FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/8 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no Nampanoratra ny Baiboly?
    Mifohaza!—2007
  • Ahoana no Nanomezan’Andriamanitra Tsindrimandry mba Hanoratana ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ny Baiboly — Ny Boky Fianarantsika Lehibe Indrindra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Lemoela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/8 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Mpanoratra ny Baiboly iza no “jeneraly”, araka ny resahina ao amin’ilay boky hoe La Bible — Parole de Dieu ou des hommes?a

Milaza toy izao io boky tena mahasoa momba ny Tenin’Andriamanitra io ao amin’ny pejy faha-10: “Tsy manam-paharoa koa ny Baiboly noho ny fanambarana nataon’ny maro tamin’ireo mpanoratra azy. Olona eo amin’ny 40, anisan’izany ny mpanjaka, mpiandry ondry, mpanarato, mpiasam-panjakana, mpisorona, jeneraly iray fara fahakeliny, ary mpitsabo iray, no nandray anjara tamin’ny fanoratana ireo tapany samy hafa ao amin’ny Baiboly. Nefa samy mamerimberina manao izao filazana izao ireo mpanoratra azy: tsy ny heviny manokana no nosoratany fa ny an’Andriamanitra.”

Nisy nanontany ny amin’izay mpanoratra ny Baiboly ampahafantarina amin’ny alalan’ireo asa na raharaha isan-karazany ireo. Momba izany, dia diniho kely izao manaraka izao:

Mpanjaka: Mpanjaka ny sasantsasany tamin’ireo mpanoratra ny Baiboly. I Davida sy i Solomona no mety ho tonga avy hatrany ao an-tsaina indrindra. (Salamo 3, fampidiran-dresaka; Ohabolana 1:1; Mpitoriteny 1:1). Kanefa, ilay hira ao amin’ny Isaia 38:10-20 dia nosoratan’i Hezekia. (Andininy faha-9). Mpivaofy teny maro be no mino fa izy koa no nanoratra ny Salamo 119, angamba talohan’ny nahatongavany ho mpanjaka. Ary i Hezekia dia nanana anjara tamin’ny fanangonana ny Ohabolana toko faha-25-29. (Ohabolana 25:1). Ny toko farany amin’ny Ohabolana dia nomanin’i “Lemoela mpanjaka”. Misy milaza azy io ho Hezekia mpanjaka, nefa ny hafa mihevitra fa i Solomona mpanjaka no Lemoela. — Ohabolana 31:1.

Mpiandry ondry: i Davida sy i Amosa mpaminany dia niasa tamin’ny naha-mpiandry ondry. (1 Samoela 16:11-13; 17:15, 28, 34; Amosa 1:1). Nanoratra ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany i Amosa, ary i Davida indray nanoratra salamo maro. Ny Salamo 23 malaza dia tsy isalasalana fa manome taratry ny fahazaran’i Davida amin’ny asa fiandrasana ondry.

Mpanarato: Tamin’ireo apostolin’i Jesosy izay mpanarato, dia i Jaona sy i Petera no nahazo tsindrimandry hanoratra bokin’ny Baiboly tatỳ aoriana. (Matio 4:18-22). Teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra no nanoratan’i Jaona Filazantsara iray, ary koa taratasy telo sy ny bokin’ny Apokalypsy. Nanoratra taratasy ara-tsindrimandry roa i Petera.

Mpiasam-panjakana: Samy mpiasam-panjakana tany amin’ny fitondram-panjakana hafa nampihatra fahefana teo amin’ny vahoakan’i Jehovah i Daniela sy i Nehemia. (Nehemia 1:1, 11; 2:1, 2; Daniela 1:19; 2:49; 6:1-3). Misy boky roa ao amin’ny Baiboly mitondra ny anaran’ireo lehilahy roa ireo.

Mpisorona: Roa tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra nampiasaina hanoratra boky ao amin’ny Baiboly no mpisorona. I Jeremia sy i Ezekiela izany. (Jeremia 1:1; Ezekiela 1:1-3). Fanampin’izany, i Ezra dia mpisorona avy amin’ny taranak’i Arona izay “mpanora-dalàna (...) sady nahay ny lalàn’i Mosesy”. Izy dia “nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” — Ezra 7:1-6, 10, 11.

Jeneraly: Ny anjara asan’i Josoa teo amin’ny fitarihana ny tafika rehefa nifindra ho any amin’ny Tany nampanantenaina ny Isiraelita ka niady tamina vahoaka fahavalo maro be, dia manome azy ny toeran’ny jeneraly. (Josoa 1:1-3; 11:5, 6). Nanana tombontsoa hanoratra ny bokin’i Josoa izy. Tamin’izany fotoana izany koa, dia nisy mpamaky ny Baiboly nety ho nihevitra an’i Davida ho lehilahy iray niasa tamin’ny naha-jeneraly talohan’ny nahatongavany ho mpanjaka. — 1 Samoela 19:8; 23:1-5.

Mpitsabo: Farany, ny Kolosiana 4:14, MN dia milaza hoe: “Lioka mpitsabo malala”. I Lioka no nanoratra ny filazantsara mitondra ny anarany, ary miharihary fa ny Asan’ny apostoly ihany koa.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watchtower Bible and tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1989.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara