Moa ve efa manangasanga ny fiadanan’izao tontolo izao?
NANDRITRA ny tantara, dia mbola tsy nisy fotoana tsy nisian’ny tetikasa ho an’ny fandriampahalemana na fanambarana momba ny fandriampahalemana natao tamin’ny endriny iray na ny hafa. Mampalahelo fa toa natao hanafoana azy ireny ireo ady maro be. Raha ny amin’ireo fifanekena sy fanambarana momba ny fandriampahalemana, dia vahoaka faran’izay betsaka no nianatra ny tsy hametraka ny fitokiany be loatra amin’izany.
Tao anatin’ireo taona vitsivitsy farany anefa, dia mpanao fandinihana sy mpilaza ny hevitry ny zavamiseho maro be no nanomboka nahatsapa fa misy zavatra hafa mitranga. Nampipoitra ny fetezan’ny fiorenan’ny sehatra ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany izy tamin’ity indray mandeha ity, na dia eo aza ny zava-manahirana eo an-toerana. “Ny fanantenana ny hisian’ny fanapahan-kevitra momba ny fifanoherana tsy hisy ady dia tsara orina kokoa noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra hatramin’ny faran’ny Ady lehibe faharoa”, hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fandriampahalemana any Stockholm. Nisy mpampita vaovao malaza iray voasarik’ireo fisehoan-javatra haingam-piseho tany amin’ny faritra atsinanan’i Eoropa hanambara toy izao: “Toa azo ampoizina kokoa ankehitriny ny hisian’ny fandriampahalemana eto an-tany noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra hatramin’ny Ady lehibe faharoa.” Na ny gazety The Bulletin of the Atomic Scientists aza dia nanome taratr’izany toe-tsaina izany. Tamin’ny 1988 izy io dia nanodina ny famantaranandro malazany manondro ny andro fitsarana farany niala teo amin’ny telo minitra alohan’ny misasakalina ho eo amin’ny enina minitra alohan’ny misasakalina, ary avy eo, tamin’ny Aprily 1990, dia niverina lavitra kokoa nankeo amin’ny folo minitra alohan’ny misasakalina.
Izany rehetra izany dia niteraka fanantenana fihatsaran-javatra sy haravoana betsaka talohan’ny fipoahan’ny ady tany Atsinanana Afovoany. Nefa na dia hatramin’io fotoana io aza dia misy olona miresaka ny amin’ny Ady mangatsiaka sy ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana eo amin’ireo matanjaka indrindra hoe nitsahatra. Ny sasany naminavina ny amin’izay tokony hanaovana ny vola rehetra antenain’ireo fitondram-panjakana fa ho voangona noho ny fampihenana ny fandaniana ara-tafika. Hety ve ny hoe efa tonga ny fotoana ho an’ny fandriampahalemana maharitra? Eo am-pianarana ‘manefy ny sabany ho fangady sy ny lefony ho fanetezam-boaloboka’ marina ve ireo firenena? (Isaia 2:4). Inona no asehon’ireo zava-misy?
Ireo ady tsy voaresaka
“Ny faran’ny ady mangatsiaka sy ny filefahana vaovao teo amin’ny Tatsinanana sy ny Tandrefana dia nahatonga ny sasany halaim-panahy hino fa tonga ny fandriampahalemana”, hoy ny fanamarihan’ny The Economist any Londres. “Tsy izany no izy. Rehefa afaka tamin’ny loharanom-pihenjanana lehibe iray izao tontolo izao dia mbola manana madinika maro be ihany.” Inona ireo fihenjanana na fifanoherana “madinika” ireo?
Ny Lenz Peace Research Laboratory, fikambanana manao fikarohana mahaleotena iray any Etazonia, dia manao tatitra fa hatramin’ny Septambra 1990, dia ady 15 fara fahakeliny no nitranga nanerana izao tontolo izao. Tsy tafiditra amin’izany ny fanafihan’i Irak an’i Koweit, satria ilay tatitra dia tsy nanisa afa-tsy ireo ady nahafatesana, fara fahakeliny, olona arivo isan-taona tamin’izany fotoana izany ihany. Ny sasany tamin’ireo ady ireo dia nitohy nandritra ny 20 taona na maherin’izany. Izy rehetra miaraka dia naka ain’olona 2 900 000, ary olon-tsotra fa tsy miaramila ny ankamaroan’izany. Io tarehimarika io dia tsy mahafaoka ireo anisan’ny maty tamin’ny sasany tamin’ireo ady nampandriaka ra indrindra, izay vao tamin’ny taon-dasa no niato, toy ny tany Ouganda, Afghanistan, ary Iran-Irak.
Olona efa ho telo tapitrisa no maty rehefa noheverina fa ao anatin’ny fandriampahalemana izao tontolo izao! Izany fotsiny dia efa mampalahelo. Ny mampalahelo indrindra anefa dia ny nitohizan’ny ankamaroan’ireo ady ireo saika tsy hita sy tsy nampalahelo ny sisa amin’izao tontolo izao. Izany no nety ho nahatonga azy ireny hantsoina hoe ady tsy voaresaka satria ny ankamaroany — famelezana, ady an-trano, fikomiana — dia hita tany amin’ny iray na ny hafa amin’ireo firenena mahantra. Ho an’ny ankamaroan’ny mponina any amin’ny tany manankarena sady mandroso, ireo olona dimy hetsy maty tany Soudan, na ireo telo hetsy mahery maty tany Angola, dia toa tsy natao hitana ny saina loatra. Raha ny marina, dia misy ireo milaza fa izao tontolo izao dia ao anatin’ny vanim-potoan’ny fandriampahalemana tsy manam-paharoa hatramin’ny nahavitan’ny Ady lehibe faharoa, satria tsy nisy ady teo amin’ireo firenena mandroso ary, na dia teo aza ny fihenjanana goavana sy ny fampitomboana ny fitaovam-piadiana, dia tsy nandeha nifamely ireo matanjaka indrindra.
Azo antenaina ve ny hisian’ny fandriampahalemana?
Raha midika tsy fisian’ny ady noklehera maneran-tany fotsiny ny fandriampahalemana, dia angamba amin’izay vao afaka milaza ny olona iray fa efa nahita fahombiazana sasany tamin’ny fiezahany hampisy fandriampahalemana ireo firenena eo amin’izao tontolo izao. Ny politikan’ny “Mutual Assured Destruction” (Fifandringanana azo antoka) dia nisakana ireo matanjaka indrindra tsy ho tonga amin’izany ambaratonga izany. Nefa tena fandriampahalemana ve izany? Ahoana no hahafahan’izany hisy raha miaina mandrakariva ao anatin’ny tahotra ny fahafoanana tanteraka sady tampoka ny olona? Ahoana no ahafahantsika miresaka ny amin’ny fandriampahalemana raha toa, manerana izao tontolo izao, ka fiainan’olona maro be aoka izany no potika, simba ny fivelomany, ary fongotry ny ady, lehibe sy kely, izay mba fahatsinjovan’izy ireny fiainana misy heviny sy feno?
Nanoratra toy izao indray mandeha i Elie Wiesel, ilay nahazo ny loka nobel: “Hatramin’ny fotoana ela tsy tsaroana ny olona no niresaka ny amin’ny fandriampahalemana nefa tsy nahatratra izany. Tsy ampy fanandraman-javatra misimisy kokoa fotsiny ve isika? Miresaka ny amin’ny fandriampahalemana isika, kanefa manao ady. Indraindray aza isika manao ady amin’ny anaran’ny fandriampahalemana mihitsy. (...) Ny ady indrindra no mety ho tapany iray amin’ny tantara tokony hofoanana — mandrakizay.”
Ary vao haingana, ny ady any Atsinanana Afovoany dia nandrava indray ny nofinofy ny amin’ny fandriampahalemana. Nety ho niantehitra tamin’ny loharanom-piadanana diso fotsiny ve ny olombelona?
[Sary, pejy 3]
“Izao taranaka amin’ny mponina eto an-tany izao dia mety ho vavolombelona hahita izay hialoha ny vanim-potoam-piadanana iray tsy hay ovana eo amin’ny tantaran’ny sivilizasiôna.” — Mikhail Gorbachev, prezidan’ny Firaisana Sovietika tao amin’ny fivoriana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana tany Washington, D.C., U.S.A., May 1990
[Sary nahazoan-dalana]
UPI/Bettmann Newsphotos
[Sary, pejy 4]
“Mivelatra eo anoloantsika ny tontolo vaovao iray anjakan’ny fahafahana . . . , tontolo iray haharetan’ny fiadanana, izay hisian’ny fifanakalozana sy hetezan’izay rehetra toa nampisalasala ny fetezany.” — George Bush, prezidan’i Etazonia, tao amin’ny fivoriana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana momba ny toekaren’izao tontolo izao, tany Houston, any Texas, Etazonia, Jolay 1990
[Sary nahazoan-dalana]
UPI/Bettmann Newsphotos
“Eo am-pirodanana ny rindrina izay nanidy ny olona sy ny firehan-kevitra tsy hivoaka. Eo am-pamaritana izay ho anjara fiainany ny Eoropeana. Mifidy ny fahafahana izy ireo. Mifidy ny fahafahana ara-toekarena izy ireo. Mifidy ny fandriampahalemana izy ireo.” — Fanambaran’ny NATO tao amin’ny fivoriana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana tany Londres, Angletera, Jolay 1990
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Sary ao amin’ny fonony: U.S. Naval Observatory photo (kintana); NASA photo (tany)