezekiela 1:5-11; 10:7-17; 41:18, 19). Tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tabernakely, ary koa tao amin’ny tempoly naorin’i Solomona tany Jerosalema, dia nisy kerobima nanana elatra roa. Teo ambonin’ny rakotra volamenan’ny vata nantsoina hoe ny fiaran’ny fanekena, izy ireo. Nifanatrika ireo kerobima volamena roa, ary samy nanana elatra roa nanaloka ilay Fiara. (Eksodosy 25:10-22; 37:6-9). Teo ambonin’ilay Fiara (sy ny rakony) tao amin’ny tempolin’i Solomona, dia nisy kerobima volamena roa lehibe kokoa, samy nanana elatra roa nivelatra. — 1 Mpanjaka 8:6-8; 1 Tantara 28:18; 2 Tantara 5:7, 8).
Nanoratra toy izao i Josèphe: “Raha ny amin’ny [ireo] kerobima [ireo] mihitsy, dia tsy misy afaka milaza na maka sary an-tsaina hoe sahala amin’inona izy ireo.” Araka izany, dia misy manam-pahaizana sy mpanakanto sasany manorina ny sarin’anjely ataony (indrindra fa ireo kerobima) amin’ilay lazaina fa modelin-tsarin’ireo andriamanitra manana bikam-biby misy elatra tany Atsinanana Akaiky fahiny. Nefa mpitari-dalana azo antoka kokoa ny fanazavan’i Ezekiela fa ireo izay hitany dia “hoatra ny endrik’olona”. (Ezekiela 1:5). Noho izany, rehefa aseho an-tsary ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakanay ireo anjely any an-danitra, dia mampiseho azy amin’ny ankapobeny ho toy ny bikan’olombelona araka ny tokony ho izy izahay. Misy elatra no ampisehoanay azy ireny noho ireo filazalazana ara-baiboly maro momba ny anjely isan-karazany manana elatra, sy noho ireo fanazavana momba ny anjely “nanidina”. — Apokalypsy 14:6; Salamo 18:10.
Farany, ny pejy faha-288 amin’ilay boky hoe La Révélation — Le grand dénouement est proche! dia mampiseho sarina zavaboary any an-danitra manana elatra, manao satroboninahitra ary mitana fanalahidy. Izy io dia fanehoana an-tsary ny Apokalypsy 20:1, manao hoe: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany.” Takatsika fa i Jesosy Kristy nomem-boninahitra io anjely manana fanalahidy io. Asehon’ny sary fa manana elatra izy mba hifanaraka amin’ny fananan’ireo anjely hita ao amin’ny fahitana, elatra mandrakariva.