FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/7 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona Nanoratra ny Tantaran’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • “Tsy Nahita Fianarana ... Sady Olon-tsotra”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Ireo Lasa Mpianatr’i Jesosy
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-41 — Marka
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/7 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Ny Jaona 18:15 dia miresaka ny amin’ny mpianatra iray fantatry ny mpisoronabe. Moa ve izy io ihany ilay mpianatra nandositra “nitanjaka”, araka ny tantaraina ao amin’ny Marka 14:51, 52?

Tsia, toa ny apostoly Jaona ilay olona fantatry ny mpisoronabe, kanefa i Marka mpianatra kosa ilay nandositra “nitanjaka”.

Raha raisina araka ny fifaneseny ireo tantara ireo, dia hanomboka any amin’ny sahan’i Getsemane isika. Naneho fihetsika feno tahotra ireo apostoly rehefa nosamborina i Jesosy. “Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.” Ny andininy manaraka amin’ny fitantaran’i Marka mihitsy dia milaza fahasamihafana toy izao: “Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin’ny olona teo izy. Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.” — Marka 14:50-52.

Araka izany, ny fihetsika voalohany nasehon’ireo apostoly 11, dia samy hafa tamin’ny an’io mpianatra tsy voalaza anarana io, noho izany dia araka ny fandrindran-kevitra ny anatsoahana avy amin’izany fa tsy iray tamin’ireo apostoly izy io. Io fisehoan-javatra io dia tsy tantaraina afa-tsy ao amin’ny filazantsara nosoratan’ilay mpianatra voalohany atao hoe Jaona Marka ihany, izay zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Barnabasy. Noho izany, dia misy antony tokony hinoana fa i Marka ilay “zatovo” izay nanomboka nanaraka an’i Jesosy voasambotra nefa nandositra tsy niakanjo rehefa nanandrana nisambotra azy koa ny vahoaka. — Asan’ny apostoly 4:36; 12:12, 25; Kolosiana 4:10.

Tamin’ny toerana sasany, tamin’io alina io, dia nanaraka an’i Jesosy koa ny apostoly Petera, somary lavidavitra kokoa. Amin’izay heviny izay, dia misy fifanahafany; ilay mpianatra tanora (Marka) dia nanomboka nanaraka an’i Jesosy saingy nijanona, kanefa, tatỳ aoriana kokoa, ny roa tamin’ireo apostoly nandositra dia nanomboka nanaraka ilay Tompony voasambotra. Ao amin’ny filazantsaran’ny apostoly Jaona, dia izao no vakintsika: “Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an’i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin’i Jesosy ho ao an-kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe izy.” — Jaona 18:15.

Nampiasa ny anarana hoe “Jaona” ny apostoly Jaona mba hanondroana an’i Jaona mpanao batisa nefa tsy nanondro ny tenany tamin’ny anarana mihitsy izy. Ohatra, nanoratra ny amin’ “ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany” izy. Tahaka izany koa ny hoe: “Ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy.” (Jaona 19:35; 21:24). Mariho koa ny Jaona 13:23 manao hoe: “Nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan’i Jesosy, dia ilay tian’i Jesosy.” Fotoana fohy talohan’ny nisamborana an’i Jesosy izany. Taoriana kelin’izany andro izany, i Jesosy nohomboana dia nifidy mpianatra anankiray, izay nomarihin’i Jaona tamin’ny fitenenana sahala amin’izao: “Ary nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy [Jesosy] tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!” — Jaona 19:26, 27; ampitahao amin’ny Jaona 21:7, 20.

Miharihary io toetra mampiavaka an’i Jaona ny amin’ny tsy fanononana ny anarany io ihany ao amin’ny Jaona 18:15. Fanampin’izany, i Jaona sy i Petera dia tafaraka ao amin’ny fitantarana taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ao amin’ny Jaona 20:2-8. Ireo fanondroana ireo dia mahatonga hihevitra fa ny apostoly Jaona ‘ilay mpianatra [izay] fantatry ny mpisoronabe’. Tsy manome fanazavana fanampiny ny Baiboly raha ny amin’ny fomba nety ho nahafantaran’ilay apostoly galiliana (Jaona) ny mpisoronabe sy nahafantaran’ny mpisoronabe azy. Nefa ny nahafantaran’ny ankohonan’ny mpisoronabe azy dia nahatonga an’i Jaona ho afaka hangata-dalana tamin’ilay mpiandry vavahady hiditra tao amin’ny kianjan’ny trano sy hahazo lalana ho an’i Petera koa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara